Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Faty olona 1 = sazy 1 taona

01/06/2013

Dimy taona an-tranomaizina miampy asa an-terivozona. Izay no sazy navoakan’ny fitsarana tao Ambositra ny Alakamisy teo taorian’ny fitsarana ilay zandary nitifitra olona tamin’ny taona 2012. Raha tsiahivina dia olona dimy be izao no nalahatr’ity zandary ity ary notifiriny ary maty avokoa tamin’io fotoana io. Tsy vitan’izany fa mbola nodorany ihany koa ny tranon’olona ary nisy maty vokatr’izany hay trano izany. Tamin’ny alakamisy teo ary no natao ny fitsarana izany raharaha izany tany Ambositra ka ny filohan’ny “Cour d’appel” avy any Fianarantsoa no nitarika izany.

Niaiky ny heloka nataony ilay voapanga, izany hoe ilay zandary nandritra ny raharaham-pitsarana, araka ny nambaran’ny mpisolovava ny mpitory, kanefa nahagaga fa tsy arak’izany ny didim-pitsarana navoakan’ny mpitsaran izay nitsara ny raharaha. Araka ny voalaza tetsy ambony dia sazy dimy taona an-tranomaizina sy asa anterivozona no nomen’ny fitsarana. Kenafa amin’ny raharaha famonoan’olona toy itony dia ny “peine de mort” no sazy mifanandrify aminy. Torak’izany ihany koa ny fandorana tranon’olona izay nahafatesan’olona. Mametram-panon-taniana ny amin’ny antony nahatonga ny fitsarana tsy hampiantra an’ity sazy mifandraika amin’ny heloka vita ity arak’izany ny mpisolovava ny mpitory izay nilaza mazava fa tsy voaaja ny làlana sy ny tsy fitongilanana tamin’ity raharaha ity.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...