Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Fitokonana 48 ora ho fampitandremana

05/06/2013

Omaly maraina no nametraka ny taratasy ho fampitandremana ny mpitondra fanjakana ny mpiasan’ny Fadintseranana sy ny Hetra. 48ora araka ny lalàna izany. Ny Alakamisy ho avy izao no fe-potoana farany nomen’ireto mpiasa ireto hiandrasana ny valin’ny fangatahana avy amin’ny ministera ny Vola. Raha tsiahivina dia hatramin’ny taona 2004 ka mandrak’androany no tsy nahazo ny tambin-karamany sy ireo tombotsoa tokony ho raisiny, ireto mpiasan’ny Fadintseranana sy ny Hetra ireto, raha toa ka efa nahazo ny azy kosa ny avy ao amin’ny “Trésors”. Mahatsiaro ireto mpiasan’ny Ladoany sy ny Hetra ireto fa misy ny fitongilanana ataon’ny tompon’andraikitra ao amin’ny ministera eo amin’ny samy mpiasam-panjakana . “Raha tsy mahazo valiny mahafa-po izahay hatramin’ny Alakamisy ho avy izao dia hiroso avy hatrany amin’ny fanakatonana ny biraon’ny Fadintseranana rehetra manerana an’I Madagasikara ary ho fitokonana lavareny no hatao amin’izay fotoana izay”, araka ny loharanom-baovao mari-pototra.

90% no nanaiky
“Nandritra ny fivoriam-be izay notontosaina, dia nahatratra ny 90%n’ny mpiasa manerana an’I Madagasikara no nanohina ny antso. Samy efa nmifanaiky amin’ny fanapaha-kevitra avokoa izy ireo ary samy nanolotra solotena avokoa ny isam-paritra, ohatra ny avy any Toamasina, Mahajanga, Antsirabe,… Samy nifanaraka fa hanakatona ny biraon’ny Fadintseranana ary hitokona raha tsy mahazo valin-teny avy amin’ny minisitra. Tsara ho marihina ihany fa tsy misy ambadika politika ny fitokonana araka ny nambaran’ny maro fa mijanona ho fitakiana ny zon’ny mpiasa ihany. Tsy mitaky ny fialan’iza na iza velively ihany koa ny hetsika”, hoy ny fanambaranan’ny loharanom-baovao. Manomboka mietsika avokoa ny vahoaka, mahatsapa fa tsy mizotra mankany amin’ny tokony ho izy ny fandehan’ny toe-draharaha eto Madagasikara. Hatramin’izay nisian’ny tantaram-pirenena dia mbola tsy nisy fitatanam-bola nitokona raha tsy izao no voalohany. Midika izany fa mivarilala tanteraka ny fitantanana ny raharaham-pirenena.

Tinah
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...