Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mitokona ny mpiasa

06/06/2013

Manao fitokonana fanairana nanomboka omaly ireo mpiasa ao amin’ny ministeran’ny Fizahantany. Araka ny fanambarana izay nataon’izy ireo dia miompana amin’ny fitakiana ny tambim-pankasitrahana (prime) ho an’ny mpiasan’ny ministeran’ny Fizahantany no votoatin’izany fitokonana izany. Nambaran’ny fanambaran’ireo mpiasa mitokona fa efa nisy ny dingana natao am-pilaminana ho fitakiana izany “prime” izany tamin’ny minisitra ary efa nanaiky ny handoha izany ity farany. Fifanekena izay natao teo anatrehan’ny mpiasa rehetra sy ny mpiara-miombon’antoka nandritra ny fifampiarahabana tratry taona 2013. “Tsapa ankehitriny fa tapitra ihany ny enim-bolana voalohany amin’ny taona 2013 kanefa dia mbola tsy voaloa ny “prime 2012”. Tsapa ihany koa anefa fa misy ny finiavan’ny mpitondra ao amin’ny Ministeran’ny Fizahantany hamilivily ny raharaha sy hanao ireo tsindry maro isan-karazany amin’ny mpitarika sendika, ka tsy handoavana izany prime izany”, hoy ny fanamarihana nataon’ny fanambaran’ny SEMPIFI. Ho an’ny sendikan’ny mpiasan’ny ministeran’ny Fizahantany dia fandavana tsotra izao ny teny nomena sy fivadihana izany fihetsiky ny mpitondra izany.

Tetsy an-danin’izany dia nanambara kosa ny minisitry ny Fizahantany fa tsy manana io vola takian’ny mpiasa io ny ministera satria efa nampidirina amin’ny kitapombolam-panjakana avokoa ny vola azo avy amin’ny asan’ny ministera. Nambarany ihany koa fa miandry ny fijoroan’ny fanjakana ara-dàlana vao azo atao ny fanomezana izany prime izany.
Marihina fa araka ny fanambaran’ny mpiasa mitokona dia tsy hitsahatra izany fitokoanana ataon’izy ireo izany raha tsy azo ny fitakiana ataony. Nambaran’izy ireo ihany koa fa manohana an’ity fitakiana ataon’ny SEMPIFI ity ny “confederation des syndicats des agents de l’Etata” amin’ny maha mpikambana ao amin’izany Confédération izany ny SEMPIFI.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...