Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Ny mpanao politika no fototry ny fikatsoana

01/06/2013

Noraisin’ny iraky ny SADC nihaona tamin’ny, omaly, ny delegasiona avy amin’ny CENI-T notarihan’ny filohany Béatrice Atallah. Nambaran’ity farany fa nahakasika ny tetitra amin’ny dingana vita amin’ny fiatrehana ny fifidianana no votoatin’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny iraky ny SADC. Nambaran’ny filohan’ny CENI-T ihany koa fa mbola mihazona ny datin’ny 24 jolay hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena izy ireo hatramin’izao satria mbola tsy nisy mandrak’izao ny fanampahan-kevitra manemotra izany. Mbola tsy tara ihany koa, hoy izy, ny fanotana ny vato tokana

Tondroin’ny filohan’ny CENI-T, Atallah Béatrice, ho fototr’izao fikatsoan’ny firosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fivoahana amin’ny krizy eto Madagasikara izao ireo mpanao politika. Araka ny nambarany, omaly, tamin’ireo mpanao gazety, dia efa vonona 90% ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena. Ny fanotana ny vato tokana sy ny fitaterana izany any amin’ireo birao fandatsaham-bato ary ny fanofanana ireo mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato : ireo no hany sisa tsy vota amin’ny fiatrehana izany fifidianana izany.
Nambaran’ny filohan’ny CENIT arak’izany fa mbola mihazona ny datin’ny 24 jolay hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena izy ireo hatramin’izao. Tsy afaka maka fanampahan-kevitra hanondro daty hafa hanatanterahana ny fifidianana ny CENI-T, araka ny fanazavan’i Béatrice Atallah ihany. Nambarany fa “rehefa misy daty raikitra amin’ny fanatanterahana ny fifidianana dia ny didim-pitondrana avoakan’ny governemanta amin’ny alalan’ny filamnekevitry governemanta ihany ahafahan’ny CENI-T mandinika ny fanovana izany miaraka amin’ny fianankaviambe iraisam-pirenena”.
Tsy mbola tara ny fanotana ny vato tokana
Mahakasika ny fanotana ny vato tokana: nanambara ny filohan’ny CENI-T fa taorian’ny fandavan’ny Vondrona Eropeanina ny hiantoka izany dia nanaiky kosa ny Afrikanina Tatsimo. Izany hoe ity firenena ity no hiantoka manontolo ny fanotana ny vato tokana sy ny fitaterana izany, araka ny nambaran’ny Filohan’ny CENI-T. Nambarany fa mbola manana fotoana ampy hanontana izany isika amin’izao fotoana izao. Izany hoe mbola azo tanterahina soamatsara ny fifidianana amin’ny 24 jolay.
Nomarihan’ny Filohan’ny CENI-T fa tsy marina ny folazana fa efa nisy ny vato tokana izay efa voatonta ary tsy misy ny anaran’ireo kandidà telo izay kianin’ny fianankaviambe iraisam-pirenena. Marihina fa noraisin’ireo iraky ny SADC nihaona taminy tao amin’ny hotely Colbert, omaly, ny mpikambana ao amin’ny CENI-T. Nifantoka tamin’ny fanaovana tatitra ny dingana vita amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny votoatin’izany fihaonana izany.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...