Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d'informations et d'actualités, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

04/06/2015
N° 895

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

12/10/2012

KOF'ROC

Fanafody fanabeazana haizana miisa 4.000 fanomezana avy amin’ny ONU no nisy nanodina araka ny vaovao navoakan’ny AFP. Efa tsy azo ampiasaina intsony anefa izy ireo satria tsy nanaraka ny fepetra tokony hitehirizana azy ny toerana nanatobiana azy. Tsy nanam-bola nandoavana ny saran’ny ladoany intsony ny Marie Stopes ka izany no antony nahatonga ny fitarazohan’ny fijanonan’ireo fanafody fanabeazana haizana ireo tany amin’ny ladoany. Toa hoe novidian’izany mpivarotra tsy miankina izany ireo fanafody ireo ary dia naparitaka manerana ny « tsena ».

13/10/2012

KOF'ROC

Nanao ampamoaka mikasika ny resaka fanondranana « bois de rose » ny tangalamena Zakariasy Patrick omaly tetsy amin’ny Colbert. Na ny profesora Zafy Albert milaza azy ho olon’ny fahamarinana aza tsy nahavita ny vitan’ity tangalamena iray ity izay tena manaporofo ny fitiavan-tanindrazana. Azony natao tsara ny nivarotra iny vaovao iny tany amin’ny Mainland Mining sy ny orinasa Sodiat, tahaka ny fanaon’ny mpanao politika sasany. Tsy izany anefa no nataony fa namaky bantsilana ny fambotriana ny harem-pirenena ataon’ireo olona akaikin’ny filoha Andry Rajoelina ary ireo orinasa vahiny mpiray tsikombakomba amin’izany.

15/10/2012

KOF'ROC

Samy nahamarika avokoa angamba ny mpamaky gazety tamin’ny sabotsy lasa teo fa tsy nisy sahy nitonona ny anaran’ny PDG groupe Sodiat avokoa ny ankamaroan’ny gazety mpivoaka isan’andro raha voatonona mazava tsara tao anaty lahatsoratra kosa ny orinasa Mainland Mining LTD. Natao fotsiny hoe « miliardera iray » dia anjaran’ny mpamaky no maminany hoe iza io miliardera io. Ny sasany moa dia tsy namoaka ilay vaovao mihitsy.

16/10/2012

KOF'ROC

Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy tamin’ireo orinasa nambaran’ny tangalamena Zakariasy fa tompon’antoka tamin’ny fanondranana an-tsokosoko ireo « bois de rose » ny volana aprily 2012 ary nanambara tsotra izao fa hosoka avokoa ireo antontan-taratasy nasehon’ity tangalemana ity tamin’ny mpanao gazety nandritra ilay valan-dresaka tetsy amin’ny Colbert. Hosoka sy fampiasana hosoka no niampangan’ny tangalamena Zakariasy ireo taratasy namoahana ireo andramena 10 « containers » ; izao indray koa voalazan’ireo « voampanga » fa hosoka ny taratasy teny am-pelatanany. Tsy fantatra intsony izay manana ny marina manodidina ity raharaha ity ; ny antontan-taratasin’iza no hosoka sa sanatrian’izany hosoka anaty hosoka indray koa ?

17/10/2012

KOF'ROC

Ny mpandalo hono tia resaka ; ny iray tanàna kosa tia fosa! Tsy ny tany hono no fady fa ny vavam-bahoaka! Ny vao tsy manitra ihany hono no ratsy! Iza no tsy miresaka ity fanjakana ity ary iza no tsy mifosa ireo mpitondra ao aminy? Fa mbola eo ihany ry zalahy. Raha izay vavam-bahoaka mikasika ny fanamparam-pahefana sy ny didy jadona nataon’ny mpitondra nandritra iny taona 2009 iny no horesahana efa nianjera hatry ny ela io fitondrana io; kanefa dia mbola eo ihany ry zalahy. Im-piry nisafidy olom-baovao ny Malagasy nanomboka ny taona 1991 kanefa dia mbola izao ihany no zava-misy iainana. Tonga indray koa ny taona 2009, nirohotra nanaraka ny filoha Rajoelina ny vahoaka, nhevitra fa Izy ilay fanantenana hitondra fanovàna, kinanjo…

18/10/2012

KOF'ROC

« Tsy izy intsony mihitsy ity fitondrana tarihin’ i Andry Rajoelina ity ». Tsy misy tsy miteny izany hatramin’ny zaza vao teraka. Marina izany, fa ahoana no tohiny? Eo no fanontaniana goavana sady saro-baliana indrindra. Raha ndeha aza ka hoe mirodana io fitondrana lazaina fa « tsy izy intsony io » dia iza no homena ny fitondrana? Homena ny Tafika? Mbola manana olona mendrika hitondra Fanjakana ve izany Foloalindahy Malagasy izany? Homena ireo filoha teo aloha araka ny tapak’ireo mpizaika tetsy amin’ny « espace mon goutter »? Azo antoka koa ve fa tena hifanaraka izy ireo sa vao mainka hiteraka krizy hafa indray ? Homena mpanao politika ? Iza amin’ireo mpanao politika miseho masoandro ireo no tsy mitarika « casserole ».

19/10/2012

KOF'ROC

Adihevitra tsy misy farany ity fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity. Telo taona mahery izao no nanambaran’ny Magro sy ny ankolafy Ravalomanana izany fodiany an-tanindrazana izany; nanambara mihitsy aza ny filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, fa tsy maintsy tafaverina ny faha-18 oktobra lasa teo ny tenany, saingy…

20/10/2012

KOF'ROC

Ny vaovao nanaitra ny saina indrindra tamin’ity herinandro madiva hifarana ity dia ny fiampangan’ny lehiben’ny Faritry Boeny an’Ambohitsorohitra, mazava ho azy ny filoha Rajoelina, mikasika ny fitantanana ireo vola be azo tamin’ny alalan’ny tetikasa Wisco ao Soalala, ka nilazany fa tsy misy tetikasa ara-tsosialy ho an’ny Faritra mihitsy amin’izany vola be izany. Raha nisy anefa tomponandraikitra niady mafy ho an’ity fitondrana tarihin’ny filoha Rajoelina ity dia mety mba anisan’ny voalohany ihany ny lehiben’ny Faritry Boeny ; tsy vitan’izany fa nandray anjara mavitrika mihitsy tamin’ny fandresen-dahatra ny vahoakan’i Soalala niaraka tamin’ireo minisitra maro voakasik’izany. Misy antony lehibe tokoa matoa nahateny izany ity manampahefana ity.

22/10/2012

KOF'ROC

Tsy mbola nisy toa ny filoha Andry Rajoelina raha mbola samy filoha nifandimby teto Madagasikara. Sady tanora, tia tanindrazana, mandala ny fahalalahana sy ny demôkrasia, tsy tia aferafera, manam-pahaizana, tsy mitanila, tsy manavakavaka foko na fihodirana, misokatra amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny mangarahara, sns.

23/10/2012

KOF'ROC

Tsy miteniteny foana ihany ireny mpamorona hatsikana ireny indraindray, rehefa mitazana ny zava-misy indrindra ho antsika Malagasy. Misy « blague » izay tokoa mantsy milaza fa ambina fotaka hono no nanamboarana ny Malagasy. Fotaka karazany maro no teo an-tananan’Ilay Nahary; tao ny ny mainty, ny fotsy, ny mavo, ny mena. Ny fotaka mainty nanamboarana ny Afrikana, ny fotsy nanamboarana ny Tandrefana, ny mavo nanamboarana an-dry zareo Aziatika ary ny mena naomlavolana an-dry zareo Amerikana. Nisy ambiny ireo fotaka ireo ary efa nokasaina hariana kanefa dia tapa-kevitra indray Ilay Nahary fa hanamboarana izay vitany. Dia nafangaro ireo karazana ambina fotaka ireo ary nanamboarana antsika Malagasy ka izany hono no mahatonga antsika ho mainty, fotsy, mena, mavo ary ny zarazara hoditra. Izany ihany koa hono mahatonga antsika sady tsy Afrikana no tsy Tandrefana no tsy Aziatika, sns. Ary mbola izany hatrany hono no mahatonga antsika hanana fisainana tsy fantatra hoe ahoana tahaka izao: manana avara-pianarana sy olon-kendry maro kanefa hanjakan’ny jiolahy amin’ny sehatra rehetra.

24/10/2012

KOF'ROC

Mitohy hatrany ny hetsika fampandriantany any Atsimo hiarahan’ireo vondrona manoakana avy ao amin’ny Foloalindahy toa ny FIS, ny RAL, ny RTS, ny CFS. Tena tapitra mandry tokoa ireo olona sendra ireo andian-tafika nalefan’ny filoha Rajoelina any an-toerana ireto, araka ny vaovao azo. An-jatony ireo efa “mandry” nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana ary ireo dahalo. Mbola fanontaniana mipetraka ny hoe: “tena dahalo avokoa ve ireo mandry ireo?”. Tsy ny olona ihany anefa no mandry fa hatramin’ny omby ihany koa, araka ny fanampim-baovao azo. Izay tokoa angaha no antsoina hoe fampandriantany!

25/10/2012

KOF'ROC

Tamin’ny alalan’ny fandatsahan-drà no niakaran’ny filoha Rajoelina teo amin’ny fitondrana ary mbola fandatsahan-drà ihany koa no nifehezany izany fitondrana izany. Ity Tetezamita ity no fanjakana nihosin-drà indrindra teto amin’ny tantaran’ny firenena. Ny rà latsaka nandritra ny Alatsinainy Mainty ny faha-26 janoary 2009 sy ny 7 febroary 2009 teny Ambohitsorohitra no vy nahazoan’ny filoha Andry Rajoelina izao fanjakany izao. Nanomboka teo dia tsy nitsahatra izany fandatsahan-drà izany ary niha loza hatrany aza ny zava-misy.

26/10/2012

KOF'ROC

Malaza ho maimbo razana ny tanety any Atsimo any ankehitriny, vokatry ny tifitra vary raraka ataon’ireo miaramila mirongo fiadiana mahery vaika fampiasa amin’ny tany miady ; tsy fantatra mazava rahateo ny isan’ny maty any an-toerana na dia azo antoka aza fa maro. Tsy lavitry ny zava-nitranga tany Rwanda ny fifamonoana any Atsimo. Nifamono ihany koa mantsy ny samy sivily; tsy nisy fanjakana nahasakana izany intsony. Firy volana izay no nandrenesana io fandatsahan-drà sy fifamonoana tany Atsimo io kanefa tsy misy mitsangana eo anatrehan’izany ireo ray aman-dreny, avara-pianarana, mpanao politika zanaky ny Faritra Androy sy Anosy.

27/10/2012

KOF'ROC

Tanteraka tokoa ankehitriny ny ahiahin’ireo irey tsy nakasitraka ny fanonganam-panjakana nitranga teo amin’ny firenena ka nametrahana an-keriny an’izao fitondrana misy izao. Tsy vitsy tokoa no nahita tamin’ireny fotoana ireny fa saika ireo mpanao politika sy mpandraharaha tsy manan-kevitra ny hitsinjo ny tena tombon-tsoam-bahoaka sy ny tombontsoam-pirenena ireo nanohana sy nampahomby an’iny lazaina fa tolom-bahoaka nandrodanana ny fitondrana voafidim-bahoaka iny. Mazava loatra fa dia izy ireny no « notendren’ilay milaza fa natosiky ny tolom-bahoaka » ho eo amin’ny toeran’ireo izay notendren’ny vahoaka hisolotena azy.

29/10/2012

KOF'ROC

Tsy mahatamàna ny Malagasy intsony ve any an-tokantranony sa teren’ny adim-piainana sy ny tsy fisiana ka tsy maintsy mivoaka ny trano na alahady aza? Feno olona toa ireny andavanandro ireny ny arabe sy ny tsena omaly. Analakely, Isotry, Mahamasina, sns. Marina tokoa fa misy ireo tena miantsena izay vitsy raha hoarina amin’ireo mivenjivenjy tsy manana anton-dia na tanjona voafaritra. Ho aiza ary mitady inona?

30/10/2012

KOF'ROC

Nahafantarana ny Malagasy ny hoe « moramora ». Toa mifototra amintsika anefa izany fisainana izany amin’izao fotoana izao noho ireto antony ireto. Herinandro mahery sahady izay no lasa taorian’ny fahatongavan’ireo delegasiona matevina miisa roa be izao avy amin’ny SADC, izay voalaza fa hijery ny fivoaran’ny fampiharana ny tondrozotra eto Madagasikara. Na dia nanakoako teto amin’ny firenena aza ny fahatongavan’izy ireo sy ny fihaonany tamin’ireo izay noheveriny fa voakasika amin’ny famahana ny krizy teto amin’ny firenena, dia toa tsy mifanentana amin’izany intsony amin’izao fotoana izao ny tohin’ny raharaha.

31/10/2012

KOF'ROC

Mampitodika ny maro amin’ny zavamisy eto amin’ny firenena izao fahatsiarovana ny maty izao, indrindra moa fa ny fanomezan’ny fitondram-panjakana ireo andro tsy iasana nefa andraisan-karama mifandraika amin’ny fetin’ny olo-masina sy ny fetin’ny maty izao. Ilaina ve izany fahatsiarovana ny maty izany raha toa ka tsy mikaroka ny fomba hampihenana ny isan’ny maty isika ?

03/11/2012

KOF'ROC

Nisokatra avokoa ireo tranombarotra sy tsena ary nanohy ny asa fitadiavany andavanandro ny ankamaroan’ny olona afatsy ny mpiasam-panjakana. Lany nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra farany teo tokoa mantsy fa natao andro tsy fiasana kanefa handraisan-karama ny zoma 2 novambra 2012. Vitsy anefa ireo nanaraka sy nampihatra izany fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana izany noho ny antony maro samy hafa.

05/11/2012

KOF'ROC

Sahala amin’ny sosoa notampohan-drano avokoa ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo raha nandre ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fampanoavana mikasika ireo mpiandry fonja am-polony voarohirohy tamin’ny fampandosirana gadra sy ny fanafihana ny Acces banque. Nahazo fahafahana vonjy maika avokoa izy rehetra taorian’ny fandalovany tetsy amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy. Toromarika avy tamin’ny ministry ny Fitsarana, Christine Razanamahasoa hono izany ka dia voatery manaraka baiko ny lehiben’ny Fampanoavana ambaratonga voalohany. Toa hoe tsy mahafaly ireo tomponandraikitra ambony ao anivon’ny Foloalindahy toa ny ministry ny Tafika ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien, ny SEG ny jeneraly Randrianazary izany fihetsiky ny ministry ny Fitsarana izany, raha ny vaovao azo. Fa nahoana tokoa ?

06/11/2012

KOF'ROC

Nanelingelina mafy ireo tia seza sy fahefana ary vola mihitsy ny fanambarana nataon’ny praiminisitra Omer Beriziky izay nilaza fa tsy tokony hilatsaka ho isan’ny kandidà ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, Zafy Albert, Ratsiraka Didier ary ny filoha Rajoelina sy ny tenany (praiminisitra) izay tsy nanana eritreritra hilatsaka rahateo koa teo anatrehan’ny andraikitra nankinina taminy. Avy hatrany dia nitabataba ireo hainoamanjery mpomba ny fitondrana ka nanambara fa ny praiminisitra Omer Beriziky no misakana ny filatsahan-kofidian’ny filoha Andry Rajoelina. Ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa angamba ny azy ireo. Ny filoha Rajoelina izao no nilaza ho ren-tany sy ren-danitra fa tsy hilatsaka hofidiana ny tenany. Koa inona no tsiny sy hadisoana nataon’ny praiminisitra Omer Beriziky nampahatsiahy tamin-dRajoelina ny teny nataony tamin’ny vahoaka? Tsy hisy fifidianana madio sy mangaraharaha izany rahateo koa raha vao milatsaka hofidiana ny filoha Rajeolina. Izao sahady aza ny tenany ary ireo mpiara-dia aminy dia efa mandika lalàna manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, mampiasa ny fitaovana sy ny volam-panjakana ho amin’izany.

07/11/2012

KOF'ROC

Nanaitra ny mpanara-baovao tokoa iny fidinana an-dalambe nataon’ny taranaka Razafimahefa sy Razafitsara mpandova ny tany mitondra ny titra 6336-B eny Antanandrano, teo anaoloan’ny Ocean Trade Andraharo omaly. Mirehitra ny jiro mena, izay no azo hamintinana azy. Efa tsy mahatoky ny Fitsarana sy ny didy avoakany intsony mihitsy ny olom-pirenena. Ahoana tokoa no hisainana iray minitra monja fa ny tany izay lova navelan’ny razambe izao no hanjavona tampoka lasan’ny vahiny tampoka eo! Didim-pitsarana izao no nanome rariny ireo mpandova kanefa sora-tanana mpitsara iray amin’ny stylo dia ampy nanova izany ddim-pitsarana izany ka nahatonga iny fidinana an-dalambe iny.

08/11/2012

KOF'ROC

Re izao fa tena nihaona tamin’ny SADC ireo manamboninahitra manohitra izao rafi-pitondrana tarihin’ny filoha Andry Rajoelina ary noraisin’ny SADC tsara mihitsy ny soso-kevitra hivoahana amin’izao krizy izao avy amin’ireto manamboninahitra ireto. Re ihany koa fa nisy fivoriana sy fihaonana natrehana manamboninahitra jeneraly tao amin’ny trano fonenan’ny filoha teo aloha, Zafy Albert etsy Ivandry ary mbola nisy ihany koa fivoriana hafa tany Tsaralalana tany, raha ny vaovao azon’ny mpanao gazety.

09/11/2012

KOF'ROC

Noheverina ho efa niakanjoan’ny nofy ny rezima sosialista nampanjaka ny sivana sy ny jadona teo amin’ny asa fanaovan-gazety kinanjo…nofy ihany tokoa izany. Tsy mbola nisy fanjakana nampahory ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao gazety mihoatra noho ity HAT lasa Tetezamihitatra ity. Hatramin’ny famoahana valan-dresaka an-gazety avy no hiakarana eny amin’ny mpitandro filaminana ankehitriny. Mety hahitan-doza ihany koa raha izao no mitohy ny famoahana valan-dresaka ataon’ny mpitandro filaminana. Firy akory izay olona nambaran’ny mpitandro filaminana fa jiolahy sy mpiray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy izay kanefa nahazo fahafahana rehefa tonga teny amin’ny Fitsarana. Ny raharaha Mpiandry fonja no ohatra akaiky indrindra. Sa rehefa ny fanjakana no miteny izay tiany hambara dia marina zato isan-jato; lainga sy tsy marim-pototra kosa rehefa ny hafa?

12/11/2012

KOF'ROC

Izy (ny ministry ny Serasera Harry Laurent Rahajason) no teknisiana mahay sy tonga lafatra indrindra eo amin’ity sehatry ny asa fanaovan-gazety ity. Izany no ren’ny sofina rehefa mihaino azy mikabary sy manao fanambarana amin’ny hainoamanjery. Tsy mba ny ministry ny Serasera velively no ndeha hanely vaovao tsy marina izany; marim-pototra ary nandalo ireo dingana rehetra takiana amin’izany avokoa ny vaovao nambran’ity minisitra ity sy izay nosoratany tamin’ireo gazetiny.

13/11/2012

KOF'ROC

Lany teny Betongolo sy Anosy ny andro iray manontolo omaly satria dia tsy raikitra indray ny fanolorana teo anoloan’ny Fampanoavana ny raharaha niampangana ny tangalamena Zakariasy Patrick sy ny talen’ny famoahana ny gazety La Nation, Gazetiko ary Midi Madagasikara. Ankoatra izay fotoana lany izay dia lany niaraka ny ihany koa ny lasantsy, ny vola, ny hery, sns. Fa ny tena loza dia ity: mety ho lany ihany koa ireo olom-pirenena sahy mijoro satria matahotra ndrao dia ho tratran’izao manjo ny tangalamena Zakariasy Patrick izao.

14/11/2012

KOF'ROC

Mazava ny hafatra, aza misy miteniteny na milaza zavatra mahakasika ny mpitondra sy ny manodidina azy intsony. Aoka izay ! Jery todika kely monja nanomboka ny taona 2009 no hisarihana ny saina. May kila forehitra ny TVM sy ny RNM, norobaina sy nodorana ny MBS. Na tiana na tsy tiana dia efa endrika fanampenam-bava sy ny fahalalahana maneho hevitra ireny fihetsika mamohehitra ireny. Tsy nijanona hatreo anefa izay hetraketra sy setrasetra nanjo ny asa fanaovan-gazety izay ary lasa fomba amam-panaon’ny mpitondra taty aoriana.

15/11/2012

KOF'ROC

Tsy nisy tsy nandre iny valan-dresaka nataon’ny Foloalindahy mikasika ny raharaha any Atsimo iny ka niampangana tsotra izao ny ministry ny Fiompiana Randriamandranto Ihanta ho tompon’antoka tamin’izany. Hatreto aloha dia fanalam-baraka tsotra izao no azo andikana iny valan-dresaka nataon’ny Tafika iny ; tsy vitan’izany fa mbola manohintohina ihany koa ny tsiambaratelon’ny famotorana. Inona indray izany izao no hiandry ny mpanao gazety nitatitra iny « conférence de presse » iny sa kosa rehefa ny fanjakana no manala baraka olona iray dia tsy azo henjehina eo anatrehan’ny Fitsarana ? Hatraiza ny fahamarinan’ny fanadihadiana nataon’ireo manamboninahitra nirahan’ny filoha Rajoelina nanao iny hetsika Tandroka iny ? Izay ilay mizàna tsindrian’ila eto amin’ny firenena ; taratry ny tsy fisian’ny fahamarinana sy ny maha fitondrana jadona ity tetezamita tarihin’ny filoha Andry Rajoelina ity.

16/11/2012

KOF'ROC

Hay va re ka ny ministry ny Foloalindahy, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien no isan’ireo nanao sonia ilay didim-pitondrana hanondranana omby miisa 50.000 mankany ivelany fa tsy ny ministry ny Fiompiana, Ihanta Randriamandranto e! Dia ny tena no menatra hoy ny fomba fiteny ! Fifandrifin-javatra ve sa misy hifandraisany amin’io sonia natao io, ny antony nitenenan’ity jeneraly ity teo aloha teo nanao hoe “aleo mifampiraharaha amin’ireo dahalo”? Nanaitra ny sain’ny maro tokoa mantsy izay fehezanteny nambaran’ny ministry ny Fiarovana izay. Efa am-polony anefa ireo miaramila sy zandary lavon-dRemenabila tamin’izany fotoana izany.

17/11/2012

KOF'ROC

Tsy tongatonga ho azy na nosoratsoratana fotsiny (mety tsy nahita nosoratana ihany koa) ilay lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Les Nouvelles, pejy faharoa tamin’ny zoma 16 novambra 2012, nosoniavin’i Nandrianina momba ny La Nation. Manelingelina ny fihinanan’ny sasany ny La Nation. Iza tokoa no nihevitra fa gazety kely vao nisokatra firy taona taorian’ny Les Nouvelles no efa manana ny toerany sahady eo amin’ny tontolon’ny hainoamanjery sy ny gazety mpiseho isan’andro ?

19/11/2012

KOF'ROC

Efa-taona mahery izao no nitadiavana sy nirarian’ny HAT izany fanakatoavana iraisam-pirenena izany saingy indrisy ny omaly tsy miova. Amin’ny fomba ahoana tokoa àry no hankatoavan’izao tontolo izao, fitondrana naorina tamin’ny hery sy ny basy ary mbola manohy ny fampiasana izany, hamoretana ny mpiray tanindrazana aminy, handripahana mihitsy aza ny vahoaka. Fankatoavana iraisam-pirenena inona no azo antenaina amin’izao jadona sy tsy refesi-mandidy ataon’olom-bitsy izao ?

20/11/2012

KOF'ROC

Efa samy tapitra naneho ny tsy fankasitrahany izao rafitra Tetezamita tarihin’ny filoha Andry Rajoelina izao avokoa ny sehatra sy hery velona misy eto amin’ny firenena. Ny Fiangonana Katolika no ohatra goavana indrindra tamin’izany izay tena nanankiana tamin’ny fomba hentitra sy mahitsy ny zava-misy iainan’ny vahoaka. Iny fanambarana nataon’ny fiombonamben’ny Eveka eto Madagasikara iny rahateo no heverin’ny mpanara-baovao fa mari-drefy farantampony.

21/11/2012

KOF'ROC

Nitokona tsy niasa ny zotra an-drenivohitra omaly tontolo andro. Tonga tany am-piasanany daholo ihany anefa ny ankamaroan’ny olona na dia nisy aza ireo nanararaotra izany mba tsy handehanana miasa; toraka izany koa ny mpianatra. Tena hafa kely samy olombelona mihitsy isika Malagasy, mbola noporofointsika indray mantsy iny omaly iny fa zakatsika daholo izay mety endrika famoretana na fairano atao amintsika e ! Mampihaiky an-dry zareo vazaha sy Afrikana mihitsy ny toetra amam-panahintsika Malagasy.

22/11/2012

KOF'ROC

Efa ho vita hono ny kianjan’Antsonjombe ary dia mibitabitaka tahaka ny zanaka akoho mahita rehoka ny fitondrana ary ireo mpanompony. Asa aloha izay hevitry ny artista mikasika io kianja io fa raha ny zava-misy no jerena dia toa mampanahy ihany. Ny kianjan’Antsahamanitra aza tsy fenon’ny mpanakanto intsony raha tsy artista maro no indray mitambatra manao fampisehoana amina vidim-pidirana miray dia mirary. Ilay fahefa-mividin’ny olona mihitsy mantsy no ambany dia ambany. Aleon’ny mpanakanto manao fampisehoana anaty efitrano kely mba ahafahana mampiakatra ambonimbony kokoa ny vidim-pidirana sy ahazoana antoka fa ho lafo avokoa ny tapakila natonta.

23/11/2012

KOF'ROC

Tsy niandry ela ny fitondram-panjakana fa avy hatrany dia namaly ny fanambarana nataon’ny Amnesty International ary nilaza fa tatitra vilana sy diso no nataon’ity fikambanana iraisam-pirenena mpiahy ny zon’olombelona ity ; tsy nisy fanadihadiana na fidinana ifotony nijery ny zava-misy fa fihainoana fotsiny ihany resaka an-jorom-bala sy eny amin’ny sisin-dalana. Dia sanatria ve tafiditra anaty vovon’ny mpanao politika indray koa ity Amnesty International ity ? Mazava ary mahitsy tokoa mantsy ny valinteny avy amin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Foloalindahy sy ny mpitondra fanjakana.

24/11/2012

KOF'ROC

Efa manomboka sahady ny fampielezan-kevitra sy ny propagandy na mbola tsy fantatra mazava akory aza ny daty hanatanterahana ny fifidianana. Azo heverina araka izany fa ho isan’ny kandidà amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika faha-efatra ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina. Mbola ilay fomba amam-panao teo aloha ihany anefa no miverina ; tsy inona izany fa ny fizarazarana vary sy vola ary indrindra ny fitokanana zava-bita tahaka ny nataon’ireo kandidà lasa filoham-pirenena teto hatramin’izay.

26/11/2012

KOF'ROC

Azo antoka fa tsy hihemotra tamin’ny fanambarana nataony mihitsy ny Amnesty International, izay nanameloka marindrano ny fihetsika nataon’ireo miaramila sy manamboninahitra nandritra ny hetsika Tandroka tany amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy. Toraka izany koa anefa ny mpitondra fanjakana sy ny Foloalindahy, izay mandà mafy tokoka ny fiampangana natao azy ireo ary nanameloka ihany koa ny Amnesty International. Vaky aloha izan ny ady eo amin’ny roa tonta ; tsy mbola fantatra kosa izay tena manana ny marina satria samy tsy mbola nisy naneho porofo na ny an-daniny na ny an-kilany. Mijanona eo amin’ny fanambarana fotsiny ihany ny fiarovantena sy ny fanafihana ataon’ny tsirairay avy.

27/11/2012

KOF'ROC

Feno tapa-bolana izao no nitànana am-ponja ny tangalamena Zakariasy Patrick. Nafana fo ery ireo tangalamena, zanaka andriana sy ampanjaka tany am-boalohany ; niraradraraka ny valan-dresaka sy ny fanehoan-kevitra. Farany teo aza saika hanao valan-dresaka an-gazety teny amin’ny trano fisakafoan’ny Antenimieram-pirenena ireo tangalamena avy any amin’ny Faritra misy an’i Zakariasy ; kinanjo tsy tanteraka noho ny antony tsy fantatra izany. Tsy nisy tohiny intsony koa taty aoriana fa dia samy mialokaloka miaro ny rambony ny tsirairay.

28/11/2012

KOF'ROC

Nirentirenty teny amin’ireo gazety mpiseho isan’andro omaly ny tenin’ny jeneraly Ravalomanana Richard izay nanambara fa tsy mila ny Bianco ny zandarimaria amin’ny fanenjehana ireo zandary manao kolikoly. Tsy miteniteny foana mihitsy ity manamboninahitra lehiben’ny Komandin’ny zandarimariam-pirenena ity fa tena marina izany. Ny Bianco mihitsy no tsy misy ilàna azy intsony. Firy izay fitarainana sy fitoriana mahakasika olona ambony teny Ambohibao izay ary firy tamin’ireny no noraisin’ny Bianco?

29/11/2012

KOF'ROC

Tsy niandry ela akory fa omaly hariva ihany dia tonga ny valin-kafatra avy amin’ireo manamboninahitry ny Tafika Malagasy izay namaly ny fanankianana nataon’ireo masoivoho vahiny azy ireo mahakasika ilay hetsika manokana « tandroka » tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Na dia tsy nanao an’iny fanambarana iny anefa izy ireo dia tsy vitsy ireo efa naminavina fa tsy maintsy handà ny fanankianan’ny masoivoho vahiny ireo manamboninahitry ny tafika Malagasy.

30/11/2012

KOF'ROC

Mangataka fanadihadiana iraisam-pirenena mikasika ny raharaha any Atsimo ny Amnesty International; toraka izany koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay nasaina hijery ilay horonantsary visa C teny Mahazoarivo. Tsy mahatsindry tsihy mihitsy ny fitondrana; manofy ratsy ny Foloalindahy. Fa inona no olana?

01/12/2012

KOF'ROC

Tsy ho ela raha ny fijery azy dia ho vita avokoa ireo tetikasan’ny fitondrana Tetezamita toa ireo hôpitaly manara-penitra, kianja fanaovana rugby ary ny kianjan’Antsonjombe ; tsy ho ela araka izany koa ny fitokanana ireny fotodrafitrasa rehetra ireny.

03/12/2012

KOF'ROC

Nanomboka nitokana ireo zava-bitany nandritra ny Tetezamita ny filoha Andry Rajoelina ny sabotsy lasa teo ka tany Antsiranana no nanombohany izany. Maromaro tokoa moa ny zava-bitan’ity fitondrana ity tato anatin’izay efa-taona naha teo amin’ny fanjakana azy ireo izay, toa ny Tsena Mora, Vary Mora, Trano Mora, hôpitaly manara-penitra, kianja fanaovana rugby, kianjan’Antsonjombe. Anisan’ny zava-bita tena nampisongadina ity Tetezamita tarihin’ny filoha Rajoelina ity koa anefa ny fikatsoan’ny raharaham-pirenena, ny fahantrana, ny vonoana olona, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fisian’asa, sns.

04/12/2012

KOF'ROC

Raha mbola fijoroana vavolombelona mikasika ny raharaham-pirenena angamba tsy nisy mihoatra ny nataon’ny kolonely Charles Andrianasoavina farany teo. Voatonona tao avokoa ny anaran’ireo manamboninahitra, tomponandraikitra ambony, mpitsara eny hatramin’ny filohan’ny Tetezamita. Iny fanambarana nataon’ny kolonely Charles iny no azo ambara ho ampamoaka goavana indrindra nanomboka ny taona 2009. Saingy izao, hanova inona anefa izany ; mivaky loha amin’izany ve ireo mpitondra ankehitriny izay efa miroso tanteraka amin’ny fampielezan-kevitra sy ny propagandy ?

06/12/2012

KOF'ROC

Hay va re ka izany no antony maha romotra ny CNAPS tato ho ato izay e! Aiza ka ireo sekoly tsy miankina avy no terena sy hampihorohoroana tsotra izao hiditra ho mpikambana; ny sasany indray terena handoa vola an-tapitrisany. Hay ka nariana tany am-baravarankely ny 6 miliara noho ny fitiavan-tenan’ny tale jeneraly hahazo ambony ampanga 2%! Fa hoatrinona tokoa moa ny 2%-n’izany 46 miliara izany e? 900 tapitrisa mahery be izao kosa ny vola saika azon’ny tale jeneralin’ny CNAPS raha nilamina ny fifanarahana teo aminy sy ny banky BICM! Izao sady tsy azo ilay ambony ampanga no very ny 6 miliara ka ny sekoly tsy miankina no terena hameno ny banga.

07/12/2012

KOF'ROC

Fa inona no ataon’ny minisitra ary ireo mpiara-miasa aminy ao amin’io ministeran’ny Asa Vaventy io e? Handrasanareo ho faty daholo ve ny vahoaka vao handray andraikitra ianareo ireo sa variana “mi-bizna” fotsiny! Im-piry izay nilazan’ny hainoamanjery ny loza mitatao ho an’ireo mpampiasa ny tetezan’Ampasika. Efa mihozongozona io tetezana io ho an’izay mahatsapa izany, indrindra amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Ny fefy vy efa tapitra tapaka; ny sisin-tetezana lasa tsena tsy misy handehanan’ny mpandeha an-tongotra. Aiza ilay ministeran’ny Asa Vaventy? Firy akory ireo sampanan-dalana tsy misy takela-by miteraka loza; lasa tsianjery sisa no ataon’ny mpamily.

08/12/2012

KOF'ROC

Rariny raha miverina ao an-tsaina ilay fomba fiteny mirakitra ny fahendren’ny Ntaolo Malagasy manao hoe : « Aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga », sy ilay fiteny manao hoe : « Aza manao lainga marivo tototra ndrao aelin’ny akoho tokan’anaka».

10/12/2012

KOF'ROC

Dia lasa andro tsy fiasana kanefa handraisan-karama ho an’ireo izay mbola manana asa ny datin’ny faha-11 desambra. Tsingerin-taonan’ny Repoblika faha-IV hono mantsy io daty io, hoy ireo mpitondra tetezamita. Efa mihevi-tena ho filohan’ny Repoblika faha-IV rahateo koa Rajoelina Andry. Porofon’izany ireo fotodrafitrasa etsy sy eroa izay ny tenany irery ihany no mahita fa laharam-pahamehana amin’izao krizy iainan’ny vahoaka izao: kianja fanaovana rugby etsy Andohatapenaka, kianjan’Antsonjombe, hôpitaly manara-penitra.

12/12/2012

KOF'ROC

Dia nataon’ny HAT andro tsy fiasana kanefa handraisan-karama ny datin’ny 11 desambra. Ho fankalazana ny tsingerin-taonan’ny Repoblika faha-IV hono e! Fa inona ity ataon-dRajoelina sy ny forongony ity e? Tsy izy ireo ihany ve no nanapotika ny sehatra tsy miankina teto noho ireny raharaha 26 janoary 2009 ireny satria ny tenany (Andry Rajoelina) no nitarika ny olona hidina an-dalambe. Mazava ny tenin’ny jeneraly Ravalomanana Richard fa izay mitarika ny olona hidina an-dalambe no tomponandraikitra amin’ny fahasimban-javatra. Niharo vonoana olona sy aina nafoy maro dia maro anefa iny Alatsinainy Mainty iny. Izao indray mbola terena handoa karama kanefa tsy havela hamokatra ireo sehatra tsy miankina noho ity tsingerin-taonan’ny Repoblika faha-IV ity.

13/12/2012

KOF'ROC

Fa nahoana no tsy sahy nilaza izay tao am-po e ? Raha ny fanirian’ny filoha Rajoelina nandritra ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe mantsy dia ny nametraka fanontaniana tamin’ireo olona tonga teny nanao hoe: “ekenareo ve ny hilatsahako ho filoha?”. Saingy, natahotra ny valinteny ho “tsia” angamba ka nihemotra tsy fidiny. Loza izany, izay tokoa no tonga amin’ilay oha-pitenenana manao hoe: “te hividy ny lohany kanefa matahotra ny masony”. Niandry mafy ireo olona tonga teny Antsonjombe hihoby azy ho kandidà mihitsy angamba ny filoha Rajoelina; hariva ihany anefa ny andro. Olona hiala voly hijery lanonana tsy misy vidim-pidirana ange ireny e! Aiza kosa indray no hahita fety be tsy andoavam-bola amin’izao krizy izao?

14/12/2012

KOF'ROC

Efa nanambara ny tsy fandraisany anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay kasaina hatao ny volana may 2013 ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Sarotra ho an’ireo zanaky dada nitolona ho amin’ny firevenany an-tanindrazana sy eo amin’ny fitondrana anefa ny nitelina iny fanambarana iny. Tsy atao imason’olona tokoa aloha fa mafy ihany izany nandany fotoana teny amin’ny Magro. Toa ireny sosoa notampohan-drano ireny ireo zanaky dada nandre ny fanambarana nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

17/12/2012

KOF'ROC

Voninahitra sy reharehan’ny firenena loatra mihitsy hono ny nahazoan’ny Maki amboara tany Afrika tany teo amin’ny taranja rugby ka nahatonga ny fitondrana Tetezamita handray fanapahan-kevitra hanome karama isam-bolana ireo mpilalao ; izany hoe lasa mpiasam-panjakana.

18/12/2012

KOF'ROC

Ohatra ny manonofy sisa mahatsiaro ny hatsaran’ny lalana mampitohy ny renivohitra amin’ny kaominin’Itaosy tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy nisy orinasa na foiben’ny Tiko na Magro akory tany amin’iny faritr’Itaosy kanefa dia nahazo ny anjara masoandrony. Tsy fihinana mantsy ny lalana, izany no nankalazaina nandritra ny fitondrana teo aloha izay nifantoka tamin’ny fanokafan-dalana vaovao (marais massay, boulevard de l’Europe, By-pass, sns) ary ny fanamboarana ireo efa nisy.

19/12/2012

KOF'ROC

Toa misy zava-mitranga izany foana eto amin’ny firenena isaka ny mivoaka any ivelany ny filoha Rajoelina ! Mampahatsiahy ny fomba amam-panaon’ny amiraly Didier Ratsiraka tokoa izao zava-misy izao. Tsy tahotra tsy henatra akory ny amiraly tamin’izany fotoana izany, mamaly ny fanontanian’ny mpanao gazety hoe : « tsy teto an-tanindrazana aho, tsy fantatro izany resaka izany ! ». Dia hilaza ve ny filoha Rajoelina fa tsy ny tenany no nanome hisamborana an’i Alain Ramaroson rahatoa ka tsy sinema araka ny fahitan’ny olona azy ireny zava-nitranga teny Andoharanofotsy ireny?

21/12/2012

KOF'ROC

Tsy mampaninona ny filoha Andry Rajoelina ary tsy mampihorona ny mason-kodiny velively ny manary ireo mpiara-dia nametraka azy teo amin’ny fitondrana rehefa izay sezany izay no voatohintohina. Efa-taona no naha teo amin’ny fitondrana ny filohan’ny Tetezamita ; am-polony maro tamin’ireo nanao sorona ny ainy nanomboka teny an-kianja no natakalony izay seza izay ; ny sasany aza moa eny am-ponja mihitsy toa an-dry jeneraly Noël Rakotonandrasana sy ny kolonely Charles Andrianasoavina izay voatery notapahana hatramin’ny rantsan-tongony. Tsy hotanisana eto intsony ry Julien Zafimanazato, Gilbert Raharizatovo, Benja Razafimahaleo, Monja Roindefo, sns. Efa niakanjoan’ny nofy avokoa izany olona rehetra izany ho an-dRajoelina.

22/12/2012

KOF'ROC

Mangidy ho an-dRajoelina sy ny mpiara-dia aminy ity krismasy 2012 sy ny taom-baovao 2013 ity, taorian’ny fanapahan-kevitry ny SADC sy ny vely kibay nataon’ny Lafrantsa. Izay ilay hoe misy farany zavatra rehetra ary ny natao ihany no miverina: nampiditra am-ponja ireo tsy mitovy hevitra taminao no nataonao nandritra ny naha teo amin’ny fitondrana anao; dia ho toa izany koa no hanjo anao. Nangorona ny harem-pirenena sy nihinana ny volam-bahoaka no fialamboly nahazatra anao; hotakiana aminao daholo izany aoriana ao. Namita-bahoaka sy nanao tohatra fiakarana ny ràn’ny olom-pirenena latsaka no mba valisoa nomenao ny mpiray tanindrazana aminao; dia tsy maintsy hotsarain’ny vahoaka ianao.

26/12/2012

KOF'ROC

Dia samy nankalaza ny fetin’ny krismasy araka izay tandrify azy teny ny olon-drehetra. Ireo mapano rugby sy ny fianakaviany angamba no tena lafatra indrindra tamin’ity Noely ity. Tsy ho ela tokoa mantsy dia handray karama isam-bolana mitovy amin’ireo mpiasam-panjakana sasatra mitaky ny zony. Ny miaramila sy ny mpitandro filaminana aloha no tena nisongadina. Kilalao sy sakafo firy kamiao izany notaomina tao Ambohotsorohitra izany ny marainan’ny alatsinainy 24 desambra, maha te ho zanaka miaramila sy vadina miaramila. Krismasy manara-penitra e!

27/12/2012

KOF'ROC

Jeneraly miisa 13 indray no nakarin’ny filoha Rajoelina ho « général de division » amin’izao fotoanan’ny krizy izao ; kolonely miisa 18 kosa no nakarina ho « général de brigade ». Hamelona jeneraly vaovao miisa 31 indray izany ny mpandoa hetra. Tohanam-potsiny ny fahasoavana ao anivon’ny Foloalindahy ao nandritra ity fitondran-dRajoelina ity. Grady, seza, vola ary tombotsoa maro isan-karazany. Voahitsaka an-tampon-doha mihitsy ny mpiasam-panjakana toa ny Sempama, Paramed, mpiandry fonja, Seces, ny injeniera, sns. Lakrimôzena sy fanapahana karama indray aza no setrin’ny fitakiana. Tiana ho tafita ny zanakao ? Araho ny torohevitra…

28/12/2012

KOF'ROC

Ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa angaha ny an’ny Foloalindahy ka izany no nahatonga ireo tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny Tafika nangataka ny tanan’ny vahoaka Malagasy, mba hanohanana ireo miaramila indrindra ny ara-moraly. Koa rehefa ny tandroka aron’ny vozona no tsy manana moraly hiatrehana ny olana sy ny hotohoton’ny krizy, sahala amin’ny ahoana izany ny vahoaka? Fa angaha tsy mahavita miaro tena indray ny miaramila ; tsy maharo azy ireo angaha ny basy ny lakrimôzena koa inona indray no ilàna ny fanohanan’ny vahoaka ? Tsy tandroka aron’ny vozona intsony ange izany ny Foloalindahy fa tandroka aron’ny rambony tsy ho tapaka e !

29/12/2012

KOF'ROC

Androany sisa no andro fiasana alohan’ny hivalonan’ity taona 2012 ity. Andro tsy fiasana kanefa handraisan-karama kosa ny alatsinainy 31 desambra araka ny fanapahan-kevitry ny Fanjakana. Ny jadon’ny fitondran-dRajoelina no nanamarika ity taona 2012 madiva hifarana ity. Voakasik’izany jadona izany avokoa ny sehatra rehetra indrindra fa ny fahalalahana sy ny demôkrasia ary ny zon’olombelona. Nisongadina ihany koa anefa ny fahasahian’ny olona mamaky bantsilana ireo lozoka sy fahalovana maro samy hafa teto amin’ny firenena toa ireny ampamoaka nataon’ny tangalamena Zakariasy Patrick ireny. Novidian-dafo tokoa anefa izany fijoroana nataony izany; tsy afaka nankalaza ny krismasy sy taom-baovao miaraka amin’ny vady aman-janany akory ny tenany.

02/01/2013

KOF'ROC

Tsy nisy zavatra tena nisongadina sy mety nahitan’ny Malagasy tsirairay tombony, ny kabary nataon’ny filihan’ny Tetezamita, tamin’ny alin’ny 31 desambra 2012 teo. Avy hatrany dia ny nitanisa ireo lazainy fa Fampandrosoana Isam-paritra, sokajina amin’ireo lazaina fa zavabita no nahamay azy.

03/01/2013

KOF'ROC

Tapitra ny fety, ary tsy maintsy hihatrika ny zavamisy ny tsirairay, dia ny asa fanao an-davan’andro izany. Voky ny kobo nandritra ny fety ary samy nanao izay nahafalifaly azy mba tsy ilazàna hoe nanao izay danin’ny kibony ny tsirairay. Na dia teo aza ireo nilàza tena fa mailo, dia tsy voatana fa nanao fandaniana be ihany nandritra ny fety, na dia ny hamalifalina ny ankohonana fotsiny ihany aza.

04/01/2013

KOF'ROC

Vatana mangatsiakan’ny zanany sisa novantanin’i Hery Buisson izay nisy naka an-keriny; toraka izany koa ilay tovovavy maty notsindromina tamin’ny antsy teny Ankatso, ankoatra ilay raim-pianakaviana tao amin’ny distrikan’i Manandriana. Mbola nahitana razana miisa roa koa anefa teny amin’ny ranon’Ikopa. Mandriaka indray ny rà ! Be loatra ny rà latsaka nandritra ity fitondrana Tetezamita ity ; tsy misy vidiny amin’ny olona sy ny mpitondra intsony izany aina izany.

05/01/2013

KOF'ROC

Fa nankaiza ilay kabary miezinezina nataon’ny filoha Rajoelina ny volana janoary 2009 teny Ivato, raha iny izy niverina avy tany an-dafy iny, mikasika ireo hainoamanjery nakaton’ny fitondrana Ravalomanana Marc ; ilay demôkrasia nodradradradraina nentina nandresen-dahatra ilay vahoaka mora fahanan-dalitra ? Firy tamin’ireo hainoamanjery nakaton-dRavalomanana Marc no nosokafan’ny HAT ary firy kosa no nakaton’ny fitondrana Rajoelina ?

07/01/2013

KOF'ROC

Niakatra ho 200 Ar ny singan’ny sigara Boston, efa mananontanona ny 2.000 Ar (manao ezaka kely sisa) ny kilaon’ny vary, nikatra ny saran-dalana, manam-pikasana hanondrotra hofantrano ihany koa ny tompon-trano,… Tapitra miakatra avokoa ny zava-drehetra, eny hatramin’ny rano eny amin’ny arabe isaka ny avy ny orana, ny tosi-drà, sns.

08/01/2013

KOF'ROC

Miaina ao anaty fahantrana lalina tanteraka ny 44%-n’ny vahoaka Malagasy, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena ; izany hoe ny 8.800.000 amin’ny Malagasy 20 tapitrisa noho izao krizy tsy mety hifarana mbola tadiavin’ny filoha Rajoelina sy ny forongony hitarina manda fanindroany indray. Fa ny tena mampalahelo ao anatin’izany rehetra izany dia betsaka lavitra noho ny isan’ny mpifidy (raha ny tarehimarika navoakan’ny CENI-T) ny isan’ny Malagasy latsaka anaty kizon’ny fahantrana. Mety tsy ho ampy antsasak’io isa 8.800.000 io akory mantsy ny ho avy handatsa-bato amin’izay fifidianana filoham-pirenena.

09/01/2013

KOF'ROC

Miha maro ireo olona lasa adala noho ny hamafin’ny fiainana. Tsy lahy, tsy vavy, tsy ankizy ary tsy olon-dehibe. Ao ireo miteny irery eny amin’ny arabe, ireo mandihindihy eny afovoan-dalana, ireo misaringo-boridamba eny rehetra eny. Mampalahelo satria maro amin’izy ireny no olona mbola nanana fiainana “ara-dalana” talohan’ny krizy 2009. Mbola hita amin’ny rantsan-tongony mihitsy hoe vao haingana no tsy nikiraroany; toraka izany koa ny fitafiana eny an-kodiny. Mampahonena ny mahita ireny olona resy tampoka teo amin’ny fiainany ireny noho ny sitrapon’ireo mpanao politika. Saingy izao, toa izy ireny sisa no sambatra amin’izao fotoana izao.

10/01/2013

KOF'ROC

Tsy mbola nisy mpitondra naneho fahasahiana tahaka ny filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, teto Madagasikara hatramin’izay 52 taona nahazoana ny fahaleovantena izay. Izy no filoha voalohany sahy namoaka vava be toa ireny ho an’ireo firenen-dehibe sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Raha mbola fahasahiana tsy misy toa ireny! Hatreto aloha tsy misy ny olana; saingy manana vovok’aina hiatrehana ny valin-kafatra ve?

11/01/2013

KOF'ROC

Noheverina ho olo-manan-kaja sy mpitondra fanjakana avokoa ireo nasain’ny filoha Rajoelina teny Iavoloha omaly, hay jomaka mihoatra lavitra noho ny mpivarotra anana, hoy ny fitenenana. Ireny ve no handaniana volam-bahoaka firy miliara isam-bolana sa ireny no antsoina hoe mpanao politika manara-penitra? Mahita tsirony ery ny filoha Rajoelina mandre ireo mpomba azy mihorakoraka sy mively lovia nandritra ny kabarin’ny filohan’ny Kongresy, Mamy Rakotoarivelo. Ireny karazan’olona ireny no handanian’ny fanjakana ny volan’ny mpandoa hetra, ambany fisainana lavitra noho ny jiolahim-boto.

12/01/2013

KOF'ROC

Dia lasa tsy re tsaika tahaka ny fanaony indray ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina ; io moa ilay antsoin’ny sasany hoe « fialan’ny Jiosy » e ! Lasa namonjy an’i Tanzania indray mantsy ny filoha Rajoelina, roa andro taorian’ilay kabary nampiteny ny moana teny Iavoloha farany teo iny, ka nilazany tamin’ny fomba mijaha fa tsy misy hatahorany izany fianakaviambe iraisam-pirenena izany. Tsy ireo firenena mampivady ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy velively, raha fehezina no handidy azy amin’izay tiany atao. Tamin’ny anaran’ny Malagasy moa no nanaovany izany kabary izany na dia tsy mbola voafidim-bahoaka akory aza ny tenany.

14/01/2013

KOF'ROC

Ka tsy hisy fifidianana ho vita amin’io volana may 2013 io raha izao fandehan-javatra izao. Mbola handinika indray mantsy hono ny filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina. Izay no nambarany taorian’ny fiverenany avy tany Tanzania farany teo. Fa inona indray aloha no mbola nandehanany tany e? Fa angaha miraharaha sy matahotra ny fianakaviambe iraisam-pirenena indray ny filoha Rajoelina? Efatra taona izao ny krizy, efatra taona namono ny fiainam-pirenena sy ny Malagasy. Mbola handinika indray anefa ny filohan’ny HAT. Mbola fotoanan’ny fandinihana ihany ve izao e?

15/01/2013

KOF'ROC

Fanontaniana goavana mipetraka taorian’iny zava-nitranga tany Toliara iny ny hoe : tombotsoan’iza ny hisian’ny korontana sy ny savorovoro eto amin’ny firenena ? Ny ministry ny Raharaham-bahiny, Pierrot Rajaonarivelo, izay nahavory olona maro be indray ve no ndeha hanakorontana izany fahombiazany izany sanatria! Mahalasa fisainana ihany ny zavatra tahaka ireny. Raha izao ange izany no dinihina dia tsy misy manan-jo hahazo olona maro mihitsy eto amin’ny firenena afatsy izay mihevi-tena ho mamim-bahoaka sy miafina endrika ao ambadiky ny Fiandrianam-pirenena e!

16/01/2013

KOF'ROC

Rehefa akaiky ny maraina Ho foana ireo taraina Niray ny zanak'olombelona Hiaraka hifamelona Na havoana, lohasaha tsy hisy ny didy jadona Ny hirantsika roalahy , hadio toa rano an'ala

17/01/2013

KOF'ROC

Nahay nandray fanapahan-kevitra ny filoha Rajoelina, tsy hilatsaka kandidà filoham-pirenena. Tsy noho ny fitiavan-tanindrazana velively akory no nibaiko iny fanapahan-kevitra iny fa noho ny tahotra. Tahotra ndrao dia ho very vola fotsiny satria tsy ho lany akory na hitokana hôpitaly sy kianja manara-penitra aman’arivony aza, tahotra noho ny vava be natao tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ireto zavatra maro be miandry, raha tsy hiresaka afatsy ny raharaha 26 janoary 2009, sns.

18/01/2013

KOF'ROC

Notsipahan’ny vondrona eoropeana sy ny SADC indray koa ny paikadin’ny filoha Rajoelina, ny amin’ny hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka mialohan’ny filoham-pirenena. In-droa voakapoka sahala amin’ny voalavo araka izany ny filohan’ny Tetezamita : sady voa no lavo. Soa ihany fa tsy nilatsaka hofidiana ny filoha Rajoelina raha tsy izany dia in-telo nahita fahoriana tahaka ny voaloboka : sady voa, lo no boka ! Satria nahoana, sady tsy ho lany, very vola ary tsy hahazo « amnistie ».

19/01/2013

KOF'ROC

Marary an-doha avokoa ankehitriny na ny antokon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana na ny an’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina. Tratran’ny areti-mamindran’ny antoko nifandimby teto tokoa mantsy ny TIM sy ny TGV. Ho fanohanana sy fanompoana olona iray no antony nananganana ny antoko. Vao tsy nilatsaka izy mirahalahy dia kenda avokoa ny antokony: tsy mahita olona hasolo an-dRavalomanana Marc ny TIM; tsy manana olona handimby an-dRajoelina ny TGV. Ity farany aza moa hatramin’izay efatra taona nitondran’ny mpanorina azy izay tsy nahavita nametraka ny fototra (base) mihitsy. Hanao konresy tsy ho ela hono izy ireo hamaritana sy handaniana izay kandidà hatolotra na hotohanana amin’ny fifidianana.

21/01/2013

KOF'ROC

Efa nampoizina hoy ny fitenenana fa tsy hanaiky tsy hilatsaka ho kandidà izany velively ny filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina. Vao niteny iny fanambarana iny fotsiny tenany dia efa azon’ny mpanara-baovao an-tsaina ny tohin’ny tantara. Tsy inona izany fa ny famporisihana olona hangataka ny filatsahan-kofidiany tahaka ny nataony farany teo tany Toamasina. Porofon’izany koa ny tsy fanomezana afatsy 2 miliara ho an’ny CENI-T kanefa vitan’ny Fanjakana ny nandoa vola mihoatra ny 5 miliara nividianana ireo lalaon’ny CAF sy ny CAN 2013-2014. Hiarahantsika mahita sy mandre eto fa hitety Faritany tsy ho ela ny filoha Rajoelina sy ny ekipany ary dia hisy andiana tanora na vahoaka hitaky ny hilatsahany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. “Film efa nandeha e!”. Tsy ny filohan’ny Tetezamita no voalohany; nanara-dia ny fomba amam-panaon’ireo mpitondra teo aloha fotsiny ihany ny tenany.

22/01/2013

KOF'ROC

Kandidà filoham-pirenena amin’ny taona 2018 indray hono ny filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina. Zava-baovao ve izany ? Toa efa nambaran’ny RFI ihany mantsy io daty 2018 io raha tsy diso ny fitadidiana. Voalazan’ity hainoamanjery vahiny ity tamin’izany fa ny ministra frantsay misahana ny Raharaham-bahiny, Laurent Fabius, no nanondro io daty io tamin’ny filoha Rajoelina. Izany hoe, tsy ny filohan’ny Tetezamita no tompon’ny fanapahan-kevitra fa mbola ry zareo Frantsay, kanefa midradradradra fatratra ny Fiandrianam-pirenena. Samy hafa mantsy izany hoe manana ny fiandrianany sy ny mariônety izany!

23/01/2013

KOF'ROC

Zava-dehibe tokoa raha tanteraka araka ny tokony ho izy ilay fihaonamben’ireo kandidà filoham-pirenena izay hatao etsy amin’ny Hotel Panorama androany. Sambany teo amin’ny tantaram-pirenena no hisy an’izany mpifaninana miara-midinika sy miara-mandray fanapahan-kevitra ho an’ny firenena izany. Hatrizay mantsy dia mpifahavalo ireo kandidà ; izay mandresy manapotika ny resy, ny resy ksoa mikaroka hevitra hanonganana sy hanakorontanana.

24/01/2013

KOF'ROC

Dia mbola nandrenesana raharaha nampiasana ny mpitandro filaminana hampihorohoroana olona indray tetsy amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy omaly. Teny Anosizato teny no nitrangan’izany ary mpitandro filaminana mihitsy no niantso ny namany sy nampiasa ny fahefana teo am-pelatanany. Vao omaly no natolotra ny Fampanoavana ilay raharaha fakana vola an-keriny, nampiasain’ny sasany ny mpitandro filaminana ho fitaovana hanamora izany fakana vola an-keriny izany dia indro sahady koa raharaha hafa mitovitovy amin’izany no re teny anivon’ny Fampanoavana.

25/01/2013

KOF'ROC

Efa an-jatony ireo olona notànana am-ponja noho ny halatra taolam-paty; an’arivony kilao koa ny taolam-paty voaroba tany am-pasana, tsy misy afaka mitondra fanazavana manodidina ity raharaha mamohehitra sady mampalahelo ity anefa ny manampahefana. Vokany, honohono sy tsaho sisa no tonga any am-poto-tsofin’ny vahoaka : hanamboarana baomba atomika hono, ilaina amin’ny fikarohana siantifika avo lenta hono, anamboarana fitaovam-piadiana hono, sns.

26/01/2013

KOF'ROC

Milaza azy ho tsy baikon’izatsy na zaroa ny filoha Rajoelina kanefa saribakolin’ny Lafrantsa, miankohoka eo an-tongony mihitsy. Izao Fiandrianam-pirenena izao hatrany no tsy afaka am-bavan’ny filoha HAT kanefa zanatanin’ny mpanjanaka. Aoka ho fantatry ny vahoaka Malagasy fa ny minisitra frantsay misahana ny Raharaham-bahiny no nibaiko an-dRajoelina tsy hilatsaka raha tsy amin’ny taona 2018. Feno lainga loatra ny vavan’ny mpitondra eto amintsika. Vao novakian’ny filohan’ny antoko MTS, Roland Ratsiraka bantsilana fa volan’ny seranan-tsambon’i Toamasina no nanamboarana ny lapan’ny Tanàna sy ny lalàna ao an-drenivohitry Betsimisaraka fa tsy volan’ny mpitondra. Tena tsy menatra ny mandainga mihitsy ireto mpitondra ireto ary mihevitra ny vahoaka no dondrona sy bado avokoa.

28/01/2013

KOF'ROC

Nialan’ny filohan’ny UDR-C ohatra ny tsy teo ny filoha Rajoelina sy ny antoko TGV. Sady kandidà ity mpanao politika ity no tsy mitsipaka marin-drano ny hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka mialohan’ny filoham-pirenena. Ka ny olona tsy te ho tratra farany hiara-rendrika amin’ny sambo efa vaky tafiditry ny rano! Ilay kapiten-tsambo etsy an-danin’izany mbola amin’ny 2018 vao kandidà; mbola hisy 26 janoary 2009 indray koa ve amin’izany hanamora ny fiakarany eo amin’ny fitondrana?

29/01/2013

KOF'ROC

Vola amina miliara no natokan’Ambohitsorohitra ho an’ny « opération Tandroka » ; ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina mihitsy no nanatitra ireo mpitandro filaminana tany Betroka ary dia nanaovana dokambarotra izay tsy izy tamin’ny ny TVM sy ny RNM. Natsangana ny vamoiera manokana hisahana ny serasera sy ny filazam-baovao manodidina iny hetsika iny mba hafantaran’ny vahoaka ny « vaovao tena marina », araka ny filazan’ny mpitondra azy.

30/01/2013

KOF'ROC

Manomboka mahafinaritra ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena. Misy fotoana tokoa mantsy mangiana tsy andrenesam-peo na dia kely aza ny tontolo politika ; samy revo mihinana sy mitsentsitra izay eo ambany masony avokoa ireo antoko nahazo seza. Ireto filohan’ny HAT Andry Rajoelina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ireto mihitsy no tena mpanakorontana ny fihinanan’ny mpanao politika. Raha tsy nisy ireny fanambarana tsy filatsahan-kofidiana ireny anefa izao mbola afaka nihinana sy niletra ny volam-bahoaka tamin-pilaminana. Izao ka lasa tebiteby sy horohoro ny androm-piainana. Lasa olana avokoa ny zava-drehetra: aiza ny tany hanitrihana ny loha, ho zaka ve ny valin’ireny vava be natao tetsy teroa ireny, atao aiza ireto fananana sy harena azo tao anatin’ny indray mipi-maso, sns.

31/01/2013

KOF'ROC

Tongan-dRamalagasy hatreny ambony kianja amina lalao iraisam-pirenena mihitsy ny kolikoly. Ho an-dry zareo vahiny mantsy dia niray petsapetsa tamin’ny tetika maizina namontsanana an’i Cap Vert tsy handraisany anjara amin’ny fihodinana faharoa mandritra ny CAN mihitsy ilay mpitsara gasy, « arbitre » araka ny fiteny mahazatra. Lasa mahamenatra ny mitonona imason’olona fa Malagasy ny tena. Ny halatra, ny fivarotan-tena, ny fanondranana rongony mahery vaika no tena mampalaza ny Malagasy any ivelany, raha tsy hiresaka afatsy ny atsy La Réunion sy ny Nosy Maorisy. Nidehaka ery ny sasany nividy ny CAN sy ny CAF 360.000 euros kinanjo, fahafaham-baraka ho an’ny Malagasy 20 tapitrisa no hita. Aza mba gasy ihany e!

01/02/2013

KOF'ROC

Nanakatro-baravarana indray hono ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra farany teo satria tsy nanaiky ny baikony sy ny sitrapony ireo mambra ao amin’ny governemanta. Mampahatsiahy ny lalao baolina kitra fony mbola zaza ny fihetsiky ny filoha. Entin’ny tompony mody ny baolina raha vao tsy mety aminy ny zava-misy eo ambony kianja. Sain-jaza loatra ity Rajoelina ity, tsy mahagaga mihitsy ny ministry ny Raharaham-bahiny frantsay raha nilaza taminy hoe: “vous êtes trop jeune!”.

02/02/2013

KOF'ROC

Mahamenatra loatra ireto manamboninahitra jeneraly eto amintsika ireto, indrindra ny filohan’ny CMDN, ny jeneraly Ranto Rabarisoa. Tsy hahazo ny fankatoavan’ny miaramila rehetra noho mantsy ny jeneraly Camille Vital rahatoa ka hilatsaka hofidiana filoham-pirenena, araka ny nambaran’ny filohan’ny CMDN tamina gazety mpiseho isan’andro iray. Fa angaha izay eken’ny miaramila sy mahazo tsodrano avy amin’ny Foloalindahy ihany no manan-jo hofidiana sy hilatsaka hofidiana e? Koa maninona raha tonga dia homena ny miaramila tsotra izao ny toeran’ny filoham-pirenena dia vita ny resaka. Toa andrenesana an’ity jeneraly Ranto Rabarisoa ity avokoa raha vao resaka politika. Isan’ireo lohan’ny mpisorona ao anivon’ny Tafika, misakana ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ihany koa mantsy ny tenany.

04/02/2013

KOF'ROC

Miroso tsikelikely any amin’ny fandresen’ny filoha Andry Rajoelina ny toe-draharaham-pirenena. Fandresena satria mety tsy hisy tokoa ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny volana may 2013. Ny fifidianana rehetra mihitsy no mety tsy hisy raha izao zava-misy izao no jerena. Ireo mitonona ho kandidà avy no tsy mahita hotenenina eo anatrehan’iny fanambarana nataon’ny filohan’ny Tetezamita iny. Tsy mbola vonona hiatrika ny safidim-bahoaka raha ny marina kokoa. Ny sasany mbola eo am-pitakiana vola amin’ny Sinoa sy Karana hanaovana propagandy; ny hafa indray efa mahafantatra izao fa tsy ho lany kanefa tsy maintsy misehoseho etsy sy eroa hahazoam-bola.

05/02/2013

KOF'ROC

Izay mamafy rivotra mijinja tadio, hoy ny Ntaolo. Marina loatra io oha-pitenenana iray io ary noporofoin’ny tantara teto amin’ny firenena. Nampanao hazalambo ireo mpomba ny amiraly Didier Ratsiraka ny ekipan-dRavalomanana Marc ny taona 2002. Voaroba tamin’izany ny trano fonenan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha sady praiminisitra lehiben’ny governemanta, Guy Willy Razanamasy. Lasibatra ihany koa ny an’ny tale jeneralin’ny prezidansa, Andriamilemirovason Gérard, ny an’i José Kely ary Tsaranazy. Olona mihevitra ny hitondra fanjakana aoriana ve dia fanabeazana sy toetsaina mandroba tahaka izany hanabeazana vahoaka? Tsy mahagaga mihitsy raha niverina ny asa fandrobana ny taona 2009; lasibatra tamin’izany ny orinasa Tiko sy Magro ary ny trano fonenan’i Guy Rivo.

06/02/2013

KOF'ROC

Hialana tsiny indrindra amin’ireo mpandàla ny teny Malagasy aloha amin’io lohanteny hoe « aza dino » io. Olobe noheverina ho ray aman-dreny hitaiza sy hanabe ny zanaka Malagasy mantsy no niteny ho ren-tany sy ren-danitra io « aza adino » io ary dia lasa fomba fiteny mahazatra izany ankehitriny.

07/02/2013

KOF'ROC

Hiatrika fifidianana filoham-pirenena ny vahoaka Malagasy ny volana jolay 2013 ho avy izao. Marina tokoa fa mbola misy eo amin’ny enim-bolana eo ho eo tsy maintsy hatrehina ny fiainana miaraka amin-dRajoelina sy ny forongony. Tsy mampaninona, efatra taona niharetana ny jadon’izy mianakavy aza vita ihany.

08/02/2013

KOF'ROC

Nitsingerina omaly ny datin’ny 7 febroary nampitatatata ny basy sy nampandriaka ny rà teny Antaninarenina ny taona 2009. Tsy azo kosehina eo amin’ny tantaram-pirenena, tahaka ny vono moka nataon’ny FRS, ny raharaha kung-fu, ny diabe teny Iavoloha, ny fifamonoana teo amin’ny samy Malagasy tany Atsimo ny taona 1971, ny fifandonana teo amin’ny Zanadambo sy ny milisy ny taona 2002 io datin’ny 7 febroary io. Tsy midika akory izany fa izay mankalaza azy no manana ny marina; eo indrindra no ilàna Fitsarana azo antoka sy mahaleotena, hamoaka didim-pitsarana amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy.

09/02/2013

KOF'ROC

« De gag ela ! », hoy ireo mpanentana tao amin’ny Free FM. Tsy misy tia tanindrazana mihoatra noho ny filohan’ny HAT eto Madagsaikara, araka ny nambarany teny Antaninarenina ny alakamisy lasa teo. Fitiavan-tseza avokoa hoy ihany ny filoha Rajoelina no mibaiko ny sain’ireo mpanao politika eto amintsika. Loza izany raha fahasahian’izay olona! Tsy mba mijery fitaratra mihitsy angamba ity filohan’ny Tetezamita ity ka tsy mahita ny tenany. Izy tenany sy ny manodidina azy anefa no tena mivavaka amin’ny seza raha samy mpanao politika. Efatra taona ange izay no naha teo amin’ny fitondrana an-dRajoelina; sady tsy voafidim-bahoaka no tsy mieritreritra ny hiroso amin’ny fifidianana hivoahana amin’izao krizy izao.

11/02/2013

KOF'ROC

Na marina na diso ny « ampamoaka » nataon’i Andry Prince de Satan, mikasika ny fanahy ratsy ao aminy sy izay rehetra manodidina azy, zavatra azo ambara ary tsy hisalasalana intsony dia milalao ody ary manjaka eto amin’ny firenena ny fanahin-devoly sy satana. Porofon’izany ny fiantsoana Mpiandry isaka misy fisehoan-javatra goavana eto amin’ny firenena. Hiaraha-mahita angamba ireny olona maro samy hafa milaza ho mpaminany, mpahita ny zavatra miafina, manao fanambarana etsy sy eroa ireny.

12/02/2013

KOF'ROC

Isan’ny nifantohan’ny resaky ny filohan’ny HAT farany tamin’ny fahitalavitra TV Plus sy TVM farany teo ny hoe misy mikasa hamboly korontana eto amin’ny firenena ka tsy hanaiky izany velively mihitsy ny tenany. Dia mipetraka ny fanontaniana eo anatrehan’izany rehetra izany : iza marina no tena manakorontana eto amin’izao fotoana izao ? Moa va tsy fanakorontanana saim-bahoaka ireny fanambarana nataon’ny filohan’ny Tetezamita ireny ? Moa tsy fanakorontanana ny lamina heverina hivoahana amin’izao krizy izao ny fikasan-dRajoelina sy ny forogony hanalava dimy taona ny Tetezamita ? Moa tsy fanakorontanana ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy ireny fihetsika nasehon’ny ministry ny Serasera tamin’ny PM Omer Beriziky ireny ? Ka iza marina no tena manakorontana eto amin’ity tanindrazana iombonana ity fa toa samy mihevi-tena ho tia tanindrazana sy mieritreritra ny vahoaka avokoa izay rehetra mandray fitenenana?

13/02/2013

KOF'ROC

Nanaitra an’izao tontolo izao ny fametraham-pialan’ny Papa Ray Masina, indrindra ireo mpino katolika maneran-tany. Voalohany teo amin’ny tantaran’ny Vatican tokoa izao fanapahan-kevitra noraisin’ny Benoit XVI izao ary tsy nisy nanam-po izany velively. Andraikitra mandra-pahafaty mantsy no niheveran’ny krsistiana katolika sy izao tontolo izao ity toeran’ny Papa Ray Masina.

14/02/2013

KOF'ROC

Manao ririnin-dasa tsy tsaroana ve ny filohan’ny HAT sa tena finiavana ny handainga sy hamita-bahoaka tsotra izao e ! Nambrany nandritra ny fandaharana « invité du zoma » fa mitana ny teniny hatrany hono izy hatramin’izay naha teo amin’ny fitondrana azy izay. O rey olona ! Mihevitra ny Malagasy ho babakoto araka ny nambaran’i Alain Ramaroson tokoa ve ny filoha Rajoelina sa ahoana ! Adinony angaha ny kabary nataony ny faha-4 janoary 2009, nampanantena ny famahana ireo hainoamanjery rehetra nakaton’ny fitondrana Ravalomanana Marc ? Na zazakely vao mianatra mamaky teny sy manoratra aza ve tsy hahay hanisa fa be lavitra ny radio sy fahitalavitra nakaton’izao fitondrana Tetezamita izao raha hoarina amin’ny isan’ny hainoamanjery nakaton-dRavalomanana ! Koa raha mitàna ny teniny marina tokoa ny filohan’ny HAT, inona no tsy hanomezany baiko ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, hanokatra ao anatin’ny fotoana fohy ireo hainoamanjery ireo, singaina manokana amin’izany ny Free FM, ny MBS, ny radio Fahazavana, ny radio Mada ary ireo hainoamanjery miisa 80, sns !

15/02/2013

KOF'ROC

Mampametra-panontaniana ireo mpanaraka sy mpandinika ny fiainam-pirenena ny raharaha Alain Tehindrazanarivelo eny amin’ny Bianco. Fanodinkodinam-bolam-panjakana no voalaza fa heloka hanenjehana ity praiminisitra lefitra teo aloha ity ka nanambaran’ny tale jeneralin’ny Bianco fa tsy manana ny antsoina hoe « immunité parlementaire » ity farany. Marina tokoa fa tsy misy manana izany tombotsoa manokana izany ireo mambra ao amin’ny CT sy ny CST araka ny efa nambaran’ny HCC. Tsy izay resaka izay anefa no hiantefan’ny adihevitra fa ny andraikitra sahanin’ny Bianco.

16/02/2013

KOF'ROC

Raikitra tokoa ny ady an-trano sy ny korontana araka ny nambaran’ny filohan’ny HAT, Andry Rajoelina. Ny anivon’ireo mpomba azy ihany anefa no tratran’ity aretiman-doza ity noho ny fitiavan-tseza sy voninahitra. Tsy ankasitrahan’ny TGV toa an-dry Lanto Rakotomavo sy Nirhy-Lanto Andriamahazo mantsy ny filatsahan’ny jeneraly Camille Vital ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Hatreto aloha, raha ny angom-baovao azo, dia ity manamboninahitra ity no toa hoe nahazo ny tsodranon’ny filohan’ny HAT.

18/02/2013

KOF'ROC

Mbola tsy nandray ny asany akory ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy (FFM) dia efa tototry ny fanakianana avy etsy sy eroa. Porofo ilazana fa rafitra ho faty an-karanany ity vao natsangana ity satria na mitombina na tsia ireny fanakianana ireny dia tsy maintsy hisy akony amin’ny fomba fiasan’ity andrim-panjakan’ny tetezamita ity izany. Iray amin’ireo hanomezan-tsiny ny rafitry ny FFM ny fahitana fa mbola ireo olona izay mpikambana ao aminy, araka ny fanendrena izay nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra farany. Tsy vitsy tamin’ireo olona izay efa nolavina tamin’ny fanendrena teo aloha no mbola voatendry ao amin’ny FFM indray. Maro tamin’ireo voatendry ihany koa no voalaza fa tsy fantatry ny mponina tany amin’ny faritra nanendrena azy akory.

19/02/2013

KOF'ROC

Marina loatra ary tsy azo hiadian-kevitra fa niteniteny foana ny La Nation raha nametraka fanontaniana nanao hoe : « Lanto Rakotomavo ; kandidan’ny TGV ? ». Ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV izao tokoa ve moa no efa mivaky tao amina onjampeo tsy miankina iray fa tsy hisy na oviana na oviana izany Lanto Rakotomavo ho kandidan’ny TGV izany. An’ny filoha Rajoelina hoy ihany ity filoha lefitry ny UDR-C no manendry izay ho kandidàn’ny antoko. Mba fanontaniana adaladala tokoa aloha iny napetraky ny La Nation iny ; hanendry olona hisolotena azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany tokoa ve ny filohan’ny HAT dia ho i Lanto Rakotomavo no hotendreny !

20/02/2013

KOF'ROC

Mazava be ary tsy misy afaka ny hilaza ankoatra ny hoe « valifaty », izay no mahazo ny fianakaviana Lalao Ravalomanana, manoloana ny tsy fahasalaman’i Bebe Razay. Koa satria tokoa tsy afaka nody an-tanindrazana ny amiraly Didier Ratsiraka, ny praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo, ny governora teo aloha Maharante Jean de Dieu sy ny maro tsy voatanisa, tamin’ny fotoana sy ora nampanjombona ny fianakavian’izy ireo, nandritra ny fitondrana Ravalomanana Marc, dia izao no setriny : tsy mahazo mody an-tanindrazana hijery sy hikarakara ny reniny koa ny vadin’ny filoha teo aloha.

21/02/2013

KOF'ROC

Miverimberina eo am-bavan’ireo mpanao politika mpomba ny fitondrana HAT indray izao ny teny hoe « tolona ». Milaza ny tenany ho nitarika ny tolona avokoa izay rehetra mandray fitenenana. Ny sasany izany tany am-ponja nandritra ny hetsi-bahoaka 2009 kanefa dia sahy milaza tsotra izao fa izy ireo no nanomboka sy nanao ny tolona. Dia mba inona izany no fiheveran’ireto mpanao politika ireto ny vahoaka nanao sorona ny tenany nivoahan’izy ireo ny fonjan’i Tsiafahy?

22/02/2013

KOF'ROC

Mampanontany tena mihitsy iny fanaovan-tsonia ilay sata sy dina manodidina ny fifidianana tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano iny. Lany henatra ve isika mpanao gazety ka tsy mahalala izay tokony ho andraikitra tandrify ny mpanao gazety sy ny asa fanaovan-gazety ? Tsy maintsy amin’ny alalana dina, fampiasa any amin’ny faritra hanjakan’ny dahalo sy ny mpangalatra omby ve isika mpanao gazety vao hahatsapa tena ?

23/02/2013

KOF'ROC

Ahiana hiakatra eny anivon’ny mpitandro filaminana sy ny Fitsarana daholo indray ireo mpanao gazety nanatrika ny valan-dresaka nataon’ny SEFAFI omaly. Mpisandoka hoy mantsy ity sehatra mpanara-maso ny fiainam-pirenena ity ny ankamaroan’ireo mitonona ho mpanao politika eto amintsika. Henatra, tsy mbola misy henatra mihoatra noho izany antsoin’ny olona hoe mpisandoka izany!

25/02/2013

KOF'ROC

Ahhhh ! Tena mampiteny ny moana tokoa ity tsy fandriampahalemana eto amintsika ity. Fanafihana iray, faty iray raha kely indrindra. Fanafihana mitam-piadiana namoizana ain’olona roa sahady no nitranga tato anatin’ny tapa-bolana latsaka kely. Tsy tenenina intsony ny zava-misy any Atsimo sy ny Faritra maro hafa. Fa iza loatra no manana tombotsoa amin’izany tsy fandriampahalemana hanelingelina ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fifidianana izany e? Misy matahotra hiatrika fifidianana ve eto amin’ity firenena ity sa tsy manana olona hatolotra hotsarain’ny vahoaka amin’ny alalan’ny latsa-bato e!

26/02/2013

KOF'ROC

Azo antoka fa hihazakazaka hitondra fanampiana sy hitonona ho havan’ny vahoaka any Atsimo avokoa ireo mpanao politika noho izao fahavoazana nanjo ny mpiray tanindrazana izao. Mivory avokoa ireo mpanolontsaina politika mandinika ny fomba hamadihana izany ho propagandy. Izay tokoa ilay tonga amin’ny fitenenana manao hoe: “ny fahorian’ny sasany, hafalian’ny hafa!”. Fotoana tena ilàn’ny vahoaka any Atsimo fanampiana tokoa izao ary eo indrindra no hararaotin’ny mpanao politika. Tsy vao izao akory no nisian’izany fihetsika izany; efa tena tandra vadin-koditry ny mpanao politika eto amintsika ny manararaotra ny fahavoazan’ny hafa ho tombotsoan’ny antokony sy ny tenany manokana.

27/02/2013

KOF'ROC

Tohina noho ny fahitana ny jeneraly Camille Vital any Toliara ny vahoaka. Tsy nisy inona vitany tany Toliara nandritra ny naha praiminisitra azy ary efa isan’ny fangatahana nataon’ny mponina any an-toerana tamin’izany fotoana ny tokony hanamafisana io fefilohan’i Fiherena io. Izao tokoa no tonga amin’ilay fitenenana hoe “maty vao ramalala!”; aorian’ny fitrangan-javatra hatrany vao mibitabitaka etsy sy eroa. Mba rahoviana ihany ny mpitondra eto amintsika vao tena hihaino sy hieritreritra marina ny tombotsoam-bahoaka e ?

28/02/2013

KOF'ROC

Samy nahita ny fihetsiky ny jeneraly Camille Vital tamin’ny TVM, nandritra ny fidinan’ny filohan’ny HAT tany Toliara avokoa angamba ny mpanaraka ny fahitavi-panjakana. Nisy fotoana taraiky tany aoriana ity manamboninahitra ity ary dia nisisika sy nanifika ilay olona teo anoloany mihitsy mba nahafahany namonjy toerana teo akaikin’ny filohan’ny Tetezamita. Tena nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao tokoa iny fihetsika nataon’ny praiminisitra teo aloha iny, nahafahana namaky mora foana ny tany an-dohany sy ny momba azy iray manontolo. Nisy fotoana ihany koa nilazan’ny filoha Rajoelina fa « tonga ny tenako sy ny mambra ao amin’ny governemanta » ; mbola ny jeneraly Camille Vital ihany anefa no taoriany rehefa nitodika ny filoha, izay vao nipoitra moramora ny ministry ny Fahasalamana.

01/03/2013

KOF'ROC

Leo politika ny olom-pirenena noho tsy fisian’ny mpanao politika mendrika izany andraikitra saro-pady izany. Tsy niteniteny foana ny SEFAFI raha nilaza fa mpisandoka avokoa ny ankamaroan’ireo mitonona ho mpanao politika amin’izao fotoana. Efa-bolana sisa dia higadona ny volana jolay heverina hanaovana ny fifidianana. Tsy misy mpanao politika na iray aza sahy manokatra sy mitarika adihevitra manodidina izany. Tsy ilay adihevitra efa mankadilo ny sofina ka mahatonga ny olom-pirenena ho leo politika akory (amnistie, fampihavanam-pirenena, sns), fa adihevitra politika mitondra ny firenena any amin’ny lalana mendrika ho an’ny tanindrazana.

02/03/2013

KOF'ROC

Mitodika bebe kokoa any amin’ny finakaviambe iraisam-pirenena ny tafa sy dinika eto androany. Kao rehefa nanaiky ny nanemorana ny fifidianana ihany ianareo ary nanao sonia izany niaraka tamin’ny CENI-T dia tokony handray fepetra hentitra mifanandrify amin’izany koa. Hatreto mantsy aloha dia mbola ankamantatra ny fahatanterahan’io fifidianana amin’ny volana jolay io. Zaran’ny sasany mihitsy aza angamba ny fisian’ny loza manjo an’i Toliara vokatry ny fandalovan’ny rivodoza farany teo, hamiliviliana ny resaka sy ny saim-bahoaka tsy hifantoka firy amin’ity resaka fifidianana ity.

05/03/2013

KOF'ROC

“Mahazo miditra an-tanindrazana ny vadin’ny filoha teo aloha saingy misy fepetra”. Nalaza mihitsy izany fehezanteny izany tato anatin’ny herinandro mahery izao. “Amin’ny maha olombelona no hanekeko ny hidirany eto hijery ny reniny izay marary; ny rafozako anefa nampangaina ho niray tsikombakomba tamin’ireo miaramila izay nambara ho mpanongam-panjakana”. Iza no tsy nandre izany kabary miezinezina, avo lenta toa ireny kabary malaza nataon’ireo filoham-panjakana maneran-tany ireny, tamin’iny herinandro lasa iny izany!

05/03/2013

KOF'ROC

Hatramin’izao aloha dia tsy mbola misy afaka ny hitompo teny fantatra mihitsy fa hisy ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny volana jolay 2013. Na izany aza tsara ihany ny hiresahana dieny izao sahady fa tsy kilalaon-jaza na fifidianana takalom-bary sy « tee-shirt » no hatao mandritra io fifidianana io, fa safidy goavana hianteheran’ny fanarenana ny firenena noho ny kaboraraka ataon’izao fitondrana Tetezamita izao. Fa hifidy an’izay aloha e ?

06/03/2013

KOF'ROC

Tsy mety raikitra mihitsy ny kongresin’ny antoko TGV, hanapahana izay kandidà hisolo toerana ny filohan’ny HAT amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy sahy mandray fanapahan-kevitra ny antoko TGV araka ny fandinihan’ny mpanaraka akaiky ny raharaham-pirenena ; « en panne » mihitsy aza hoy ny sasany. Ny hafa indray kosa mitonona ho kandidà kanefa hita izao fa tsy mahavaly ny fepetra takiana amin’izany velively ; na ny tenany aza efa mahafantatra izao fa tsy ho lany. Firy amin’ireo kandidà 12 ireo tokoa moa izany no nahazo vato 10% no miakatra ?

07/03/2013

KOF'ROC

Variana mitady izay vary iray loviany ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy. Fiteny fotsiny moa ny hoe mitady satria tsy mahita akory mandra-paharivan’ny andro. Any amin’ny mpitondra ny vola be! Raha somary nahoraka kely teo aloha teo ry zareo ao an-tampony ao, noho ireny fanambaran’ny jeneraly Camille Vital, dia nangingiana tahaka ny nahazatra indray avy eo raha tsy efa ravan’ny rivodoza ny Faritanin’i Toliara. Nanomboka teo indray dia nihazakazaka, TGV rahateo koa moa, nisehoseho tetsy sy teroa ary nidedaka ho hany tia tanindrazana sy mpanao politika manara-penitra tany amin’izay naleha.

08/03/2013

KOF'ROC

Firy isan-jaton’ny Malagasy sisa no miaina ara-dalàna, mbola manana izany fiainam-pianakaviana sy ankohonana izany ? Miala vao mangiran-dratsy ary tsy miverina raha tsy hariva efa vizan’ny fitadiavana sy ny rotoroton’ny tsy fisiana. Avy hatrany dia mamonjy fandriana hanambatambazana ny lalan-drà sy ny hoza-pe tsy hipika; zara raha mahavita ny adidy maha mpivady. Ny tafa sy dinidinika amin-janaka moa dia efa niakanjoan’ny nofy nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona. Tahaka ny fanao amin’ny hotely sy “chambre” sisa fa tsy mba mamonjy tokantrano; ny maha samy hafa azy fotsiny angamba dia ny hoe isam-bolana rehefa mandray karama no handoavana ny saran’ny “chambre” fa tsy isaka ny « pasazy » tahaka ny maka mpivarotena.

09/03/2013

KOF'ROC

Ny torimaso hono no hitoviana amin’ny mpanan-karena. Amin’io fotoana io tokoa no hanofisana izao revin-gadra rehetra izao: nahazo fiara vaovao, lasa filoham-pirenena, nahita vola be tamin’ny gony, mihinan-kanim-be, afa-panadinana, nahita asa, niverina ny vady lasan-dry zalahy, sns. Izay ho an’ny olo-mahantra. Mifanohitra amin’izany kosa ny an’ireo lasa mpanefoefo tampoka nandritra ity Tetezamita ity: nantsoin’ny Bianco, tafody Ravalomanana, nataon’ny olona hazalambo, niakatra Fitsarana, sns. Mba mifamadika kely izany ny toerana e!

11/03/2013

KOF'ROC

Mahavariana ihany ny mamaky ireo lahatsoratra an-gazety milaza fa miatrana avokoa hono ireo toby miaramila noho ny tahotra fikasana haka fanjakana. Fa iza indray no mbola manana tombotsoa haka fanjakana amin’ny alalan’ny hery amin’izao efa-bolana mialohan’ny fifidianana izao. Tsy efa manana ny kandidà avokoa ve ireo antoko politika eto amintsika ka hatao inona indray fahefana azo amin’ny alalan’ny fampiasam-basy sy tafondro tahaka ny tamin’ny taona 2009 e ? Kandidà 12 no efa fantatra fa hifaninana amin’io fifidianana izay hatao amin’ny volana jolay 2013. Sa misy antoko tsy mbola manana na tsy mahita kandidà any ho any?

12/03/2013

KOF'ROC

Efa fantany izao fa misakazia amin’ny ingahy Dircab ny vadiny ; fampandriana adrisa fotsiny daholo ny hoe « alinalina kely aho dada vao mody androany fa mbola hivory ny ato am-piasana amin’ilay fanampiana ny any Toliara. Izaho daholo no nanankinan’ny deba ny zavatra rehetra. Vizana mihitsy aho izany, tsy misy tany hitombenana, sns ». Mazava aminy koa ny antony tsy handraisan’ny madama ny findainy na maty mihitsy aza aorian’ny firavan’ny toeram-piasana satria eo anilan’ingahy Dircab. Tsy misy miafina, miharihary aminy tahaka io masoandroben’Andriamanitra io ny zava-drehetra.

13/03/2013

KOF'ROC

Mirotsaka tsy miato mandonaka ny takolan-drangahy ny ranomasony, eo am-pieritreretana ny fiainan-tokantranony. Amin��ny sivy alina izay! Mbola niaraka nampatory azy mianadahy tokoa mantsy ny tenany sy ny vady malalany talohan’ny tamin’ny 7 ora hariva. Rehefa izany, dia nisaika tahaka ny mahazatra ramatoa, nampiditra ireo fitafiana feno fihantsiana, nanosotra ny lokomena midorehitra, nanoroka am-badiny dia nivoaka ny varavarana. Amin’ny valo ora alina izay !

14/03/2013

KOF'ROC

« Allo ! Haja ? Fa inona l’ty no hiarahan’ialahy amin’iny madama be iny a ? Iny ve leisy tsy efa zokin’la ? Tazako nivoaka tao am’le hotely io lisany teo!”. “Kôzy ve l’ty? Aiza ialahy ‘zao? Andraso ao amin’le snack io aho de hotantaraiko an’la ny sera”.

15/03/2013

KOF'ROC

Fiantson’ny ankizy nanomboka tany amin’ny kilasy faha-7 isaka ny raikitra rombo rehefa mirava amin’ny 12 ora i Doda. Tovolahy tsy dia ahitan-teny firy izay izy ary tena natahoran’ny mpiara-mianatra noho ny tsanganany. Efa tamin’izany no nalaza teo amin’ny sehatry ny haiady i Doda ka nahatonga ny solon’anarany hoe Van Damme.

16/03/2013

KOF'ROC

Manentoento vao mangiran-dratsy ny fofo-menaka fanendasana mofo ao amin-dry Ravao, mpampianatra amin’ny EPP, mitàna kilasy faha-9. Tsy hita izay tena maha mofo azy fa dia lafarina notampohan-drano sy siramamy natao kiboribory kely. Ariary folo ny iray ary hamidy amin’ny mpianatra mandritra ny fakan-drivotra. Dimanjato ariary raha atao indray mividy ireto mofo nisasaran-dRavao vao maraina ireto kanefa zava-dehibe ho an’ny ankohonany tokoa izay 2.500 fmg izay. Mazàna aza tsy lany akory ny entana satria zanaka mafy ady daholo no mianatra any amin’ireny EPP ireny; mofo kely iray hifandrohitan’ny ankizy efa ho efatra. Sitrany vaza-mihetsika e!

18/03/2013

KOF'ROC

« Nahoana ianao no tsy tonga miangona intsony anaka? Nanokana fotoana mihitsy aho androany…», hoy Pasitera. Roa taona sy dimy volana latsaka kely izao no namoizan’i Andry ny vadiny. Banky rompitra noho ny fitsaboana ny ankohonana. Manodidina ny 600.000 ariary isaka ny herinandro ny vola tsy maintsy hita nandritra ny roa taona nitsaboan-tena. Lafo dia lafo tokoa ny saran’ny fanaovana « dialyse » eto amintsika.

19/03/2013

KOF'ROC

Maro amin’ireo mpamily fiara karetsaka eto an-drenivohitra no misafidy ny hiasa amin’ny alina, mandositra ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay efa mampiteny ny moana tanteraka, vokatry ny fahasimban’ny lalàna rehetra eto Antananarivo. Efa mba miezaka manao izay takatry ny eo am-pelatanany ihany ny PDS, Edgar Razafindravahy, manampina ireo lavaka etsy sy eroa. Isan’izany i Rakoto mpamily taxi. Manofa fiara izy fa tsy tompony akory ary tsy maintsy manenjika 75.000 fmg isan’andro. Io moa ilay antsoin’izy ireo hoe “versement”. Tsy tahaka ny tany aloha anefa ny zava-misy amin’izao fotoana ; zara raha misy mivoaka amin’ny alina vokatry ny tsy fandriampahalemana. Ratsy noho izany ny fidiram-bola ; zara raha mahita « kil ».

20/03/2013

KOF'ROC

Hofantrano dimy volana no tsy voaloan-dRadezy mianakavy. Isan’ireo lasa lavenona ny faha-26 janoary 2009 ny orinasa nampiasa azy. Teo ambany masony mihitsy no nandoran’ireo andian-jiolahimboto, mitonona ho mpanohitra ny jadon’ny fitondrana Ravalomanana Marc, izany orinasa izany. Niezaka niantso mpitandro filaminana ihany ingahy “patron” saingy tsy nisy nandray ny laharana an-tariby. Norobain’ireo jiolahimboto avokoa ny entana sy ny fitaovana tao am-piasana nialohan’ny nandoran’izy ireo ny “rideau” izay nitarika ny firehetan’ny trano iray manontolo. Mbola nahita hevitra nandoavana ny hofantrano sy ny saram-pianaran’ny ankizy ihany anefa Radezy mianakavy, tamin’ny alalan’ny famarotana ireo fanaka sy kojakoja tao an-tokantrano. Ringana tsy nisy horaisina intsony anefa izany taty amin’ny volana jolay 2009.

21/03/2013

KOF'ROC

« Mirana ! Mandeha mody aloha ianao mandra-pandoan’ny mamareo ny écolage-nao. Teneno mamanareo fa tsy mahazo manao fanadinana hono raha tsy voaloa ny écolage ! ». Dia nangorona ny kahie sy ny kitapony ity zazavavikely vao valo taona, nivoaka ny efitrano fianarana sady nifokofoko nitomany noho ny henatra amin’ireo mpiara-mianatra. Saram-pianarana telo volana no tsy voaloan’ny ray aman-dreniny. Very asa noho izao krizy izao koa mantsy izy mivady, ny fiainam-pianakaviana mihitsy no potika sy rava tanteraka. Tsy hitan’ny mpitondra sady tsy iainany rahateo koa izany olana mianjady amin’ny ankohonana Malagasy izany. Izao “manara-penitra” izao ihany no masaka ao am-bavan’izy ireo.

22/03/2013

KOF'ROC

Tafiditra ho mambra-ny kabinetra ao amin’ny ministera ity rangahy iray. Tanan-kavanan’ny minisitra mihitsy angaha hono izy izany raha ny fitantarany sy ny fihebohebony ao an-tanàna. Mazàna tokoa aloha izy no miantso ilay minisitra amin’ny alalan’ny findainy manokana ary dia miresaka tsara izao ary faranan’ny amin’ny hoe “voaray Mr le ministre” hatrany ny antso. Nihazakaza tahaka ireny TGV ireny koa ny fiainan’izy mianakavy. Tsy miala amina “complet” mangirana vaovao be mbola misy “étiquette” mandritra ny herinandro, ampian’ny kiraro mitraka loha, “cravate” feno lokoloko ary lobaka midorehitra, sns. Mihaingo tokoa ranamana isaka ny mivoaka ny trano, « haingo diso an’Iarivo » hoy ireo manodidina. Mahafinaritra azy ny miantso an-tariby mivazavaza eo afoavoan-dalana rehefa misy tovovavy sendra mandalo, mialohan’ny hidirany ao anaty fiara.

23/03/2013

KOF'ROC

« Iza le Naina e ! Mivoaha tao ianao ! », hoy ny fitreron’ny sefo (izay dahaolo moa no fiantsoana ireo mpitandro filaminana ao amin’ilay kaomisaria). Nikatrokatroka tahaka ireny basy fahanana ireny ny feon’ny karetsaka be manidy ny « violon » nisy an’i Naina. Feno 48 ora tokoa mantsy no nitazonana azy noho ny fitoriana napetrak’ity rangahy mpiray vodi-rindrina aminy eny Ambohimanarina eny. Efa nampahafantarina taminy fa aorian’io fe-potoana io dia tsy maintsy hatolotra ny Fampanoavana ny tenany, araka ny voalazan’ny lalàna. Tsy izay anefa no zava-nisy fa nalefa nody ary Naina ary efa niandry azy teo ivelany ny vadiny. “Sendra olona tsara fanahy ialahy raha tsy izany efa nanateram-bary teny Antanimora amin’izao ora ‘zao”, hoy ilay “brigadier” taminy. Nanala ny fitoriany mantsy ilay rangahy araka ny fanazavana azony. Tsy nampiasa loha azy ny anton’izao fivoahana izao fa rehefa mivoaka fotsiny aloha dia izay no zava-dehibe.

25/03/2013

KOF'ROC

Tabataba tsy hifandrenesana ny feo mozika avy ao atsimon’ireto fianakaviana iray monina eny amin’iny faritr’Itaosy iny. Vanim-potoanan’ny famadihana indrindra moa tamin’izay. Nanomboka ny sabotsy hariva tamin’ny 6 ora no namelona ny zava-mameno tao aminy ireo tompona famadihana ka tsy nijanona izany raha tsy ny alahady hariva tamin’ny fito ora. Dômbôlô, kwassa, kilalaka, reggae, mozika mafana avokoa no nanakoako nandritra ny alina manontolo. Tsy nisy natoriana mihitsy ny tabataba naterak’izany lanonam-pamadihana izany. Mba niezaka nanatona ny tompom-pety ny mpifanila-bodi-rindrina, niangavy azy ireo mba hampidina ny hamafin’ny zava-maneno, saingy niala maina. Azy ireo hono izao ny fanjakana !

26/03/2013

KOF'ROC

“Mila namana ve ramose a? Ataoko daholo izay tianao sady tsy lafo!”, hoy ity tovovavy vao 19 taona tamin’ilay mpamily fiara, nikasa hividy pizza teo Analakely. Tsy rototra teo anatrehan’izany anefa ilay mpamily. Nakatony ny varavaran’ny fiarany dia iny izy no nizotra teo amin’ilay pizzeria. Nandrasan’ilay tovovavy mihitsy anefa ilay rangahy raha iny niverina namonjy ny fiarany iny ka teo no nahitany ny hatsarana na bika na endrik’ity taranaky Eva ity. “Maninona aho raha mba miaraka aminao?”, hoy indray ilay zazavavin’ny alina. Indraindray resin’ny fakam-panahy ao anatin’ny segondra tsy ampoizina ny olona. “Les hommes sont toujours vulnérables leisy a !”, hoy ilay zokibe iray izay.

27/03/2013

KOF'ROC

« Maty… ! ». Nihoraka avokoa ireo mpandeha an-tongotra. Lehilahy iray no indro mitsarara eo afovoan’ny arabe mihosin-drà ny lohany. Maina tahaka ny kitay ny mpamily ny fiara nandona azy, toa very saina nandritra ny segondra vitsivitsy vao tapa-kevitra nivoaka. Ompa sy teny ratsy no ren’ny sofiny raha vao tafavoaka ny fiara, andian’olona maro ihany koa no indro mihazakazaka mitangorona manodidina ilay naratra. Ren’ilay mpamily tao anaty tabataba ny hoe “ndao hodorana ny fiara!”. Tsy nandingana in-telo akory izy dia efa andian-jatovo tsy fantatra fiaviana no manodidina ny fiarany.

28/03/2013

KOF'ROC

Fianakaviana maromaro no indro mandeha an-tongotra milanja vatam-paty mifono lamba fotsy efa vasoka, mizotra manaraka ny sisin’arabe. Midanika izay tsy izy ny masoandro, mifangaro ny ranomaso sy ny hatsembohana. Mbola lavitra ny dia sady tsy mba mahasarika ny mason’ny mpandalo tahaka ny kôrtezy marevaky ny mpanana rahateo koa.

02/04/2013

KOF'ROC

Iny telo andro tsy niasana nanamarihana ny fetin’ny Paska iny no naharesy lahatra fa « resabe » sy nofinofy izany fampandrosoana an’i Madagasikara izany. Ny vahoaka ao aminy no miantoka na tsia ny fampandrosoana ny firenena iray. Asa ny any amin’ny faritany fa raha ny zava-nisy hitan’ny maso teto an-drenivohitra sy ny manodidina dia mampiteny ny moana.

03/04/2013

KOF'ROC

Ho hitanao ato amin’ny KOF’ROC isan’andro ny tantaran-dRajeannot, tantara noforonina, hilazalazana ny fiaimpianan’ny ankamaroan’ireo olona very asa vokatry ny krizy, indrindra iny zava-doza nitranga teto an-drenivohitra ny datin’ny faha-26 janoary 2009 iny. Mampiseho ny fitontongan’ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy nandritra izay efatra taona nitondran’ny HAT ny firenena izay. Mampibaribary ny fahaverezan’ny hasina maha olona amin’ny ankapobeny ihany koa ny tantaran-dRajeannot. Mazava ho azy fa mifangaro ao avokoa ny hatezerana, ny halahelo, ny fihomehezana, ny fahadisoam-panantenana, sns.

04/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Tsy misy fiovana ny làlan-dRajeannot; tsy misy fiovana toraka izany koa ny fanantenany. Efatra taona katroka izao no nanaovany io diabe manara-penitra io saingy tsy nahitam-bokany. Ny hany tokana nahitam-piovàna sady miova endrika isan’andro dia ny kirarony sy ny patalohany. Miha-mitongilana lava izao ny vodin-tongotry ny kirarony, indrindra ilay ilany havanana. Ilay diabe manara-penitra no fototr’izany! Mbola tsy afaka amin-dRajeannot ihany mantsy ilay famindra somary mibakabaka fanaony isaka ny miditra ny toeram-piasany. Miha-vasoka sy mangirana ihany koa ilay pataloha mainty fitondrany mamonjy fivoriana fony mbola “olona”. Sasàna haingana ilay pataloha raha vao migadona ao an-trano; pasohana avy hatrany ndrao tsy misy hanaovana ny ampitso. Tsy mampiasa izany “pattemouille” izany intsony Ra-Jeannot fa avy hatrany dia tairiny amin’ny fera vy; sosohana amin’ny kofehy mainty kosa izay faritra main’ny pitika saribao.

05/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Tsy naharitra ela anefa ny fahasambaran-dRajeannot, nisolo toerana vonjy maika ny pôlisin’ny CUA. Efa izay mihitsy angamba ny anjarany eto amin’ity tany fandalovana ity. Vao niditra niasa enim-bolana tokoa mantsy Ra-Jeannot no nitranga ny fandrobàna ny datin’ny 26 janoary 2009. “Pi!Pi!Pi!Piiiii!”. Tezitra mafy ilay mpamily taxi-be, ny fiara midina hatrany mantsy no nalefan’ny “ramose pôlisy”. “Miala r’ilay tsy misy saina ity eo a! F’angaha ela pôlisy no misakantsakana eo?”, hoy ilay saofera. Nierikerika nijery ny manodidina azy Ra-Jeannot ka tamin’izany no nahatsapany fa toa mandatsa azy avokoa hatramin’ny daba-pako. Farany, nikisaka teny amin’ny sisin-dalana ity “ramose pôlisy” sady nanao faran-teny: “Ndehana manidina rehefa tsy faly leity e!”.

06/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (Tohiny) Indraindray mba mitsiky amin’ny malahelo ihany ra-vintana. Tsy fahasambarana feno tahaka ny an’ny mpanana fa toa mampitaintaina aza. Nividy “gauloise” iray teo amin’ilay mpivarotra amoron-dalana Ra-Jeannot. Roanjato ariary no natolony kanefa dia namerenan’ilay mpivarotra sivinjato ariary. Noheveriny ho roa arivo ariary angamba ilay ravim-bola roanjato. Hendratra tampoka teo ny endriky Ra-Jeannot, noraisiny ny famerim-bola ary dia namindra tsimoramora tahaka ireny olon-drahetra avy nahazo izay nilainy ireny ranamana. Nanao tongotra an-katoka tahaka ireny nenjehana omby masiaka ireny raha vao nidify ilay sampanan-dalana. Ny hitady mpivarotra lasopy no masaka tao an-tsainy, kilometatra maro tokoa izay vita nanomboka tamin’ny 6 ora maraina izay. Asa tokoa raha mba tsapan’ireto mpitondra HAT ireto ny fahorian’ireo Malagasy very asa noho izao krizy izao, indrindra ireo niharan’ny fandrobana tamin’ny faha-26 janoary 2009.

08/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Nataony fady mihitsy ny mifanena amin’ireo mpiara-miasa teo aloha mainka moa ireo ankizy niara-nihira taminy tany am-pianarana. Io ilay tonga amin’ny fitenenanana manao hoe “ny mpandalo tia resaka, ny iray tanàna tia fosa e!”. Mihoatra lavitra noho ireny “Robocop” ireny ny mason-dRajeannot. Eny amin’ny 20m dia efa tsinjony izay rehetra hifanena aminy. Vao misy iray amin’iretsy karazan’olona voalaza etsy ambony iretsy manangasanga ery an-kodimirana ery dia ny sampanan-dalana tsy hifanenana aminy no raisin-dRajeannot, tsy misy hoe “ahoana” na tovonana “satria”. Ny tsy fantatry Ra-Jeannot anefa dia izao, tsy misy mahalala azy intsony ireny olona ireny; ny omby mahia rahateo tsy lelafin’ny namany. Efa izay mihitsy no foto-piasanana Malagasy fony Fahagola. Raha tsy ny Malagasy tsy hiteny hoe: “raha maty aho matesa rahavako!”. Dia izao hiaraha-mahita izao ny ataon’ireo mpitondra HAT. Takalon’aina miara-maty aminy ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa; Ra-Jeannot moa ao anatin’izany efa miala aina.

09/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Nisaraka tsy nisy naratra Ra-Jeannot sy Sidonie, samy mahantra rahateo koa e ! Tahaka ny vatoaratra ihany ny fiainana : ny miabo tsy afaka hivady amin’ny miabo, ny miiba mifandaka amin’ny miiba fa tsy maintsy « + » sy « - ». Izany hoe ny mpanana ihany no afaka mividy ny tsy manana. Teo koa vao nazava ny resaka. Tsy ny hitafa amin’i Sidonie na ny hotazan’ny mpandalo no tena naha maika an-dRajeannot hiala teo. Nanova ny fomba fijeriny sy ny fanantenany ny diabe manara-penitra nataony tato anatin’izay vola maro izay. Nitsiry tao aminy ny fitiavana te hanan-karena tampoka, maro rahateo koa ireo orinasa mpanararaotra izay fahalemen’ny Malagasy izany ka nampiasa ny volany hanambakana vahoaka. “Anaovy Peho ny Dimy iray, sa ataovy Loto e!”, hoy Ra-Jeannot tamin’ilay andriambavilanitra.

10/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Amin’ny enina ora eo ho eo izay! Efa ora fodian-dRajeannot rahateo koa na dia tsy mitovy aza ny zavatra hovantanina any an-trano. Tsy mba hitan’ny tranobongo feno fahantrana an-dRajeannot mantsy izany rano mafana sy savony manitra izany. Tsy misy rano hisasana tongotra akory raha ny marina fa voatery mantsaka eny amin’ny paompy. Tandra vadin-koditra hoy ny fitenenana ny fahantrana sy ny fahavoretrana, misy dikany amin-dRajeannot inona moa izay tongotra tsy misasa sy vava tsy mifantsana any! Ny hidabohan’ny loha eo am-pandriana no zava-dehibe, mivavaka mafy mba ho ireo laharana fiarakodia namenoina ny efajozo tamin’ny Loto no isa hivoaka amin’ny fisarihana.

11/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) “Fa ahoana ihany ianareo ‘tony ry Jeannot a! Olon-dehibe io ve de hindram-bola aman’olona foana no atao anton’asa! Maninona raha mba mitady asa fa tsy mirenireny fotsiny! ‘Ze toerana alehako toa ahitako anareo ‘zany foana”, hoy Fôsy zaodahin-dRajeannot. Isan’ireo olom-bitsy nahita fahasoavana nandritra izao Tetezamita izao i Fôsy. Tsy fantatra mazava izay tena anton’asany fa dia mifanisa amin’ny ratsan-tanany ny isan’ireo fiarany. “Chérie a! Mba omeo 350.000 fmg any aho hividianako J&B amin’le revirevy miaraka amin-dry zalahy CT sy CST rahariva; de 150.000 fmg ataoko lasantsy sy tsakitsaky”, hoy indray i Fôsy tamin’ny vadiny. Ginagina teo Ra-Jeannot nandre ny vola be ataon-dRafôsy indray mandrapaka amin’ny revy. “Iray hetsy be izao!”, hoy izy lasam-borona. Raha mba fantatr’ity zaodahy ity tokoa fa mitady asa no mampivezivezy an-dRajeannot manerana an’Antananarivo. Toa mora aminy ny miteny hoe “mandehana mitady asa”. Ririnin-dasa tokoa angamba iny 26 janoary 2009, ho an’ny mpitondra HAT ary ireo mpiray petsapetsa aminy. Saingy tsy nasian-dRajeannot dikany loatra intsony ny fandatsana natao taminy; izay hahazoany ilay ravim-bola TIM tokana iray no tanjony, dia izay! Toa ireny inona ireny mihitsy Fôsy mijery fitaratra eo anoloan-dRajeannot amin’izato “complet” manjelanjelatra, miampy kiraro marani-doha manondro eny amin’ny lanitra. Fanampim-bola fotsiny ihany ny 500.000 fmg nalainy tany amin’ny vadiny. Tazan-dRajeannot tsara mantsy ny namoahany ravim-bola TIM maro be avy tany anaty paosin’ny palitaony.

12/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) “Vero taingenam-poooody aho ry namako ôôôôôô! Tsy folaka fa mannndefitra ry havako aaaaaaa!”. Mamo tampona Ra-Jeannot vao nivoaka tao amin’ny bar Tsimialonjafy. Tsimialonjafy araka ny anarany tokoa ity “bar” ity. Hita ao avokoa ireo karazan’olona nazeran’ny fiainana: ny maty vady, ny very asa, ny avy nigadra, ny nilazaon’olon-tiana, ny bokan-trosa, sns. Sady nihirahira mafy ny bandy akama no nandihindihy teny amin’ny arabe. Famoizam-po sa fanantenana?

13/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra “Mba mifohaza am’zay ry zoky e!”, hoy ny feo nitrerona nanapaka torimason-dRajeannot. Andiana pôlisy maromaro manao fisafoana amin’ny alina no nanaitra azy, toa nisava hatramin’ny hamamoany. Fiarakodia vitsivitsy mandrehitra jiro sisa no nisosa eny amin’ny arabe. Manomboka mitono masikita sy mangahazo kosa ireo mpivarotra hani-masaka, hitsenana ireo olon’ny alina, tsy mahita fahasambarana any an-tokantranony. Tsy mbola voabaikon-dRajeannot tsara ny ratsam-batany, miezaka hanarin-tena kanefa tsy tafatsangana. Ny finday sy ny lakilen’ny trano no tonga tao an-tsainy voalohany, nitony avy hatrany anefa ny ahiahiny rehefa voatsapany tao am-paosy ireto hany sisa harena. Folo minitra taty aoriana vao tafajoro tanteraka ranamana. Mangovitra sy mipararetra ny lohaliny, mihoatra lavitra hono ireny anti-dahy tsy afaka mamindra ireny.

15/04/2013

KOF'ROC

Dia izay izany e ! Ny vadiny ihany no notendren’i Ramose hisolo azy amin’ny fifidianana ho filoampirenena. Omaly hariva no nivoaka ny vaovao. Raha tsorina tokoa dia io safidin’ny ankolafy Ravalomanana io sisa no tena andrasan’ny maro, ka handraisan’izay mety ho kandidà fanapahan-kevitra hentitra.

16/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra Nokaikerin’ny aretim-bavony nandritra ny alina manontolo Ra-Jeannot, tsy nahita tory fa nivadibadika tao am-pandriana mandra-maraina. Nivoadivody tsy hisotro toaka intsony ranamana, hanao izay handosirana lavitra an’i Sidonie ihany koa. Tsy handriny izay niposahan’ny masoandro hividianany “paracetamol” teny amin’ny “épicerie”. Efa lasa dokotera tenany daholo koa izao ny Malagasy noho ny tsy fahatakarana intsony ny saran’ny fitsaboana. Ny vavony no marary, “paracetamol” no fanafody. Izay ilay hôpitaly manara-penitra e! Tsy izay marary ny Malagasy no nihazakazahan’ny HAT fa ny bizna hamenoina ny paosin’ireo tompomenakelin’Ambohitsorohitra.

17/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Tsy nahavita azy hatramin’ny firavan’ny fitokanana ny kianjan’Andohatapenaka akory ilay roa arivo anjara volan-dRajeannot. Nimenomenona fatratra ny anao lahy rehefa nody: “lany taty fotsiny ny fotoana. Inona koa no nanekeko iny vola tsy mahavita andro iny e?”. Fanenenana lava ny fiainan-dRajeannot: nanenina tsy niaraka vy hatrany tamin’i Sidonie, natosiky ny toaka vao tapa-kevitra kinanjo nandry teny an-tsisin-dalana no nihafarana. Tsy misy maminy intsony fa toa kilalaon’ny loza sy ny ankaso.

18/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Raha nisy tokoa zavatra nandeha sy niroborobo nandritra ity fitondrana HAT ity dia ny fisotroana alikaola sy ny fidorohana ary ny loka. Ny olon-dresy tahaka an-dRajeannot no tena mavitrika amin’ny fananteran-drakitra any amin’ireny bar isan-karazany ireny. Nomen’ny HAT vahana ny dokam-barotra zava-pisotro mahamamo na dia voararan’ny lalàna aza izany. Nampateza azy ireo teo amin’ny sezany (efatra taona be izao) ny fampimamoana ny vahoaka; nanararaotra tahaka ny banga mihomehy amin’ny alina rahateo koa ry Skol, Libertalia, Gold, THB, sns. Famotahana firenena, famotehana vahoaka tsotra izao no azo handikana izany.

19/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Namotika fiainam-pianakaviana sy fiainan’olona maro tokoa ity krizy ity. Mba fantatry ny filoha Rajoelina ve ny fahoriana mianjady amin’ny isan-tokantrano, indrindra ny olana hatrehan’ireo ray sy renim-pianakaviana very asa noho ny fitarihany olona hidina an-dalambe ny datin’ny 26 janoary 2009? Mba fantatry ny mpitondra HAT ve ady aman’aina, ho velona sa ho faty, no andavan’andron’ny Malagasy nandritra izay efatra taona naha teo amin’ny fitondrana azy ireo izay? Tsy lafiny ara-materialy na ara-toekarena ihany no potika noho izao fitondran’ny filoha Andry Rajoelina izao fa indrindra ny ara-panahy, ny ara-moralin’ny mpiray tanindrazana. Olona nanana asa sy antom-pivelomana izao talohan’ny 26 janoary no lasa mivaro-pananana, mivarotra ny tsy azo hamidy, hihinanana vary iray lovia. Tsy mahagaga raha mirongatra izay tsy izy ny vaky trano, ny asa fisolokiana. Ny kibo tsy mba lamosina ry HAT a! Tsy mahavoky ny kianjan’Antsonjombe sy ny kianjan’i Maki ary ny tohatohabaton’Antaninarenina.

20/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) “Azafady madama, marary mafy eny amin’ny hôpitaly ny zanako. Tsy manam-bola hamidy fanafody ka mba mangataka izay foinao re tompoko!”, hoy Ra-Jeannot tamin’ity renim-pianakaviana iray miandry olona tao anaty fiara. Fantany tsara fa tsy hisy hanome na dia ariary aza olona raha tsy mitady hevitra sy mamorona lainga mba hahatohina ny fon’izay mandre ny fitarainany, indrindra fa reny manan-janaka tahaka ity sendra azy tetsy anoloan’ny Fitsarana Anosy ity. Atao ahoana tokoa no hilaza fa tsy nihinan-kanina nandritra ny alina kanefa lehilahy “mirijarija be” izao, tsy kilemaina! Nahomby tokoa ny tetika, namoaka vola arivo ariary tany anaty paoketrany ilay madama ary natolony an-dRajeannot. “Misaotra tompoko, Andriamanitra hamaly fitia anao sy ny ankohonanao”, hoy izy.

22/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Miova araka ny zava-misy iainany ny foto-pisainan’ny olona. Nanana ny fomba fijeriny an’ireo tsy manan-kialofana mpatory an-dalambe Ra-Jeannot fony mbola “olona”. Isan’ireo mahatsiaro no tandindomin-doza hatrany isaka ny mandeha eny Analakely vokatry ny fitomboan’isan’ireo 4’mi. Amin’izy ireny ihany mantsy no hivoahan’ny mpanao sinto-mahery sy ny mpanendaka. Lasa mpisolovava ireto sarangan’olona ireto anefa ny tenany ankehitriny satria efa Izy ihany koa. Mifamaly matetika amin’ireo mpiasan’ny CUA ny tenany, mpanangana ady amin’ireo mpamily fiarakodia ary lasa nankafy sy fandikan-dalàna sy ny tsy fanarahana fitsipika: mivalan-drano eny an-tsisin’ny arabe, matoritory eny amin’ny zaridaina, sns. Fehiny, ilay maha olona mihitsy no potika niaraka tamin’izao fitondran’ny filoha Rajoelina izao.

23/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra ”Iray hetsy ry leiry e! Maditra kosa ‘ty zany ry sakaiza an! Vaky trano taiza ‘ndray ‘zao ‘tony?”, hoy ity mpividy entana efa niasa tamin-dRajeannot. Tsy rototra akory izy namaly izany: “an’ny vadiko marary eny amin’ny hôpitaly iny razoky e! Aleo hilamina raha 500 mil fotsiny no hasahian’ty azy e!”, sady nalain-dRajeannot teny am-pelatanan’ilay rangahy ny rojo volamenany. Niova hevitra tampoka indray anefa ity farany: “ampiako 250 mil ny volan’ty e! Mi-risk be ange za am’zany razoky e! F’angaha azo hamidy am’zao ty fa tsy maintsy mbola hitady mpanefy handrendrika azy”. Nahazo aina tampoka Ra-Jeannot, fantany tamin’ny alalan’ny fihetsik’ilay mpividy fa tsara ny entana ary mbola azo atao ny mampiakatra izany ho ambony kokoa. “Aleo entiko ny ahy rangahy a! Na halatra aza ve de rojo be tahaka izao de hamidiko aminao 750 mil!”, hoy ihany izy nampifila.

24/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) “Tadidinao ve madama ny endrik’ilay mpanendaka raha sendra mifanena aminao?”, hoy ity “brigadier de police” nandray ny fitoriana napetraky ny tompon’ilay rojo volamena. “Eny tompoko. Tadidiko tsara ary ny tena nanaitra ahy aza dia ny paoziny. Tsy lehilahy ampoizina hanendaka izany mihitsy raha ny fijery azy. Ny tongony aza mbola madio, ny tiako hotenenina hoe vao haingana no angamba izy iny no tsy nikiraro”, hoy kosa ilay madama. “Inty ny laharan’ny findaiko koa raha vao mahita azy enao dia miantso avy hatrany. Miteny fotsiny enao hoe ilay madama very rojo volamena”. “Misaotra indrindra tompoko !”.

25/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Teo am-pihinanana lasopy atody indrindra Ra-Jeannot no indro mpitandro filaminana telolahy nibeda azy avy aoriana sady nandavo azy tamin’ny tany. “Ialahy izany no tena mafy be eto amin’ny tanàna mampitondra faisana ety Analakely ety? Mitsangana ary aza mihetsika mahery ndrao lavaky ny bala ity tratran-gisa kelin’ialahy!”, hoy ireto mpitandro filaminana, sorena mafy teo am-pisamborana an-dRajeannot. Avy hatrany dia nizotra namonjy ny paositry ny pôlisy izy ireo rehefa avy nanalà ny fony teo ny mpandalo. Amin’ny fotoana tahaka itony mantsy milaza ho efa voaroban’ny mpanendaka avokoa izay rehetra miloa-bava. Ny sasany mahavita mitabataba mihitsy fa “collier” volamena milanja 100 gr be izao hono ny azy no nisy nisintona, indrindra moa ka misy vehivavy manjamanja manatrika eo.

26/04/2013

KOF'ROC

“Very asa noho iny fandrobana tamin’ny 26 janoary iny aho. Mbola vitako ny nandoa ny hofantrano sy ny Jirama telo volana taorian’izany. Niezaka nitady asa nanerana an’Antananarivo aho, miala maraina tsy mody raha tsy alina saingy niala maina sahala amin’ny nandevina alika. Ringana tanteraka ny tahiriko rehetra, voatery namidy tsikelikely ny fanaka sy ny kojakoja tao an-tranoko, niantohana ny hofantrano, ny Jirama ary ny sakafo sy ny saran-dalana.

28/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) « Mandroso ianao madama a ! Eto am-panaovana “enquête” an’le bandy ‘ty mihitsy ‘zao. Izy aloha sa tsy izy le nanendaka ny “collier”-nao e? Tsy efa niteny taminao ve aho madama fa tsy maintsy tratra zany mpanendaka zany raha mbola izaho no izaho e ! », hoy ilay mpitandro filaminana dehaka. « Eny, izy tokoa io tompoko ! Mba mahazo miresaka irery aminy ve aho tompoko ? », hoy ilay madama. “Tsy olana mihitsy ‘zany madama a! Sady mba hisakafo kely any ivelany any vetivety aho mandra-piresakareo. Na izany aza aleo petahako “menotte” ihany aloha ny tanany ndrao mitsoaka eo vao gravy”. Dia lasa nivoaka ny efitrano ilay pôlisy; Ra-Jeannot kosa nitanondrika tsy sahy nijery ny tavan’ity olona norobainy.

29/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) “Tsy afaka mandray fanapahan-kevitra amin’izany aho ry madama fa aleo mihitsy ianao miresaka amin’ny lehbenay a!”, hoy ilay mpitandro filaminana. Nilaza tamin’ity farany fa hanala ny fitoriany mantsy ity renim-pianakaviana ity rehefa nandre ny fibabohana sy ny tantaram-piainan-dRajeannot. Izay famelan-keloka izay no mampiavaka ny kristiana izay mifandona matetika amin’ny lalàna. Zava-dehibe ho an’ny mpitandro filaminana araka ny andraikitra nankinina taminy ny fahazoana ireny mpanendaka, mpanao sinto-mahery, ireo mpandika lalàna amin’ny ankapobeny. Fampiharana ny lalàna kosa no adidin’ny Fitsarana ka tsy hijerena tavan’olona na finoana na saranga raha ny tokony ho izy. Samy mametraka ny lafiny maha olona ho farantampony avokoa anefa ireo sehatra voalaza rehetra ireo.

30/04/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) “Iza le Ra-Jeannot? Mivoaha ialahy tao!”, hoy ny feo mibetroka tany an-dalantsara. Toa ny lakolosim-paty no nandrenesan-dRajeannot ilay antso. Lalan-droa ihany ary tsy misy afatsy izay no miandry azy: na mivoaka ny “violon” dia miditra any am-ponja na mivoaka ny “violon” dia hamantana arabe. Sambany taorian’ny nialàny tao amin’ny tranony mantsy izany hoe natory ambany tafo izany nandritra ny 48 ora nitànana azy tao amin’ny pôlisy. Samy hafa mihitsy ny matory anatina rindrina efatra sy ny mirakotra plastika eny amoron-dalana. Fiaraha-monina iza intsony koa moa no mila olona toa an-dRajeannot, hampitombo isa ny vava mihinana? Fantany fa tsy hisy hivaky loha sy handany fotoana hitady azy. Ny fonja sisa no toerana azony antoka fa hampiantrano azy anaty rindrina efatra, tsy miasa saina amin’ny hofantrano sy ny faktioran’ny Jirama. Ampahafirin’ny fahoriana nolalovany mandra-pahatongany teny amoron-dalana tokoa moa izay miditra any am-ponja; fahoriana inona intsony no ambonin’izany hoe voatery nivarotra izay rehetra nihariana sy ny teo am-pelatanana noho ny hetraketraky ny hafa?

02/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Tapa-kevitra hamonjy ny anabaviny Ra-jeannot ary hizaka izay latsa sy fanesoana hataon’i Fôsy zaodahiny. Tsy isan’andro tokoa mantsy ny fetin’ny ankizy ary azony antoka tsara fa tsy maintsy hihazo an’Antanimora ny tenany rahatoa ka hiverina hanampy isa ny fokonolona an-dalambe.

03/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Nobitsibitsihan’ny mpanampiny ny amin’ny fahatongavan-dRajeannot ao am-bavahady ramatoa Charline. Hatsatra tampoka mihitsy ity farany nandre izany; saika latsaka hatramin’ny vera teny an-tanany. Tazan’i Fôsy izany fihetsiky ny vadiny izany ka sorena aoka izany izy. Tsy ny fahatongavan-dRajeannot nefa no tao an-tsain’i Fôsy fa zavatra hafa.

04/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Fa nandritra izany fotoana izany indrindra no nisy niantso an-tariby ingahy CT ka nanome toromarika tamin’ny tanany, ny olon-drehetra tao amin’ny “salon” mba hangiana avokoa. “Bon! Henoy tsara aho! Kandidà ny president Rajoelina ary efa neken’ny CES!”, hoy izy nidehadehaka toa ny fanaony. Nihoraka daholo indray ny iray trano; mihoatra lavitra noho ny tenin’ny Soratra Masina mantsy ho an-dry Fôsy mianakavy ny teny mivoaka ny vavan’ingahy CT. Noraisin’i Fôsy ilay tavoahangy J&B ka dia noteteziny ny veran’iro vahiny rehetra. Fahasambarana tsy roa aman-tany ho an’ireto olona ireto tokoa mantsy izany filatsahan-kofidian’ny filohan’ny HAT izany. Mitohy miaraka amin’ny fihitaran’ny Tetezamita tokoa mantsy ny bizna ary izay bizna.

06/05/2013

KOF'ROC

Lasa nifampitaritarika nanohy ny arôzazy tany ivelany tany ry Fôsy sy ingahy CT sy ireo namany. Efa samy “azoazoany” avokoa izy rehetra; nikasoka teo amin’ny sisin’ny vavahady mihitsy ny ilany havanan’ny fiaran-dRafôsy vokatry ny hamamoany. Olobe eto amin’ny firenena moa ireny ka sarotra ny hiteny azy; azy ireo ny fahefana sy ny vola. Ra-Jeannot irery no nolatsain’ireo rindrina efatra tao amin’ny “salon”; Charline kosa revo mandamina ny latabatra sy ny seza avy nilanonan’ingahy CT sy Fôsy vadiny. Fantatry Charline tsara fa tsy hody alohan’ny amin’ny 6 ora maraina i Fôsy; tsy miafina aminy ihany koa fa misy vehivavy miandry am-badiny any ambadika any.

07/05/2013

KOF'ROC

“Saika tsy tafavoaka tao an-trano aho. Soa ihany fa lasa nandeha niboraingy niaraka amin’ireny mpanao politika ireny ilay tsy misy ilàna azy iny. Efa natahotra mihitsy aho hoe hitohy mandra-maraina ny revin’izy mianakavy. Nilatsaka indray nge hono le Andry Rajoelina e! Dia lasa nanao arôzazy any ry zareo. Ny anadahiko izao no miandry trano ao”, hoy Charline tamin’ity sakaizany. “Iny vadinao iny aloha dia hahita loza rehefa mianjera io fitondrana foza orana io e! Te hiteny zavatra betsaka amina aho. Fantatro daholo ny zavatra ataony rehetra ary iny CT iny mihitsy no miray loha aminy amin’ny afera maizina”, hoy François sady nilalao ny felan-tanan’i Charline.

08/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) “Ndao amin’izay hody fa tena reraka be mihitsy aho izany”, hoy i Fôsy tamin’ilay sakaizany. Tsindrin-daona te hafantatra izao mistery manakorontana ny saina izao mihitsy ny tenany. “Maika hamonjy an’ilay ramatoa be nga izato izy no tsy mahatombona tahaka izao? Ndeha ianao raha handeha fa izaho mbola hijanona; tsy hisy hanatitra eo ihany ve aho rehefa lasa ianao!”, hoy kosa ilay andriambavilanitra. Vao mainka nitombo ny adin-tsain’i Fôsy nandre izany. Tsy izy irery tokoa mantsy no manam-bola. Tsy vitan’izany fa tovolahy tsaratsara endrika sy manan-katao avokoa no tao amin’ilay karaoke tamin’ity indray alina ity. Azony antoka fa raha vao manao fahadisoana kely eo ny tenany dia efa eny am-pelatanan’olon-kafa ity zazavavindrano ity. Tsy mifanentana mihitsy mantsy izy roa; ny herin-dravola fotsiny ihany no niarahany tamin’i Fôsy; ny ankoatra izay….zéro!

10/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Ny tabataba sy ny horakoraka tany an-tokontany no nanaitra an-dRajeannot tamin’ny torimasony. Olona mifamono sy mifanompa no tazana avy teny am-baravarankely. Nazeran’i Fôsy tamin’ny tany i Charline ary mbola narahany daka sy hitsaka teo amin’ny kibony. Tsy zakan-dRajeannot ny nanatri-maso ny anabaviny niharan’ny vono nataom-badiny ka dia nivoaka avy hatrany ny tenany. Toa nomen’ny vintana fotoana hamaliany faty an’ity zaodahiny rahateo izy. Raikitra koa ny totohondrin’izy roalahy, nanome vahana azy indray aza ny famporisihan’i Charline nanao hoe “vonoy any mihitsy io ry Jeannot a! Te hanao kanefa tsy mahazaka; iza no tadiavin-tena hiaritra izay tian-tena atao isan’andro eto!”. Vaky ny orona sy ny vavan’i Fôsy, voa mafy teo amin’ny masony havanana koa anefa Ra-Jeannot. Nihazakazaka namonjy ny fiarany i Fôsy, namelona maotera ary lasa nitsoaka. Izy mianadahy kosa niezaka nifamonjy sy nifampibata niditra ny trano.

11/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Nisafidy ny tsy hihetsika tamin’ny toerana nisy azy Ra-Jeannot, ndrao tazan’ireo “gros bras” ireto ka hofatifaty fotsiny eo. Miala maina sahala amin’ny mandevina alika tokoa mantsy izay maty na rava fananana mandritra izao Tetezamita izao. Niverina tao an-tsainy tampoka mantsy ny zava-nanjo ny radio Fréquence Plus, izay notafihana andian’olona mirongo basy mahery vaika teo am-perinasa. Hatramin’izao tsy nisy fanadihadiana nisokatra, tsy nisy olona voasambotra kanefa famotehana sy fandrobàna fananana sy fandratràna olona izao. “Ny Fréquence Plus aza niala maina mainka fa ialahy tsy misy mpahafantatra ity! Aleo milamina dia misesy!”, hoy Ra-Jeannot tsemboky ny tahotra.

13/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Nanapa-kevitra hampandre mpitandro filaminana Ra-Jeannot, tsy te hibaby nenina mandra-pahafaty nitazam-potsiny ny anabaviny teo anatrehan’ny vono manjo azy. Niditra lalan-kely nanalavitra ny trano fonenan’i Fôsy izy mba tsy ho ren’ireo “gros bras”. Avy hatrany dia niantso tamin’ny ireo laharana maitson’ny mpitandro filaminana izy, nanazava ny zava-misy sy ny toerana. Fahadisoam-panantenana anefa ny an-dRajeannot. Im-polo naneno tsy nisy nandray ilay laharana, avy eo indray valinteny mankarary no azony; tsy manana solika hono ny mpitandro filaminana raha mety dia mba alaina izy ireo. Saika nahateny ratsy mihitsy Ra-Jeannot nandre izany: “afaka naka an’ialahy isany tany ve leity handany crédit hiantso a! Atao inona fotsiny ireny nomerao teninteneninareo isan’andro ireny?”.

14/05/2013

KOF'ROC

Daty mana-tantara ho an’ny Gazety La Nation ny 14 mai. Androany tokoa ny tsingerin-taona voalohany nidiran’ny gazety a Nation teo amin’ny sehatry ny serasera teto amin’ny firenena. Raha ny isan’ny taona no resahana, indrindra raha oharina amin’ny fiainan’ny zanak’olombeloha, dia tsy hay ny tsy hiaiky fa mbola kely dia kely izay heritaona izay. Raha ny toerana efa misy azy eo amin’ny tontolon’ny serasera eto amintsika, amin’izao fotoana izao kosa no ambara, dia tsy isalasalana ny milaza fa efa tratra ny dingan’ny fahamatorana.

15/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Nivatravatra avy tany amin’ny efitranony i Fôsy, niaraka tamin’ny basy poleta. “Ny fatin’ialahy sisa no mivoaka an’ity trano ity. Nahoana aho no tafihan’ialahy ato an-tranoko? Ndrao dia heverin’ialahy fa tsy hitako angaha iny sabatra eny an-tanan’ialahy iny?”, hoy i Fôsy. Zendana fotsiny Ra-Jeannot teo anatrehan’izany fiampangana natao azy izany sady nijery ny tananany roa. Adinon-dRajeannot fa mpanao politika ity mifanandrina aminy ity. Izay mantsy no maha samy hafa ny mpanao politika gasy amin’ny any ivelany, mpandainga ary tsy menatra hanameloka olona amin’ny zavatra tsy nataony. Soa ihany fa teo i Charline, vavolombelona azo antoka fa tsy hamono ny anadahiny. Tsy hampaninona iretsy “gros bras” tokoa mantsy ny hijoro eo anatrehan’ny mpitandro filaminana sy ny Fitsarana fa nikasa hamono an’i Fôsy tamin’ny sabatra Ra-Jeannot. Tsy misaina afatsy vola, izay no azo hamaritana ireny be sandry ireny ka na hamotika ho avin’olona aza tsy mampaninona azy ireo.

16/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Mandalo sy miserana fotsiny ihany ny hery sy fahefana azo sy nampiasaina tamin’ny tsy rariny, misy farany daholo tokoa ny zava-drehetra. Iza tamin’ny Malagasy niaina tany amin’ny taona 60 no hino fa ho rava ao anatin’ny fotoana vitsy izany FRS izany. Iza no tsy nihorohoro tamin’ny FRS, nanana fitaovam-piadiana ary fomba tamin’izany andro toa ny basy Uzi izay mbola ampiasana hatramin’izao taona 2013 izao? Iza no tsy raiki-tahotra tamin’izany TTS izany tany amin’ny taona 80, herim-pamoretan’ny mpitondra sosialista notarihan’ny kamarady Didier Ratsiraka? Tao anatin’ny indray mipi-maso dia ringana ireo be sandry sy jiolahimboton’ny mpitondra.

17/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Maro loatra tokoa ireo olona lasa mpanefoefo tsy fanta-pihaviana nandritra ity fitondrana HAT ity. Misy mihitsy aza ireo milaza fa mpitandro filaminana sy miaramila avokoa no tompon’ireny fiarakodia efa niasa amidy manerana ny renivohitra ireny. Mpitandro filaminana sy miaramila maro ihany koa no fantatra fa nanangana trano be nandritra izay efatra taona nitondran-dRajoelina izay. Tsy sanatria ory hava-manana no hilazana izany. Mampieritreritra tokoa ny zava-misy. Ohatrinona isam-bolana ny karaman’ireny miaramila ireny no ao anatin’ny efatra taona monja dia mahavita trano be roa sy telo? Toraka izany koa ireo olon-tsotra akaikin’ny mpitondra.

21/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Fantatry Ra-Jeannot tsara fa mboa afaka miady ambony noho io sora-bola io tenany. Natahotra koa nefa ny tenany ndrao hivadika biby tampoka i Fôsy ka hitsipaka ny teny nomeny. Fomba amam-panaon’ny mpitondra eny hatramin’ny filohan’ny HAT rahateo ity tsy mitàna ny teny nomeny ity ka dia naleony nekena tamin’ny fomba mihaja sady naka toky mba tsy hisian’ny arakaraka: “inona moa ry valy no hoteneniko eo fa dia izay izany. Sao mantsy holazaina indray fa nangalatra ny volanareo tato aho; izay mihitsy izao no mampieritreritra ahy hoe handray sa tsia izany vola izany”. Maika mihoatra ny boka hanam-bady anefa i Fôsy ka nilokaloka fa tsy hanao fihetsika hafahafa aorian’izao raharaham-pihavanana izao.

22/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny) Feno herinandro izao no niverenan-dRajeannot teny Itaosy. Resy lahatry ny lainga sy ny blablabla teo bebe Rabako ka dia nanaiky ny hanome azy ny lakilen’ny trano; tsy mbola nisy mpanofa rahateo koa ka nanamora zavatra. Naloany avokoa ireo hofantrano tany aloha, nefainy ny trosan-toaka sy saribao. Avy namita asa tany amin’ny Faritany, izay no fahafantaran’ny ao an-tanàna an-dRajeannot. Ny sasany aza vaky vava mihitsy hoe “lasa deba be Ra-Jeannot, sôsy fotsiny any am-paosiny”.

24/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tohiny alohan’ny farany) Voaresaka matetika isaka izay misy fandraisam-pitenenana tato ho ato ny hoe foto-pisainana tena Malagasy, ny maha Malagasy, ny soatoavina Malagasy, sns. Dia mipetraka mihitsy ny fanontaniana manao hoe: tena tsara saina marina tokoa ve isika Malagasy? Tena mendrika tokoa ve izany foto-pisainana Malagasy izany? Firenena iza ary vahoaka aiza no manana fomba fisainana mitovy amintsika Malagasy? Isika Malagasy irery ihany angamba no olombelona eto ambonin’ity tany ity, manana izao fomba fitenenana izao: raha maty aho matesa rahavako! Dia izao zava-manjo ny Malagasy nandritra izay efatra taona nitondran’ny filohan’ny HAT ny firenena izao.

27/05/2013

KOF'ROC

Diabe manara-penitra (tapitra) Tsy mbola nisy tsy fandriampahalemana mihatra aman’aina tahaka izay efatra taona nitondran-dRajoelina sy ny forongony izay teto Madagasikara. Mitafy rà sy ranomason’olona loatra ity fitondrana foza orana ity. Voalaza ombieny fa matihanina ireo mpitandro filaminana ary miaro ny ain’ny olona sy ny fananany. An-jatony anefa ny aina nafoy noho asa ratsin’ireo dahalo sy mpanao fanafihana mitam-piadiana nanerana ny Nosy ary ny tena loza dia jeneraly roa be izao anefa no matin’ny jiolahy tato anatin’ny fotoana fohy.

28/05/2013

KOF'ROC

Tsy hiala hono i Tabera! Iza no miraharaha an’izany e! Olona notampohan’ny nahazo seza sy fahefana, mba mitaingina 4x4 tsara tarehy, manana saofera sy “garde de corps” toa an-dry Tabera ve hiala izany na hosokirina amin’ny angady aza e! Ny toa azy ireny mihitsy no tsy azo homena fahefana, midongy an-kanina sahala amin’ny zazakely. Mba mihevitra ny hahazo vato firy amin’izany fifidianana filoham-pirenena izany moa i Tabera e? Tsy naleony ve aloha fifidianana filoham-pokontany no handramana vao mibitabitaka amin’izany filoham-pirenena izany. Sitrany nanamboarana villa ilay 250 tapitrisa natao antoka e! Tsy ho lany eo akory ange e! Tsy haverim-bola mihitsy aza.

29/05/2013

KOF'ROC

Mbola misy miaramila ihany ve eto amintsika sa efa mpitolona manao fanamiana sisa ? Mampalahelo sady mahamenatra loatra ny fihetsika asehon’ireto tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy ireto. Mivandravandra tokoa ankehitriny fa mpanompon’ny filohan’ny HAT avokoa izy rehetra. Raha tena mpampihatra lalàna marina ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana, inona no tsy haneren’izy ireo ny filohan’ny FAT mba hametra-pialàna raha tena tsy misy olona ambony noho ny lalàna eto amin’ity firenena ity ? Maninona raha tsorin’ny jeneraly Ranto Rabarisoa sy Lucien Rakotoarimasy fotsiny hoe « mbola te hanao 26 jona miaraka amin-dRajoelina » dia vita ny resaka, tsy hisy hitabataba azy ireo amin’izany intsony. Efa hita izao fa Foloalindahy tsy mahavita ny andraikiny, variana amin’ny politikan-tseza sy tombotsoa. Tsy mba menatra mihitsy ve ireto tomponandraikitra ireto, ny amin’ireo jeneraly sy manamboninahitra matin’ny jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana, ny faty olona etsy sy eroa vokatry ny fanafihana mitam-piadiana ?

30/05/2013

KOF'ROC

Velon-taraina ry Ambohitsorohitra fa tsy tonga niankohoka teo amin’ny filohan’ny HAT, ny praiminisitra Jean Omer Beriziky. Bla !bla !bla ! tsy nisy toa izany ny fanambarana nataon’ny sampan-draharaha misahana ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny prezidansa momba izany tsy fahatongavan’ny PM nanatrika ny filan-kevitry ny minisitra. Nanapa-tsinay mihitsy ny namaky ilay fanambarana, mitanisa izao fandrebirebena isam-bahoaka rehetra izao. Fa angaha heverin-dRajoelina ho mpanompony tahaka ny jeneraly Lucien Rakotoarimasy, Ranto Rabarisoa ary Ndriarijaona André avokoa ny olon-drehetra e ? Ireny no mivavaka aminy, toraka izany koa ny ministry ny Atitany izay namolavola lalàna hijanonan’ny filohan’ny HAT eo amin’ny fitondrana ary ny ministry ny Serasera mpitàna ny lakilen’ny jadona.

31/05/2013

KOF'ROC

Misy manam-pikasana hanala an’i Jean Omer Beriziky tsy ho praiministry ny fitondrana Tetezamita intsony hono any ambadika any e! Izany jeneraly fanta-daza izany angaha hoe no tadiaviana hasolo azy?? Tsy miady amin’ny piesin’ny sasany mihitsy mantsy hono ity lehiben’i Mahazoarivo ity. Izay tonga teo amin’io toerana io tokoa aloha, ka tsy nanaiky niankohoka tamin’ny filohan’ny HAT, dia tsy nijanona ela sady voasembantsembana lava e!

01/06/2013

KOF'ROC

Nahemotra amin’ny alatsinainy ho avy izao indray ilay fikahonan-doha nokasaina hatao anio, taorian’ny fihaonana voalohany teny Mahazoarivo, ny alakamisy lasa teo. Tadiavin-dRajoelina hojapiana indray mantsy hono izany fikahonan-doha izany. Fa ny tena loza dia ireo manamboninahitra jeneraly mpanongam-panjakana mpiara-dia amin’ny filohan’ny HAT no mitady hitarika ny dinika. Adinon’ireo milisin-dRajoelina ireto angamba fa mbola voasazin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena izy ireo noho ny zava-doza nitranga teto amin’ny firenena.

03/06/2013

KOF'ROC

Nahita hevitra hanemorana ny datim-pifidianana indray ny filohan’ny HAT, Andry Rajoelina. Mbola hamono valala indray mantsy hono ny tenany ka tsy afaka hisaina izany fifidianana izany. Lasa “cas de force majeure” indray mantsy izao ny valala ka tsy maintsy hovonoina haingana.

04/06/2013

KOF'ROC

Havanana amin’ny fandrebirebena vahoaka sy ny fanaovana ramatahora mihitsy ireo mpangongam-panjakana ao anivon’ny Tafika sy ny Foloalindahy ireto. Sahala amin’ireny olona tia tanindrazana sy miasa saina ho an’ny firenena ireny mihitsy ry jeneraly Lucien Rakotoarimasy sy ny forongony amin’izao « conclave » izao. Ny hijanonan-dRajoelina ela eo amin’ny fitondrana araka izay tratra anefa no tena tanjona. Tia tanindrazana ve ity manamboninahitra dia navelany hirehitra sy horavan’ny fandrobàna ny renivohitra ny faha-26 janoary 2009! Sarotra ny hino fa ho an’ny Tanindrazana no maha maika itony mpanongam-panjakana itony fa tsy izay hampaharitra azy ireo eo amin’ny sezany.

05/06/2013

KOF'ROC

Akory zay ! Noheverin’ireto mpanongam-panjakana ireto fa hilefitra amin’ny fampihorohoroana lava ataon’izy ireo tokoa mantsy ny olona ka hanao sonia izay paika ratsy novolavolain’izy ireo teny amin’ny CCI Ivato. Maninona mihitsy raha tonga dia nambanana basy teo amin’ny lohany ireo mpizaika, amin’izay mba nahazo doka tamin’ny filohan’ny HAT e ? Io basy io foana no harangaranga isaka ny mihetsika ; volam-bahoaka koa ange no nividianana azy ireny ary natao hiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany fa tsy fitaovam-pamoretana e!

06/06/2013

KOF'ROC

Ho tonga ihany ilay andro malaza hialan’ny filohan’ny HAT eo amin’ny fitondrana. Efa ela tokoa mantsy no niandrasana izany fotoana mamy izany. Tokony hametra-pialàna tokoa mantsy ny tenany, taorian’iny fanapahan-kevitra noraisin’ny CES omaly iny. Kandidà ofisialy amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany; miala eo amin’ny fitondrana tahaka ireo kandidà rehetra no dikan’izany. Fandresena voalohany ho an’ny vahoaka nanohitra izao fitondrana jadona notarihan’ny filohan’ny HAT izao, ny fialàny eo amin’ny fitondrana.

07/06/2013

KOF'ROC

Inona no ho vita ao anatin’ny iray volana ary aiza no ahitana vola hanatanterahana ny fifidianana tsy misy fanampiana avy amin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena? Rehefa nahemotra ihany io datim-pifidianana io, tsy aleo ve amin’ny taona 2018 mihitsy vao hatao e! Tsy azo antenaina intsony aloha izany fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona 2013 ity izany. Kobaka am-bava sy fampandriana hadrisa fotsiny io fanemorana iray volana io. Holalaovin’ny fitondrana HAT indray ny vondrona Zafy Albert izay mitaky ny hanaovana ny fifidianana lalam-panorenana mba hijanonan’izy ireo ela araka izay azo atao.

08/06/2013

KOF'ROC

Mpampianatra no filohan’ny Repoblika voalohany teto Madagasikara, dia Itkly Philibert Tsiranana. Toa niaina ihany ny vahoaka Malagasy tamin’izany andro izany, mbola nanana ny toerany izany mpiasam-panjakana izany, avo lenta ny fampianarana, nisakafo ny maro tamin’ny vahoaka, nanjaka ny fanajàna ny lalàna sy ny fandriampahalemana, nadio ny tanàna, nibaliaka ny ho avin’ny tanora, sns. Narodan’ny vahoaka ihany anefa izany fitondrana izany satria tsy nahafa-po azy, nitady ny tsaratsara kokoa.

10/06/2013

KOF'ROC

Tetika politika maloto handrerahana ara-bola sy ara-tsaina ireo kandidà mpifaninana amin’ny mpitondra no fandikan’ny mpanara-baovao izao fanemorana ny datim-pifidianana izao. Hatreto tokoa mantsy dia tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra fa tena hisy fifidianana filoham-pirenena amin’ny faha-23 aogositra 2013. Azo antoka fa mbola hahita hevitra sy tetikady hafa hanemorana indray ny fifidianana ny mpitondra HAT, toa ny fanaovana fitsapahan-kevi-bahoaka, ny ady amin’ny valala, tsy fisian’ny vola hanomanana ny fifidianana, ny tsy fahatomombanana ara-teknika, sns. Ataon’ny mpitondra HAT mihitsy izay maha kivy ireo mpifaninana. Ny antony?

11/06/2013

KOF'ROC

Direktoara militera ve zany zao eto amin’ny tanàna sa inona e ? Ahoana koa ity fankalazana ny faha-53 taona nahazoana ny Fahaleovantena tsy misy afatsy miaramila ity ; amin’izay indray jeneraly namela an’Antananarivo hodoran’ny afo sy horobain’ny olona no hitarika azy eny Mahamasina ? « Bonbon olona » daholo ve izany no fiheveran’ny Tafika ireo filohana andrim-panjakana eto amintsika toa ny praiminisitra Omer Beriziky, ny filohan’ny CT Mamy Rakotoarivelo. Niniana tsy noresahana mihitsy ny kandidà Dolin Rasolosoa. Tsy tokony ho filohan’ny CST intsony mantsy ny tenany amin’ny maha kandidà azy izay, saingy mafy loatra moa ilay fitiavan-tseza ka atao ahoana!

12/06/2013

KOF'ROC

Fiandrianam-pirenena e ! Izao fiandrianam-pirenena izao hatrany no masaka ao am-bavan’ny filoha Rajoelina isaka ny mandray fitenenana, indrindra rehefa avy voavely kibay tany am-pitandranomasina tany ny tenany. Dia mba kevoka ery ireo manamboninahitra mpomba ny fitondrana, manaraka izay lazain’ny filohan’ny HAT. Izao anefa voatery tsy maintsy hanao « pardon m’se !» rehefa mivoaka sy miditra ny seranam-piaramanidin’Ivato. Orinasa tsy miankina frantsay izany indray mantsy no hisahana ny fanaraha-maso ny olona ary ny fitiliana ny entana mivoaka sy miditra eny. Nanomboka naka ny toerany omaly ity orinasa tsy miankina ity; voaroaka tao amin’ny biraony mihitsy aza ny sampan-draharaha iray nisahana ny fanaraha-maso ireo mpiasan’ny seranam-piaramanidina; izany porte 10 izany e!

13/06/2013

KOF'ROC

Dia midongy an-kanina sahala amin’ireny zaza tsy tapaka tadim-poitra ireny mihitsy ny filohan’ny HAT amin’ity fitiavan-tsezany ity. Tsy maintsy izy hono no filoha amin’izay fanapahan-kevitra rehetra hivoahana amin’izao krizy izao, ka na hiroso amin’ny fampiharana ny Tondrozotra ny Malagasy na ho amin’ny lalàna nosoritan’ny FFKM, dia izy ihany hono no filoha. Maninona nefa raha izy foana no atao filoha e? Mba ratsy fanahy kosa isika e! Izay kosa àry no mba tiany ka inona no hampifilafilàna azy amin’izany. Dia izay hampisalotra azy izany ve no hatao olana; izy aza mba manaiky tsy hitarika ny matso amin’ny 26 jona ka inona indray no mbola tadiavintsika. Ao àry re ! Ianao foana no filoha dia aza midongidongy eo intsony fa mahasosotra. ‘Zany an!

14/06/2013

KOF'ROC

Tsy filàna dera na te ho fanta-bahoaka intsony kosa angamba no azo hilazana ny fihetsika nasehon’ny kandidà Vahombey omaly teny Antaninarenina, fa mariky ny fahafenoan’ny kapoaka noho ny zavatra ataon’izao fitondrana HAT izao. Feno fahasahiana tokoa ity kandidà ity ary hita teny amin’ny endriny fa tsy mahazaka ny fandrebirebena sy ny famitaham-bahoaka ataon’ireo mpitondra intsony ny tenany.

15/06/2013

KOF'ROC

Rehefa ny tenany irery mihitsy angamba no tavela ao Ambohitsorohitra ao vao ho tonga saina ny kandidà Andry Rajoelina. Tsy sasatry ny mamaky ady etsy sy eroa ireo mpitondra. Inona loatra izao no antony nanalàna an’i Pierre Tsiranana tsy ho mambra ao amin’ny CST? Raha nisy angamba mpanao politika tsy dia nahitan-teny firy tamin’ny fanankianana ny fomba fitantanan’ny kandidà Andry Rajoelina dia ity zanaky ny filohan’ny Repoblika voalohany ity. Raha mba kandidà mpifaninana aminy tahaka ny filohan’ny PSDUM, Lahiniriko Jean, na ny filohan’ny PNJ indray ange hafa e!

17/06/2013

KOF'ROC

Dia asa loatra re olona izay hitranga mandritra io Repoblika faha-efatra io. Ho afaka hiasa sy hanatanteraka ny programany tokoa ve izay ho lany filoham-pirenena eo ? Toa maha kely finoana ihany izany raha ny zava-misy sy efa manangasanga amin’izao fotoana. Hiraraka tahaka ny havandra mantsy ny fitarainana sy ny fitoriana aorian’izao fitondrana HAT izao. efa mazaba ohatra fa hitondra ny raharaha eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena noho ny zavatra nataon’ny mpitondra HAT azy ny orinasa SRDI, izay tokony hiantoka ny asa ataon’ny CSPI amin’izao fotoana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.

18/06/2013

KOF'ROC

Hitanaraeo fa mety ilay tetika a ! Falifaly ery i Andry Rajoelina rehefa nekena avokoa izay sitraky fony: sady filoha no kandidà; champion e! Mba miramirana koa ange ny “kof’roc” rehefa mahomby ny torohevitra nomeny e! Tadidintsika tsara angamba ilay hoe “ao ary re fa ianao foana no filoha, ao ary re fa tsy alàna eny amin’ny biraom-panjakana mihitsy ny sarinao, ao ary re fa mbola ianao no hikabary amin’ny 26 jona sy taom-baovao ary faran’ny taona e!”. Dia iny izy falifaly miramirana nihazakazaka tany Toliara sy nisora-tena ho champion iny. Izay fotsiny ange re olona no mba tadiviany e! Maninona mihitsy moa raha ampiana hoe “ary re fa ianao no lany e!”, amin’izay mba tena hipoky ny hafaliana tsy omby tratra ny champion-tsika e!

19/06/2013

KOF'ROC

Fihantsiana tsotra izao no fandikan’ireo kandidà filoham-pirenena ny kabary nataon’ny champion Andry Rajoelina tany Toliara farany teo. Kevokevoka loatra ity kandidà iray ity isaka ny mahazo micro; hany ka mibolisatra lava izao. Tapa-kevitra hitsapa ny dôziny tokoa mantsy ireo kandidà rehetra mpifaninana aminy. Mampahatsiaro ny kabarin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny volana janoary 2009 iny fanambarana nataon’ny champion Andry Rajoelina iny. Hoy indrindra ny filoha teo aloha: “tsapao aloha ny herinao vao mitsapa ny herin’ny hafa!”. Inona akory no teo, hay “dessin animé” rehefa notsapain’ny olona. Dia mbola izay fomba fihetsika manambony tena izay indray koa no nataon’ny champion Andry Rajoelina. Hotsapain’ny olona amin’izay koa mantsy ny dôziny dia hiaraha-mahita eto.

20/06/2013

KOF'ROC

Somary nahavariana ny maro ihany ny fihetsik’ireo CST nalàn’ny champion Andry Rajoelina tsy ho isan’ny mambra ao amin’ny Filan-kevitra Ambonin’ny Tetezamita. Niakatra afo mihitsy ny sasany ary nilaza ny hitarika olona hidina an-dalambe ho fanoherana izany. Fa taiza ianareo tamin’ny ora nidona e? Rehefa ny karama sy ny tombotsoanareo CST ve izany no voatohintohina dia ny vahoaka no tadiavinareo hatao fitaovana hamerenana izany? Oviana ianareo CST no mba niraharaha sy naka ny hevitry ny vahoaka nandritra izay efatra taona izay? Hetsika an-dalambe firy izay nataon’ny vahoaka nandritra ity Tetezamita ity izay, fa taiza ianareo tamin’izany ora sy fotoana? Tsy izao ve ilay antsoina hoe “taitra irery vao mamaky takotra e?”.

21/06/2013

KOF'ROC

Miara-mihaiky angamba ireo mpamily fiarakodia fa misy toerana tsy azo aleha firy intsony eto an-drenivohitra. Ny antony ? Misosososo avy any ny sarety feno entana, tsy miraharaha na iza na iza fa avy hatrany dia misisika tsotra izao. Voatery mandefitra ianao mba tsy ho kiaka na ho vaky jiron’ny fiarakodia. Ary raha sendra mikasoka indray dia fadiana ny miteny na dia indraim-bava aza fa mety ho lasa lavenona mihitsy ny fiara rehefa tsy potika. Mitsotsotso avy any koa ireo mpandeha an-tongotra eny afovoan’ny arabe, mifaoka tsotra izao ny rétroviseur -n’ny fiaranao. Tsy misy azafady fa izy nandona indray no mivandravandra sy mandrahona. Vava tsy voatandrina kely monja dia mety hiharan’ny fitsaram-bahoaka miaraka amin’ny fiara. Toraka izany koa ny bisikilety sy ny scooter.

24/06/2013

KOF'ROC

Ireo tandafy (gasy monina tany Frantsa nody an-tanindrazana na koa miala sasatra eto Madagasikara) mazàna no tena mankafy na te hatao hoe mankafy ny ro matsatso. Mba te hiteny amin’ireo namany na havany na fianakaviany mantsy ireny tandafy ireny hoe miadana loatra any Frantsa any, avo dia avo ny fari-piainany any Frantsa any, mihinan-kanina matsiro lava izao any Frantsa any ka mba mila zavatra matsatsotsatso, sns. Fantatra tsara izao anefa ny fahorian’izy ireo any an-dafy any: zara raha mahita sandwich kely iray sy coca-cola iray isaka ny antoandro; ohatra ny mahita volamena raha mba mihinana hena sy misotro izany champagne izany. Saingy izao, mody io ro matsatso io no sotroiny sy hankafiziny mafy isaka ny mandeha fanasana. Dia faly ery ny mpanasa mahita ity havana na namana na iraitampo misandoka ho tia sy mankafy ro matsatso. Lol!

25/06/2013

KOF'ROC

Afaka 24 ora dia higadona ny datin’ny 26 jona, andro fankalazana ny fahazoana ny Fahaleovantena, rehefa niady nandritra ny 13 taona (taorian’ny tolom-bahoaka 1947) ireo tia tanindrazana tamin’izany fotoana. Lafrantsa, Lafrantsa mpanjanatany sy ny forongony no fahavalon’ny tolom-bahoaka tamin’izany. Mbola saribakolin’i Lafrantsa daholo nefa izay rehetra tonga teo amin’ny fitondrana, hatramin’ny taona 2002. Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana irery angamba no azo ambara fa filoham-pirenena sahy niatrika izany fanjakazakan’i Lafrantsa izany. Fito taona ihany anefa no fe-potoana nijanona teo amin’ny fitondrana dia nianjera.

27/06/2013

KOF'ROC

Nangidy ho an’ny champion Andry Rajoelina mihitsy iny matso teny Mahamasina omaly iny. Tsy nisy tonga namaly ny fanasana ireo masoivoho vahiny; tsy nanatrika izany koa ireo filoham-piangonana, eny hatramin’ny Mgr Odon Razanakolona. Tena champion marina tokoa ity filohan’ny HAT ity raha iny matso tetsy Mahamasina iny no dinihana. Izy tokoa mantsy no filoham-panjakana voalohany, hatramin’izay 53 taona nahazoana ny Fahaleovantena izay, nitarika matso teny Mahamasina tsy notronon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny filoham-piangonana efatra. Dia mbola inona ihany no hiziriziriana eo amin’io seza io e? Tsy mahay maka lesona tamin’ny lasa mihitsy ve ireto mpanao politika eto amintsika ireto e? Adinon’ity champion ity fa nahafeno an’i Mahamasina ange ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny TIM ny taona 2009 ary nihevitra ny tenany fa tena mbola eken’ny vahoaka; kinanjo indrisy fa sôsisy!

28/06/2013

KOF'ROC

Hanamafy ny sazy ho an’ireo kandidà telo indray hono ny SADC sy ny Vondrona Afrikana mba hanerena ny fialan’izy ireo tsy ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Fanafoanana ny fahazoan-dalana mivoaka any ivelany no fepetra noraisin’ny GIC voalohany. Tsy nampihontsona ny champion Andry Rajoelina anefa izany ary noporofoiny mihitsy nandritra ny matso teny Mahamasina ny 26 jona lasa teo. Ny vady aman-janany tsy afaka manao vakansy any Frantsa no mampalahelo far aha izy tenany tsy holaitran’ny balan’ny fananarana akory.

29/06/2013

KOF'ROC

Manomboka miseho ny tena marina mikasika ity raharam-pifidianana ity. Araka ny fantatra dia nanamafy ny loharanom-baovao iray avy ao anivon’ny ministeran’ny Atitany fa mbola tsy misy fiovana hatramin’izao ny datin’ny fifidianana solombavam-bahoaka nokasaina hatao eto Madagasikara. Izany hoe mbola ny datin’ny 25 septambra, hatramin’izao, no hanatanterahana ny fifidianana solombavam-bahoaka. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy misy voakasiky ny fanemorana izay efa nambaran’ny CENI-T, hatreto, afa-tsy ny fifidianana filoham-pirenena ihany.

02/07/2013

KOF'ROC

Vao nahita an’i Jean Marc Koumba niantoka ny fiambenana ny kandidà Lalao Ravalomanana ry jeneraly be isany dia raiki-tahotra avokoa ka nampiantso ity mpahay haiady ity hampihorohoroana teny amin’ny section de recherche Fiadanana. Maro amin’ireo manamboninahitra mitàna andraikitra amin’izao fotoana izao mantsy no nahita raharaha teny amin’ny kianjan’ny 13 may ny taona 2002, nandritra ny hetsi-haboaka nandrodana ny fitondran’ny amiraly Didier Ratsiraka. Mampanofy ratsy azy ireo ny fahitàna an’i Jean Marc Koumba ka izany no anton’ireny fampihorohoroana omaly ireny. Hay « rain’Itetaka » daholo ireto manamboninahitra mpanongam-panjakana ireto rehefa dinihina. Mbola aiza izany rehefa ny vahoaka no mijoro eo anoloanareo!

03/07/2013

KOF'ROC

Toa hoe manaiky ny vahaolana naroson’ny FFKM ny Champion Andry Rajoelina, izany hoe manaiky ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary ny famoahana ireo gadra politika am-polony maro nandritra izay efatra taona izay. Tsy efa nambaran’ny Kof’Roc teto fa manaiky izay rehetra tenenina aminy i Champion raha vao ny fananany no voatohintohina ! Tany amin’ny haingom-batony mihitsy no nokitihan’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena farany teo, dia ny figiazana ny fananany rehetra any ivelany. Tsy fantatry Champion intsony ny fisian’i Naivo Raholdina sy Augustin Andriamananoro ary Annick Rajaona raha vao io fananany nikelezany aina nandritra izay efatra taona izay no mitady hovoakitikitika. Ny fananany ihany no ady eo!

04/07/2013

KOF'ROC

Manafana motera hiatrehana ny fanonganana an’ny Champion eo amin’ny fitondrana ireo mpikambana ao amin’ny Filan-kevitry ny Tetezamita, mivondrona ao anatin’ny « cellule de crise », tarihin’ny filohan’izany vondrona izany, Ranjivason Jean Théodore. Vroom ! Vroom ! Izay no hiaka nanentanana ireo olona tonga nanatrika ny fihaonana voalohany tetsy amin’ny Trois Frères Andrefanambohijanahary.

05/07/2013

KOF'ROC

Mihanaka sy mahazo laka tsikelikely ny hetsi-panoherana izao fitondrana tarihin’ny Champion izao, toa efa mamofompofona ny tongolon’Ejipta izany mihitsy raha ny fahitana azy. Niseho vahoaka indray koa mantsy izao ny cellule de crise eo anivon’ny mpiasam-panjakana rehefa avy nanao ny azy ny an’ny mpanao politika avy ao amin’ny Filan-kevitra Ambonin’ny Tetezamita sy ny SEMPAMA ny alarobia teo. Nidehaka izay tsy izy tokoa ny Champion ny taona 2011 rehefa nidina an-dalambe nanohitra ny fitondrana Moubarak ny vahoaka Ejipsiana. Nanaraka ny diany mantsy hono ry zareo Ejipsiana.

06/07/2013

KOF'ROC

Matahotra ny ainy sy ny fianakaviany indray hono ry reto ireo manamboninahitra jeneraly dia izany hono no mahatonga azy ireo hisakana hatramin’ny farany ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo filoha efadahy, indrindra ny fampodiana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Odriiiy ! F’angah nanao ratsy re olona sa henjehan’ny eritreritra ? Izay izany ilay tonga amin’ny hiran’i Red Metal hoe : « casque fotsiny io e ! Fa ny ao anatiny paok’aty ! ». Tsotra fotsiny ny fahitan’ny vahoaka ny fihetsik’izy ireo: tsy miraharaha ny fahoriam-bahoaka ireto manamboninahitra mpanongam-panjakana ireto sady tsy mila fampihavanana.

08/07/2013

KOF'ROC

Mihevitra ny vahoaka ho adala sy dondrona mihitsy ireto manamboninahitra eo anivon’ny Foloalindahy ireto. Aiza no hisy exercice tampoka eny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato, mifanojo amin’ny ora sy fotoana voalaza fa mety hatongavan’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana. Maninona raha notsorina fotsiny hoe manohy ny fampihorohoroana mahazatra anay izahay dia vita resaka. Izay fomba fihevitra sy fihetsika manasokajy ny vahoaka ho vendrana izay mihitsy anefa no tena zakan’ny olona amin’ity fitondran’ny Champion ity.

09/07/2013

KOF'ROC

Tsy isalasalana intsony ny milaza fa iray amin’ireo ministera tena anjakan’ny tsy fanarahan-dàlana ampahibe-maso tanteraka ity ministeran’ny Serasera ity. Iza tokoa moa amin’izao fotoana izao no tsy mahita fa mirongatra izay tsy izy ny fananganana radio na televiziona any amin’ny faritra. Torak’izany ny eto Antananarivo, izany hoe eo ambany saokan’ny ministera mihitsy. Tranga izay mampametram-panontaniana ny maro tokoa satria raha araka ny tokony ho izy dia mihantona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fanomezan-dàlana hanokatra radio na televiziona eto amin’ny tanin’ny Malagasy.

10/07/2013

KOF'ROC

Tsy izay tsy mandrahona ny handrodana ity fitondrana HAT ity tato anatin’ny volana maromaro izao : HMF, Cellule de crise eo anivon’ny CST sy ny mpiasam-panjakana. Toraka izany koa ireo grevy etsy sy eroa raha tsy hilaza afatsy ny mpiasan’ny Ladoany sy ny IGE. Raha ny lahateny sy ny kabary aloha dia tena raitra ary sahala amin’ny hanao zavatra mihitsy. Rehefa dinihana anefa toa karazan’ny vovon’alika ihany izany rehetra izany, tsy hery fa tahotra. Ratsiratsy kokoa noho izany aza ny ahiahin’ny mpitazana ary misy mihitsy ireo milaza fa ny mpitondra HAT ihany no ao ambadik’izy ireny.

11/07/2013

KOF'ROC

Ampamwak ny taona 1991, ampamwak ny taona 2002, ampamwak ny taona 2009, ampamwak, ampamwak, ampamwak… ! Mora rebirebena marina isika Malagasy ireto rehefa dinihana. Aiza izao izay ampamwak teo? Ny tompon’ny ampamwak indray aza ity no mety hataon’ny sasany ampamwak raha izao no mitohy. Vola avy taiza tampotampoka teo no nahafahana nanatanteraka ireny fihaonambe, nanafarana olona an’arivony manerana ny Faritany enina ireny? Nametra-panontaniana momba izany avokoa ny ankamaroan’ny olom-pirenena; vola avy aiza loatra no ampiasain’ireo mpanao politika eo anatrehan’izao fahatran’ny vahoaka sy ny firenena izao.

12/07/2013

KOF'ROC

Mandrahona hidina an-dalambe daholo izao ireo hery velona rehetra manomboka amin’ny mpiasam-panjakana hatramin’ny antoko politika. Leo sy tofoka amin’izao fikatsoan’ny raharaham-pirenena izao ny olona noho ny fizirizirian’ireo mpanao politika tsy misaina ny fahoriam-bahoaka. Mivoaka tsikelikely ihany koa, etsy an-danin’izany, ireo raharaha maloto mahakasika fanodinkodinam-bolam-bahoaka nataon’ireo mpitondra HAT mpiara-dia amin’i Champion. Ry zareo avy ao amin’ny IGE no nitarika izany ampamwak izany tamin’ny fanambarana ny fisian’ny vola 150 miliara fmg nangalarin’ny mpitondra fanjakana. Tsy maintsy hidina an-dalambe ny vahoaka, na ireo ambasadaoro vahiny aza efa resy lahatra ny tsy maintsy hatongavan’izany fidinana an-dalambe izany ary tsy ho ela.

13/07/2013

KOF'ROC

O ry vahoaka a ! Mbola mino izany SADC sy GIC-M izany ve isika fa hahita vahaolana amin’izao krizy izao? Efa-taona izao no nivezivezen-dry Simao, Salamao, Chissano, bonbon coco teto an-tanindrazana. Aiza izay vahaolana eo! Mazava ho azy fa tsy hankasitraka ny FFKM izy ireo ary hanao izay tsy hahombiazan’ny tari-dalan’ny FFKM, ho fitsinjovany ny voninahiny eo anatrehan’izao tontolo izao. Mba ahoana tokoa moa no fijerin’izao tontolo izao ny SADC rahatoa ka ny FFKM no mahavita mamaha ny olana? Ny voninahiny irery ihany no maha maika ny SADC, tsy mampaninona azy ireo mihitsy na hiitatra roapolo taona aza ny krizy.

15/07/2013

KOF'ROC

Nomena 15 andro handraisany fanapahan-kevitra hialan-dRajoelina Andry, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka tsy ho isan’ireo kandidà filoham-pirenena indray ny GIC-M, raha tsy izany hono hampiharin’izy ireo amin’izay ireo sazy nanaovana pub nandritra ny iray volana. Dia hoy izy telo niara-niredona hoe : misy mihaino !

16/07/2013

KOF'ROC

Nahatohina Malagasy maro ny kabarin’ny ambasadaoron’i Lafrantsa, nandritra ny fanamarihana ny tsingerin-taonan’ny fahaleovantena Frantsay ny faha-14 jolay lasa teo. Miendrika fanambaniana ny Malagasy mihitsy ho an’ny sasany ary maro rieo nandefa mail teto amin’ny La Nation, kanefa noho ny fepetra tsy maintsy tandrovina amin’ny asan-gazety dia ialana tsiny amin’ireo mpiray tanindrazana raha tsy afaka namoaka izany.

17/07/2013

KOF'ROC

Namoaka ny fehin-keviny ny SADC ka nanome didy fito ho an’ny filohan’ny HAT sy ny fanjakana Malagasy ka ireto telo ireto no mitoetra : Famoahan’ny filohan’ny HAT lalàna ahafahan’ireo kandidà misintaka an-tsitrapo, Fanavaozana ny CES ary ny Fialan’ny filohan’ny HAT tsy ho kandidà.

18/07/2013

KOF'ROC

Rebireben’ny GIC-M sy ny SADC amin’izao didy fito sy izao sazy tsy hisy izao isika Malagasy dia manadino fa mitohy ange ny Tetezamita e! Mitohy ny fihinanana ary samy mihinana daholo ny ankolafy efatra ary ireo mpanao politika mpiara-dia aminy avy. Izao ve dia mba rariny, roa volana be izao no lany mikasika ny fialan’ireo kandidà telo dia mbola nampiana 15 andro indray. Efa nitohy roa volana sy tapany sahady izany ny Tetezamita. Mandeha indray koa ny feo amin’ny mety hanoloana ny praiminisitra Omer Beriziky izay hiteraka adihevitra sy savorovoro politika. Tombon’andro ho an’ny mpitondra avokoa izany rehetra izany, mitohy ny Tetezamita!

19/07/2013

KOF'ROC

Nampitodika ny vahoaka Malagasy mpanara-baovao ho any Afrika Atsimo ny andro omaly. Tsy noho ity firenena ity manohy ny fampiantranoana ireo sesin-tany politika avy aty Madagasikara, ka isan’izany ny filoham-pirenena teo aloha akory, fa noho ny fanamarihana ny andro natokana ho an’ny filoha Afrikanina Tatsimo teo aloha Nelson Mandela, izay nanamarika ihany koa ny tsingerin-taona faha 95 nahaterahany omaly.

20/07/2013

KOF'ROC

Izay hidabohan’ny loha eo am-pandriana no ela dia renoky ny torimaso tsy mahare izay ambonin’ny tany ny ankamaroan’ny Malagasy, trotraky ny fitadiavana sy ny rotoroton’ny fiainana. Vitsy dia vitsy ireo mbola afaka midio mialohan’ny hatoriana, indrindra amin’izao ririnina izao. Samy reraka sy torovana daholo koa ka tsy misy mahare izay fofon-tongotra sy fofon-javatra hafa any. Ny kidoro sy ny lamba no misolo vaika ny savony sy ny rano, tandremana tsara fotsiny tsy hifamadika ny ambony sy ambany rehefa mirakotra ny ampitso raha tsy izany mitohoka eo amin’ny orona ny takaitra navelan’ny omaly.

22/07/2013

KOF'ROC

Izay mamafy rivotra tokoa hono hijinja tadio ! Noporofoin’ny tantaram-pirenena ny fahamarinan’izany filôzôfia izany raha ny teto Madagasikara no asian-teny. Nalaza teto Antananarivo izany hoe “hazalambo” izany ny taona 2002. Ireo mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no nanetsika ny vahoaka hanao hazalambo ireo mpomba ny amiraly Didier Ratsiraka. Nahomby tokoa ny paika satria dia voaroba sy lasa lavenona tao anatin’ny indray mipi-maso ny fananan’ireo mpiara-dia tamin’ny filohan’ny revolisiona sosialista. Maro ireo lasibatra tamin’izany toa ny trano fonenan’i Tsaranazy, José Kely, Gerard Andriamilemirovason ary ny an’ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha, Guy Willy Razanamasy. Nomena vahana nandritra izany koa ny Zanadambo ary hatramin’izao tsy nisy fanenjehana ireo rezervista tao anatin’izany Zanadambo izany na dia niaraha-nahalala aza ny fandrobana, famonoana, herisetra tamin’ny endriny maro nataon’izy ireo satria…Mpandresy.

23/07/2013

KOF'ROC

Niainga ho any Tanzania omaly ny filohan’ny HAT, hidinika amin’ireo filoham-pirenena afrikana mahakasika ny krizy. Tsy miady amin’ny piesiny hono mantsy ireto GIC ireto, nambarany mihitsy aza fa tsy mira lenta amin’ny voninahiny ka izany indrindra no anton’izao diany any Tanzania izao amin’izay mba samy filoha no miresaka. Saingy izao, ianao no manaiky ary tsy afaka mandà fa filoham-pirenena ireo hitafa aminao, ry zareo kosa ve aloha mandray sy manaiky anao ho filoha ? Ndrao tsy miady amin’ny piesin’izy ireo koa ny mitafa amina mpanongam-panjakana satria mety tsy hanaiky mora foana izao fanambaniana amin’ny fomba mihaja nataonao tamin’ny GIC izao koa ny Troïka.

24/07/2013

KOF'ROC

Misy manan-tsaina leiroa eto amin’ity Madagasikara ity saingy manan-tsaina amin’ny ratsy no mampalahelo aminy. Raha mba nampiasaina amin’ny fampandrosoana ny firenena anefa izany faharanitan-tsaina ananan’ny sasany izany tsy ho toa izao velively ny fiainam-bahoaka, tsy ho gisitra amin’ny fahantrana ny firenena.

25/07/2013

KOF'ROC

Misy andian’olona hirongo basy mahery vaika sy ‘krimôzena ary manao fanamiana miaramila indray hono amin’ny sabotsy araka ny nambaran’ny EMMO. Ha!ha!ha!ha!ha!ha! Manapa-tsinay leiroa ireto mpitandro filaminana eto amintsika ireto a! Tsy mahita “sujet” handrebirebena saim-bahoaka dia izao “film” efa nandeha izao hatrany no haverina isaka ny mihetsika. Aiza moa no tsy hikiakiaka hatramin’ny zaza raha vao mahita azy ireo amin’ny fahitalavitra: Mama! Io indray ilay rangahy!

26/07/2013

KOF'ROC

Dingana kely sisa no ataon’ny mpitandro filaminana eto amintsika amin’ity fanelezana tsaho ity dia hilaza amin’ny alalan’ny valan-dresaka an-gazety izy ireo fa hisy OVNI (Objet Volant Non Identifié) mpitondra irony « extra-terrestre » irony koa hanampy ireo mpanao fihetsiketsehana amin’ny sabotsy ary mety mbola ho avy hatramin’ireo dinôzôro avy any amin’ny Jurassic Park. Hisy tank hivoaka koa avy any an-dranomasina, ho lasa mainty be tampoka ny lokon’ny lanitra, hihovotrovotra ny tany, sns.

27/07/2013

KOF'ROC

Dia misy an’izany kapiteny sa lietna sa polisy teo aloha izany, voasambotry ny mpitandro filaminana, tafiditra amin’ny asa fanakorontanana nodradradradrain’ny EMMO indray mantsy hono raha ny tsaho re. Ialàna tsiny ry mpamaky hajaina fa lasa tsaho mantsy izao no iainana eto amin’ity firenena ity. Hitanareo ! Tsy maintsy mahita olona hosamborina hanamarinany ny zavatra nambarany ny mpitandro filaminana. Ho avy indray izao ny valan-dresaka an-gazety ary hilaza tsotra izao ireo mpitandro filaminana fa niaiky ny heloka vitany sy nokasainy hatao izany olona voasambotra any izany. Dia izay, mijanona eo, vita ny kôzy!

29/07/2013

KOF'ROC

Hono hoy aho ramose, mba notaritaritinareo sahala amin’ny kisoa ihany koa ve izany kapiteny sy kaomisera nosamborinareo izany ? Dia mba iza hono no naniraka azy ireo hanao ilay “sabotsy mainty”: Alain Andriamiseza ve sa Joseph Yoland sa ny profesora Paul Rajaonarivelo sa Rasolo René? Ireo mantsy no anisan’ny mpitarika ilay hetsika nokasaina natao tamin’ny sabotsy lasa teo, ho fanohanana ny tari-dalan’ny FFKM ka lazao mba lazao, iza tamin’ireo olona ireo no nikotrika ny « sabotsy mainty ». Ho anay dondrodondrona itony mantsy toa miampanga an-kolaka ireo mpitarika ireo ny fanambarana nataonareo nandritra ilay valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety koa azafady indrindra raha mamerina etoana ny fiangaviana hoe : lazao mba lazao !

30/07/2013

KOF'ROC

O ry CIRGN a! Fa vendrana sahala amin’ny inona loatra no fiheveranareo ireto vahoaka Malagasy ireto, no dia kapiteny iray sy kaomisera iray no entinareo hanaporofoana ny tsaho sy ny fampihorohoroana nataonareo! Olona roa, amin’izay indray tsy am-perinasa araka ny nambaranareo ihany ve hahavita “sabotsy mainty” tahaka ny “alatsinainy mainty” notarihan’ny mpanjakanareo ny faha-26 janoary 2009 e! Henonareo ve izany sa mbola variana manao arôzazin’iny fika nôfa nampitaintaina vahoaka iny ianareo e? Vokiso tsaho foana ny vahoaka fa mbola ho avy ny fotoana tsy hampandaitra izany intsony dia ho hitanareo ny vokany.

31/07/2013

KOF'ROC

Dia nisy namaky izao hono ny birao iray ao amin’ny ministeran’ny Filaminana Anatiny tamin’iny faran’ny herinandro iny ka very nandritra izany ny solosaina mirakitra zavatra maro mahakasika ny fiainan’ny Pôlisim-pirenena. Koa rehefa ny ao anatin’ny trano heverina hiantoka ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany no efa vaky sy lasibatry ny asa ratrsy, filaminana sy fandriampahalemana inona intsony no antenaina eto ramose a ! Ianareo mpitandrofilaminana ihany koa ange no namorona sy nirary izany « sabotsy mainty » izany ka aiza moa tsy hanody anareo ilay zavatra. Variana nandany lasantsy sy gasoil nanerana ny renivohitra, hanamarinana ny tsaho naely tamin’ny vahoaka ka tsy nahita izay nitranga teo ambany maso.

01/08/2013

KOF'ROC

Tsy nahinan-kanina maraina ny ankamaron’ireo manamboninahitra sy ny mpanao politika mpiara-dia amin’i Champion omaly raha nandre ny vaovao mikasika ny fahazoan’ireo manamboninahitra jeneraly sy kolonely voarohirohy tamin’ireny raharaha 7 febroary, FIGN, BANI Ivato ireny famotsoran-keloka na « amnistie ». Nojerem-potsiny tahaka tany nahalavoana ny jus naturel, œuf sur le plat, tartine, beurre, croissant sy pain aux raisins, ny nesquik, fromage, sns. Ndrao dia heverin’ialahy fa varisoa be rano sy voanjo sahala amin’ny any an-tranon’ialahy aza aloha ny sakafo marain’ireo mpitondra ireo e!

02/08/2013

KOF'ROC

Dia ohatra hoe fitondrana mandàla ny fitoniana sy vonona ny hampihavana izany ireny no fijery ity HAT an’i Champion ity, taorian’ireny lisitra miaramila sy zandary nahazo amnistie ireny. Fika masiso handrebirebena saim-bahoaka sy tetika hilàna dera amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena fotsiny ihany anefa izany. Iza no sahy hifanamby fa tsy ho tafavoaka ny fonja izany akory ireo manamboninahitra tena hatahoran’ny HAT toa an-dry kolonely Raymond Andrianjafy sy ny jeneraly Raoelina ! Dia naninona no tsy nomena amnistie, rehefa nanome ihany, ny kolonely Charles sy Coutiti Assolant satria ve …Insolent?

03/08/2013

KOF'ROC

Maro ireo ray aman-dreny no manontany tena amin’ny ho avin’ny zanany sy izay mba lova hapetraka amin’ireo taranaka raha sanatria ka tonga tampoka, izay tsy mampilaza rahateo, rafahafatesana. Tsy tany iray dia, tsy biriky tokana mijoro, tsy petra-bola any amin’ny banky, tsy volamena anaty vata. “Dia mba inona tokoa no holovain’ireto ankizy raha sanatria ka maty tampoka amin’izao?”. Trosa! Trosan-tsaribao, trosam-bary, trosan-toaka, sns. Herinandro aorian’ny fandevenana ihany ny famindram-po homen’ny tompon-trosa dia higadona eo am-baravarana hitaky ny volany.

05/08/2013

KOF'ROC

Famolavolana manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fandraharahana, ny ekonomia, ny fitantanan-draharaha avo lenta no ahafantaran’ny maro ireo oniversite any ivelany. Fanofanana mpianatra ho lasa mpitokona sy mersenera politika kosa no mampalaza ny oniversite eto Madagasikara. Hafa noho izany rehetra izany kosa ny an’ny SADC. Sady tsy manam-pahaizana no tsy mersenera politika no volavolain’ity SADC ity fa dadarabe mpaminany avo lenta, dia ingahy Chissano.

06/08/2013

KOF'ROC

Efa lasa lavitra ny demôkrasia any ivelany raha tsy hiresaka afatsy ny ao Frantsa fotsiny ihany. Iza eto ambony tany ohatra no tsy mahafantatra ny raharaha Cahuzac sy Bernard Tapie, tsy horesahana intsony ny raharaha DSK, ny famatsiam-bola avy tamin’ny filoha libiana teo aloha Kadhafi, nandritra ny fampielezan-kevitry ny filoha frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy, sns. Tsy vitan’ny hoe malalaka ny fahafahan’ny mpanao gazety mamoaka ireny raharaha rehetra ireny fa malalaka ihany koa ny fakàna vaovao eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana sy ny Fitsarana.

07/08/2013

KOF'ROC

Lany henatra tsy manana izany antsoina hoe « sens de l’honneur » izany intsony ve ity EMMO sy Zandarimaria ity e ? Tsy mba menatra ve ireny zandary mirongo kalachnikov miambina tranombarotra mpanan-karena ireny, eo anatrehan’izao asan-jiolahy manjo ny vahoaka izao? Aiza ve ka zandary efa ho dimy sa enina no indray miambina tranombarotra iray etsy Antanimena kanefa ny tantsaha any ambanivohitra ataon-dRemenabila sy ny forongony miteny irery mihitsy. Omeo ilay « formule » mba ahazoan’ny tsirairay zandary milanja basy eo anilany amin’izay halehany rehetra. Mba samy te hilamin-tsaina avokoa ange ry CIRGN ny olom-pirenena e!

08/08/2013

KOF'ROC

Tsy misy olom-boafidy intsony eto Madagasikara manomboka any amin’ny Filoham-pokontany, Ben’ny tanàna, Depiote, ny Filoha mazava ho azy. Mpisandoka ny fahefan’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana ary ny Tondrozotra tsy nierana tamin’ny vahoaka avokoa no mitondra ny Tany sy ny Fanjakana. Ilay Foloalindahy noheverina hatrizay fa tandroka aron’ny vozona, « le dernier rempart », efa savolainan’ny fitiavam-bola sy fitiavam-pahefana, tsy azo hianteherana intsony ary mety ho mandrakizay.

09/08/2013

KOF'ROC

Niroso tamin’ny greviny ireo mpiambina fonja na dia teo aza ny ramatahora isan-karazany avy amin’ny ministry ny Fitsarana sy ny Zandarimariam-pirenena. Sady tsy nisy gadra nivoaka no tsy nisy gadra niditra tany am-ponja omaly tontolo andro noho izany. Dia hanao inona amin’izay hono ny Zandarimariam-pirenena, hikopaka sa hamely fantsy ? Toa tsy nahomba mantsy hatreto ilay fampihorohoroana mivantana natao tamin’ireo mpiandry fonja, navantana tany amin’ny Praiminisitra, mitaky ny hanesorana ireo basy sy ny fanamiana eny amin’ireo fonja ary koa ny fisakanana azy ireo tsy handray anjara intsony amin’ny matson’ny 26 jona eny Mahamasina.

10/08/2013

KOF'ROC

Mandeha tokoa ny feo ankehitriny fa misy miketrika ny hi-privatize ny orinasa Jirama hono ka natao mihitsy izay naha bokan-trosa ity orinasam-panjakana ity hatongavana amin’izany tanjona izany. Ka inona moa no olana amin’izany e ? Tsy efa privatize daholo koa ve moa ny zavatra eto amin’ny firenena ? Ny Foloalindahy sy ny EMMO efa privatize, tsy miasa raha tsy hiaro ny sezan’i Champion. Ny kianjan’ny Maki sy ny kianjan’Antsonjombe efa privatize, tsy misy mahazo manao zavatra ao raha tsy mahazo alalana avy amin’i Champion.

12/08/2013

KOF'ROC

Tsy tompon’ny tenany ny ankamaroan’ny olona mivezivezy eny amin’ny arabe amin’izao fotoana. Ny sasany raha tsy efa mampaneno « klaxon » ny fiara na ny moto vao mahatsiaro tena fa eny am-povoan’ny arabe. Ny hafa indray tsy mahare na inona na inona mihitsy ary misy kosa ireo izay tsy te-ahalala tsotra izao.

13/08/2013

KOF'ROC

Tafapetraka ny fitsarana manokana hisahana ny fifidianana. Mpikambana vaovao no handrafitra ity fitsarana ity, raha raharaha mitovy ny any teo aloha ihany no hiandraiketany. Handidy mahakasika ny fahazoana kandidà iray hilatsaka na tsia amin’ny fifidianana io fitsarana io ato ho ato, izay voasolon-tena ao avokoa ireo mpanao politika nanao sonia ny tondrozotra. Raha ny fiheveran’ny vondrona iraisam-pirenena dia ny hanàla ireo anarana tsy mahafaly azy ireo ho mpifaninana filoham-pirenena no tadiavin’ireo firenena vahiny amin’io fitsarana manokana io.

14/08/2013

KOF'ROC

Andrasan’ny maro izay mety ho fanapahan-kevitr’ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana. Hanilika sa tsia ireo anarana takian’ny vondrona iraisam-pirenena tsy ho mpifanina intsony amin’ny fifidianana filoham-pirenena ve ireo mpitsara vaovao vao nanao fianihanana. Mbola sarotra ny fandidiana.

16/08/2013

KOF'ROC

Resabe nandritra ity herinandro madiva hifarana ity indray ny fahitana ireo grenady miisa telo teo ireny. Misy mahita hevitra hamiliviliana ny saim-bahoaka amin’ny alalan’ny fampihorohoroana tsy hifantoka amin’ny zava-misy marina iainany mihitsy eto amin’ity firenena ity. Miseho amin’ny endriny maro izany fampihorohoroana izany tahaka ireny « sabotsy mainty » nentin’ny EMMO nandravana ny hetsi-bahoaka notarihan’ny MMFF.

17/08/2013

KOF'ROC

Nanapa-tsinay ny nahita ny taratasin’ny CSC. Ilay kandidà mpanongam-panjakana mody miady an-trano amin’ny fitondrana FAT indray no tsy tao anatin’ny lisitry ny olona nanaovan’ny CSC fangatahana fanesorana tsy ho isan’ny mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Fanamarinam-ponenana efa lany daty tokoa angamba no nentin’ny CSC nandrafetana ny taratasy ka nilazany fa tsy nonina teto Madagasikara araka ny fe-potoana takian’ny lalàna ny kandidàn’ny MIAMI, Fleury Rakotomalala.

19/08/2013

KOF'ROC

Maninona moa raha tonga dia hotsorina ity resaka ity hoe terena hifidy ny iray amin’i Roland Ratsiraka, Hajo Andrianainarivelo ary Camille Vital ho filoham-pirenena ny Malagasy ! Efa tapitra voahilika avokoa mantsy ireo kandidà nanelingelina azy ireo amin’izany nofinofin’izy ireo izany. Mety tsy ho 10% intsony, ohatra fotsiny, ny vato ho azon’i Roland Ratsiraka, indrindra amin’izao fiarahany amin’i Tovonanahary Rabetsitonta izao fa mba mety ho tafakatra 10,2%. Aleo hazava tsara anefa ny momba io 10,2% io. Tsy ny 10,2%-n’ny mpifidy voasoratra anarana amin’izao fotoana akory fa ny 10,2%-n’izay sisa ho avy handatsa-bato, taorian’ny fanesorana ireo kandidà nahilikyny CES araka ny fangatahan’ny CSC.

20/08/2013

KOF'ROC

Mibitaka mihitsy angamba ny filohan’ny FAT tamin’iny fanapahan-kevitry ny CES farany teo iny. Voalohany, tsy ho isan’ireo hiharan’ny sazy tampoka teo ny tenany, tsy hogiazan’ny Firenena Mikambana indray ireo fananany any ivelany ary mahazo mivezivezy any Eoropa sy Frantsa amin’izay ny tenany sy ny fianakaviany. Tombotsoa maro no azon’i Champion taorian’iny zava-nitranga tamin’ny sabotsy hariva iny fa ny tena lehibe indrindra amin’izany dia noho izy tsy hotratran’ny fitsaram-bahoaka.

21/08/2013

KOF'ROC

Iza amintsika no sahy milaza fa tsy mahita tombotsoa amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao avokoa ireo ankolafy efatra avy amin’i Andry Rajoelina, Zafy Albert, Didier Ratsiraka ary Marc Ravalomanana ? Misôsy daholo ireo rehetra ireo fa isika vahoaka no matin’ny hanohanana sy ny fahantrana eto. Tsy ireo ankolafy efatra ihany no mahita maminy amin’izao Tetezamita tsy misy farany izao fa ireo mpanao politika rehetra mpiara-dia na mpanohitra ny fitondrana (MTS, UDR-C, AREMA, Leader Fanilo, TIM, Les AS, sns), saingy manao vazaha mody miady fotsiny.

22/08/2013

KOF'ROC

Tapitra voahilika avokoa ireo izay mety hanelingelina ny kandidàn’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Mila saribakoly voridamba hiantoka ny tombotsoany tokoa mantsy izy ireo ka nitady ny fomba rehetra hanilihana izay hita fa tsy hanaiky ho marionety. Amina miliara maro no lanin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena tao anatin’izay efatra taona izay, nanomanana izao « fahombiazana » izao.

23/08/2013

KOF'ROC

Samy manana ny anjarany marina ny olombelona. Ny maniry tsy mahazo; ny nekena kosa latsa-panenenana. Azo antoka mihitsy fa maromaro amin’ireo kandidà nankatoavin’ny CES ireo no naniry ho isan’ireo kandidà voahilika. Mahafantatra ny lanjany avokoa ange ireo kandidà ireo e! Tsy vitsy amin’izy ireo no mahalala tsara fa tsy hahazo isan-jato mihoatra ny roa (2%). Fomba nentina nankalazana tena fotsiny daholo ihany ireny filatsahan-kofidiana ireny fa tsy misy eritreritra ny ho lany izany. Tsy mitombona ihany koa ny filazana hoe paika sy tetika entina hizarana vato. Ataon’iza inona koa izay 0,2% sahala amin’ny vaton’i Grad Iloafo! Fihetsiketsehana politika rano fotsiny ireny saingy izao vao latsa-panenenana satria tsy azo haverina intsony ilay 250 millions.

24/08/2013

KOF'ROC

Voaporofo nandritra iny fanapahan-kevitra navoakan’ny CES iny, indrindra ho an’ny kandidà Fleury Rakotomalala sy Roseline Emma Rasolovoahangy fa tsy misy ilàna azy ary tsy manana ny hasiny eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ireny filoham-pokontany ireny.

04/09/2013

KOF'ROC

Dia ireny navoakan’ny CENI-T ireny indray ny daty hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena taorian’ny fanilihan’ny CES ireo kandidà mpanelingelina. Io no daty fahatelo navoakan’ny CENI-T. Famindram-po farany ho an’ity komity misahana ny fifidianana ity sy ny fitondrana FAT io datin’ny faha-25 oktobra 2013 io. Na ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena aza tsy afaka ny hilaza sy hitompo teny fantatra fa tena hisy sy hotanteraka io fifidianana filoham-pirenena io. Mahafantatra tsara izany koa ny mpitondra ary izay no antony nahatonga an’i Champion nanao ireny kabary miendrika fanesoana an-kolaka farany teo ireny.

04/09/2013

KOF'ROC

Eo am-piandrasana izay tohin’ny paikady ataon’ny ankolafy Ravalomanana, araka ireny fanambarana nataon’ny filohan’ny CT, Mamy Rakotoarivelo ireny indray izany izao ny mpanara-baovao. Azo antoka fa tsy hanova firy izao endri-javatra misy ankehitriny izao anefa izany raha ny fahitan’ny mpitazana azy. Efa leo rahateo koa ny vahoaka ka izay hirosoana any amin’ny fifidianana no maha maika ny olona. Tsy hoe mahafa-po ny mpifidy akory ireo kandidà hifaninana fa mba te haka ny anjarany amin’izay koa ny vahoaka. Hitobaka mantsy ny vola ary izay manam-bola no tsy maintsy ho lany eo.

04/09/2013

KOF'ROC

Mbola maro hatramin’izao ny tsy resy lahatra ny amin’ny mety hahatanteraka na tsia ny fifidianana izay irosoan’i Madagasikara amin’ity taona ity. Tsy ny fahafaha-manao na ny ho enti-manana amin’izany no tena ipetrahan’ny ahiahin’ny maro fa ny fahafaha-mamaha ny olana fototra eto amin’ity firenena ity. Satria hatramin’izao dia niseho endrika tamina tsangan’olona na tsangan-kevitra sy antoko ny olana eto amintsika, ka nahatonga ny maro, indrindra ireo mpanelanelana halaim-panahy hilaza fa rehefa afaka ny olana manandrify ireny olona sy rafitra ireny dia ho tafavoaka amin’ny krizy i Madagasikara.

04/09/2013

KOF'ROC

Nomarihana tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny Sainte-Famille Mahamasina ny tsingerin-taona nahafatesan’ny ministry ny Mponina teo aloha, Nadine Ramaroson. Maro ny resaka sy ny fanambarana nandeha manodidina iny raharaha mampalahelo iny ary efa nisy mihitsy ny fifampiantsoana teny anivon’ny mpitandro filaminana sy ny Fitsarana. Miandry fanazavana matotra mikasika iny raharaha Nadine Ramaroson iny ny vahoaka Malagasy, indrindra ireo sahirana ara-pivelomana nialokaloka teo ambany fiahian’ny minisitra. Fotoana tokony hamoahan’ireo CST, toa an-dry Ramasy Adolphe, René Rasolofo, Alain Ramaroson izay nanao valan-dresaka an-gazety tetsy amin’ny Colbert ny marina tamin’izay fanadihadiana nataon’izy ireo izao. Ampy kosa angamba izay « andrasoandraso » miendrika fampifilafilàna izay raha tena manana antoka amin’ny porofo eo am-pelatanany izy ireo.

05/09/2013

KOF'ROC

Rariny sy hitsiny kosa angamba raha havoaka ho hitam-bahoaka avokoa ireny volamena sy vatosoa nisy nikasa hanondrana an-tsokosoko nogiazan’ny fanjakana FAT ireny amin’izao ankatroky ny fifidianana izao. Am-polony kilao maro ny volamena sarona teny Ivato sy Mahajanga ; toraka izany koa ireo vatosoa. Aiza daholo ireny ankehitriny ary firy marina ny lanjan’ny volamena sy vatosoa nogiazana nandritra izay efatra taona izay.

05/09/2013

KOF'ROC

Vahoaka efa mandohaliky ny fahantrana noho ny nataon’ny mpitondra FAT no ndeha handatsa-bato amin’ny faha-25 oktobra 2013. Vahoaka tsy afaka ny hisafidy intsony sady tsy nomena izay fahafahana hisafidy izay rahateo no manoloana ny vata fandatsaham-bato, handidy sy hanapaka ny ho avin’i Madagasikara. Mazava ho azy fa tsy sainy na ny fanahiny na ny feon’ny fieritreretany no tompon’ny teny farany amin’izay fanapahan-keviny ao anaty trano fisainana. Izay hahazoana vola hamidy vary iray kilao no laharam-pahamehana. Vato atakalo vola! Tsy maintsy ho izay no ho fizotran’ity fifidianana teren-ko masaka toa voalobo-jazan’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena ity.

05/09/2013

KOF'ROC

Manomboka ny fizarana vola etsy sy eroa amin’ny fampielezan-kevitra. Fa angaha tokoa moa efa misokatra ara-pomba ofisialy ny propagandy ? Eny izany no valiny matoa tsy miloa-bava ny CENI-T. Dia hahavita inona eo anatrehan’izay mety ho fandikan-dalàna koa moa ny CENI-T e? Mitovitovy ihany ange Rtoa Atallah Béatrice sy Atoa Chissano ary ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena e! Samy te hiravaka ny vanginy ary samy te hilaza tena ho nahavita namaha ny krizy na dia samy mahafantatra tsara izao aza fa tsy izao fifidianana tefy maika izao no hitondra vahaolana maharitra ho an’i Madagasikara. Atao fotsiny aloha izay hisian’ny fifidianana. Izay no zava-dehibe dia ho hita eo indray ny tohiny.

06/09/2013

KOF'ROC

Main’ny afo natsangany ve sa namolaka soavaly hotaingenan’ny hafa ny ankolafy Ravalomanana ? Ny vondrona ravalomanana tokoa raha tsaroantsika tsara ny tantara tany amin’ny taona 2009-2010 tany no tena mpivavaka sy mpiantsoantso ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena sy ny SADC. Tsy sasatra nitory ny anaran’ny SADC ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny mpomba azy isaka ny miditra mivantana tetsy Ambohijatovo sy tetsy amin’ny Magro Ankorondrano. Mbola nitohy teny Behoririka izany fiankinan-doha tanteraka tamin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena izany. Noraisin’ny ankolafy Ravalomanana ho fandresena goavana mihitsy ny famoahan’ny Vondrona Afrikana ny lisitra 109. Nanao tohy vakana ny fahasoavana satria dia voarakitra mazava tsara tao amin’ny Tondrozotra, araka ny andininy faha-20 ny fodian’ny filoha teo aloha.

06/09/2013

KOF'ROC

Ny iray minitra amin’Andriamanitra hono zato taona amintsika olombelona. Tonga nangataka fihaonana tamin’Andriamanitra àry ity lehilahy iray fa misy zavatra nanahiran-tsaina azy mafy ka nilàny toro-hevitra. Mbola nandray ireo anjely mpanao tatitra aminy isa-maraina anefa Andriamanitra ka niteny tamin’ilay lehilahy hoe: “andraso iray minitra fa mbola mandray ireo anjely nampanaoviko iraka aho!”. Angano angano; arira arira!

06/09/2013

KOF'ROC

Mampalahelo ny zava-misy eto amin’ny firenena, tsy manao afatsy ny mampiady vahoaka ny mpitondra mba hampateza azy ireo eo amin’ny sezany. Mirongatra izay tsy izy ny resaka ady tany saika manerana ny Faritany enina. Vahiny na teratany karana hatrany no voaresaka ao anatin’izany (tsy sanatria akory fankahalana vahiny). Toa tsy mahita rariny mihitsy ireo vahoaka madinika izay ampangaina ho mpibodo tanin’olona na mpangalatra mihitsy aza. Izay tany tsara (malalaka, azo hanorenana avy hatrany, amoron-dalana, sns) rehetra manerana ny Faritany enina dia eo am-pelatanan’ny vahiny avokoa. Resy daholo izay mifanandrina amin’izy ireo eny amin’ny Fitsarana ary ireo izay mba mandresy kosa indray hiharan’ny didy jadona sy ny fanamparam-pahefan’ny mpitondra. Tsy mahagaga raha teraka ho azy ny “Faritra iva” na “Ambany tanàna”.

07/09/2013

KOF'ROC

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika fa tsipoapoaka mitefotefoka kely. Mahavariana fa tranombarotra na hôtely tantanana karana mizaka zom-pirenena frantsay no tena lasibatra ankotra ny “station” etsy Tsiazotafo izay mitàna ny laharana voalohany amin’ity resaka bômba ity. Inona no tian-kambara ary inona no hafatra tiana ampitaina ?

07/09/2013

KOF'ROC

Nahitsy ary tsy nitsitsy fitenenana mihitsy ny antoko Tambatra raha namaky bantsilana manoloana ny teti-dratsin’ireo vahiny manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Tsy famahana ny krizy na fanomezana vahaolana ho an’ny firenena no maha maika ireo vahiny fa ny handroba araka izay azo atao ao anatin’ny fotoana fohy ny harem-pirenena. Nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao tokoa iny fihetsika sy fahasahiana nasehon’i Pety Rakotoniaina omaly iny.

09/09/2013

KOF'ROC

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ireo jeneraly, hiantohana ny filaminana mandritra ny fifidianana. Aiza tokoa ka bômba roa be izao no indray nipoaka tato anatin’ny herinandro monja! Tsy efa manaporofo ve izany fa zava-dehibe loatra ny famoahana io vola be io sy ny fanomezana izany ho an’ireo jeneraly mba hizoran’ny fifidianana ao anatin’ny filaminana tanteraka?

11/09/2013

KOF'ROC

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa toa tsy nitsahatra nitontongana ny fari-piainan’ny Malagasy. PSD, AREMA, UNDD, TIM, TGV, sns. Izay tonga teo amin’ny fitondrana nilaza avokoa fa ny teo alohany no tompon’antoka amin’ny fahatran’ny Malagasy, ireo izay nampanantena fanovàna aza moa tsy menatra akory manambara fa tsy vao izao no nahantra ny gasy !

13/09/2013

KOF'ROC

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha teo aloha kanefa midika ihany koa fa mbola izy no deba eto amin’ny tanàna ary tsy misy sahy mikasika ny singam-bolony, eny hatramin’ny jeneraly Ravalomanana Richard izay malaza ho tsy refesi-mandidy nandritra ity fitondrana FAT ity. Noporofoin-dRatsiraka nandritra iny fandaharana tao amin’ny TV Plus iny fa mbola Izy no deba ary mimi kely daholo ny ambiny.

14/09/2013

KOF'ROC

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ihany anefa ny fahanginan’ireo kandidà sasan-tsasany. Mpanara-dalàna tokoa ve izy ireo sa efa resy mialohan’ny fotoana ka misafidy ny ho mpitazana fotsiny ihany?

17/09/2013

KOF'ROC

Nihitsoka nandritra ny ora iray ny fifamoivoizana mampitohy an’i 67 Ha sy Andohatapenaka ary ny tetezan’Ampasika noho ny afitsokyny taxi-be zotra 133 ary ireo fiarakodia madinika maro hafa. Ny antony, tsy misy mpitandro filaminana mandrindra izany fifamoivoizana izany intsony aorian’ny amin’ny fito ora hariva ka samy manao ny saim-pantany ny rehetra. Mba nisy irony fiara 4x4 an’ny EMMO SECURITE nandalo ihany saingy izay nahatafavoaka azy haingana tao anatin’ny “embouteillages” no nampiasa saina azy. Ilaina àry ve izany ny famerenana ireny jiro mandrindra ny fifamoivoizana ireny ? Mety ho vahaolana ihany izany saingy hanaja izany koa ve ny mpamily ? Hoy indrindra ny tarika Malaheo:

17/09/2013

KOF'ROC

Ny kolikoly sy ny fanamparam-pahefan’ny mpitondra no fototry ny fahantrana teto amintsika nandritra izay 53 taona nahazoana ny Fahaleovantena izay. Nitaky ny hialan’izay Filoha hatrany anefa ny tolom-bahoaka nifandimby izay nanaovan’ny Malagasy sorona ny ainy. Nianjera ny fitondrana sosialista dia tafapetraka ny fitondrana Zafy Albert. Nianjera indray izany dia tafaverina teo amin’ny fitondrana ny amiraly. Niongana fanindroany i Deba dia tafapetraka Marc Ravalomanana. Nikodia ny fitondran-dRavalomanana dia tonga tafapetraka ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina. Saingy nihamafy hatrany kosa ny fahantram-bahoaka, nihamafy ny fanamparam-pahefana, nihanitombo ny kolikoly ary saika nitàna ny laharana farany mihitsy isika nandritra izay efatra taona nisian’ny Tetezamita izay.

18/09/2013

KOF'ROC

Ny fokontany raha ny tokony ho izy no be olona milahatra manamarina ny anarany ao anatin’ny lisi-pifidianana, saingy ny “club course », ny trano filokana ary ny “bar” sy ny toeram-pivavahan’ny sekta no mahafeno io fepetra io. Midika izany fa tsy misy miraharaha izany fifidianana izany ny olona, tsy misy miraharaha izay ho avin’ny firenena intsony koa, mazava ho azy tsy miraharaha ny ho avin’ny taranany.

19/09/2013

KOF'ROC

Malaza amin’ny resaka haiteny isika Malagasy ary nampiasain’ny Ntaolo nanabeazana sy nifandraisana Fahagola izany : kabary, ankamantatra, sns. Ny fahaizan’ireo olona taloha mampiady rima no tena nampitolagaga tamin’izany ary mbola hita taratra tamin’ireo hira nosokajiana ho kalon’ny Fahiny. Niova endrika sy nivoatra hatrany anefa izany tontolon’ny haiteny izany ary tsy voatery miady rima intsony taty aoriana. Ohatra: Etsy kely ange ry ramatoa Rangory, eny am-bavam-paompy no manasa…lamba! Ohatra manaraka: Aza manody ny voky atody fa rehefa mody…mangarom-bava!

20/09/2013

KOF'ROC

Afaka efatra andro dia hisokatra ny fampielezan-kevitra manodidina ny fifidianana filoham-pirenena izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Miteraka olana ho an’ny mpifidy anefa ny hamaroan’ireo kandidà (miisa 33). Voalohany, tsy fantatra mazava ny loharanom-bolan’ireo kandidà : volam-panjakana ve sa vola hivadika ho trosan’ny Malagasy aorian’ny fifidianana ? Toa samy milaza tena ho tia tanindrazana sy manana programa handresena haingana ny fahantrana avokoa na dia maro amin’izy ireo no teo amin’ny fitondrana nandritra iray efatra taona nisian’ny Tetezamita izay kanefa vao mainka mampidi-kizo ny firenena any anaty fahantrana lalina dia lalina. Faharoa, tsy misy mahalala na mahafehy ny fampiasana ilay bileta tokana ny vahoaka ; ny CENI-T izay tomponandraikitra amin’izany toa matoritory manana aretina. Koa manoloana izany fahasahiranana rehetra izany dia inty misy torohevitra mety mahomby :

23/09/2013

KOF'ROC

Manana ny anjara toerany eny amin’ny tsenan’ny hena omby eto amintsika hatramin’izay nisian’ny tany tan-dalàna izay ny rainizavona, na ireo hena omby tsy fanta-pihaviana tsy nandalo tamin’ny ambaratonga takian’ny lalàna, manomboka tany amin’ny nividianana azy mandra-pahatongany teny ambony latabatran’ny mpivaro-kena. Mazàna irony omby mifaha matavy tsara irony ireny rainizavona ireny ary azo ambara mihitsy aza fa mamatsy betsaka tokoa ny tsenan’ny hena omby eto amintsika. Na ireo mpitandro filaminana kalaza amin’ny fanakanana taxi-brousse sy fiara mampitohy ireo lalam-pirenena aza tsy mahita ny fandalovan’ny rainizavona, araka izany anarany izany.

24/09/2013

KOF'ROC

Maro amin’ireo kandidà neken’ny CES ny filatsahan-kofidiany no latsa-panenenana tanteraka satria sady tsy ho lany no tsy haverim-bola ary mety mbola hanaraka mihitsy aza ny kely any an-tsikinana. Tsy te hitanisa ny anaran’ireo kandidà voakasik’izany eto ny tena, ny azo ambara fotsiny angaha dia ny hoe maherin’ny 20 no isan’izy ireo. Niniana navoaka teto amin’ny La Nation ny sarin’ireo kandidà 33 (La Nation nivoaka ny faha-19 septambra 2013), tsy fampahafantarana azy ireo akory no antony fa hampihomehezana ireo mpamaky. « Iza koa itony ? », « kandidà ve io ? », « mitonantonana mihitsy ! », « fa kilalaon-jaza ve ity fifidianana ity e ? », sns. Izany no fanamarihana avy any amin’ny mpamaky raha nahita ireo sary.

25/09/2013

KOF'ROC

Nipotsaka avokoa ny voamason’izay rehetra nahita ny fiaingan’ireo mpanao propagandy omaly maraina noho ny hamaroan’ireo fiara 4x4 sy mini-bus. Saika nampidera ny maha izy azy avokoa ny kandidà tsirairay avy, nampitandahatra ireo fiarakodia voaravaka sary sy bileta ary indrindra ny laharany ao anatin’ny bileta tokana. Fiarakodia re izao ! Fanina mihitsy ireo tsy manan-kialofana sy tsy manan-kohanina mirenireny an-dalambe nanao kajy an-kandrina; ny 1%-n’ny hofan’ireo fiarakodia tokoa mantsy dia efa ampy ho sakafon’izy ireo mandritra ny taona. Samy manana ny anjarany marina ny olombelona, ny harena rahateo mila vintana.

26/09/2013

KOF'ROC

Mampihomehy mihitsy rangahy ity zava-misy eto amintsika ity a ! Aiza ve ka afisy tokana fotsiny ny an’ny kandidà sasany no mba propagandiny. Raha mba olona malaza sy mamihoditra ange tsy misy olana e ! Miteny indraim-bava amin’ny radio fotsiny izy hoe: “fidio aho” dia ampy ary ho lany soamantsara. Mba manana 250 tapitrisa hatsipy eny am-baravarakely kosa ry zalahy sasany ireo. Toa maneso ny vahoaka madinika anefa ny fihetsik’ireny kandidà be fika ireny. Sahala amin’ny milaza mantsy hoe “tsy olana amiko ny very 250 tapitrisa”; izay no azo andikana izany.

27/09/2013

KOF'ROC

Hamarika ny faha-100 taona nisiany hono ny lalamby Malagasy. Dia mipetraka ny fanontaniana: amin’ny fomba ahoana no hanamarihana izany, amin’ny alalan’ny tahirin-tsary sa tahirina horonantsary sa tononkalo sa poezy …? Raha amin’ny alalan’ny fitsidihana ireo lalamby mantsy dia efa karazan’ny nofinofy ihany. Ny lalamby etsy Ankorondrano aza efa notapatapahana nanorenan��ny sasany tranombarotra, ny garan’i Soarano indray kosa lasa trano fisakafoana, sns. Mbola misy ve aloha izany lalamby izany?

30/09/2013

KOF'ROC

Miavaka amin’ny mpanao politika maneran-tany ny mpanao politika gasy. Raha fikatsahana izay mahasoa ny firenena sy ny vahoakany no laharam-pahamehana ho an’ireo mpanao politika vahiny dia izay hamenoina ny paosy sy ny tombotsoam-pianakav iana kosa ny antsika Malagasy ary saika tratran’io aretina io avokoa ny mpanao politika aty Afrika sy ny tany mahantra. Tsy mahagaga raha niha-nahantra hatrany ny Malagasy, maizina tanteraka ny ho avin’ny firenena sy ny taranany nandritra izay dimampolo taona mahery nahazoana ny Fahaleovantena izay. Politikan’ny lava no misy eto amintsika, politika natao hiarovana tombotsoan’ny olom-bitsy fotsiny ihany.

01/10/2013

KOF'ROC

“Izy ilay tia tanindrazana, izay no fanavotam-pirenena, malemy fanahy, mpitsinjo ny mpiara-belona aminy, vonona hitondra ny tena fanovàna, fanjakana tsara tantana no tarigetrany, mpandala ny demôkrasia, hanome asa ny tanora, hampiroborobo ny indostria Malagasy, hentitra amin’ny fanaraha-maso ireo harena an-kibon’ny tany, sns”. Tonga lafatra ireo kandidà 33 raha mihaino ny dokam-barotra ataon’ireo mpanohana azy mandeha amin’ireny fiara miaraka amin’ny mégaphone ireny. Saingy ny mampihomehy dia olona tsy mbola nanana andraikitra na nitantana biraom-pokontany akory ny maro amin’izy ireo.

02/10/2013

KOF'ROC

Tsy nisy afatsy famarotana no nampalaza ity fitondrana FAT-n’i Andry Rajoelina ity. Mbola teny amin’ny 13 may dia efa nambarany fa hamidy hividianana vary ny Air Force One. Nihoraka daholo koa ilay vahoaka tsy mahalala ny ampitsony, nihevitra fa izany no tena fampandrosoana ny firenena sy tena fitiavan-tanindrazana marina. Raha tsorina ny resaka dia ny vahoaka nanara-dia azy teny Ambohijatovo sy ny kianjan’ny 13 may no nanome alàlana ny filohan’ny FAT hanao “solde” ny harem-pirenena sy ny fananam-panjakana. Tompon’antoka amin’izao zava-misy izao izy ireo satria dia tapitra namidy ary mbola hivarotra izay rehetra sendran’ny masony ity filohan’ny FAT ity.

03/10/2013

KOF'ROC

Koa rehefa ny mpitandro filaminana no tsy afaka hiaro ny ain’ny olona sy ny fananany, tahaka ny zava-niseho tany Nosy-Be, inona intsony no maha fanjakana ity Tetezamita ity ? Inona anefa no zavatra nangatahan’ny Tafika sy ny Foloalindahy ka tsy azon’izy ireo nandritra izao fitondran-dRajoelina izao ? Rehefa ny hafa no mangataka fisondrotan-karama, ‘krimôzena sy fanapahana karama ary fandrahonana no setriny, kanefa mahita 35 miliara ho an’ny Tafika !

04/10/2013

KOF'ROC

Tsy ilàna mpaminany na “boule de Crystal”, fa famakafakàna tsotra manaraka laojika dia ampy hisainana izay mety ho ampitson’ny raharaham-pirenena. Ny mpitondra FAT ihany no nanome lesona ny vahoaka amin’ity fanafihana tobina mpitandro filaminana. Vokatry ny fidirana an-keriny niharo famakiana ny varavaran’ny ministeran’ny Filaminana Anatiny ny taona 2009 iny izao fanafihana kaomisaria miseho lany tahaka ny tany Mandritsara, Manakara, Ambilobe. Noho ireny sary nasehon’ny miaramila naniratsira manamboninahitra ambony teny amin’ny ministeran’ny Fiarovana ireny ihany koa no fototr’izao tsy fanomezan’ny vahoaka haja sy hasina ny Tafika izao, tahaka ny zava-niseho farany teo tany Nosy-Be.

07/10/2013

KOF'ROC

« Fanatisme » fotsiny mihitsy ve no mibaiko antsika amin’izao fotoana ka tsy afaka hamakafaka toe-draharaha iray amin’ny fo tony sy saina mivelatra. Na ireo heverina no nahita fianarana ambony aza toa manjary mirefarefa izany indraindray ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena, mikasika ny famatsiam-bolan’ireto kandidà miisa 33 ireto.

08/10/2013

KOF'ROC

Izay rehetra miresaka momba ny fifidianana na miloa-bava mikasika izany dia samy miteny avokoa fa « ts’izy ‘tsony ‘ty ! ». Tsy mbola nisy tahaka ity indray mitoraka ity tokoa aloha hatramin’izay nisian’ny fifidianana teto amin’ny firenena e ! Izay vao nisy fifidianana mampitahotra tahaka izao teto. Taiza no nisy an’izany hoe roapolo andro mialohan’ny fifidianana mbola misy vahoaka manafika tobina mpitandro filaminana sy mandoro olona velona izany ? Izao ka hatramin’ny ministry ny Pôlisim-pirenena teo aloha aza sahin’ireo olon-dratsy ny manafika azy amam-basy ! « Ts’izy ‘tsony mitsy ‘ty e ! ». Ilay filohan’ny Tetezamita mihitsy no « ts’izy ‘tsony » rehefa dinihana. Tsy sahy miloa-bava manoloana ny zava-nitranga tany Nosy-Be satria manana ny raharaha 26 janoary eo ambony loha !

09/10/2013

KOF'ROC

Mandeha tokoa ny feo fa tsy hisy fihodianana faharoa hono ity fifidianana filoham-pirenena ity. Misy manana eritreritra ny handrombaka izany amin’ny fihodinana voalohany ny tsaho re etsy sy eroa. Efa vita hatramin’ny valim-pifidianana hono ka tsy maintsy ry “zalahy” hono no hitondra ny firenena. “Iny indray no tsy hitako”, hoy ilay mpanandro voafitaky ny sampiny. Ao koa ireo kandidà matoky tena fatratra fa “1er tour de vita” tahaka ny tamin’ny taona 2001 ity fifidianana filoham-pirenena hiarahana amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena ity.

11/10/2013

KOF'ROC

Ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao no heverina hanatanterahana ny fividianana filoham-pirenena. Miraraka sahala amin’ny mana avy any an-danitra ny vola, mitandahatra tahaka ny vitsika ny fiara 4x4, maniry toa ny anana ny tee-shirt ary manakoako sahala amin’ny kotro-baratra ny dokambarotra sy ny fanentanana. Sambany teo amin’ny tantaram-pirenena no nisy fividianana filoham-pirenena nahitana kandidà 33 tahaka izao.

12/10/2013

KOF'ROC

Roa herinandro dia hofantatra na dia ny ampahany ihany aza, ireo izay hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Fihodinana faharoa, satria tsy hisy ho lany amin’ny fihodinana voalohany izany mihitsy. Mbola baraingo koa anefa io fihodinana faharoa io raha ny zava-misy no dinihana. Iza amin’ireo kandidà ireo no hanaiky fa tsy ho isan’ny hiatrika ny fihodianana faharoa ny tenany?

15/10/2013

KOF'ROC

Ahitan-javatra ity propagandy ity ary izany dia manaporofo fa tsy misy dikany amin’ny olona ireny fihetsiketsehana maro ataon’ireo kandidà amin’ny fizaràna tee-shirt, ny fanentanana amin’ny alalan’ireo artista malaza, sns. Nisy hetsika ara-panatanjahantena nokarakaraina kandidà iray teny Avaradrano teny ny alahady lasa teo. Maro tamin’ireo tonga nijery ilay lalao baolina kitra no nanao tee-shirt kandidà hafa. Izany tokoa angaha no tonga amin’ny fitenin-jatovo hoe “tsisy bedy!”. Nanontany tena mihitsy ny mponina teny an-toerana: “fa iza no mikarakara io lanonana io e?”.

16/10/2013

KOF'ROC

May nisy nandoro ny foiben-toeran’ny kandidà iray tao Toamasina. Tsy hidirana lalina izay antony fa ny azo ambara dia tsy handeha araka ny tokony ho izy ity fifidianana natao an-kery araka ny baikon’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena ity. Izao sahady ve dia raikitra ny fandoroana trano; sahala amin’ny ahoana izany ny zavatra hitranga mandritra ny fanisam-bato?

17/10/2013

KOF'ROC

Valo andro sisa dia higadona ny datin’ny faha-25 oktobra hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy mbola nisy fampielezan-kevitra nandaniam-bola be tahaka ity indray mitoraka ity hatramin’izay nisian’ny fifidianana. Izay fitobahan’ny vola izay ihany koa anefa no hibaiko ny fihetsika sy ny fitondran-tenan’ireo kandidà, ka iza amin’izy 33 mianadahy ireo no hanaiky tsy ho isan’ireo mpifaninana amin’ny fihodinana faharoa?

18/10/2013

KOF'ROC

Samy manana ny vitana sy ny anjarany marina tokoa ny olombelona e ! Ny an’ny tena ny olana eto ambony tany tsy misy voavaha na iray aza (hofantrano, Jirama, saram-pianaran’ny ankizy, ny sakafo, sns), ny an’ny sasany efa eny an-danitra indray izao no mahavaky loha azy: aiza ny NOTAM, ndrao dia misy misabôty ny hélico, sns. Efa tsy olana ho azy ireo intsony ny ety ambony tany ety fa ny resaka any an-danitra indray izao no mahavaky saina azy ireo. Izay tokoa angaha no dikan’ilay fitenenana malaza hoe: “ety an-tany tahaka ny eny an-danitra!”.

19/10/2013

KOF'ROC

Iza mihitsy aloha no namorona ilay hoe « foza orana » fa dia tena nahita tokoa e ! Mbola teny Ambohijatovo mantsy ny hetsika notarihan’ny filoha FAT amin’izao fotoana dia efa “foza orana” no niantsoan’ny olona azy ireo. Inona moa no mampiavaka ity biby ity amin’ny hafa? Noho izy mihemotra rehefa mamindra. Izany hoe, tsy mandroso fa miverina.

21/10/2013

KOF'ROC

Efatra andro sisa dia higadona ny datin’ny faha-25 oktobra 2013. Sampanan-dalana goavana ho an’ny firenena tokoa io andro io: na hivoaka amin’izao krizy izao na handetika ny firenena any amin’ny afobe.

22/10/2013

KOF'ROC

Mamaramparana ny fampielezan-keviny ireo kandidà ho filoham-pirenena. Tapitra rahampitso amin’ny 12 ora alina tokoa mantsy ny fe-potoana voatondron’ny lalàna nandresen-dahatra ny mpifidy. Hanatanteraka ny Faradoboka avokoa ireo kandidà ka maro ireo misafidy ny renivohitra. Maro amin’ireo kandidà anefa no mbola tsy nanomboka ny propagandiny akory, ny sasany aza zara raha nahitàna afisy iray teny amin’ny peta-drindrina. Mpifidy iza hono no antenain’izy ireo handrotsa-bato ho azy ireo amin’io faha-25 oktobra io ?

23/10/2013

KOF'ROC

« Tsy azo eritreretina ny hisian’ny hala-bato », hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanelanelana iraisam-pirenena avy amin’ny SADC, Chissano, izay eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mihevitra arak’izany ity iraky ny Fianankaviambe iraisam-pirenena ity fa tsy hanana irika hanaovana hala-bato ireo rehetra izay mandray anjara amin’ity fifidianana ity. Ny fisian’ireo mpanara-maso iraisam-pirenena izay tonga maro eto amintsika amin’izao fotoana izao, miampy ny fa omanan’ny CENIT ny fifidianana no isan’ny antony nilazan’ity vahiny ity izany. Nambarany, ohatra, fa azo antoka ny « logiciel » izay hikirakirana ny vokam-pifidianana, ary nahafa-po azy ireo ny fihaonana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny CENIT.

24/10/2013

KOF'ROC

Hanefa ny adidy masina ny Malagasy rahampitso zoma 25 oktobra 2013. Masina tokoa izany fifidianana izany satria iankinan’ny ho avin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa. Hiaraha-mahalala fa tsy tomombana mba tsy hilazana fa kitoatoa loatra ny fanomanana ity fifidianana filoham-pirenena ity na dia miezaka ny hanampi-maso sy sofina aza Rtoa Atallah Béatrice filohan’ny CENI-T sy ny forongony. Tsy mahagaga raha tebiteby sy ahiahy no mibahana ny sain’ny maro.

26/10/2013

KOF'ROC

Mototra sahala amin’ny trondro ny ankamaroan’ireo mpanohana kandidà tany amin’ireny QG ireny raha nandre ny ampaham-bokatra manodidina iny fifidianana filoham-pirenena iny. Tsy hita tabilao mihitsy mantsy ny kandidà sasany, ny kandidàm-panjakana nomena alàlana manokana hampiasa fitaovam-panjakana aza mbola miady aman’aina, raha ny eto Antananarivo no asian-teny. Mbola mitarika ihany koa (hatramin’izao ora anoratanay izao) ny kandidà mpifanandrina amin’ny mpitondra ho an’i Mahajanga sy Toliara ary Antsiranana.

28/10/2013

KOF'ROC

Inona intsony tokoa moa izany no misakana ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ? Efa nanome ny heviny tamin’ny alalan’ny fanohanana ny kandidà Jean Louis Robinson ny vahoakan’Antananarivo ny faha-25 oktobra 2013. Mazava ny resaka fa tofoka amin-dRajoelina sy ny forongony ny olom-pirenena, tsy ny teto an-drenivohitra irery ihany fa saika manerana ny Faritany enina. Leon’izay efatra taona nifohana lakrimôzena avy tamin’ny jeneraly Ravalomanana Richard araka ny baikon’ny filohan’ny FAT sy ny ministry ny Serasera Rolly Mercia ny vahoakan’Antananarivo ka nitodi-damosina azy ireo tamin’ny alalan’ny latsa-bato.

29/10/2013

KOF'ROC

Fihetsiketsehana sy fidedadehana fotsiny ny an’ny CENI-T fa raha ny vokatra no tsaraina dia zéro manatody. Olom-pirenena maro no novezerin’ny filohan’ny CENI-T zo, tsy navelan-dRtoa Atallah Béatrice nifidy tamin’ny faha-25 oktobra 2013. Mbola izy indray no avo vava sahala amin’ny gisalahy homan-ketsa isaka ny mitafa amin’ny hainoamanjery. Marina ary tsy azo lavina fa ratsy hatrany ny fanomanana ny fifidianana hatramin’izay. Tsy lavitry ny faharatsiana nisy hatrizay anefa ity fifidianana nokarakarain’ny CENI-T ity: olona efa maty mbola ao anaty lisi-pifidianana, zaza tsy ampy taona manana kara-pifidianana, ny tena mpifidy sady tsy ao anaty lisitra no tsy nahazo karatra. “CENUL!”.

30/10/2013

KOF'ROC

Fa mikasa hanao inona indray ireto manamboninahitra mpanongam-panjakana ireto e ? Inona no nataonareo teny amin’ny CENI-T teny. Handrahona sa hanery ny filohan’ny CENI-T hampandany izay kandidà metimety amin’izy ireo ? Dia ireto manamboninahitra mpanongam-panjakana ireto hatrany ve izany no afaka hanao izay tiany eto amin’ity firenena ity e ? Mpanongam-panjakana fanetriben’ny firenena no anaranareo raha tianareo ho fantatra. Tsy misy ilàna anareo eto amin’ity firenena ity.

31/10/2013

KOF'ROC

Namorona asa maro teto amintsika ary namelona tokantrano sy ankohonana maro ihany koa ny fiompiana akoho mpanatody lava. Tany amin’ny taona 1997 tany no nanomboka nahazo vahana ny fiompiana ireo karazana akoho mpanatody lava izay hafarana avy any ivelany. Nitondra tombotsoa ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ny firenena amin’ny ankapobeny mihitsy araka izany ity fiompiana akoho mpanatody lava ity.

02/11/2013

KOF'ROC

Tsy niolakolaka ny fanazavan’ny Minisitra Rakotoarisoa Florent, raha nilaza ny tenany fa ny famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana no isan’ny laharam-pahamehana ho azy amin’ny fitantanana ity ministera ity. Nambarany fa matoa misy ireny fitsaràm-bahoaka ireny dia satria tsy mahatoky ny fitsarana intsony ny vahoaka. Nambarany ihany koa isan’ny antony mahatonga ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana ny fisian’ny didim-pitsarana izay tsy mandeha amin’ny laoniny.

04/11/2013

KOF'ROC

Milofo mianatra teny Malagasy avokoa ireo vahiny monina sy miasa eto amintsika indrindra ry zareo Sinoa izay mitàna ny ampahany maro amin’ny asa varotra. Teo amin’ny fotoam-panadinana mialohan’ny hanomezana diplaoma sy mari-pankasitrahana azy ireo no nisehoan’ny tantara. Vory lanona avokoa ireo mpanotrona, teratany Amerikana sy Frantsay ary Sinoa ireo mpianatra hivoaka tamin’ilay andiany. Vakinteny teny amin’ny solaitrabe no namaranana ny fanadinana ka tahaka izao ny soratra teny tamin’ny tabilao: “Izaho irery miandry omby irery!”.

06/11/2013

KOF'ROC

Tsy nisy fifidianana madio izany mihitsy teto amin’ny firenena hatramin’izay firy taona nahazoana ny Fahaleovantena izay ary nandray anjara feno tamin’izany mba tsy hilazana fa tomponandraikitra feno ny HCC izay lasa CES ankehitriny. Niteraka krizy sy fandatsahan-drà ary fampidirana am-ponja hatrany izany. Mpanao politika, mpitondra fanjakana, manamboninahitra ary olon-tsotra maro no efa nandalo teny amin’ny fonjan’Antanimora, Tsiafahy, Ambalatavoahangy vokatr’izany tsy fahadiovan’ny fifidianana izany afatsy ireo mambra-ny HCC.

07/11/2013

KOF'ROC

May volon-tratra tanteraka ry zareo ao Ambohitsorohitra ao amin’izao fotoana. “Atao ahoana ity Robinson ity ?”, hoy ny fanontanian’izy rehetra. Eo ihany izany fa ny tena taolambe tsy mitapaka ho an’ireto tandapa ireto dia ny handresy lahatra ny jeneraly Camille Vital izay nanaovana toetra tsy zaka nandritra ny fampielezan-kevitra, toraka izany koa ny VPM teo aloha Hajo Andrianainarivelo izay nanamparan’ingahy Rolly Mercia ny maha lehiben’ny jadon-dRajoelina azy. Atao ahoana no fiangavy ireto kandidà roalahy ireto mba hanohana an’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fihodianana faharoa? Raha tsy izany mantsy dia ho Irery Vaovaon’i Madagasikara ity farany ary azo antoka fa hataon-dRobison indray mitelina dia vita.

08/11/2013

KOF'ROC

Tsy mba leo mamita-bahoaka mihitsy ity filohan’ny FAT ity. Iza anefa no tsy mahalala fa matahotra mafy ny hisian’ny fihodinana faharoa ry Ambohitsorohitra sy ny forongony ka mitady izay fomba rehetra hanafoanana ny fifidianana! Ny antony, tsy ho lany izany mihitsy i Hery Rajaonarimampianina na hiditra an-tsehatra hampihorohoro ny CENI-T sy ny CES eo aza ireo manamboninahitra mpanongam-panjakana toa an-dry jeneraly Rakotoarimasy Lucien. Tsy vitan’ny hoe tsy leo mamita-bahoaka fotsiny ihany ny filohan’ny FAT fa tsy mahita ny ambany masony koa. Tsy i Hery Rajaonarimampianina akory no tsy tian’ny vahoaka fa izy tenany Andry Nirina Rajoelina izay nanolotra azy ho kandidà.

09/11/2013

KOF'ROC

Ny kandidà Jean Louis Robinson sy Hery Rajaonarimampianina izany aloha raha ny vokatra navoakan’ny CENI-T no hiatrika ny fihodianana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Inona loatra moa no antony tsy hanaovana itony fihodinana faharoa itony e ? Tsy iny vokatra tamin’ny fihodinana voalohany iny ve no tena maneho ny safidim-bahoaka? Mazava tsara mantsy ny isan-jato azon’ny kandidà tsirairay avy; ao ireo nahaverim-bola ao kosa ireo nifampitolona tamin’ny atody. Atao ahoana moa fa izay no lamina tsy maintsy hirosoana ka dia hiroso amin’ny fihodinana faharoa indray izany ny vahoaka.

11/11/2013

KOF'ROC

Mafy ho an’ny kandidà Edgard Razafindravahy ary ireo mpikatroka TGV tsy maty eritreritra ny fanambarana nataon’ny filohan’n y FAT, tao amin’ny gazety Le Monde any Frantsa. Nambarany tamin’izany fa tsy afaka nanohana mivantana ny kandidà Hery Rajaonarimampianina izy tamin’ny fihodinana voalohany noho ny fisian’ireo kandidà folo hafa natolotry ny fitondram-panjakana, na izany aza anefa nanome toromarika mangiana mba hifidianana an’i Hery Rajaonarimampianina ny tenany. Ny kandidà Edgard Razafindravahy anefa no lanin’ireo mpikatroka TGV nandritra ny kongresy teny Andranomena hisolo toerana ny filohan’ny FAT. Nataon-dRajoelina sorona fotsiny araka izany ny PDS-n’Antananarivo teo aloha. Loza izany fahasahian’olona !

12/11/2013

KOF'ROC

« Izay kandidà natolotro sy tohanako no ho lany filoham-pirenena ». Izay raha hadika tsotsotra ny fanambarana nataon’ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina tamin’ny Le Monde. Tsy mety mihaiky ny zava-misy mihitsy ity filohan’ny FAT ity. Ny tenany ange no tena olana e! Ny fanohanan-dRajoelina an’i Hery Rajaonarimampianina mihitsy no tsy hifidianan’ny olona ity kandidàn’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara ity. Leon’izany Andry Rajoelina sy Ratsirahonana Norbert Lala ary Rolly Mercia izany ny vahoaka. Tsy homen-tsiny velively izy raha nandà an-kolaka ny amin’ny filazana fa kandidàn-dRajoelina raha nanontanian’ny RFI. Olona efa tapi-dalan-kaleha kosa ve no ndeha hatao joker !

13/11/2013

KOF'ROC

Mandeha be ny resaka amin’izao fotoana fa mety hovoahilika noho ireo fandikan-dalana maro toa ny fampiasana fitaovam-panjakana ny kandidà Hery Rajaonarimampianina. Aza manao an’izany kosa aloha e! Aleo izy hiatrika ny fihodinana faharoa hahitan-dRajoelina ny dôzin’izany halam-bahoaka izany. Haneno sahona sy hilaza tena ho mahery tahaka ny filohan’ny FAT eo indray koa mantsy i Hery Rajaonarimampianina raha vao sakanana eo. Aleo mihitsy izy hifanandrina amin’io fihodinana faharoa io, miampy ny filohan’ny FAT eo anilany isaka ny mamory vahoaka, dia hiaraha-mahita eo ilay fanambarana nataon-dRajoelina nanao hoe: “izay kandidà hatolotro no ho lany filoham-pirenena”.

14/11/2013

KOF'ROC

« Ingrat » sady « naïf » hono i Hery Rajaonarimampianina. Loza ‘zany ! Rehefa tsy mety ho andevo kelinareo ve izany ilay olona dia izao no mendrika azy ? Satria ve nampiasainareo hatramin’ny TVM sy ny RNM tamin’ny fanohanana azy nandritra iny fihodinana voalohany iny ka dia tsy maintsy hanompo anareo izy? Tsy ankamantatra ho an’ny vahoaka ny tao ambadik’izao zavatra izao fa ingahy Rolly Mercia sy Norbert Lala Ratsirahonana, mpanompo matokin-dRajoelina. Tsy maintsy miankohoka eo amin’ny tongotry filoha avokoa izay rehetra te hiara-dia aminy. Raha tsy izany, daka am-bavafo tahaka ny nahazo ny ministry ny Harena an-kibon’ny tany teo aloha, Mamy Ratovomalala sy ny talen’ny kabinetra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison ary ny maro tsy voatanisa.

15/11/2013

KOF'ROC

Talentantsika Malagasy ity manangana fikambanana ity sahala amin’ny GEM, SIM, FIVMPAMA,… Tsy misy maharatsy izany velively satria ny tao-trano tokoa tsy efan’ny irery. Tokony hitondra fampandrosoana eo amin’ny sehatra nanorenana azy ireny fikambanana na fivondronana maro samy hafa ireny fa tsy ho lasa sakana amin’ny fampivelarana. Ny tontolon’ny asa fandraharahana sy ny indostria no hiantefan’ny dinika amin’ity androany ity. Raha ny tena marina dia tokony ho sehatra fanomezana aina ny orinasa sy ny indostria ho fampandrosoana ny toekarena ireo fikambanana efa misy. Tsy midika velively anefa izany hoe tsy maintsy miditra ao anatin’ny GEM na SIM na FIVMPAMA vao afaka mampiroborobo ny orinasa na indostria iray.

16/11/2013

KOF'ROC

Ndao hanao fanamby fa mbola ho zanak’Ikalahafa ary ho faralahy eo amin’ny samy mpiasam-panjakana ihany ny mpampianatra sy ny mpanabe amin’ity Repoblika faha-IV ity. Mbola hifampitady amin’ny tambin-karama efa vary masaka rahateo ny SEMPAMA ary tsy mbola amin’io Repoblika faha-IV io velively no handaozan-dry « cube jumbo » ny lakozian’ireo mpampianatra FRAM. Tsy ho laharam-pahamehan’izay hitondra eo mihitsy izany fanatsarana ny fari-piainan’ny mpampianatra izany raha dinihana amin’izao toe-draharaha politika ankehitriny izao.

18/11/2013

KOF'ROC

Isan’ny fanontaniana napetrak’i Zo Razanamasy tao amin’ny fahitalavitra Kolo TV ny hoe « natao ho an’iza ireo lalàna ireo ? », mikasika ny fangatahana fanilihana ho an’ny kandidà Hery Rajaonarimampianina. « Efa tsy mpiasam-panjakana intsony i Hery Rajaonarimampianina satria efa nametra-pialàna ka tsy azo hanenjehana azy ny filazana fa nampiasa fitaovam-panjakana na nanome baiko ho amin’izany », araka ny nambaran’ny CES. Dia natao ho an’izay tokoa moa izany ilay lalàna araka izao fanazavana nomen’ny CES izao ?

19/11/2013

KOF'ROC

Toa ireo firenena vahiny toa an’i Lafrantsa hatrany no mahazo loza sy hiantefan’izao fanankianana rehetra izao, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Nahoana no hahilika any amin’ny hafa ny tsy fandraisana andraikitry ny olom-pirenena e? Ary im-piry mba marina tamin’ny safidiny tokoa moa Ramalagasy ? Moa va tsy sasatry ny manenina! Dia aleo hanenina lava eo rehefa tsy hisaina.

20/11/2013

KOF'ROC

Ry Tompo Zanaharinay. Manati-tsaotra izahay. F'efa novelominao. Ka tratr'izao maraina izao (Hira faha-9 Fihirana Protestanta). Atao ahoana tokoa no tsy hisaotra ilay Nahary isaka ny miposaka ny masoandro ka velon’aina soamantsara manoloana izao tsy fandriampahalemana tsy roa aman-tany izao! Atao ahoana no tsy hankalaza Azy fa tsy mbola lasa nivaro-tena eny Tsaralalàna hividianam-bary iray kapoaka ilay vady andefimandry! Atao ahoana no tsy hidera ilay Mpanjaka fa mbola afaka nividy fanafody ho an’ilay zanaka malala! Koa nahoana ianareo mpitondra fivavahana avy amin’ny FFKM sy ny FFM no tsy afaka hiara-dalana hampihavana ny Malagasy, manoloana izao loza mihatra amin’ny firenena izao?

21/11/2013

KOF'ROC

Vao latsaka kely fotsiny ny orana na sahala amin’ny ivin-tsaka aza dia efa manararaotra izany hanapahana ny herinaratra ny JIRAMA. Tsy rariny intsony izao zava-misy iainan’ny vahoaka izao. Mbola sahin-dRajoelina ihany anefa ny milaza fa ny tenany no vahaolan’ity firenena ity ary izay kandidà natolony no tsy maintsy ho lany filoham-pirenena? Izany ve tsy fandatsana vahoaka?

22/11/2013

KOF'ROC

Tebiteby sy horohoro lava no niainan’ny vahoaka Malagasy nanomboka ny taona 2009. Naneho ny heriny sy tanjany hatrany ny miaramila izay nanankinan’ny filohan’ny FAT ny fanjakany. Nataon’ny mpitondra laharam-pahamehana ny fampitaovana ny Tafika, nomen’ny filohan’ny FAT avokoa izay tombotsoa notakian’ny miaramila ho tambin’ny fiarovana ny fanjakany. Nanendry jeneraly sy kolonely maro indray izy hisolo toerana ireo Lehiben’ny Faritra, ho fanamafisana orina izany fanjakany izany.

23/11/2013

KOF'ROC

Na ireo mitonon-tena ho mpaminany, na ireo moandinika ny fiaraha-monina, indrindra ireo mpandray anjara mivantana amin’ny raharaham-pirenena dia samy nilaza avokoa fa hisy zavatra hitranga eto amin’ny firenentsika aorian’ny famoahana ny vokatry ny fifidianana filoham-îrenena fihodinana voalohany. Tsy mahagaga izany satria samy manana ny fahitany ny zava-misy eto amin’ny firenena ny rehatra, ary samy manana ny fomba ijereny izany ihany koa ny isan’isany avy. Ao ireo manao kajy, ao kosa ireo mitazana araka izay fitaovana eo am-pela-tananany. Tsy misy mahadiso akory izany raha toa ka mijanona ho fijery fotsiny ihany.

25/11/2013

KOF'ROC

Mampihoron-koditra ny fiaraha-monina amin’izao fotoana izao. Miha ratsy loha isan’andro ny Malagasy ary ireo sahirana ara-pivelomana no tena voakasik’izany. Nisy bisikilety iray nisoso mafy sady nisisisisika nikasoka tamina fiarakodia iray tsara tarehy tratry ny “embouteillages”. Voakiakan’ny “guidon” ny lokon’ilay fiara, teo amin’ny 50 sm mahery sady pempo ny varavarana. « Azafady e ! », hoy ilay mpitaingina bisikilety sady nanohy ny diany izy. Tezitra ilay mpamily an’ilay fiara ka nivoaka nisambotra azy. Ny loza, ilay mpamily indray no saika nitambaran’ny olona; sahirana ara-pivelomana avokoa ny ankamaroan’izy ireo. “Fa angaha rehefa manana fiara tsara tarehy dia miseho milay e! Ny lalan’ialahy zorina sao de maratra eo e!”, hoy izy rehetra. Dia namelona ny fiarany tsy fidiny ilay mpamily ndrao tokoa…

26/11/2013

KOF'ROC

Inona no hanomezan-tsiny ny filohan’ny FAT amin’izao zava-mitranga eto amin’ny firenena izao ? Tsy misy, tena tsy misy mihitsy. Nampanantena fanovàna ny filohan’ny FAT fony mbola teny an-dalambe, dia izay fotsiny, fa tsy nilaza velively hoe hanatsara ny fiainam-bahoaka. Mampahatsiahy ny zava-niseho tao amina trano fisakafoana iray izao vanim-potoana lalovan’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izao:

27/11/2013

KOF'ROC

Tsy misy henatra intsony ny kolikoly an-dalambe ataon’ny mpitandro filaminana sy ny mpamily. Misakana kamiao na fiara mpitatitra tahaka ireny hisava “papiers” ireny ireo mpitandro filaminana. Iray segondra monja raha be indrindra dia vita ny “fisavana”. Inona moa no fisavana eo fa ny fisokirana ilay sôsy efa natokan’ny mpamily ho azy ireo. Eo imason’ny mpandeha avokoa no hitrangan’izany rehetra izany, indrindra ireo fiara mpitatitra mivoaka ny renivohitra na mampitohy Faritra sy Faritany. Mazava ho azy fa tsy ny mpitandro filaminana irery ihany no tomponandraikitra amin’izany fa eo indrindra koa ireo mpamily sy ny tompona fiara.

29/11/2013

KOF'ROC

Hiatrika ny fihodinana faharoa tsy ho ela ny Malagasy. Manana 21 andro hizarana tee-shirt sy vola 25.000 fmg ireo kandidà roalahy hifanandrina amin’izany. Samy nahazo fanohanana avy amin’ireo kandidà tsy lany “match” na Rajaonarimampianina Hery na Robinson Jean Louis ary miainga avy amin’izany ny kajikajy rehetra. Saingy izao, horakoraka ny an’i Varahina fa ny faran’ny rano Ikopa ihany. Izay kandidà neken’Antananarivo ihany no afaka hiaina amim-pilaminana; izany hoe izay kandidà mandresy eto Antananarivo no azo ambara ho tena mpandresy.

30/11/2013

KOF'ROC

Lalaovin’ny mpanao politika ny Malagasy. Sanatria ve dia vendrana sy bado sa efa donton’ny fahantrana sy ny fahasahiranana ka tsy afaka ny handinika intsony? Fa iza avy moa ireo kandidà ho solombavambahoaka ireo, inona no tena tanjon’izy ireo amin’izao filatsahana ho depiote izao? Valiny, te ho tsimatimanota. Tsy ny mpanao politika ihany fa maro koa ireo mpandraharaha nahazo tombotsoa nandritra ity fitondrana FAT ity no maniry mafy izay satan’ny tsimatimanota izay.

02/12/2013

KOF'ROC

Mafy ihany ity fitiavan-tseza sy voninahitra ity re olona! Miampanga tena mihitsy ange izao ireo mpiara-dia amin’ny filohan’ny FAT fa tena “bonbon olona” e! Nasiana ny sarin’ny filohan’ny FAT mihitsy miaraka amin’ny sarin’ireo kandidà. Raha ny marina izany dia i Andry Rajoelina no hofidian’ny olona (raha hisy hifidy) fa tsy ireo kandidà velively. Ry Naivo Raholdina sy Nihry-Lanto Andriamahazo ve moa ho lany na filoham-pokontany aza fa dia atositosika eny aloha e! Tsy misy fahamenarana intsony ankoatra ny fandikan-dalàna satria dia voararan’ny Tondrozotra sy ny lalàna mifehy ny fifidianana izao zavatra ataon’ny filohan’ny FAT ary ireto te ho tsimatimanota mpiara-dia aminy ireto.

03/12/2013

KOF'ROC

Efa ao anatin’ny propagandy tanteraka ireo kandidà amin’izao fotoana; na izy roalahy hiatrika ny fihodinana faharoa izany na ireo kandidà solombavambahoaka. Ireny efa naseho vahoaka teny Antsonjombe ireny ireo « bonbon olona » mpiara-dia amin’ny filohan’ny FAT. Tsy maintsy nasiana krika e! Ireny hoy ny mpanadrohadro no antsoina hoe “vary be karbônetra”; mibontsina fotsiny fa tsy mateza an-kibo sady mankarary. Fa ireto mpifaninana amin-dry « bonbon olona » koa no tena loza. Na ireo fokonolona aza toa gaga sy talanjona ary vaky vava hoe : « Ndry ! Hay ve misy an’iny rangahy iny mipetraka ao amin’io trano io e ! ». Angamba kosa « extra-terrestre » ireto kandidà depiote ireto. Tampoka eo dia milaza tena fa hampandroso an’i Madagasikara, hiady ho an’ny vahoaka, hijery sy hihaino ny fahoriam-bahoaka, sns.

04/12/2013

KOF'ROC

Famitaham-bahoaka sa havendranana ? Iray amin’ireo zavatra roa ireo no ataon’ireo kandidà depiote amin’izao fotoana. Ny sasany mampanantena tetezana, ny hafa mampanantena paompy. Tsy fantatr’ireto “bonbon olona” sy “œuf dur” ireto mihitsy araka izany ny andraikitra miandry azy ireo. Ny fahefana Mpanatanteraka no misahana izany fanamboarana tetezana sy fametrahana paompy izany ry « bonbon olona » a ! Ny ministry ny Asa Vaventy sy ny ministry ny Rano no tokony hampanantena izany amin’ny vahoaka ary izay no maha “œuf dur” anareo mianakavy.

06/12/2013

KOF'ROC

Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena ny vahoaka, tsy mandry andro tsy mandry alina mihitsy aza noho ny fitiavan-tanindrazana. Nisy nahavita nanao « sondage » mikasika ny famelabelaran-kevitra nataon’ireo kandidà roalahy farany teo tao amin’ny TVM. « Masiso be » ny vokatra azo tamin’izany « sondage » izany. Maherin’ny 52% tamin’ireo izay nametrahana fanontaniana no tsy resy lahatra tamin’ny famelabelaran-kevitra nataon’izy roalahy raha 36% monja ireo nilaza ho afa-po tamin’izany.

07/12/2013

KOF'ROC

Notohanam-potsiny ny vahoaka tonga nanatrika ny propagandin’ity kandidà depiote ity. Tsy latsaky ny 100.000 raha ny tombatomban’ny mpanara-maso. Efa nampandre mialoha ilay kandidà fa hisy fitatazana rakitra mandritra ny famoriam-bahoaka izay ataony kanefa tsy nisakana ny fahatongavan’ny olona maro be izany. Tsy nampandositra ireo izay tonga nanatrika ny fampielezan-kevitra nataony hatramin’ny orambe sy ny rivotra mifofofofo. Tsy nisy artista nanafana ny lanonana fa dia ny tenany irery ihany niaraka tamin’ny micro.

09/12/2013

KOF'ROC

Afaka 11 andro dia hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny Malagasy tsy vaky volo. Manao tohy vakana ny fanohanana ireo kandidà roalahy hifaninana amin’izany. Ny zavatra azo tsapain-tanana aloha dia ny fanohanan’ireo « gadra nandositra » tamin’ny taona 2009 ny kandidà Hery Rajaonarimampianina, raha tsy hiresaka afatsy Voninahitsy Jean Eugène. Tahaka ny ahoana tokoa aloha ny zava-misy amin’izao fotoana ?

12/12/2013

KOF'ROC

Misaona noho ny fandaozan’i Nelson Mandela izay niady ho amin’ny fanafoanana ny APARTHEID tany Afrika Atsimo izao tontolo izao. Fampitovian-jo sy andraikitra ny samy teratany Afrikana Tatsimo amin’ny lafiny rehetra, izany no ady natrehan’ity mahery fo ity nandritra ny androm-piainany. Samy mahafantatra ny tantaran’i Nelson Mandela avokoa isika rehetra ka tsy hivalamparana eto.

13/12/2013

KOF'ROC

Tsy vao izao fitondrana FAT izao no nanao fairano an’Antananarivo ary tsy ity fanjakana ity ihany koa no farany. Tsy maintsy haneho ny heriny sy ny fankahalany an’Antananarivo avokoa izay fitondrana hifandimby eo. Vato natsindry nahazana mantsy ity renivohitra ity. Sakaiza tsy foy rehefa haka fitondrana, fahavalo tsy maha te ho tia kosa rehefa azo izay notadiavina, hanamparana izao fahafena sy hery rehetra izao. Mba firy kilao re ny lakrimôzena lanin’ny EMMO teto an-drenivohitra nanomboka ny taona 2009 izay e?

14/12/2013

KOF'ROC

« Miorena tsara eo amin’ny finoanareo masina indrindra ka mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra »-Joda 20, 21. Manorina, fanorenana, fototra, sns. Zava-dehibe iankinan’ny zavatra rehetra, tsy ny ara-panahy irery araka ny voalazan’io andalan-teny ao amin’ny Soratra Masina io ihany, izany fametrahana fototra tsara orina sy naorina amin’ny alalan’ny fitiavana izany. Miorena tsara, anatra mifono fitiavana ho fitsinjovana ny ho avy mba tsy ho diso fanantenana.

16/12/2013

KOF'ROC

Mihanaka manerana ny tsena iraisam-pirenena ny vokatra piraty, izany hoe karazana dika mitovy amina vokatra iray ary mitondra ny anarany na koa ny marika saingy tsy mahafeno ny fepetra rehetra. CD, fahitalavitra, radio, fitaovana elektronika, solosaina, fitafiana sy kiraro, ranomanitra, solomaso, savony, sns. Lasibatry ny piraty avokoa rehefa mety ho zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Miezaka manenjika ireny mpanao piraty ireny ihany ireo tomponandraikitra, raha tsy hiresaka afatsy ny OMDA sy ny OMAPI.

17/12/2013

KOF'ROC

Hotanteraka an-tsakany sy an-davany ny tarigetran’ny tale jeneralin’ny CNAPS sy ny filohan’ny FAT, rehefa tapitra vita avokoa ny fanaovana lavanty ireo sekoly tsy miankina. Tsy inona akory izany fa ny fanokafana ny ESFD na Ecole Supérieure de Formation de DJ. Aleon’ny tale jeneralin’ny CNAPS tokoa mantsy DJ sahala amin’ny filohan’ny FAT hatrany no hitondra ity firenena ity, amin’izay tsy misy mpanelingelina sy mpanara-maso amin’izay rehetra atao. Mitovy rahateo koa ny fomba fijerin’izy mirahalahy ireto manodidina ny tontolon’ny fampianarana : ny filohan’ny FAT mahita tsirony amin’ny fandrebirebena sy fanaovana tsinontsinona ireo mpampianatra FRAM sy ny SEMPAMA ; ny tale jeneralin’ny CNAPS kosa mampanao lavanty ireo sekoly tsy miankina.

18/12/2013

KOF'ROC

Niova tokoa ny fomba fanomezana grady sy fanendrena tomponandraikitra ambony teto amintsika nandritra izay dimy taona latsaka kely izay. Iza ihany no mbola sahy hilazana fa tsy nitondra fanovàna izao fitondrana FAT izao ? Tsy dia ny fahaizana na ny zava-bita na koa ny fe-potoana nitondrana grady iray intsony no fepetra takiana amin’izany fa izay ao an-dohan’ilay voakasik’izany.

21/12/2013

KOF'ROC

Tontosa ny fihodinana faharoa teo amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay nifanatrehan’ny kandidà roalahy, Jean Louis Robinson sy Hery Rajaonarimampianina. Eo am-piandrasana ny vokatra ofisialy ny olom-pirenena. Tsy azo lavina fa betsaka tokoa ny tsy fahalavorariana teo amin’ny fanatontosana iny fihodinana faharoa iny. Eo anoloana sampanan-dalana goavana araka izany ny firenena: hivoaka amin’ny krizy nampijaly ny Malagasy 20 tapitrisa nandritra izay dimy taona latsaka kely izay na hiditra amina krizy vaovao mahery vaika kokoa.

23/12/2013

KOF'ROC

Fomba fiteny Malagasy ny hoe « salakao leikely fa ndeha hiady » izay azo adika ho fiomanana hiatrika zavatra na fanamby goavana. Iny fifidianana vita tamin’ny faha-20 desambra 2013 iny no noheverina hitondra ny firenena hivoaka amin’ny krizy. Tsy izany anefa ny zava-misy hitan’ny maso, fifandonana mahery vaika indray aza no toa manangasanga. Efa tsy misalaka intsony anefa ny vahoaka, tsy manana hosikinina intsony ny ankamaroan’ny tokantrano. Mbola afaka hiatrika zavatra goavana, indrindra ady na fifandonana ve ny vahoaka manoloana izao fahoriana sy fahantrana tsy roa aman-tany izao ?

24/12/2013

KOF'ROC

Misy mihevi-tena ho mesia eto amin’ity Madagasikara ity. Jodasy mantsy hono ny praiminisitra teo aloha Camille Vital ka namadika azy tamin’ny isa 33. Dia noporofoiny tokoa ny maha mesia azy ka nanambarany fa tsy maintsy lany ny kandidà natolony. Nambarany tamin’ny gazety Le Monde mihitsy aza fa 55% ny isan-jaton’izany fandresen’ny kandidàny izany. Ilay kandidà koa etsy an-danin’izany toa mpaminany satria dia 70% no nambarany fa isan-jato ho azony tamin’iny fihodinana faharoa iny.

26/12/2013

KOF'ROC

Ao anaty tebiteby sy fitaintainana indray ny Malagasy na dia nankalaza ny fetin’ny Noely tamim-pilaminana aza amin’ny ankapobeny. Miverina mipoitra daholo indray ireo endrika mampiseho tsy fahalavorariana sy fihetsika mampitahotra manorotoro izay rehetra sendra azy. Mazava ho azy, tonga ao an-tsaina avy hatrany Ra-Jeannot, ilay tovolahy mba isan’ny olombelona ihany talohan’ny 26 janoary 2009, naha lasa lavenona ny orinasa nampiasa azy. Miverina indray tokoa Ra-Jeannot sy ny afobeny…

27/12/2013

KOF'ROC

Tee-shirt valo be izao no indray mivalampatra eo am-pandrian-dRajeannot. Marary mihitsy ny lohany mitady izay fomba hanesorana ny sarin’ireo kandidà. Nokosehana tamin’ny “pétrole” sy “white spirit”, nalona tamin’ny “eau de javel”, nokikisana tamin’ny “lame Gillette bleu”, fa mbola ny tavan’ireo kandidà mitsiky tsy ravo ihany no tazany. Efa tapitra noteteziny ireo mpividy lamba tonta; fanesoana sy fandrabirabiana anefa no azony. Tsy maintsy hamonjy alim-bavaka ho fankalazana ny nahaterahan’i Mesia tokoa mantsy Ra-Jeannot; menatra ihany ny tena rahatoa ka tee-shirt propagandy no hotafiana amin’izany. “Ny tena olana koa dia ny hoe ny an’iza no hanaovana rehefa tsy mahita vahaolana. Ny an’i Hery Rajaonarimampianina sa ny an’i Jean Louis Robinson?”, hoy izy nitokiky irery. Efa karazan’ny nampionon-tena tokoa mantsy ranamana; efa niala nenina e!

28/12/2013

KOF'ROC

Nandray fanapahan-kevitra ny hanadino ny momba ireo tee-shirt namitahan’ny mpanao politika ny saim-bahoaka Ra-Jeannot ka nitodi-doha namonjy fodiana. Analakely, Petite Vitesse, Isotry, 67 Ha, Ampasika, Dalle, adim-pamataranandro roa be izao ny tenany vao tonga tany an-trano. “Maimbo daholo nama zay nolalovana rehetra! Fofon-tatatra, fofom-pako, loto re izao!”, hoy izy niteny irery. Tsy azo iainana intsony tokoa ny fofona eto an-drenivohitra sy ny manodidina raha ny oron-dRajeannot itony no efa mahare maimbo. Nisakaiza tsy fidiny tamin-drafahantrana mantsy ranamana ary tsy mbola nisy mahantra manitra izany mihitsy, saingy mbola nahavita nanavaka ny atao hoe maimbo ihany ny orony.

31/12/2013

KOF'ROC

Hatao veloma farany androany ny taona 2013 izay namela kamboty 20 tapitrisa ao anaty fahantrana tsy roa aman-tany. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nivadibadihan’ny ora sy ny minitra, ny andro sy ny alina. In-365 andro nifampikiky ny vavonin-dRajeannot: mandry fotsy amin’ny alina, sakafo ambany foitra kosa amin’ny antoandro. Mitanisa ny “zava-bita” nandritra izay taona iray manontolo izay teo an-tokonana izy: ny tetsy namidy, ny teroa natao antoka. Fehiny, tsy nanao afatsy nivaro-pananana i Ra-Jeannot nandritra ny taona. “Nihondrika sisa no tsy nataoko!”, hoy izy nisento lalina. Mahazo vahana eto amintsika tokoa ny firaisan’ny lahy samy lahy, toa lasa lamaody mihitsy aza izany any amin’ny sehatra “ambonimbony” any.

03/01/2014

KOF'ROC

Ny hafalian’ny sasany hoy aho fahorian’ny hafa ! Miala sasatra ny ankamaroan’ny orinasa sy ny trano fivarotana manerana ny renivohitra. Mbola “congé” e! Azo sary an-tsaina ny hasambaran’ireo mpiasa, manararaotra matory maraina, mandamindamina ny ao an-trano, mba miara-misakafo amin’ny ankohonana ny antoandro, mialohan’ny hiatrehana indray ny rotoroto mandra-pahatapitry ny 365 andro amin’ity taona 2014 ity. Saika nandrindrim-baravarana avokoa ireo orinasa sy toeram-pivarotana, tsy mitohana tahaka ny mahazatra ny fifamoivoizana ary tsy dia be olona mifamezivezy loatra eny an-dalambe.

04/01/2014

KOF'ROC

Tsy niafina tamin’ny nenitoany ny anton-dian-dRajeannot, tonga namangy tratry ny taona ary tsy ilàna mpaminany rahateo koa izany. Marary matoa tonga manatona dokotera, nanota matoa mikônfesy amin’ny mompera ary tsy manan-kohanina matoa tonga amin’ny ora fisakafoana. Mbola hita taratra tamin’ireo ambin-daoka teo ambony latabatra nanampy ny ron’anana sy hena ny hatsaran’ny sakafon-dry nenitoa ny faha-1 janoary 2014. Tsy niala teny amin’ilay fen-gisa mihitsy ny mason-dRajeannot nandritra ny vavaka. Izany tokoa angaha no atao hoe valim-bavaka fa avy hatrany dia natolotry nenitoa ho azy ilay fen-gisa.

06/01/2014

KOF'ROC

Miverina amin’ny rotoroto sy ny henjikenjika indray ny fiainan’izay rehetra natera-behivavy tsy isan’ireo nantsoin’ny Ray hody any aminy nandritra iny herinandro voalohan’ny volana janoary 2014 iny. Tapitra teo ilay fialan-tsasatra nandaniana izay kely tany an-tsikinana. Mitsanga-malaina eo am-pandriana raha vao velona ny lakolosin’ny mômpera, mamikiviky mamonjy toeram-piasana, mifampitolona misisika taxi-be. Veloma ry fety! Etsy an-danin’izany, misanasana tahaka ny vavam-boay ny tompon-trano miandry ny fandoavana ny hofan-tranony. Mivandravandra eo am-bavahadin-tsekoly ny sora-tanan’ny directrice mampahatsiahy ny fe-potoana farany handoavana ny saram-pianarana ary efa eo am-piomanana amin’ny fanapahana ny jiro kosa ry JIRAMA.

07/01/2014

KOF'ROC

Misora-tena tena ho mpaminany daholo izao olona tsy nahita tory nosangian’ny mpamosavy rehetra izao. Ny sasany milaza ho diso kajy kely monja ka amin’ny volana aprily ho avy izao vao hotanteraka ny faminaniany; ny hafa indray kosa milaza fa afaka mamily ny lalan’ny rivo-doza tsy hipaka eto Madagasikara. Sorena mihitsy Ra-Jeannot nandre ny fanazavan’ilay “mpaminany” iray tao amina fahitalavitra tsy miankina. “Rehefa tsy zaka rangahy ilay môly aza fohana a! Nahoana no tsy hitan’ialahy mialoha fa i Hery Rajaonarimampianina sy Jean Louis Robinson no hanao 2e tour raha tena mpaminany marina ialahy?”, hoy izy tezitra mafy.

08/01/2014

KOF'ROC

Saika nitatitra ilay fanolanana nitranga tany Barikadimy Toamasina avokoa ny ankamaroan’ny gazety mpiseho isan’andro : zanaka kolonely nanolana zanaka kaomisera ! Isan’ireo mpamaky gazety an-dalambe i Ra-Jeannot, mba lany eo aloha farafaharatsiny ny 15 mn sady misy fotoana hisainana ny amin’izay hanohizana ny dia. Nanaitra azy tokoa io zava-nitranga tany Barikadimy io.

09/01/2014

KOF'ROC

Miraradraraka mihitsy ny fizaran’ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, grady ao anivon’ny Foloalindahy ao. Niampy « Général de Brigade » miisa 29 ary « Général de Division » miisa 10 indray koa mantsy. Izany hoe, hitombo indray ny fandaniam-bolam-panjakana, ny fandaniana ny volan’ny mpandoa hetra raha ny marina kokoa. « Miaramila tsy mbola niatrika ady na indray mandeha tamin’ny fiainany ve nama dia mahazo grady jeneraly ! Mitoraka ‘krimôzena mpanao fihetsiketsehana ange no mba spesialiten’ny jeneraly eto amintsika e!”, hoy Ra-Jeannot rikoriko nandre ilay vaovao.

10/01/2014

KOF'ROC

Raha mbola Malagasy ka salama saina tsara, mbola manana ny hambom-po maha Malagasy azy dia saika tezitra noho ilay fampitoviana azy tamin’ny rajako na babakoto avokoa. Isan’ireny Ra-Jeannot na dia mahantra sy mavomavo tokoa aza. Noraisiny ho famelezana azy manokana mihitsy ilay hoe « babakoto » noho izy tsy manao afatsy mirenireny, mangataka etsy sy eroa, tsy mahafeno ny fepetra kely indrindra takiana amin’ny olom-pirenena. « Sahan’ialahy ve ny nampitovy ny bandy amin’ny babakoto satria any amin’ialahy ny vola, any amin’ialahy ny fahefana ary mihondrika eo ambanin’ialahy avokoa ny miaramila ! », hoy Ra-Jeannot namonkina ny totohondriny.

11/01/2014

KOF'ROC

Toran-kovitra Ra-jeannot raha nandre tamin’ny onjampeo ny tifitra vary raraka nataon’ny EMMO tamin’ny mpianatry ny oniversiten’i Mahajanga. Mora andairan-javatra izay moa ny olona rehefa noana, asa isika raha afaka ny hanamarina izany na tsia. « Zany kosa ve nama de mbô rarina a ! De tsy mahay afatsy ny hifitr’olona foana ve zany ty fitondran-dRajoelina ity e ? Efa aman-jatony ireo maty tamin’ny faha-26 janoary, tsy misy fanadihadiana misokatra hatramin’izao. Ary tena sahan-dry zalahy ny mitifitra any amin’ny Faritany a ! Tsy loza mitatao ho an’ny mpitondra kosa angamba e!”, hoy Ra-Jeannot nipararetra sahala amin’ireny voan’ny bemangovitra ireny.

14/01/2014

KOF'ROC

Mpijangajanga tsy misy toa azy i Solo naman-dRajeannot. Mety misy sakaizany avokoa angamba isaka ny Distrika 119. Nitady izay fomba rehetra hialany amin’izany fomba ratsiny izany ny vadiny ka iny ndeha ho any amin’ny dadarabe iny no nifanena tamin-dRajeannot. “Mba teneno iny Solo namanao iny ry Jeannot fa tena tsy hitako intsony izay atao azy. Aiza ve ry Jeannot ka niala maina hatramin’ny Mpiandry nikasa handroaka ny devoliny!”, hoy i Brigitte. Lasa fomba amam-panao mba tsy hilazana fa lamaody mihitsy ny maka Mpiandry tato ho ato izay. Hatramin’ny fanonganam-panjakana avy no nankinina teo ambany fitahian’ny Mpiandry.

15/01/2014

KOF'ROC

Mampalahelo sady mampihoron-koditra ny fomba fisainana izay mitady hahazo vahana eto amintsika. Tahaka ny tsy misy dikany amintsika intsony izany aina izany. Mpiray tanindrazana amin’ny tena no matin’ny tifitra vary raraka, amin’izay indray avy any an-damosina dia mbola misy manome rariny ny zandary izay nahavanona izao heloka be vava izao ihany. Jiolahy mpamono olona izao aza ange mbola omen’ny lalàna zo hiaro tena mialohan’ny fanamelohana azy. Saingy noho ilay fitiavan-tseza sy fitiavam-pahefana dia tsy mampaninona ny mandatsaka ràn’ny mpiray tanindrazana..

16/01/2014

KOF'ROC

Heloka sazian’ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fanelezana vaovao tsy marina. Nampiasain’ny mpitondra nifandimby nandemena sy nampihorohoroana izay hainoamanjery tsy mitovy hevitra aminy na koa sahy nilaza tsy mety nataon’ny mpitondra izany. Natokana ho an’ny hainoamanjery irery ve io lalàna io sa natao ho an’ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka ?

18/01/2014

KOF'ROC

Nanamafy ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI-T ny CES izay nandany ny kandidà Hery Rajaonarimampianina ho filoham-pirenena hitantana ny Repoblika faha-IV. Tsy nihemotra teo anatrehan’ireo fitarainana sy fitoriana maro ny CES. Tsy nisy hala-bato izany iny fifidianana iny araka ny fijerin’ny CENI-T sy ny CES azy raha ny mifanohitra amin’izany kosa ho an’ny kandidà Jean Louis Robinson sy ny Avana. Tsy niandry ela fa omaly ihany dia efa niantso ny vahoakan’Antananarivo hiaro ny safidiny ny kandidà J.L.R.

20/01/2014

KOF'ROC

Milaza miara-mahita isika mianakavy fa mitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana rehefa latsaka ny orana. Ny antony, tsy misy mpitandro filaminana mandrindra ny fifamoivoizana intsony eny amin’ny arabe ka samy manao izay saim-pantany ireo mpamily, indrindra eny amin’ireny “rond point” ireny. Loham-boto sy didin’ny be sandry no manjaka. Homen-tsiny ve ireo pôlisy? Mbola adihevitra goavana ary samy manana ny heviny.

21/01/2014

KOF'ROC

Fitaovana nentin’ny mpanao politika nanamafisana orina ny fahefany ny fananganana tsangambato. Ohatra amin’izany ny tsangambaton’ny 7 febroary 2009 etsy Antaninarenina. Nomarihan’ny fitondrana FAT hatrany io daty io hanamelohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana: fotoam-pivavahana, fanaterana voninkazo, sns. Tahaka ny hoe io datin’ny 7 febroary 2009 io ihany no namoizana aina teto amin’ny firenena. Ho feno dimy taona katroka amin’ny alahady ho avy izao tokoa mantsy ny datin’ny 26 janoary 2009, nitarihan’ny filohan’ny FAT ireo andian’olona hidina an-dalambe izay nihafara tamin’ny fandorana sy fandrobàna ireo orinasa sy tranombarotra teto an-drenivohitra.

22/01/2014

KOF'ROC

Tapaka ny tsinain-dRajeannot teo am-pamakiana boky fampihomehezana na irony « blague » irony. Isan’ireo vahoaka maro an’isa leo ny toetra sy ny fomba amam-panaon’ny mpanao politika tsy an-kanavaka mantsy ny tenany. Sendra nifanandrify tamin’izay mpanao politika izay mihitsy anefa ny blagy novakiany. Tahaka izao ny tantara:…

23/01/2014

KOF'ROC

Tsy ny tontolo politika fotsiny ihany no anjakan’ny fampiesonana eto amintsika fa ny rafitra rehetra mihitsy, eny hatrany amin’ny fivavahana. Nidina tany ambanivohitra niarahaba tratry ny taona ny dadabeny Ra-Jeannot ny alahady lasa teo. Gaga ny tenany fa tsy nisy ankizy nilalao firy teo an-tanàna ka nanontany ny raibeny izy nanao hoe: “fa lasa aiza daholo ny ankizy eto an-tanàna no toa mangingiana tsy tahaka ny isan’andro?”. “Lasa nijery sinema nokarakarain’ny dôrkasy atsy amin’ny tranom-pokonolona leisy a!”, hoy i dadabe. Dia mba lasa namonjy ilay toerana ihany koa ny tenany.

24/01/2014

KOF'ROC

“Dia veloma ôôôôôô! ry Saïd Omar aaaaaa! Fa hisaona anao ilay voafitakao. Ka masina indrindra re, fa izao no farany”, hoy ny hirahiran-dRajeannot tsindrin-daona fatratra eo am-piandrasana ilay famindram-pahefana. Ny fialan-dRajoelina eo amin’ny fitondrana no masaka ao an-tsaina satria nampitondra fahoriana mafy ho azy iny fitondrana jadona iny. “Rehefa miala eo fotsiny Rajoelina dia izay! MAPAR aho hoe MAPAR! Fa angaha anao daholo ty rehetra ty?”, hoy Ra-jeannot nangitakitaka aoka izany.

25/01/2014

KOF'ROC

Horakoraka izay tsy izy tao an-tananan-dRajeannot taorian’ny famindram-pahefana teo amin’i Andry Rajoelina sy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha. “Ela ‘zay nihafiana sy nijalina tamin’iny mpanongam-panjakana iny izay! Lasa ihany izy ity!”, hoy ny senton’ireo sômera mitovy saranga amin-dRajeannot. Hanamarika ny faha-5 taonan’ny datin’ny 26 janoary, ilay heloka be vava mbola miandry an-dRajoelina ihany koa ireto tsy an’asa sy voaroba fanana ireto. Fifandrifian-javatra fotsiny ve ny nahatonga io daty io ho andro alahady?

27/01/2014

KOF'ROC

Isan’ireo nankalaza ny fialan-dRajoelina teo amin’ny fitondrana i Ra-Jeannot sy ny mpiara-monina rehetra aminy. Nifanao plisy ny mpiray tanàna nividy zava-pisotro sy tsakitsaky, nanamarihana izany fandresena goavana izany. Fandresena ho azy ireo tokoa mantsy iny fialan-dRajoelina iny, mba tsy hilazana fa fandresen’ny vahoaka niharan’ny jadona sy ny fampihorohoroana nandritra izay dimy taona nisian’ny HAT izay.

28/01/2014

KOF'ROC

« Mibitabitaka sahala amin’ny zanaka akoho mahita rehoka ery ireto manamboninahitra ao anivon’ny Tafika sy ny Foloalindahy ireto rehefa hiampanga mpanao politika ho mikotrika izao lundi noir sy samedi noir izao kanefa nanompo ilay nitarika ny hetsika an-dalambe nahatonga ny Alatsinainy Mainty tamin’ny 26 janoary 2009. Izao indray koa, bala miisa 5.000 no indray very tao amin’ny BANI ankoatra ireny kalachnikov eny am-pelatanan’ny jiolahy ireny ary ilay grenady nipoaka farany teo teny Mahamasina. Raha izaho aloha no teo amin’ny toeran’izy ireo efa nisitri-belona mihitsy e ! », hoy Ra-Jeannot nitoto tany manoloana ny fieboebon’ireto jeneraly eto amintsika.

31/01/2014

KOF'ROC

Nivadika ny pejin’ny tantaram-pirenena. Nifarana tanteraka ny Tetezamita, natsahatra tamin’ny andraikiny avokoa ireo tomponandraikitra ambony HAT. Tsy ny pejy fotsiny ihany anefa no nivadika fa ny fiainana amin’ny ankapobeny, indrindra ho an’ireo manampahefana teo aloha ka voalohany amin’izany ny an’i Andry Rajoelina. Tapitra hatreo ny fanompoana, tsy misy intsony ilay kôrtezy tsy refesi-mandidy ka na amin’ny 9 ora tany aloha, ny fotoana hovonjena eny Ambohitsorohitra, dia tsy misy olana mihitsy na amin’ny 8h45mn aza vao miala any Ambatobe.

01/02/2014

KOF'ROC

Tsy azo ekena ary samy nanameloka iny fihetsika feno habibiana, nanapoaka grenady tamina fianakaviana sahirana ka namoizana ny ain’ireo zaza tsy manan-tsiny avokoa angamba raha mbola olombelona salama saina tsara eto amin’ity Nosy ity. Sazy henjana indrindra no mendrika izay nahavanona iny zava-doza ny sabotsy faha-25 janoary 2014 iny ary tsy mendrika ny ho isan’ny olom-pirenena intsony koa.

04/02/2014

KOF'ROC

Navoakan’ny Fitsarana tao am-ponja ireo miaramilan’ny 1er RFI Ivato voarohirohy tamin’ilay resaka halatra bala miisa 5.000. Tsy nijanona herinandro tao Antanimora akory izany ireto miaramila ireto raha atao ny kajikajy tsotsotra. Iza no tsy ho lasa saina amin’izany toe-draharaha izany? Bala 5.000 be izao ve no tsy hita nanjavonana dia zara raha misy herinandro dia efa mivoaka ny fonja sahady izay voarohirohy tamin’izany! Mpampiasa vola avy ivelany iza no ho avy eto amintsika amina endri-pitsarana tahaka izany? Fitsarana izao no nampiditra am-ponja vonjy maika ireo miaramila ireo. Tsy rony tsy ventiny eo dia nanome fahafahana vonjy maika noho ny antony tsy fantatra.

05/02/2014

KOF'ROC

Manangam-bovona sahady ry jeneraly isany noho izy ireo tsy mbola nantsoin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina hatramin’izay herinandro nandraisany ny fitantanana ny firenena izay. Vonona ny hametra-pialàna mihitsy aza hono ny sasany rahatoa ka tsy misy ilàn’ny filoha azy intsony. « ‘Nareo fôna ve ‘zany no tsy maintsy hatao laharam-pahamehana eto amin’ty Madagasikara ‘ty e ? Tsy maintsy mandady aminareo fôna ve ‘zany ze mpitondra eo raha tsy izany hahazo ny anjarany tahaka ilay valovotaka atsy Afrika Atsimo e?”, hoy Ra-Jeannot menan’ny hatezerana nandre ny fanambaran’ny jeneraly.

06/02/2014

KOF'ROC

Ny filalaovana ain’olona sisa no fomba hitan-dRajoelina fa tsy hahavery ilay anarana tsy foiny sady maminy loatra. Tsy misy miraharaha izany Rajoelina izany intsony tokoa mantsy ankehitriny ka dia izao izy hanao hetsika ho fanamarihana ny datin’ny 7 febroary izao. Hiantsoantso ity lehiben’ny mpanongam-panjakana ity ho prezidà daholo indray mantsy ireo mpanafika lapam-panjakana mitambatra ao amin’ny AV7. Ny handre izay prezidà izay fotsiny no tena tanjon-dRajoelina amin’io fotoana io.

08/02/2014

KOF'ROC

Mampametra-panontaniana ny antony tsy maintsy hanamarihana ny datin’ny 7 febroary. Tsy sanatria manao tsinontsinona ireo izay namoy ny ainy na nitondra takaitra raha mitsikera izany eto androany. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: fanabeazana tahaka ny ahoana no heverintsika hitaizàna ny vahoaka?

10/02/2014

KOF'ROC

« Efa reraka sy lanaky ny fahantrana tanteraka mihitsy rangahy le Malagasy, mbola lalaovin’ireto mpanao politika tsy misy ilàna azy ireto ihany. Andry Rajoelina aho hoe, MAPAR aho hoe,… Tendreo any ze praiminisitra tianareo fa tsy misy hiraharahianay an’izany a ! Tsy hanova ny fiainanay na iza na iza tendrenareo eo!”, hoy Ra-Jeannot, leo mihaino ny adilahy politika amin’ity fanendrena izay ho lehiben’ny governemanta ity.

12/02/2014

KOF'ROC

Nisento tokana ry be basy isany raha nahita fa Baiboly sy Fihirana ary tavoahangy Eau Vive no tao anatin’ilay kitapo noheverina fa misy bômba tetsy Antanimena. Afa-doza hoy ireo mpandalo, manadala jeneraly amin’ny ora fisakafoana hoy ireo mpitandro filaminana. Saingy ny tsy fantatr’izy ireo dia bômba mahery vaika noho ireny nipoaka tetsy Mahamasina ireny no tao anatin’io kitapo io. Jereo ao amin’ny Jeremia 23 :29 izay mivaky tahaka izao : « Moa ny teniko va, tsy tahaka ny afo, teny marin'ny Tompo, sy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy? ».

13/02/2014

KOF'ROC

Anaovan’ny jiolahy fampisehoana mihitsy ny vahoaka, mihoatra lavitra noho ireny horonantsarimihetsika vokarina any Hollywood ireny ny zava-misy. Mbola mahita holazaina hatrany anefa ireo jeneraly mitàna andraikitra ambony eo anivon’ny mpitandro filaminana. Banky firy izay voatafika teto izay nandritra iny Tetezamita iny ary mbola mitohy hatramin’izao raha tsy hiresaka afatsy ny nahazo ny Accès Banque tetsy Andavamamba.

14/02/2014

KOF'ROC

Nalahelo mafy ny dadatoany izay manan-draharaha eny amin’ny Fitsarana i Zistà. Nifanena tamin’ny anadahin-dreniny teny Anosy mantsy ny tenany ka mba nizara izay marary azy tamin’ity zanakanabavy. “Danz letsy ry Jeannot ny mahazo an’ilay anadahin-drabôfy a! Folo taona ve letsy zay le ady tany mampifanolana azy amin’zany olona ‘zany, tsy mbola misy didy raikitra ihany. Androany didim-pitsarana manome rariny azy, rahampitso didim-pitsarana manome rariny an’le adversera. De miaka-midina ao Anosy ao no andaniana ny 365 andro mandritra ny taona. Tsy efa avo dimy heny amin’ny vidin’le tany ve letsy zay ny vola laniny?”, hoy izy tamin-dRajeannot.

17/02/2014

KOF'ROC

Dia mbola nitranga fanafihana mitam-piadiana mahery vaika indray teo Antanimena ny alin’ny sabotsy lasa teo. Dimy lahy nirongo P.A sy ny kalachnikov no nandroba tao amina trano fisakafoana sinoa iray. Tafaporitsaka tahaka ny mahazatra indray ireo jiolahy, lasan’izy ireo ny vola be. Tonga teny an-toerana ry EMMO saingy niala maina tahaka ny mahazatra ihany. Efa tsy manaitra ny olona intsony ny mandre vaovao toa izany. Tahaka ny mahazatra: tafaporitsaka ny jiolahy, miala maina ny EMMO, lasa ny vola be.

18/02/2014

KOF'ROC

Efa nanome ny heviny mikasika ilay andininy faha-54 ao amin’ny Lalam-panorenana ny HCC. Heverina araka izany fa hiroso amin’ny dingana hafa amin’izay ny firenena dia ny fanendrena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Tsy fotoanan’ny adilahy politika intsony izao. Efa tena reraky ny fahantrana ny vahoaka, torovan’ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fananana asa. Tsy azo atao eto amin’ity firenena ity mihitsy ny fifanomezan-tanana ho fanarenana ny tanindrazana iombonana ? Heloka ve ny fifamelàna mba ahafahana mibanjina miaraka ho avy tsaratsara kokoa ho an’ny firenena sy ny vahoaka ? Fahotàna ve ny fandeferana sy ny fampanginana ny hambom-po ho an’ny tombotsoa iombonana ?

19/02/2014

KOF'ROC

« Mampieritreritra ihany ra-Zistà ny tarehimarika azon’ireo kandida roa tamin’iny fifidianana izay ho filohan’ny Antenimiera iny an ! I Christine Razanamahasoa lany tamin’ny isa 77 izay fantatr’ialahy tsara fa isa nankafihizin-dRavalo fatratra. I Jean Max kosa indray resy tamin’isa 69 izay fantatr’ialahy ihany koa ny dikan’io tarehimarika io”, hoy Ra-Jeannot. “Eny tokoa le! Tena nisy aliansa kôntra natiora mitsy tao matoa nipoitra io isa 69 io!”, hoy Zistà tapa-tsinay. “Sady ny tena gravy nge letsy de tsy mampandry am-piadanana ny maty mitsy ‘ty movansa Ravalo nanohana ny sekretera jeneralin’ny Leader Fanilo ty e! Tsy azon’ialahy tsony mitsy ‘zany ny pôlitikan’reto zanaky dada ‘reto e!”, hoy hatrany Ra-Jeannot.

20/02/2014

KOF'ROC

Porsch, Touareg, Hummer, Crysler, Mercedes, Veracruz, Q7,... “Salon de l’auto” mihitsy ny etsy amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena, amin’ireto fiara lafo vidy entin’ireo depiote. Mila hivoaka ny voamason’ny mpitazana ary mampanontany tena hoe : nisy krizy marina ve teto Madagasikara ? Depiote iray izay ihany no naterina tamin’ny « beige crème » efa vizana be. Saingy izao, mbola novahan’ilay mpamily sahala ireo olo-manan-kaja rehetra mandeha fiara lafo vidy ihany ny varavarana nivoahan’ity solombavambahoaka ity.

21/02/2014

KOF'ROC

Manan-kevitra ny hametraka kamera manerana ny tanàna ny ministry ny Filaminana Anatiny, hanamorana ny ady amin’ny asan-jiolahy ary koa ny fandrindràna ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka. Mahagaga tokoa fa ny eo ambany maso no sarotra hita indrindra eto amin’ity firenena ity ary voalohany indrindra amin’izany ny ministeran’ny Filaminana Anatiny.

22/02/2014

KOF'ROC

« Nanongo tena mihitsy aho lesy ry Zistà namaky voka-pikarohana nataona manampahaizana vahiny iray ‘zay. ‘Zao vô mazava amiko ny anton’ireny jadona sy fampiasan-kery nataon’ny mpitondra HAT ‘reny. Hay hono leity ny olona rehefa mahatsapa ny tenany fa tsy mendrika na koa tsy manana ny fahaizamanao amin’ny andraikitra ‘zay nankinina taminy dia mivadika ho biby ka manampatra ny heriny amin’izay kely sy marefo noho izy, hampiononany ny tenany a ! », hoy Ra-Jeannot nihorin-koditra fatratra.

24/02/2014

KOF'ROC

Mikatso avokoa ny raharaham-pirenena noho ny adilahy politika ary miroso haingana mankany amin’ny faharavàna tanteraka ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny : toekarena, fandriampahalemana, sôsialy, fahasalamana, sns. Samy miseho ho mafy be avokoa ity rehetra ity ka ny vahoaka no lasa sorona tsy fidiny vokatr’izany. Ho feno iray volana rahampitso ny velirano nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tetsy Mahamasina. Tsy mety voatendry ihany anefa ny praiminisitra noho ny kajikajy politika. Ny MAPAR tsy manaiky raha tsy olon’izy ireo no ho eo amin’ny toeran’ny lehiben’i Mahazoarivo; ny filoha kosa etsy an-daniny mihevitra fa fahefany feno tanteraka ny manendry izay ho praiminisitra afaka hanatanteraka ny programan’asany nandritra ny fampielezan-kevitra.

25/02/2014

KOF'ROC

Mbola nahitana bômba indray koa tetsy Manjakaray omaly. Izany hoe, isaka ny hisy fanapahan-kevitra goavana eto amin’ny firenena dia indro ra-bômba fa mipoitra. Mahavariana mihitsy ny zava-misy ka mampanontany tena hoe: “iza loatra no manana tombotsoa amin’izao fampihorohoroana ny fitondram-panjakana sy ny filoha Hery Rajaonarimampianina izao?”. Jereo tsara ny zavatra nitranga nanomboka ny sabotsy faha-25 janoary 2014.

26/02/2014

KOF'ROC

“Ny varavarana nivoahana no anareo fa ny fahoriana hiaraha-mizaka”. Fandre matetika mandritra ireny famangiana ireny io fitenenana iray io, entina hilazana amin’ny tompo-manjo fa tsy irery izy ireo amin’ny fiatrehana ny fahoriana izay midona. Fomba amam-panao aorian’ny fandevenana ihany koa ny fiarahan’ny rehetra mitafatafa mandritra ny ora vitsy any an-tranon’ny tompo-manjo. Io no antsoina hoe manàla fahanginana. Samy manome izao teny fampanantenana sy toky rehetra izao, ho an’ireo izay vao avy namoy havana ny tsirairay. Mazàna anefa mijanona ho resaka daholo ihany izany rehetra izany satria samy manana ny olana sy ny fahasahiranana miandry azy.

27/02/2014

KOF'ROC

Izao vao tena mazava fa foto-pisainana mirefarefa amin’ny tany, mahamenatra loatra no nentin’ny sasany namitaham-bahoaka teto, nanomboka ny taona 2009. Henjehana mafy tokoa ny PDS-n’i Fianarantsoa, Pety Rakotoniaina ankehitriny satria nitsikera an-dRajoelina sy ny MAPAR. Toa tsy gadra politika indray aza no nanasokajian’ny sasany azy fa olona voasazy tahaka ireny nahavita heloka rehetra ireny.

28/02/2014

KOF'ROC

Toa vao mainka nanamafy ny herin-tsain’ny mpitondra fanjakana, tsy hilefitra manoloana ireo tsindry maro samy hafa atao aminy ireny fametrahana baomba etsy sy eroa ireny. Tsy hanova ny fanapahan-kevitry ny mpitondra amin’ny fanendrena izay ho praiminisitra mihitsy ireny e! Izay praiminisitra heverin’ny filoha afaka ny hiara-hiasa aminy ihany no tsy maintsy hotendreny ho lehiben’i Mahazoarivo, na hanapoaka baomba sy grenady isaka ny iray minitra eo aza.

01/03/2014

KOF'ROC

Nahazo vahana ny resaka manodidina ny vola maloto nandritra iny fampielezan-kevitra iny. Lasa fitaovana politika nanapotehana ny hafa mihitsy aza ary tsy iza akory no nampiasain-dRajoelina tamin’izany fa ny SAMIFIN. Ity SAMIFIN ity moa raha tsorina ny marina dia fitaovana politikan’ny fitondrana Ravalomanana Marc, mitovy amin’ny BIANCO ihany kanefa dia mbola notànan-dRajoelina nandritra ny dimy taona naha teo amin’ny fitondrana azy satria tena mahomby tokoa.

04/03/2014

KOF'ROC

Hotanterahana tsy ho ela hono ny fifidianana izay ho filohan’ny federasion’ny baolina kitra. Dia mbola i M.Ahmad ihany no kandidà tokana holaniana. Firy taona izay no nandrenesana an’izany Ahmad izany tao amin’io federasion’ny baolina kitra io, dia aiza ho aiza ny toerana misy ny baolina kitra Malagasy amin’izao fotoana? Lasa orinasam-pianakavian’i Ahmad sy ny forongony mihitsy ilay federasiona. Dia tsy mba mahalala menatra na mba manana ny antsoina amin’ny teny vahiny hoe “sens de l’honneur” ve ity rangahy iray ity? Fametraham-pialàna aza no nandrasana taminy manoloana izao fahapotehan’ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy izao!

07/03/2014

KOF'ROC

Tohizo any amin’ny sehatra rehetra e ! Tsy nisy izay tsy nahatsikaritra fa ilay lazaina hoe « fiverenana amin’ny tany tan-dalàna » hatrany no ambara fa antony nanaovana ireo fanampahan-kevitra samihafa izay noraisin’ny fitondrana tato ho ato.

08/03/2014

KOF'ROC

Voafidy soamantsara ireo depiote mandrafitra ny Antenimieram-pirenena ary efa nandray ny asany. Saingy izao no olana tamin’ity indray mitoraka ity: maro amin’ireo depiote no manana fahasahiranana ara-taratasy, mba tsy hilazana hoe analfabeta. Olona toa izany anefa no handrafitra sy hamolavola lalàna.

10/03/2014

KOF'ROC

Lany olomanga mihitsy ve ity Madagasikara ity no dia ireo halam-bahoaka hatrany no voatendry hitàna andraikitra ambony eto amin’ny firenena ? Notendrena ho PDS-n’Antananarivo renivohitra indray koa mantsy ny ministry ny Fifandraisan-davitra nandritra iny fitondrana Tetezamita iny. Efa kandidà ben’ny tanàna zara raha nahazo vato teto anefa izany Ny Hasina Andriamanjato izany ary efa kandidà filoham-pirenena ihany koa ny taona 2006, saingy zara raha nahazo 4,18%. Dia nahoana no olona halam-bahoaka tahaka izany hatrany no terena hifehy ny vahoaka?

12/03/2014

KOF'ROC

Nahaliana ny mpihaino ny Demôkrasia Mivantana mihitsy ny fanazavana nentin’i Fidèle Razara Pierre manodidina ireto olo-malaza eto amintsika ireto, indrindra ny momba ny depiote Virapin sy Maurice Tsihavonana. Raha «consul général » atsy amin’ny Nosy La Réunion ilay voalohany dia « vice-consul » atsy Marseilles kosa ny faharoa. Nisongadina nandritra izany fanazavana izany ny hoe : mbola samy nandray karama amin’ny maha mpiasan’ny masovioho azy avokoa izy roalahy ireto tamin’ny fotoana nilatsahany ho kandidà solombavambahoaka sy nandritra izay roa taona mahery nanentanana tao amin’ny Radio VIVA izay. Izany hoe, mbola mpiasam-panjakana avokoa, tsy nisy nametra-pialàna.

13/03/2014

KOF'ROC

Mbola tsy misy antoko mpanohitra eto amin’ny firenena mandrak’izao, raha araka ny fanazavana nentin’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Atitany. Marina dia marina izany satria raha jerena ny zava-misy hatramin’izay navoafidy ny filoham-pirenena izay dia tsapa fa samy nifarombaka ny ho mpomba an’i Hery Rajaonarimampianina avokoa ny rehetra, eny fa na dia ireo kilasiana ho « adva » hatramin’ny tsinay maintiny aza.

17/03/2014

KOF'ROC

Eny Iavoloha avokoa ireo fiara 4x4 miisa 200 mitondra ny marika Santa Fe nambaran’ny SAMIFIN fa famotsiam-bola nataon’ny jeneraly Camille Vital sy ny talen’ny kabinetrany Mamy Ratovomalala. Mazava tsara ny fanambarana nataon’ny Fiadidiana ny Filoha momba ireto fiarakodia ireto ary tsy mbola niova ny tarigetra tamin’izany dia ny fanampiana ny fanjakana amin’ny andraikitra ho fampandrosoana ny tanindrazana.

18/03/2014

KOF'ROC

Fanankianana matetika mpahazo ny hainoamanjery rehefa mamoaka sary na horoanantsary somary tsy dia mahazatra ny maso loatra, indrindra sary na horonantsary mahakasika ny taovam-pananahana na razana ny hoe : « Tsy mbola zakan’ny toe-tsain’ny gasy e ! Mifanohitra amin’ny kolontsaina Malagasy e ! Maninona raha notakonana na nasiana fanamboarana e ! ». Tsy mety hiatrika ny zava-misy araka ny fisehony mihitsy ve izany isika fa tsy maintsy zavatra efa nasiana « trucage » kely foana vao metimety amin’ny saina sy ny masontsika e? Raha vao misy zavatra vaovao na mivoaka amin’ny mahazatra dia izay « tsy zakan’ny sain’ny gasy na ny kolontsaina gasy » izay hatrany no re ombieny.

19/03/2014

KOF'ROC

Mamaha ny olana ara-pahasalamana eto Madagasikara ve ireo hôpitaly manara-penitra? Manodidina ny 1428 no isan’ny dokotera miasa manerana ny Nosy, izany hoe, dokotera 8,6 ho an’ny mponina miisa 100.000 monina any ambanivohitra raha dokotera iray (01) ho an’ny mponina miisa 35.000 kosa izany an-tanan-dehibe. 3088 indray no isan’ny mpitsabo mpanampy (infirmières), izany hoe mpitsabo mpanampy 18,7 ho an’ny mponina 100.000.

20/03/2014

KOF'ROC

Raha misy voalohany dia isika Malagasy no karazan’olona faharoa mafy vonoina indrindra eto ambonin’ny tany. Fahantrana, loto, aretina, tsy fandriampahalemana, tsy fisian’asa, sns. Tsy misy tsy manjo an-dRamalagasy fa mbola miharitra eo ihany izy. Kalitao ve izay fananantsika Malagasy faharetana mihoatra amin’ny hafa izay ? Eny avy hatrany ny valinteny hivoaka ny vavan’ny maro.

21/03/2014

KOF'ROC

Fa nahoana moa no tsy mandoa jiro sy rano ny mpiasan’ny JIRAMA, na ireo am-perin’asa izany na ireo efa misotro ronono ? Misy mpiasan’ny JIARAMA manana trano maromaro ary misoratra aminy avokoa ny kaontera ary dia mizaka izany tombotsoa manokana izany. Ny delestazy anefa saika isan’andro ary maharitra adim-pamataranandro maro vao miverina ny herin’aratra. Tsy vitan’izany, tapitra simba vokatry ny fiakarana sy ny fidinan’ny herin’aratra any fitaovana an-tokatrano sy any any am-piasana, toraka izany koa ny sakafo tehirizina amin’ireny vata fampangatsiahana ireny. Manome vahana ireo jiolahy mpanao fanafihana ihany koa, etsy an-danin’izany rehetra izany, ny haizina ateraky ny delestazy amin’ny alina.

25/03/2014

KOF'ROC

Mahavariana ny mahita ireo trondro ao anatin’ireny aquarium ireny. Samy hafa loko (ao ny mena, ny maitso, ny manga, ny fotsy, ny mainty, sns), samy hafa karazana (ao ny lehibe ny kely dia kely, sns) ary samy hafa endrika (ao ny telozoro, ny lavalava, ny boribory, sns) kanefa mahay miara-miaina. Lasa ihany ny saina rehefa mitazana ireny aquarium ireny, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ka mampametra-panontaniana manao hoe : ny biby aza mahay miara-monina sy miara-miaina ao anatina trano fitaratra, dia nahoana isika Malagasy no tsy afaka hifanome tànana hanarenana ity firenena iombonana ity?

26/03/2014

KOF'ROC

Tsy mino ny saina, mandà mafy ny eritreritra rehefa mandre fa nahatratra 350 miliara iraimbilanja ny vola lanin’ny HAT tamin’ny tapakilan-dasantsy ho an’ny taona 2012 monja. Vola ange izay e ! Ndeha atao hoe lasantsy mitentina 1.000.000 iraimbilanja no lanin’ny fiara iray isaka ny midina sy miakatra Antananarivo-Toamasina. Nahavitàna nanefa vidin-tsolika tamina fivezivezena in-350.000 araka izany io vola 350 miliara iraimbilanja io, izany hoe nisy fiarakodia miisa 1.000 nivezivezy niakatra sy nidina Antananarivo-Toamasina isan’andro, nandritra ny taona 2012. Mbola lasantsy fotsiny eto ny resaka, ankoatra ireo tombotsoa maro hafa izay mety mbola avo roa telo henin’izao fandaniana nataon’ny HAT izao.

28/03/2014

KOF'ROC

« Voahitsakitsaka ny demôkrasia e ! Tratran’ny tsindry hazolena e ! ». Marary tokoa ilay voadaka am-bavafo ka na ny teny tsy fantatra hatramin’izay aza tonga ao am-bava. Taiza no nahalalan’ny MAPAR sy Andry Rajoelina ary indrindra ny ministry ny Fitsarana teo aloha, Christine Razanamahasoa izany teny hoe demôkrasia izany? Fa iza no namoaka ny didy fisamborana an’i Lalatiana Rakotondrazafy ao amin’ny Free-FM sy Fidèle Razara Pierre ny taona 2012? Mety efa adinontsika sahady izany tantara izany ; roa taona lasa rahateo, ary efa niova ny zava-misy iainana amin’izao fotoana. Andry Rajoelina sy Christine Razanamahasoa no nampisambotra azy miandahy tamin’izany. Ankehitriny, fantatry ny MAPAR tampoka ny teny hoe demôkrasia.

01/04/2014

KOF'ROC

Mifampanontany tena avokoa ny mpiara-monina manoloana ity tsy mbola fanendrena izay ho praiminisitra, roa volana mahery taorian’ny velirano nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ny faha-25 janoary 2014. « De aôna ihany izy ‘ty e ? ». Io fanontaniana io no tonga eo am-bavan’ny tsirairay raha vao mifanena eny an-dalambe, anaty taxi-be, any am-piasana, eny hatrany am-piangonana. “Miandry fa gasy e!”. Dia daholo koa anefa no valinteny.

02/04/2014

KOF'ROC

Misisika mafy hametraka ny olony ho eo amin’ny toeran’ny praiminisitra ny MAPAR na dia efa mazava izao aza fa tsy mila mpanongam-panjakana hiverina hitantana ny firenena ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena. Izany hoe, hikatso daholo indray ireo fanampiana maro samy hafa avy any ivelany raha vao olona efa nitondra nandritra ny Tetezamita isan’ireo nanongam-panjakana ny taona 2009 no sanatria voatendry ho lehiben’ny governemanta. Dia hovelomin’ny MAPAR amin’inona izany ny vahoaka Malagasy rahatoa ka izay tokoa ny zava-mitranga ?

03/04/2014

KOF'ROC

Miha tery andro aman’alina ny lalana hivoahan’ny filohan’ny FAT teo aloha, Andry Rajoelina. Manery tsikelikely ny tandramokotra eny am-pelatanany ny Vondrona Iraisam-pirenena ary ireo firenena goavana toa an’i Etazonia. Nanomboka tamin’ny fitsipahana ny filatsan-kofidian’ity lehiben’ny mpanongam-panjakana ity, nandritra ny fifidianana filoham-pirenena izany ary mbola mitohy hatramin’izao. Mazava tsy ilàna adihevitra intsony angamba ireny nambaran’ny governemanta amerikana farany teo ireny, dia ny tsy fankasitrahan’izy ireo hanendrena mpanongam-panjakana ao anatin’ny governemanta.

04/04/2014

KOF'ROC

Manery ny filoha handray fanapahan-kevitra ato anatin’ny fotoana faran’izay haingana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Na ny mpanao politika, ny vahoaka, ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena dia efa samy tsindrin-daona te handre ny anaran’izay ho lehiben’i Mahazoarivo avokoa. Tendreo amin’izay e! Izany no feo mivoaka eny anivon’ny fiaraha-monina. Midika izany fa manakaiky ny fetra farany amin’ny faharetany ny vahoaka.

05/04/2014

KOF'ROC

Tany amin’ny taona 80 no nampalaza ilay hira tsy afaka am-bavan’ny vehivavy AREMA isaka ny mitsena ny filoham-pirenena, Didier Ratsiraka mivady, avy nanao fitsidihana tany ivelany, manao hoe : « tonga soa ‘nareo… ! ». Toa mifono fampanantenana ho amin’ny fiainam-baovao ny tononkira, tahaka irony zaza mitsena ny rainy na ny reniny avy any am-piasana, miandrandra vatomamy sy mofo. Nilaharana hatrany anefa ny vary, nanjaka ny sivana, narefo ny toekarena, sns. Fehiny, tsy nisy zavatra niova fa ny teo ihany no teo, mba tsy hilazana fa niha-ratsy.

07/04/2014

KOF'ROC

Indraindray sarotra ary tena manahirana ny mitady vaovao mahaliana ho anareo mpamaky hajaina. Tsotra ny antony, mitaky vaovao mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpamaky, indrindra vaovao milaza ny afera maloto ataon’ny mpitondra na ireo tremalahy eto amin’ny firenena. Manahirana ihany anefa ny fanangonana ireny vaovao ireny satria vitsy na tsy misy sahy miteny noho ny tahotra. Hafa kely kosa anefa ny zava-nitranga omaly alahady. Nisy SMS tokony ho an’ny filohan’ny antoko MASTERS, Alain Ramaroson, lasa tsy nahy tany amin’ny mpanao gazety iray ato amin’ny La Nation. Mitovitovy angamba ny laharan’ny finday ka mety nanao fahadisoana tsy nahy ihany koa ilay mpandefa.

08/04/2014

KOF'ROC

Mandeha ny feo fa hotendrena androany ny praiminisitra lehiben’ny governemantan’ny Repoblika faha-IV. Mandritra ity herinandro diavintsika raha ny marina kokoa no tokony hanendren’ny filoham-pirenena izay lehiben’i Mahazoarivo izay. Tsy azo ekena intsony kosa angamba raha mbola ho dilan’ny volana aprily io fanendrena praiminisitra io satria toa midika ho tsy fahasahiana mandray andraikitra manoloana ny fitontongan’ny fiainam-bahoaka sy ny fiaraha-monina.

09/04/2014

KOF'ROC

Taratry ny foto-pisainana Malagasy mandàla ny marimaritra iraisana sy ny fihavanana ihany koa ny kilalao Fanorona. Matoa nasiana ny « vela » dia mba ho fampiononana ilay resy. Samy manana ny fomba famakiany ady ny mpilalao tsirairay avy: vaky loha, havanana, havia na lava, fohy ary kobana. Fa ny tena henatra indrindra amin’ity lalaon-tsaina iray ity dia ny “tsy afa-bela”; izany hoe mbola resy fanindroany na fanintelony. Mety maharitra ora maro na andro maromaro mihitsy aza ny lalao iray. Ny mpitazana no tena mitaintaina mafy noho ireo mpilalao ary samy mihevi-tena ho tompon’ny paika sy tetika avokoa.

10/04/2014

KOF'ROC

Nifanaiky ny mpianakavy fa hanamboatra mofo mamy ka nifampizara andraikitra hanatontosana izany : ny sasany mandehitra afo, ny hafa mandeha miantsena mividy lafarina, menaka, atody, siramamy ary ny sisa kosa manomana ny fitaovana rehetra ilaina amin’izany. Nifanome tànana ny tsirairay avy ary samy nampiasa ny fahaizany avokoa mba ho mofo mamy tsara no hivoaka avy ao anaty fantana. Inona tokoa, nibontsina tsara tokoa ilay mofo mamy sady maha te hihinana aoka izany.

14/04/2014

KOF'ROC

Raha voatery miroso amin’ny fivarotan-tena ireo renim-pianakaviana very asa nandritra ny krizy sy ny fanonganam-panjakana nataon-dRajoelina dia ny mifanohitra amin’izany kosa ny zava-misy ho an’ny mpanao politika sy ny mpitady seza eto Madagasikara. Namorona asa ho azy ireo hatrany mantsy ny fahavoazan’ny firenena ary nahavelona tokoa satria be karama sy be tombotsoa. Firy miliara ny vola natokana handoavana ny karaman’ireo CT, CST ary ireo minisitra nifandimby nandritra izay dimy taona nisian’ny Tetezamita izay. Mbola mitohy ihany anefa fanomezana asa be karama sy be tombotsoa izay amin’izao fotoana ary tena maro tokoa ireo liana amin’izany.

15/04/2014

KOF'ROC

Nifamory sy niady hevitra ny amin’izay tokony ho mendrika ho eo amin’ny toeran’ny ministry ny Serasera sy ny Fizalam-baovao ny talen’ny famoahana gazety mpiseho isan’andro vitsivitsy. Tsotra ny antony. Ny talen’ny famoahana hatrany no mizaka ny setrasetran’ny mpitondra : fiantsoana eny anivon’ny zandary sy ny pôlisy ary ny fitsarana, ankoatra ny fandrahonana sy ny fampihorohoroana isan-karazany. Mety hisy hilaza hoe “izahay tsy mbola tratran’izany ka inona no olanay amin’izay minisitra ho tonga eo”. Marina tokoa izany, natokana ho an’ireo tsy mahay sy tsy mahafehy ny asa fanaovan-gazety irery tokoa angamba ny ramatahoran’ny mpitondra.

16/04/2014

KOF'ROC

Mampametra-panontaniana ny fandikàna ny atao hoe « victime” eto amintsika. Azo antsoina ho « victime” ve ny mpangalatra tanim-panjakana, ny mpanorina trano tsy ara-dalàna, ny mpibodo tanin’olona? Samy te hanana trano fonenana ary samy te hahazo tany hanorenany trano avokoa ny olona tsirairay. Fomba maro no ahazoana tany eto amintsika: mandova, mividy, mangataka amin’ny fanjakana fa tsy azo ekena kosa ny mangalatra na manao didin’ny be sandry mibodo tany tsy an’ny tena, tsy ananan’ny tena zo sy fahefana. Koa inona no maha “victime” ireo olona rava trano tetsy Nanisana? Fanjakan’i Baroa tamin’ny fitondran-dRajoelina sy Naivo Raholdina ve no tiana hotohizana eto?

18/04/2014

KOF'ROC

Mitsipatsipaka sahala amin’ny parasy norarahana DDT ireo mambra amin’ny MAPAR amin’izao fotoana. Ireo niseho ho mafy loha sy tsy mivadi-belirano tamin’ny filohan’ny FAT mihitsy ankehitriny no nandaka am-bava-fo azy. Aiza ery nefa ilay fanambarana mihezinezina tetsy amin’ny Carlton Madagascar nanao hoe: “ny lalao mbola ho ela!”. Marina izany, tena mbola ho ela tokoa ny lalao. Saingy ny olona miara-milalao fa ny tena mitoka-monina milalao vovoka irery eny Ambatobe eny no tsy laitra.

23/04/2014

KOF'ROC

Isan’ny nanenjehana ny fitondrana Ravalomanana ny resaka lalana, tafiditra tao anatin’izany ny fanatsarana ireo lalana efa nisy, indrindra moa ireo lalana vaovao maro nanerana ny Nosy. Ambetin-tenin’ireo mpanao politika tamin’izany ny hoe : « fa angaha fihinana ny lalana ? ». Isan’izany ny ministry ny Asa Vaventy amin’izao fotoana, Roland Ratsiraka. Dia noporofoin’ny fitondrana HAT tokoa fa tsy misy dikany izany lalana nanompanan’ny fitondrana Ravalomanana ny ampahany maro tamin’ny tetikasa nataony izany.

24/04/2014

KOF'ROC

Nanambara ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Kolo Roger, fa hanangana hôpitaly hafa noho ireo efa misy ny tenany, hisorohana ny fandefasana marary hotsaboina any ivelany na EVASAN, noho ny halafosan’ny saran’izany. Tsara dia tsara tokoa ilay fikasàna kanefa heverina fa tsy laharam-pahamehana izany amin’izao fotoana izao. Ny fanokafana sy ny fampitaovana ary indrindra ny fanomezana mpitsabo ireo CSB II an-jatony nikatona nandritra iny Tetezamita iny no tokony hilofosan’ny praiminisitra.

25/04/2014

KOF'ROC

Mifohaza amin’izay ry valalabemandry fa aza variana amin’ny kabary sy ny fampanantenana poak’aty. Tsy mba an-dohalika intsony ny ranombary; efa rano maloto mihitsy no mby eo am-bava ankehitriny. Sanatria mandatsa anao ry vahoaka Malagasy raha milaza izao manaraka izao: nitolona teny amin’ny kianjan’ny 13 niharitra ny lakrimôzena sy ny hainandro, nanantena fanovàna, kinanjo fahantrana sy jadona no setriny.

26/04/2014

KOF'ROC

Nanaitra ny saina ny nandre ny resaka nifanaovan’ny depiote roalahy, Naivo Raholdina sy Mara Niarisy tetsy amin’ny lapan’i Tsimbazaza omaly. Niady hevitra mikasika ny raharaha mampifanolana ireo solombavambahoaka izy ireo ka hoy ny solombavambahoaka Mara Niarisy nanao hoe : « Tsy hisy karama hivoaka izany raha mbola eo ireo birao maharitra ireo ». Namaly azy avy hatrany kosa ny depiote Naivo Raholdina, araka izao manaraka izao : « Tsy olan’izany e ! Tsy mbola misy kikina eto akory ! ». Tsy vitan’izany fa naderaderany ho hitam-bahoaka mihitsy ny vola tany am-paosiny

29/04/2014

KOF'ROC

Nitafy henatra ny firenena sy ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa noho ilay kabarin’ny filoha frantsay natao dika mitovy ka nampitenenana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny velirano izay nataony tetsy Mahamasina. Noheverina ho voalohany sady farany iny tranga mampalahelo sady mahamenatra iny kanefa tsy izany no zava-misy. Mbola dika mitovy amin’ireo andininy maro ao amin’ny lalàna frantsay indray koa no naverina ao amin’ilay fitsipika anatiny holanian’ny mpisolovava etsy anivon’ny Antenimieram-pirenena.

30/04/2014

KOF'ROC

Mitohy tsy mijanona ny fanondranana « bois de rose », nahazo vahana noho ny tamin’ny fitondrana Tetezamita aza izany raha ny resaka mandeha. Fa inona no vato misakana ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’ny fisamborana na koa ny fanenjehana ireo mpanao trafika ireo? Sanatria ve misy antony manokana tsy ahafahan’ny filoha manatanteraka izany? Efa voatendry ny ministry ny Tontolo Iainana sy ny ministry ny Pôlisim-pirenena ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria; ny filoha rahateo efa nanambara fa hanapaka ny fomba amam-panao teo aloha, koa inona indray no andrasana?

02/05/2014

KOF'ROC

Manontany tena avokoa ny olon-drehetra manoloana ny raharaham-pirenena. Tsy misy zavatra miainga mihitsy mantsy hatramin’izao, na dia izay heverina ho kely indrindra aza. Mikaikaika noho ny tsy fandriampahalemana ny Faritra 22, mandry fotsy ny vahoaka, mangasanga sahady ny endri-panoherana. Tsy hita soritra amin’ny endrik’ireo minisitra mihitsy anefa izany fiatrehana ny fiainam-bahoaka izany. Ny fanendrena sy fizaran-tseza ho an’ireo fianakaviana sy sakaiza, hifehezana ny “bizna” rehetra ao anivon’ny ministera no efa mivandravandra.

03/05/2014

KOF'ROC

Manao tohy vakana ny fanendrena izao karazan’olona rehetra izao ho mambra any anivon’ireny ministera ireny : dada, mama, anabavy, rahalahy, zanaka, zafikely, sipa, sakaiza, rafilahy, rafivavy, sns. Izay rehetra tsy manan-katao rehetra ao anivon’ny fianakaviana. Efa noresahana teto io endri-javatra mampalahelo io ka nilazan’ny gazety tamin’izany fotoana ny hoe : « nanome asa ny fianakavian’ny mpanao politika ny rafitra nisy teto amin’ny firenena nanomboka ny taona 2009 fa tsy nitady izay fomba hamerenana ireo olona very asa noho ny krizy sy ny hetsika fandrobàna antsoin’ny sasany hoe tolom-bahoaka tamin’ny 26 janoary 2009 ».

05/05/2014

KOF'ROC

Vita iny ny fifidianana izay ho filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao, ka nahalany ny depiote Jean Max Rakotomamonjy tamin’ny isa 111. Voafidy ihany koa ireo filoha lefitra isaka ny Faritany. Hilamina amin’izay ve izany ny adilahy politika ka hiroso lalindalina bebe kokoa amin’ny famahana ny olam-bahoaka ny fitondrana? Ho feno efa-bolana afaka 20 andro mantsy ny nandraisan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny fahefana. Na izy tenany aza tsy sahy miseho vahoaka intsony tato ho ato satria tsapany tsara fa tsy misy zavatra mandeha eto amin’ny firenena na dia iray aza.

07/05/2014

KOF'ROC

Naneho ny hatezerany noho ny fanesorana an’i Christine Razanamahasoa ary ireo filoha lefitra teo aloha tsy ho eo amin’ny toerany intsony ny depiote Rossy. Nambarany fa didy jadona sy fampiasam-bola ary voavidim-bola avokoa ireo solombavambahoaka ao amin’ity andrim-panjakana iray ity. Fohy fitadidiana ihany ity mpanakanto lasa depiote tampoka ity rehefa dinihana. Didy jadona ve nisy tahaka ireny nataonareo fony mbola teo amin’ny fitondrana ireny ny filohanareo, Andry Rajoelina? Fampiasam-bola hiarovan-tseza sy fividianan’olona ve nisy nihoatra ireny fotoana Tetezamita ireny? Nasiany tsindrim-peo manokana tamin’izany ny fisian’ireo mpitandro filaminana niantoka ny fiambenana ny lapa.

08/05/2014

KOF'ROC

Toa tsy mahagaga ary tsy manaitra ny fiaraha-monina intsony tato anatin’ny dimy taona mahery izao ny mahita lehilahy na vehivavy, amin’ny 6 ora maraina dia efa mamo toaka mivembena eny an-dalambe. Mazava ho azy fa misy mpivarotra toaka mivoha alohan’ny amin’ny 6 ora maraina no dikan’izany. Dia mipetraka ny fanontaniana: mamono eritreritra ve izy ireny sa efa maty eritreritra? Valiny, mamono ny efa maty.

09/05/2014

KOF'ROC

Nosarahan’ny « iny lalan-tsarotra iny » omaly ireo depiote MAPAR. Tao ireo nanara-dia ny minisitra Maharante Jean de Dieu izay manohana tsy misy fepetra ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ary ireo mifikitra amin’ny filohan’ny FAT teo aloha sy Christine Razanamahasoa. Azo ambara ho kamboty velon-dray ihany ireto MAPAR sisa nanamborana ireto satria misafidy ny fahanginana tanteraka ny filohany rehefa avy nitabataba ilay hoe “ny lalao mbola ho ela”. Nisy nananatra tany ambadika tany tokoa angaha io filohan’izy ireo io matoa mifitsaka tahaka izao?

10/05/2014

KOF'ROC

Raha etsy amin’ny « piste Lazaina » ve no hanatanterahana ny « slalom » dia ho eny amin’ny « digue » no hanao « reconnaissance » ny mpanamory? Raha Subaru ve no fiara ho entin’ilay mpanamory mandritra io « slalom » io dia Lancia Delta S4 ohatra no hanaovany fanazaran-tena? Mazava ho azy fa tsia no valiny. Ny federasionan’ny baolina kitra Malagasy miaraka amin-dry Ahmad irery ihany no mahita izany fomba fijery izany ho mety.

12/05/2014

KOF'ROC

Dia omby nijery flora indray koa ny ambanilanitra nanantena ny handre fanantenana tamin’ny fandaharana nataon’ny praiminisitra Kolo Roger, mikasika ny programan’ny fitondram-panjakana teny amin’ny Antenimieram-pirenena. Tsy afaka nanao tatitra na nampita izany tamin’ny vahoaka nifidy azy mantsy ireo solombavambahoaka. Maro amin’ireo depiote no tsy mahafehy tsara ny teny frantsay koa amin’ny fomba ahoana no hanazavany izany amin’ny olom-pirenena nifidy azy ireo!

13/05/2014

KOF'ROC

Fandikan-dalàna faizin’ny lalàna velona eto Madagasikara ny banky rompitra. Ny CSBF izany hoe ny fanjakana no fototry ny fahavoazan’ny banky BICM koa mipetraka ny fanontaniana manao hoe: “iza no tokony hosaziana amin’ity raharaha BICM ity?”. Zendana ihany anefa ireo mpitazana, indrindra ireo manam-pahaizana manokana mikasika ny fikirakirana vola fa toa tsy mampiasa saina loatra ny fanjakana ity zava-manjo ny banky BICM ity. Orinasa sy mpanjifa an-jatony anefa no lasibatra noho izao fikatonan’ny banky BICM izao; tsy horesahana eto intsony ny fahavoazana ara-toekarena haterak’izany.

14/05/2014

KOF'ROC

Nankalaza ny datin’ny 13 may indray ireo mitonona ho tia tanindrazana. Nomarihana tamin’ny alalan’ny fanaterana fehezam-boninkazo moa izany. Manan-tantara eo amin’ny fiainam-pirenena tokoa izany datin’ny 13 may izany, daty nanamarika ireo hetsi-bahoaka maro nifandimby, nandrodanana sy nametrahana fitondrana vaovao nantenaina hitondra fiuainam-baovao tsaratsara kokoa. Kinanjo fahadisoam-panantenana hatrany no setrinin’ny fanaovan’ny vahoaka sorona ny ainy. Ampahan’olom-bitsy no lasa mpanan-karena tampoka, ampahan’olom-bitsy no lasa tsy refesi-mandidy eto amin’ny tany sy fanjakana. Mandry fotsy hatrany kosa ny ambanilanitra satria nahoana?

16/05/2014

KOF'ROC

Mazava izany izao ny resaka. Azafady tompoko, samy mivavaka isika ary samy mino an’Andriamanitra. Fa izao kosa, aza hialokalofana amin’ny haratsiam-panahinao io fivavahanao io. Ndao atao ny fanamby, iza amintsika ny ho tonga any amin’ny paradisa sy ny fanjakan’Andriamanitra: na izaho izay mivantambatam-piteny na ianao ambodia mitafy hodi-janak’ondry. Fa misaotra anao aho fa nitondra fomba fijery hafa tamin’izay nataoko hatrizay ny fiantsaraham-belatsihinao.

17/05/2014

KOF'ROC

Tao anatin’ny indray mipi-maso no namotehan’ny valala ny voly tany Ambohimanga. Rava tao anatin’ny iray minitra monja ilay fanantenana kely teo amin’ireo tantsaha kely efa mahantra satria ilay fambolena noheverina havadika ho vola rahampitso no naringan’ny valala nandritra ny alina. Tsy manana antom-pivelomana ankoatra ny fambolena sy fiompiana ny olona any. Voasoroka ny hala-botry taorian’ny nananganan’ny jeneraly Ravalomanana Richard ny borigady ao Ambohimarina; tonga indray anefa ity ny valala. Notaomina tamin’ny sarety sy gony mihitsy ny valala omaly.

19/05/2014

KOF'ROC

Nampihorohoro ireo tanàna rehetra nolalovany teny amin’iny Faritra Avaradrano iny ny andiam-balala nanomboka ny alakamisy lasa teo. Soavinimerina, Ambohitrandriamanjaka, Ambohimanga, Ambohitrabiby, radio Nederland, Talata Volonondry, sns. Tsy mbola nisy tomponandraiki-panjakana nijery ifotony teny an-toerana hatramin’ny omaly alahady, nandalovan’ny mpanao gazety, araka ny nambaran’ireo tantsaha. Voatery nandoro tanety ny mponina nandroahana ireo andiam-balala namotika ny voly sy ny fambolena.

21/05/2014

KOF'ROC

Mampiasa saina ireo sahirana ara-pivelomana ve izany fahantrana izany? Tsia avy hatrany ny valinteny. Tsy miraharaha izany fahantrana izany ny Malagasy rehefa dinihana. Lavahany fotsiny ny fehikibony rehefa miha mahia izy dia izay, tohizany eny ihany ny fiainany. Isika mbola misakafo in-telo isan’andro no miasa saina amin’izany fahantrana izany, matahotra ny handry fotsy indray alina monja ao anatin’ny taona.

22/05/2014

KOF'ROC

« Les loups sont entrés dans Paris… ». Isan’ny hira nalaza tany amin’ny taona 1967 izany « Les loups » izany. Albert Vidalie no nanoratra ny tonon-kira; Louis Bessières kosa no namorona ny feony ary Serge Reggiani no nihira azy. Mitantara ny zava-nitranga nandritra ny ady lehibe faharoa, indrindra ny nanafihan’i Hitler an’ny Lafrantsa sy ny fanoheran’ireo vahoaka frantsay izany raha ny marina kokoa.

23/05/2014

KOF'ROC

Hay ve izany ka natao hamarotana ny tanindrazana amin’ny karana sy ny vazaha no antony tena nananganana ity SEIMAD ity e ! Mody amidy Iraimbilanja amin’ny SEIMAD ilay tanim-panjakana avy eo amidin’ny SEIMAD amina miliara amin-dry Abdoul Rassoul, Rajabaly, Ocean Trade, Filatex, sns. Andefasana EMMO ary rarafana krimôzena amin’izay ireo vahoaka nanori-ponenana an-taonany maro teo amin’ilay tany rehefa tsy mety miala. Tahaka izao izany ilay formule : ny fanjakana mivarotra amin’ny SEIMAD ; ny SEIMAD kosa mivarotra amin’ny karana ary ny EMMO no miantoka ny fandroahana ireo vahoaka. Bravo !

24/05/2014

KOF'ROC

Tsy maintsy mikatona alohan’ny amin’ny 9 ora alina raha tara indrindra ny « bar » manerana an’Antananarivo, ho fampiharana ny lalàna velona. Mifanisa amin’ny olona tokoa ny « bar » teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy voahaja intsony ny fepetra takiana amin’ny fanokafana azy ireny. Voaràran’ny lalàna ohatra ny fanokafana “bar” manakaiky sekoly, fiangonana ary hôpitaly, sns. Tsy izany anefa ny zava-misy fa “bar” isaka ny iray metatra. Fa iza anefa no nanome fahazoan-dalana azy ireny?

26/05/2014

KOF'ROC

Nankalaza ny fetin’ny Reny izao tontolo izao omaly faha-25 may. Samy nanana ny fomba nanamarihany izany ny isan-tokantrano; miankina amin’ny teo am-pelatanana mazava ho azy. Hanim-pitoloha miampy fanomezana tsy voavidim-bola ho an’ny mpanam-bola, “poulet de chair” kosa ho an’ny fônkisiônera sy ny mpiasa madinika ary ranon’ivy ho an’ny ambanilanitra.

27/05/2014

KOF'ROC

Hifamahan-dalitra eto foana ve izany no atao eto amin’ity firenena ity sa ahoana? Vaky indray mantsy ambatolampy ankehitriny. Nampiaka-peo manoloana ny lainga tsara lahatra nataon’ny tomponandraiki-panjakana mikasika ny raharaha ao Andranondambo ireo olobe sy mpitondra fivavahana any amin’iny Faritra iny. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy tonga tany Andranondambo akory ireo andian-tafika fa nijanona tao Amboasary Atsimo ary dia nirevy niaraka tamin’ny vahoaka tao Berenty. Tsidi-pahitra, izay no azo ilazana ny zavatra nataon’ny tomponandraikitra tany an-toerana, araka ny vaovao azo.

28/05/2014

KOF'ROC

Nitondra takaitra noho ny krizy 2009 avokoa ny rafitra rehetra eto amin’ny firenena. Ny ara-toekarena sy ny ara-tsôsialy no tena voa mafy ka mahatonga izao fahasarotan’ny fampandehanan-draharaha izao. Tsy ny olana ara-politika intsony no sakana fa ny fery manomboka ho lo noho izay faharavan’ny tontolo ara-toekarena sy ara-tsôsialy izay no lasa fefy tsy ahafahan’ny mpitondra mampihatra ny politika heveriny hampandrosoana ny firenena : tsy fandriampahalemana an-tanan-dehibe sy ambanivohitra, tsy fanajan’ny vahoaka intsony ny fitsipika sy ny lalàna, tsy fatokisan’ny olom-pirenena ireo tomponandraiki-panjakana, firoborobon’ny kolikoly, sns. Fehiny, very fanahy mbola velona ny vahoaka.

31/05/2014

KOF'ROC

Misy ireo milaza fa miara-dia hatrany ny fandrosoan’ny tanàna iray sy ny haavo lentan’ny asan-jiolahy ao aminy. Izany hoe, raha mampiasa ireo teknolojia moderna sady farany indrindra ny mpitandro filaminana dia tsy latsa-danja amin’izany koa no ampiasain’ireo olon-dratsy. Ry zareo any ivelany any angamba aloha no tena voakasik’io resaka io. Ny mifanohitra amin’izany mantsy no misy eto amintsika. Ary fomba kokoa noho ny mpitandro filaminana ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’ireo jiolahy.

02/06/2014

KOF'ROC

Nanaitra tokoa ny fanambarana nataon’ny mpitondra fanjakana, miantso ireo sivily hamerina ny basy mahery vaikan’ny Tafika izay nozaraina tamin’ny fomba tsy maizina tany amin’izy ireo. Misy sokajiny telo ny basy misy eto amintsika. Ny sokajy voalohany dia basy fitondra miady natokana samy irery ho an’ny Tafika sy ny Foloalindahy ka tsy azon’ny sivily na iza na iza tazonina. Ny sokajy faharoa kosa dia ireny basim-borona calibre 12 sy 16 ireny izay ilàna fahazoan-dalana manokana avy amin’ny fanjakana. Ny fahatelo moa mazava ho azy fa basy azon’ny rehetra tazonina.

03/06/2014

KOF'ROC

Vao nanendry ny jeneraly Charles Rabemananjara ho praiminisitra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia nanambara tsy tamim-pisalasalana ny mpandinika iray nanao hoe : « efa hifarana tsy ho ela ity raharaha ity ! ». Fa nahoana, inona no antony? Nambaran’ity mpandinika iray ity tamin’izany fa loza mitatao ho an’ny fanjakana iray ny fanomezana fahefana sy vola ny miaramila. Tsy maintsy fandrombaham-pahefana no tanjona farany. Hitombo isan’andro mantsy ny filàna na ara-bola izany na ara-pahefana ; eny am-pelatanan’izy ireo rahateo ny basy.

04/06/2014

KOF'ROC

Potika tanteraka ilay Antananarivo mirehitra jiro, reharehan’ny Malagasy fahizay. Soa ihany fa nisy ny PDS Ny Hasina Andriamanjato, sahy nandray fanapahan-kevitra, nanadio ny tanàna, nanampina ireo lavaka etsy sy eroa niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana. Aiza ka isaka ny misy paikady politika hanonganam-panjakana ity Antananarivo ity hatrany no natao sorona. Maninona raha mba any Toliara, Fianarantsoa, Toamasina, Mahajanga ary Antsiranana indray no hanaovana hetsi-bahoaka e! Leo be ny famotehana an’Antananarivo ny zanany e! Miseho ho milay daholo ity Faritra sy Faritany rehetra ity, afindrao any aminareo any ilay renivohitra e! Aleo mba hilamina amin’izay ny zanak’Antananarivo. Ampy izay rà latsaka teto Antananarivo izay e!

06/06/2014

KOF'ROC

Maimbo tain-kisoa ny arabe rehetra nanoloana ny kaominina Andranonahoatra, paositra ary ny tsena omaly. Tsy azo niainana ny fofona, voasazy niharitra maimbo tsy fidiny ny olona. Sarety nitatitra tain-kisoa izany no fototry ny olona araka ny resaky ny mponina. Niraraka avy teny ambonin’ilay sarety hono mantsy ireo tain-kisoa ka dia mameno ny arabe.

07/06/2014

KOF'ROC

Niteraka resabe mihitsy ireo sary miely amin’ny facebook izay manaporofo fa efa mihinana henan’alika noho ny hanohanany ny vahoaka voasokajy ho isan’ireo tena sahirana ara-pivelomana. Mila hivoaka ny ao anaty rehefa mijery ireo sary ireo satria maharikoriko tanteraka. Tsy te hihinan-kanina mihitsy raha tsy afaka ora maromaro.

10/06/2014

KOF'ROC

Hisasaka afaka 20 andro ity taona 2014 ity ary afaka 16 andro sisa isika dia hankalaza ny tsingerin-taona nahazoana ny Fahaleovantena. Fomba fiteny fotsiny ihany moa ilay hoe fahalevantena; fa raha ny tena marina dia niverina ho zanantany amin’ny endriny vaovao. Tsy zanantany akory aza fa lasa vahiny mihitsy. Ny vazaha sy ny karana mantsy no tena tompon-tany ara-panjakana amin’izao fotoana izao fa tsy ny Malagasy intsony. Aiza no misy tany tsara sy midadasika ka tsy misoratra amin’ny vazaha sy karana?

11/06/2014

KOF'ROC

Isan’ny olana sedrain’ny mpamily eto an-drenivohitra, ankoatra ny setrasetran’ny mpitarika posy sy ny sarety ary ny scooter ny fitadiavana parking. Manahirana tokoa ny fahitàna parking eto amintsika, indrindra iny Antaninarenina sy ny manodidina azy iny. Tsy horesahana eto intsony ny etsy Analakely, Andravoahangy, Behoririka, sns. Mbola misedra olana hafa indray koa anefa ny mpamily raha sendra mahita toerana ahafahany mijanona. Voatery manomana madinika ho an’ireo milaza ho mpiandry fiara. Sahala amin’ny hoe azy ireo mihitsy ny sisin’arabe rehetra manerana an’Antananarivo ka tsy maintsy mandoa ny saran’ny fihantsonana ny mpamily.

12/06/2014

KOF'ROC

Fisavàna trano, fiantsoana eny anivon’ny Zandarimariam-pirenena, fanadihadiana eny Fiadanana, sns. « Misy mikasa hanongam-panjakana hono e ! ». Izany no feo re etsy sy eroa nanomboka tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny. Dia lasa ny saina manao hoe : « iza izany andian’olona mitady hanongam-panjakana amin’izao fotoana izao izany? ». Aleo tonga dia hotsorina ny resaka fa tsy mahay na inona na inona izany andian’olona izany.

13/06/2014

KOF'ROC

Nanomboka omaly ny lalao hiadiana izay ho tompondakan’ny baolina kitra maneran-tany ka ny ekipam-pirenen’i Brezila sy Kroasia no hanokatra ny fotoana. Vao avy nandalo krizy ny firenena, maro tamin’ireo tokantrano no nivarotra ny entana sy ny kojakoja tao aminy, niatrehana izay dimy taona izay. Namidy avokoa ny fanaka, ny fahilatavitra, ny salon, ny kojakoja an-dakozia, nandoavana ny saram-pianaran’ny ankizy, nividianana sakafo, sns. Tsy vitsy koa anefa ireo nampitombo isa ireo mandry an-dalambe tsy manan-trano hialofana. Fa tsy nitazam-potsiny ny PDS-n’Antananarivo, Ny Hasina Andriamanjato, nanolotra « écran géant » ho an’ireo niangaran’ny vitana. Zava-dehibe loatra ho an’ny Malagasy izany ady baolina kitra izany, indrindra ny “championnat du monde”.

16/06/2014

KOF'ROC

Andro natokana hankalazana ny raim-pianakaviana omaly alahady. Samy nanana ny fomba nanamarihany izany ny tsirairay. Amin’ny vanim-potoana fety tahaka ireny tokoa mantsy no mampivandravandra ny tsy fitoviana noho ny antony maro. Ao ireo raim-pianakaviana tototry ny antso an-tariby, ny famangiana hombam-panomezana maro samy hafa avy amin’ny taranaka, ao kosa ireo izay vitan’ny arahaba fotsiny ihany noho ny tsy fananana ary misy mihitsy aza ireo izay tsy mahazo na dia teny indraim-bava aza.

17/06/2014

KOF'ROC

Raha nisy fifaninana ho an’ny teny dia ny kodetà no nahazo laharana voalohany nanomboka ny taona 2009. Saika isan’andro no andrenesana izany teny hoe kodetà izany. Nampihorohoro mihitsy ny nandre azy tany am-boalohany, mampihomehy kosa izany ankehitriny ary tsy misy rototra amin’izany intsony ny olona. Heloka nampihorin-koditra mihitsy izany hoe voampanga ho nanongam-panjakana izany, tany amin’ny taona 80 hatramin’ny taona 2008. Lasa voninahitra sy rehareha kosa izany taorian’ny taona 2009.

19/06/2014

KOF'ROC

Manao tohy vakana ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Saika isan’andro ny fanafihana mitam-basy ary nisy hatrany ireo naratra sy namoy ny ainy. Tsy matahotra na inona na inona ireo olon-dratsy ary dia miseho endrika tsotra izao. Tsy vitan’izany fa mandeha an-tongotra ihany koa aorian’ny fanafihana tahaka ny hoe azy ireo mihitsy ny tanàna.

20/06/2014

KOF'ROC

Dia nikomy tsy nanaiky hiala amin’ny toerany ireo mpivarotra amoron-dalana manimba endrika ity Antananarivo renivohitra ity. Nataon’ny mpanao politika fitaovana nanomboka ny taona 2009 tokoa mantsy ireny mpivarotra amoron-dalana ireny. Nomena vahana mba nahafahana nifikitra teo amin’ny fitondrana ary izay politika maloto izay hatrany no nisy teto amin’ny firenena. Azo antoka fa hampiasa io fanalàna ireo mpivarotra amoron-dalana ireo ho fitaovana indray izao ireo mitonona ho mpanao politika eto amintsika ka hiseho ho mpiaro ny madinika.

21/06/2014

KOF'ROC

Miandrandra Fahazavana avokoa ny olom-pirenena taorian’ny nijoroan’ny Repoblika faha-IV. Mafy tokoa izay dimy taona niainana tao anaty haizina izay. Nanjaka tanteraka ny herin’ny maizina nandritra iny Tetezamita iny raha tsy hiresaka afatsy ny fanaovana varo-maizina ireo harem-pirenena fotsiny ihany. Maizina tanteraka koa ny ho avin’ny taranaka noho ny faharavan’ny sehatra rehetra teto amin’ny firenena. Tafatsangana ihany anefa ny Repoblika faha-IV na dia maro aza ny zavatra tsy mazava tamin’ny vahoaka manodidina iny fifidianana farany teo iny.

23/06/2014

KOF'ROC

Voalaza ombieny fa kristiana ny Malagasy izany hoe mino an’i Jesoa Kristy ilay mpamela heloka. Tsy azo lavina tokoa fa mitàna anjara toerana lehibe amin’ny rafi-piaraha-monina sy ny firenena amin’ny ankapobeny eto amintsika ny Fiangonana. Mpino kristiana daholo rahateo koa ireo filoham-pirenena nifandimby teto ary tafiditra tao anatin’ny fitantanana ny firenena mihitsy aza ny Fiangonana, raha tsy hiresaka afatsy ny maha filoha lefitry ny FJKM ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana.

24/06/2014

KOF'ROC

Izay rehetra misoka-bava dia ny fanakianana ity fitondrana Hery Rajaonarimampianina ity avokoa no re. Mety hisy hilaza hoe fitiavana te hanaratsy na koa hoe tsy fitiavana tsotra izao ny filoham-pirenena no anton’izany. Aza adinoina fa ny Hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha! Sarora tokoa aloha ny mandainga fa tsy mbola misy zavatra azo tsapain-tanana mihitsy nandritra izay enim-bolana nitondrany izay e! Ny fanjakazakan’ny vazaha sy ny karana no hita mivandravandra.

25/06/2014

KOF'ROC

Nanaitra ny mpanara-baovao tokoa ny fandrenesana fa isan’ireo nahazo fanasàna hanatrika ny lanonana etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina amin’ny faha-26 jona (rahampitso) ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy misy olana mihitsy ny fampodiana an-tanindrazana ity filoha teo aloha ity ary izany indrindra no nandrasana tamin’ny mpitondra fanjakana, dia ny fampihavanana ny samy Malagasy, hibanjinana ho avy vaovao sy tsaratsara kokoa. Hanamarika ny tantaran’i Madagasikara io fampodiana ny filoha teo aloha io raha tena marina.

28/06/2014

KOF'ROC

Lanonam-panjakana faharoa natrehan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina teo Mahamasina, ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona ferany teo : fandraisana ny fitondrana ny voalohany, fanamafisana ny fahefana kosa ny faharoa. Lanonana roa miavaka tsara tokoa ireo kanefa samy nomarihan’ny famoizan’aina avokoa. Fahafatesana vokatry ny toraka grenady no nitranga ny faha-25 janoary 2014, faty olona noho ny fifanosehana kosa tamin’ny 26 jona. Fehiny, nisy rà latsaka hatrany ny lanonana natrehan’ny filoham-pirenena teo Mahamasina.

02/07/2014

KOF'ROC

Nibahana ny tontolon’ny fanehoan-kevitra indray tato ho ato ny hoe « madinika », vahoaka madinika na koa hoe vahoaka sahirana. Voalaza ombieny àry fa tsy miraharaha ireo vahoaka madinika mihitsy ny fanjakana amin’izao fotoana ; ao ireo milaza fa tsy manana anjara toerana amin’izao fitondran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izao ny vahoaka madinika ary misy mihitsy aza ny sahy miampanga izao fitondrana izao ho mpanenjika sy mpanaporitra ny madinika.

03/07/2014

KOF'ROC

Mahavariana tokoa ny zava-misy eto amin’ity firenena ity. Mazava tsara izai ny tatitra navoakan’ny praiminisitra Omer Beriziky momba ireo mpanao trafika-na “bois de rose”, ny isan’ny hazo, ny toerana, ireo manampahefana na mpanao trafika rehetra voakasik’izany, saingy tsy misy tohiny ary tsy mahataitra ny fitondram-panjakana. Nipoitra indray koa avy eon y raharaha Molou na ilay teratany karana mpanondrana volamena an-tsokosoko izay nandalo niserana tao am-ponja, kanefa maherin’ny 150 kg ny volamena nokasainy haondrana an-tsokosoko ankoatra ny famotsiam-bola.

04/07/2014

KOF'ROC

Tsy nandingana indray mandeha monja dia raraka ny ekipa nasionalin’ny baolina kitra Malagasy, dia ny Barea izany. Omby moa no dikan’io Barea io ho an’izay tsy mahalala azy ka mahatonga ny vazivazy manao hoe: “variana mihinana bozaka eny an-kianja fotsiny ireo mpilalaon’i Barea”. Nihintsana sahala amin’ny voankazo lo ihany koa ny Maki de Madagascar, teo amin’ny taranja rugby. Nataon-dry zareo avy any Kenya tsentsin-tatatra tamin’ny isa 34 ary tsy nitoko mandra-pahatapitry ny lalao mihitsy. Fehiny, tsy misy ilàna azy ny baolina kitra sy ny rugby gasy. Fandaniam-bola sy fotoana fotsiny.

05/07/2014

KOF'ROC

Misy tsy faly noho ny filazana ny marina mikasika ity trafika-na andramena ity mihitsy raha ny vaovao re tao Tsimbazaza tao ka dia namoaka vava hoe : « ny aza tratrany any amin’ny couloir hono ! ». Dia izao no setriny: « hainay tsianjery ny couloir eto Antananarivo ramose a! Ary samy nohosoran-dreniny menaka ka aoka tsy hifamendrofendro sy hifandrahona eto Antananarivo eto!».

08/07/2014

KOF'ROC

Toa mitady ho lasa adim-poko na misy mamadika ny raharaha ho adim-poko ny fanankianana miantefa amin’ny ministry ny Jono sady filohan’ny federasion’ny baolina kitra, Ahmad. Tsy mankasitraka ny fanakianana atao amin’ny « zanany » (I Ahmad no tiana ambara eto) mantsy hono ny FIZAMAMI. Mahavariana tokoa ny zava-misy fa isaka ny misy tomponandraikitra avy any amin’ny Faritany, mahazo fanankianana na koa noesorina tamin’ny toerany dia misy manangasanga ny resaka foko hatrany.

09/07/2014

KOF'ROC

Mampihoron-koditra tanteraka ny fizotran’ilay raharaha sambo Rowilla nitranga tany Sainte-Marie. Tsy misy dikany tamin’ireo tantsambo sy ny komandan’ny sambo mihitsy ny nandrendrika ilay sambo mitentina amina miliara, hanaronana ny halatra jirofo nataon’izy ireo. Tsy vitan’ny hoe narendrika fotsiny ilay sambo fa nivarotra aina namakivaky ranomasina amin’ny alina indray ko izy ireo, mandra-pahatongan’ny mpamonjy. Fahasahiana tsy misy toa izany ary voalohany tamin’ny tantara angamba ity tranga iray ity.

10/07/2014

KOF'ROC

Raha ny fanambarana re nandritra ny lanonana fametrahana azy aloha dia tahaka ny hanao zavatra mihitsy ity mpitsara lasa tale jeneralin’ny Bianco ity. Amin’ny maha mpitsara azy izay indrindra, izany hoe mpampihatra ny lalàna, no vao mainka mampitombo ny fanantenana fa tena hiady amin’ny kolikoly ary tsy handefitra eo anatrehan’izany mihitsy ity tomponandraikitra ambony ity.

11/07/2014

KOF'ROC

Fitenin’ny mpitondra eto amintsika ny hoe : fa ianareo mpanao gazety ve mihevitra ny tenanareo ho ambonin’ny lalàna? Alohan’ny hamaliana io fanontaniana io aloha dia tiana ny manontany avy hatrany hoe lalàna inona moa ity resahana ity? Ilay lalàna tsy azo hampiharina amin’ny mpanam-bola toa ny karana, ny mpitondra fanjakana sy ny fianakaviany ve? Io lalàna io ihany mantsy no misy eto Madagasikara raha tsy hoe angaha misy lalàna hafa vaovao.

12/07/2014

KOF'ROC

Indraindray mihorona ihany ny mason-koditra rehefa mandre ny fanapahan-kevitra raisin’ny tomponandraikitra any amin’ireo firenena mandroso. Tsy misy zavatra mandeha ho azy izany na koa hoe vitavita ho azy izany any amin’ireny firenen-dehibe ireny fa tsy maintsy misy fepetra raisina manoloana tranga na zava-miseho iray.

15/07/2014

KOF'ROC

Ho feno fito volana amin’ny faha-25 jolay ho avy izao ny velirano nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tetsy Mahamasina, nandraisany tanteraka ny fahefana maha filoham-pirenena azy. Voatendry ny praiminisitra, tafatsangana ny governemanta, tafapetraka amin’ny toeran’ny Antenimieram-pirenena, voasolo ny lehiben’ny Bianco, vita amin’ny ankapobeny ny fanendrena ireo tale jeneraly sy tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny ministera sy ny sampan-draharaham-panjakana ary tafatsangana ny antoko HVM. Fa ny ankoatra ireo, indrindra ny fiainam-bahoaka mba manao ahoana?

16/07/2014

KOF'ROC

Nalaza tokoa ny fanondranana « bois de rose » sy ny harena an-kibon’ny tany amin’ny ankapobeny nandritra iny Tetezamita iny. Tsy atao mahagaga loatra izany satria rafi-pitondrana tsy voafidim-bahoaka, izany hoe, marefo no nitantana ny firenena ka samy nanao izay tiany. Vao mainka nirongatra anefa izany fanondranana andramena izany nandritra izao fitondran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izao, kanefa fitondrana heverina ho mafy orina avy tamin’ny alalan’ny safidim-bahoaka.

18/07/2014

KOF'ROC

Resahana ombieny ny hoe « tany tan-dalàna » ary ny hoe « tsy misy ambony noho ny lalàna » fa ny fanontaniana mipetraka koa dia ny hoe “rehefa amin’ny fotoana inona” sy ny hoe “rehefa amin’iza?”. Didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Ambony izao ve dia TLO avy amin’ny Lehiben’ny Faritra dia ampy manafoana ny fanatanterahana sy ny fampiharana azy? Mifanohitra amin’izany anefa ny zava-mitranga rehefa resaka fandravàna trano; tsy vitan’izany fa tonga manome tànana mihitsy ny mpitandro filaminana!

19/07/2014

KOF'ROC

Nitsingerina omaly 18 jolay ny daty nahaterahan’ny filohan’ny Afrika Atsimo teo aloha (1994-1999), Nelson Mandela (18 jolay 1918 - 5 desambra 2013). Nankalazain- dry afrikana tatsimo tokoa io daty io ho fahatsiarovana ilay mahery fo nitolona ho amin’ny fitovian-jo teo amin’ny mainty sy ny fotsy hoditra ka nandaniany ny hatanorany iray manontolo tany am-ponja. 27 taona tany am-ponja i Nelson Mandela tany am-ponja ary tsy nitsahatra nitolona ho amin’ny fahafahana ny tenany nandritra izany am-polo taonany maro nijanonany tany am-ponja izany.

21/07/2014

KOF'ROC

Misedra olana avokoa ny ankamaroan’ny olom-pirenena amin’izao fotoana izao. Ao ireo ray aman-dreny vaky fo mitazana ny zanany midradradradra mitomany noho ny hanohanany, ireo izay miandry ny higadonan’ny ora farany noho tsy fahafahana mitsabo tena, ireo mampionon-tena noho ny fahantrana, ireo tsy afa-manohatra amin’ny safidiny noho ny antony tsy mainkina aminy, sns.

23/07/2014

KOF'ROC

Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana. Iza no tsy natahotra ireo filoha roalahy ireo ? Mandainga tsotra izao izay sahy niteny tamin’izany fotoana izany fa tsy matahotra an-dRatsiraka na Ravalomanana. Toraka izany koa ny TTS, FRS, GMP, RESEP, REGAP, GP, sns… Mafy be daholo koa izany tamin’ny fotoan’androny. Fa aiza daholo izany ankehitriny ? Moa tsy nisitrika tany ambany “lakavy” mihitsy rehefa tapa-kevitra hidina an-dalambe ny vahoaka ?

24/07/2014

KOF'ROC

Notanterahana omaly fotoam-pitsarana ireo mpanao gazety roalahy avy ao amin’ny Madagascar Matin. Efa fantatry ny mpanao gazety ora iray nialohan’ny fotoam-pitsarana ny didy havoakan’ny Fitsarana. Mba misy ihany mantsy ireo mpitsara izay manameloka izao fanamparam-pahefana ataon’ny mpitondra izao, ka ny mampita vaovao amin’ny mpanao gazety. Inona tokoa, tsy nisy nivaona tamin’ny vaovao azon’ny mpanao gazety ny didy navoakan’ny Fitsarana : nolavina ny fanafahana vonjy maika na L.P ary amin’ny zoma no havoaka ny didim-pitsarana.

28/07/2014

KOF'ROC

Nivoaka ny fonja ny zoma lasa teo ireo namana mpanao gazety roalahy avy ao amin’ny Madagascar Matin. Tsy vita hatreo anefa ny fitakian’ny mpanao gazety noho ny antony maro izay manaraka ny laojikan’ny zava-niseho. Mitaky ny fialan’ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao sy ny talen’ny kabinetran’ny prezidansa Henry Rabary-Njaka ihany koa ny mpanao gazety ary tsy hijanona ny fitakiana raha tsy mandray fanapahan-kevitra mifanojo amin’izany ny fitondram-panjakana.

29/07/2014

KOF'ROC

Loza mitatao isan’andro ho an’ny mpanao gazety ity fitondrana Hery Rajaonarimampianina ity. Voaporofo nandritra ireo fanambarana sy fidirana tamin’ireny onjampeo sasany ireny ilay fo lentika mifono valifaty eo amin’ny mpitondra. Ahoana moa no hinoan’ny saina fa vonona ny hifampidinika ho fiaraha-mitady vahaolana ny fitondrana, raha tsy hiresaka afatsy ny fanalam-baraka sy ny fanasoketàna ny mpanao gazety nataon’ny mpanolontsainan’ny praiminisitra Kolo Roger tao amin’ny ACEEM radio? Manam-paniriana hanasa ny tompona hainoamanjery ve ny praiminisitra ary milaza mihitsy ao anatin’ilay fanasàna manao hoe “”ambiance convivial et fraternelle” kanefa ny kibay an-kelika ihany!

30/07/2014

KOF'ROC

Zendana daholo indray ireo masoivoho vahiny eto amintsika raha naharay taratasy misy lisitra lava be, mirakitra anarana mpandraharaha, mpanao politika, mpanao gazety, mpanao trafika-na « bois de rose » ary olon-tsotra, voalaza ho tsy mahazo mivoaka ny sisintanin’i Madagasikara. Amin’ny anaran’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny izany taratasy izany ary eo indrindra no mampametra-panontaniana manao hoe : mankaiza ihany isika ty ?

31/07/2014

KOF'ROC

Efa miomana hiatrika fiterahana ny renim-pianakaviana iray manomboka eo amin’ny faha-fito volana eo. Misy mihitsy aza ireo teraka amin’io faha-fito volana io. Raha tsorina ny resaka dia roa volana aorian’io fe-potoana io no hatongavan’ny fahasoavana. Fahasoavana goavana ho an’ny zanak’olombelona tokoa mantsy izany nahazo fara sy dimby izany; ny Ntaolo Malagasy aza moa nilaza tsy tamim-pihambahambana fa ny zanaka no harena.

02/08/2014

KOF'ROC

va-dehibe ho an’ny Malagasy ny zanaka, ny menaky ny aina. Mamy loatra ho an’ny Malagasy izany zanaka izany kanefa tsy nitsitsiana rotsan-kazo koa. Nomen’ny Ntaolo anjara toerana lehibe teo amin’ny rafi-piaraha-monina ny zanaka; maro noho izany ireo oha-pitenenana manambara izany fifandraisana teo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka izany. ohatra: “tsy hoe zanaka tsy tiana ka zara aza misy mangataka”, “ny zanaka ny voalohan-karena”, sns. Isan’ny fiaraha-monina mitsipaka ny fanalan-jaza ny Malagasy sady voararan’ny lalàna rahateo koa.

04/08/2014

KOF'ROC

Milaza miara-mahita angamba isika mpamily fiarakodia fa miha matetika ny fahavakisan’ny kodiaran’ny fiara. Indray mandeha isam-bolana mihitsy ho an’ny fiara sasany ary mahavariana dia irony « vis » irony avokoa no fototry ny fahavakisana. Dia mipetraka noho izany ny fanontaniana manao hoe : « niniana napetraka eny amin’ny arabe ve ireny « vis » ireny sa raradraraka fotsiny ho azy eny ? ». Dia mahagaga tokoa aloha ity fisehoan-javatra ity ary samy mametra-panontaniana momba azy io ny ankamaroan’ny mpamily. « Avy aiza ihany ary itony « vis » itony ? ».

05/08/2014

KOF'ROC

Dingana kely monja dia latsaka tao anatin’ny fandriky ny tsy mataho-tody ny vahoakan’i Mahajanga. Teo am-pototry ny adim-poko ny mponina no niverin-dalana. Efa nisy ny fanimban-javatra sy ny fikasihan-tanana nentina niampangana ireo mpianatra avy ao amin’ny oniversite. Sarotra inoana ny filazana fa ireo mpianatra no atidoha sy tompon’antoka tamin’ny famotehana sy fandorana fiarakodia niseho tany Mahajanga. Tsotra ny antony: hanasaro-javatra ny firosoana amin’izany asa fandrobàna izany ary tsy hisy hiray feo amin’izy ireo amin’izany mihitsy.

06/08/2014

KOF'ROC

Nilaza ny hiala amin’ny fitondrana, izany hoe tsy hanohana ny filoha Hery Rajaonarimampianina intsony ny filoha teo aloha sy ny vondrona Ravalomanana. Eo amin’ny antsoina hoe « tsontsori-mamba hisarahana » izany ny ankolafy Ravalomanana sy ny fitondrana amin’izao fotoana, tranga tsy dia mahagaga ny maro mba tsy hilazana hoe « efa nampoizina hatry ny ela ». Nikatona tanteraka aloha izany ny varavarana ary tsy ho tafody an-tanindrazana ny filoha teo aloha raha mbola eo ity fitondrana Hery Rajaonarimampianina ity.

07/08/2014

KOF'ROC

Lany tsy nisy fanoherana na fanavaozana kely akory ilay lalana mifehy ny teti-bola 2014 naroson’ny governemanta teny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Mitovy tsy misy hafa tamin’ilay lalàna 2014-006 mifehy ny serasera amin’ny tranonkala ihany. Izany hoe, nihazakazahana mangingiana tsy nangatahana ny hevitry ny maro an’isa sy izay rehetra vokasik’izany. Asa izay ho tenin’ireo ray aman-dreny ara-panahy avy ao amin’ny FFKM amin’ity lalàna mifehy ny teti-bola ity, indrindra ny mahakasika ny sigara sy ny toaka. Nahena mantsy ny hetra takiana amin’ireo zavatra roa ireo ; toa famporisihana an-kolaka ny famokarana sy ny fidorohana.

08/08/2014

KOF'ROC

Be lazao sahala amin’ireny hanao inona ireny ny tale jeneralin’ny Bianco. Io àry ny vola 200 miliara nivoaka avy tao amin’ny Caisse d’Epargne, nampindramina ny orinasa SIPROMAD, an’i Ylias Akbaraly izay voararan’ny sata mifehy ny CEM sy ny CSBF ary nolavin’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina. Iza izany ireo tomponandraikitra nanaiky io fampindramam-bola 200 miliara an’ny orinasa SIPROMAD io ? Nahazo ny fankatoavan’ny tompom-bola, izany hoe ireo olona manana petra-bola ao amin’ny CEM ve izany ?

09/08/2014

KOF'ROC

Karamain’ny PDG-n’ny Groupe SODIAT, Mamy Ravatomanga, vola be indray hono ny gazety sy ny radio ary ny fahitalavitra, mitaky ny fialànan’ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao, ny talen’ny kabinetran’ny prezidansa Henry Rabary-Njaka, ny ministry ny Serasera Reboza Cyril ary tena vola be mihitsy hono no aparitak’ity mpandraharaha ity. Izany indray izao no tsaho aelin’ireo tompomenakely sy mpila ranondranony amin’ny fitondrana. Voateny manokana amin’izany ny ireo gazety ayv ao amin’ny Groupe SODIAT, ny La Gazette de la Grande Ile ary ny La Nation. Ireo ihany mantsy hono no gazety mamoaka ny sarin’ireo tomponandraikitra telo ao amin’ny fitondrana.

11/08/2014

KOF'ROC

Miaro tena mafy tokoa ny Caisse d’Epargne amin’izao fotoana ka milaza fa tsy fampindramam-bola hono no nataon’izy ireo. Miezaka mamilivily ny saim-bahoaka amin’izao karazana fanazavana mampihomehy rehetra izao ary ny tena mahavariana dia misy mpanao gazety heverina ho matihanina mbola voarebireby ihany koa. Na inona na inona fanazavana avy amin’ny Caisse d’Epargne, fampindramam-bola no nataony. May volon-tratra tokoa mantsy ireo mpitantana noho izao fandikan-dalana izao satria voararan’ny lalàna tsy mahazo mampindrana vola izany mihitsy ny CEM.

12/08/2014

KOF'ROC

Mahita lazaina hatrany ny filoham-pirenena isaka ny avy any ivelany any ary ny tena mahavariana dia zavatra hafa mihitsy no “mampisôfy” azy fa tsy ny fiainam-bahoaka izay tsy mitsahatra ny mitontongana. Talohan’ny farany teo ny dia ny mpanao gazety no niantefan’ny hatezeran’ny filoha. Ireny efa niaraha-nahita ireny moa ny fampidirana am-ponja ireo mpanao gazety roalahy avy ao amin’ny Madagascar Matin. Farany teo indray dia ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no nahazo ny anjarany.

13/08/2014

KOF'ROC

Fomba ahoana no ataon’ireto mpitondra ireto mba hampateza azy ireo eo amin’ny fanjakana? Amin’ny fomba ahoana tokoa re? Na any anaty taxi-be, na an-gazety, na an-dalambe, na any anaty biraom-panjakana dia tsy misy afatsy ny fanakianana ity fitondrana Hery Rajaonarimampianina ity avokoa no feo ren’ny sofina. Tsy horesahana eto intsony ny kiakiaka sy ny fanamelohana avy any amin’ireo antsoina hoe Faritra Iva, fitobian’ireo sahirana ara-pivelomana.

14/08/2014

KOF'ROC

Tsy nieritreritra ny hampandroso ny mpiray tanindrazana aminy mihitsy ve ireo mpitondra nifandimby teto? Lasa ihany mantsy ny saina manoloana izao fahantrana tsy roa aman-tany mahazo ny ankohonana Malagasy izao. Ny vilanin’ny sasany efa an-taonany maro no tsy nandalovan’ny hena fa dia anamadinika notsimponina teny akaikin’ny kabone teny no sakaizany. Hany ka maitso kely hatramin’ny fivalanana!

16/08/2014

KOF'ROC

Lany aman-kodiny avokoa izay volavolan-dalana naroso teo anoloan’ireo solombavambahoaka etsy Tsimbazaza. Tsy dia mahagaga loatra moa izany; firy amin’ireo depiote ireo moa no mahay mamaky teny sy manoratra, indrindra amin’ny teny vahiny! Ny sasany tahaka ireny omby mijery flôra ireny, mody mba mamaky ny antontan-taratasy kanefa tsy mahavay fehezanteny iray akory. Tamin’ity fitondrana Hery Rajaonarimampianina ity vao nisy an’izany solombavambahoaka niangonan’ny habadoana izany kanefa mpanefoefo avokoa.

18/08/2014

KOF'ROC

Nankalaza ny be midina nataon’ireo miaramila frantsay sy afrikana ary ireo zanatany frantsay tao Provence, ho fanafahana an’i Lafrantsa nandritra ny ady lehibe ny fanjakana frantsay. Filoham-panjakana 13 no nasaina nanatrika ity lanonana lehibe ity ka isan’izany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Somary gaga ary nametra-panontaniana avokoa anefa ireo rehetra nihaino ny kabarin’ny filoha frantsay François Hollande fa tsy mba voatonona mihitsy ny filoham-pirenentsika.

19/08/2014

KOF'ROC

Malaza ho manan-karena ity tanindrazana malalantsika ity na an-dranomasina, an-tanety, an-kibon’ny tany. Marina tokoa izany fa tena manan-karena ity Nosy ity saingy mahantra fisainana. Mandeha be mantsy ny adihevitra manodidina ny fitrandrahana solitany ary misy mihitsy ireo mandrevy sahady fa ho lasa tany mandroso mitovy amin’i Etazonia, Dubai ary ireo firenena mpamokatra sy mpivarotra solitany isika afaka fotoana fohy. Dia izao no fanontaniana mipetraka: fa naninona isika no tsy nety nandroso hatramin’izay kanefa harena an-kibon’ny tany maro izay efa voatrandraka teto izay raha tsy hiresaka afatsy ny vatosoa sy ny volamena?

20/08/2014

KOF'ROC

Mirongatra sahala amin’ny andiam-balala ny fangatahana fisaraham-panambadiana nanomboka ny taona 2009. Raha ny vavy no mahazatra tany aloha dia efa ny lahy mihitsy indray izao no mangataka izany fisarahana izany eny anivon’ny Tribonaly. Mazava aloha izany fa misy hifandraisany amin’ny krizy teto amin’ny firenena ny olana ara-pianakaviana: fahaverezan’asa, tsy fisiana, tsy fananam-bola, sns. Mazava toraka izany koa fa tsy ny fitiavana fotsiny ihany no kofehy mamatotra ny mpivady fa indrindra ny ara-materialy.

21/08/2014

KOF'ROC

Hozarazaraina hanjakana hono Antananarivo e! Izay indray izao no malaza amin’ity fitondrana Hery Rajaonarimampianina sy HVM ity. Matahotra mafy tokoa mantsy ny mpitondra amin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanànan’Antananarivo ka dia naleony nozarazaraina satria azy ny fahefana; mafy be rahateo koa izy ireo araka ilay hoe Hery Vaovao e!

22/08/2014

KOF'ROC

Mihorin-koditra noho ny fihanaky ny aretina Ebola daholo izao tontolo izao afatsy i Madagasikara. Isika irery sisa no mbola manokatra ny sisintanintsika amin’ireo firenena afrikana anjakan’ity aretina tsy misy fanafodiny ity, raha tsy hiresaka afatsy izany sambo mampiahiahy mihantsona ao Toamasina ao izany. Izay tokoa angaha no maha Hery Vaovao ny mpitondra.

23/08/2014

KOF'ROC

Nisy firehetana hono tao amin’ny tranon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Toa hoe « court-circuit » hono no fototry ny afo na izany aza misokatra ihany ny fanadihadiana manodidina izany satria trano fonenan’ny filoha izao tokoa ve no nirehitra.

26/08/2014

KOF'ROC

Hisy mpandraharaha hosamborina noho ny resaka fanondranana « bois de rose » hono amin’ity herinandro ity, araka ny nambarana hainoamanjery tsy miankina iray mpiara-dia amin’ny fitondrana. Ny tian’ity hainoamanjery ity hambara dia hoe : « tena miady amin’ny fanondranana andramena mihitsy ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina ». Misy anaran’olona voatonona mihitsy moa ao anatin’ilay lahatsoratra, sahala amin’ny hoe io olona io no tena atidoha goavana indrindra amin’ity trafika-na « bois de rose » ity.

27/08/2014

KOF'ROC

Resa-be tokoa ilay « court-circuit » tao amin’ny trano fonenan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Tonga hatramin’ny fakàna am-bavany miendrika fampihorohoroana ireo mpiasan’ny JIRAMA mihitsy izany ka nahatonga ireo mpiasa rehetra nanapa-kevitra ny hanao filaharana ary mety hiroso amin’ny fitokonana faobe. Mbola hitohy androany, araka ny vaovao re ny hetsiky ny mpiasan’ny JIRAMA, manoloana ity raharaha mampihomehy sady mahamenatra loatra ity.

28/08/2014

KOF'ROC

Inona moa no nanenjehan’ny fitondrana Tetezamita ny onjampeo Free-FM ary koa ny nikarohan’ny mpitondra tamin’izany fotoana lalana hamelezana ny gazety La Nation, raha tsy io resaka Air Madagascar io! Efa tamin’izany fotoana izany no nilazan’ny Free-FM sy ny La Nation fa hampiditra fatiantoka ho an’ny kaompania Air Madagascar ny fividianana ireo Airbus roa ireo ary tsy hitondra tombotsoa velively ho an’ny Malagasy mihitsy. Marihana eto fa ny Free-FM sy ny La Nation irery ihany no sahy nilaza izany mialohan’ny nividianana ireo fiaramanidina roa ireo; ny sisa rehetra kosa nidoka ny fahazoana ireo Airbus ireo. Nanevateva ny Free-FM sy ny La Nation mihitsy aza ny hainoamanjery sy ny mpanao gazety sasany.

29/08/2014

KOF'ROC

Dia nifaly havanja tokoa ny ankizy teto an-drenivohitra sy ny manodidina nisambo-balala maina andro. Nahita fomba nampifalifaliana ny zanak’Antananarivo, amin’izao fialan-tsasatra izao, mialohan’ny hampizarazarana ny renivohitra ny HVM. Tsy vitan’izany, fa nahazo fangaron-daoka maimaim-poana ireo mahantra sy malahelo, nandritra ny fandalovan’ireo andiam-balala omaly.

30/08/2014

KOF'ROC

Tena voafitaka sy tsara petrapetraka daholo ny Malagasy tsy vaky volo rehefa dinihana. Toa niniana natao mihitsy izay hisian’ny savorovoro eto amin’ny firenena mba handrebirebena ny saim-bahoaka. Variana amin’ny raharaha JIRAMA, Air Madagascar ny olona ka tsy mifantoka amin’ny tena zava-misy eto amin’ny firenena. Ny fitondrana ihany aoriana kely ao no handamina ireo hetsika rehetra ireo, izany hoe, mitohy ihany ny fipetrahan’izy ireo eo amin’ny sezany.

01/09/2014

KOF'ROC

Firenena milamina, matanjaka ara-toekarena, mirindra ara-tsôsialy, anjakan’ny fihavanana ary tena mandroso, sns. Ireo no sary nofinofisin’ny eritreritra rehefa mihaino na koa mahita ny fireharehan’ny mpitondra. Vaky vava mihitsy ireo vahiny sasany eto amintsika amin’ny kabary sy ny lahateny maro ataon’ny mpitondra, indrindra ny filoha Hery Rajaonarimampianina. « Mandrevy ve io filoha io e? Tsy hitany ve ny fanafihana mitam-basy miharo vonoana olona isan’andro an-tanan-dehibe sy ambanivohitra? Efa tsy misakafo intsony mihitsy izao ny Malagasy, indrindra ireo tambanivohitra. Tsy misy mandeha ny asa fandraharahana, mikatso avokoa ny zava-drehetra».

02/09/2014

KOF'ROC

Fa tany miady ve ity Madagasikara ity sa atao mihitsy izay hampihorohoro tanteraka ny vahoaka e? Nifampanontany avokoa ny olona teny Analakely omaly raha nahita andiana miaramila manao nivezivezy teny amin’ny Avenue de l’Indépendance. « Fa angaha hisy 13 may sa hisy fidinana an-dalambe no feno miaramila tahaka izao ety Analakely?». Efa zakan’ny mponin’Antananarivo intsony ny mahita miaramila. Leo miaramila sy mpitandro filaminana ny mason’ny vahoaka ary efa herim-pamoretana mihitsy no fiheveran’ny olona ny Tafika sy ny Foloalindahy tato ho ato.

03/09/2014

KOF'ROC

Mahavariana mihitsy ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana ankehitriny. Toa manao be marenina manoloana ireo olana misy mba tsy hilazana hoe tsy mivaky loha amin’izany fiainam-bahoaka izany. Aiza ve ka fito volana mahery izao no naha teo amin’ny fitondrana ny filoha Hery Rajaonarimampianina, tsy misy zavatra azo tsapain-tanana mahakasika ny fiainam-bahoaka. Kobaka am-bava rano fotsiny ireo fampanantenana nandritra ny propagandy : FRAM, delestazin’ny JIRAMA, ny asa fandraharahana, sns. Mikatso avokoa ny sehatra rehetra ampian’ny tsy fandriampahalemana izay efa tena mampikaikaika.

04/09/2014

KOF'ROC

Tsy sasatry ny mivezivezy any ivelany any ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary ireo tompomenakely ao Ambohitsorohitra ao, manao izay hivoahan’ny vola avy any amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena toa ny Banky Iraisam-pirenena sy ny FMI. Fito volana izay no lasa fa tsy mbola nisy na dia ranon’ivy indray mitete akory. Nametraka fepetra maromaro ireo mpamatsy vola ka isan’izany ny ady amin’ny fanondranana “bois de rose”, ny fametrahana ny demôkrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra ary indrindra ny famahana ny olana mikasika ireo gadra politika sy sesintany politika.

05/09/2014

KOF'ROC

Nalaza ho mpihemo-dava amin’ny fanapahan-keviny ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina teo aloha teo, nanomboka tamin’ny fisintonana ny fitoriana ireo mpanao gazety roalahy avy ao amin’ny Matin de Madagascar, ny tsy fandrosoana teo anoloan’ny solombavambahoaka ilay volavolan-dalana ho fampizarazarana an’Antananarivo ka nahatonga ny filazana hoe “Hay Voay tsy Manaikitra” ireto HVM ireto.

06/09/2014

KOF'ROC

Mampalahelo tokoa ny manjo ireo mpampianatra FRAM. Ny karama vary masaka, vao mba mitaky sy maneho tsy fankasitrahana dia fisamborana sy daroka ary lakrimôzena no setriny. Fa iza anefa ireo mpitandro filaminana mampiasa herisetra amin’ny mpampianatra FRAM ireo? Tsotra ny valiny, ilay tovolahy kely afaka CEPE tany amin’ny EPP, tafita tamin’ny fanadinana BEPC taty aoriana dia nijanona teo.

08/09/2014

KOF'ROC

« Tsy valala gasy rangahy ireny nandrakotra an’Antananarivo ireny fa valala vazaha a ! », hoy ity mpandrindra ny fiantsonan’ny fiarakodia ireny tetsy Antaninarenina. Somary gaga avokoa izay nandre izany ary samy nametra-panontaniana tany an-dohany tany hoe : «tsy ireny valala nandravarava tany Atsimo tany ihany ve ireny tafakatra teto an-drenivohitra ireny, koa inona no antony hilazan’ilay ranamana iray ity fa tsy valala gasy!». Mbola notohizany ihany ny teniny, ka hoy indrindra izy : «nasaiko nalan-drafotsy teo ambony loviako, tsy matoky an’ireo valala tsy fanta-pihavianao ireto aho!».

09/09/2014

KOF'ROC

Namoaka lisitra azy manokana momba ireo mpanao trafika-na “bois de rose” ny ministry ny Tontolo Iainana, Anthelme Ramparany. Anarana tsy mbola nisy nandre teo amin’ny sehatry ny fanondranana andramena ireo voalaza fa namoahan’ny fanjakana didy fisamborana ireo. Voatery namoaka io lisitra mampihomehy io ny governemanta Kolo Roger, taorian’ilay sinema be mahatsiravina tao Mananara Avaratra farany teo.

10/09/2014

KOF'ROC

Namoaka lisitra sy anaran’olona voalaza ho mpanao trafika-na « bois de rose » ny minisitra Anthelme Ramparany, araka ny baikon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Kolo Roger. Mailaka tsy nisy mihoatra izany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Paza, nanambara ny vaovao tamin’ny fahazoana an’izany be hatoka amin’ny fanondranana andramena izany.

12/09/2014

KOF'ROC

Dia nokaramaina 10.000 fmg indray ireo mponinan’Ambany Tanàna sasan-tsasany, hanohitra ny hanameloka ny hetsika nataon’ny FRAM. Marina tokoa fa ny zanaky ny madinika no lasibatra rahatoa ka tsy mampianatra ireto mpampianatra FRAM ireto fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe : « tena nitondra tombotsoa ho an’ny zanaky ny madinika tokoa ve aloha ny fampianarana eny anivon’ireny sekoly ambaratonga voalohany ireny? ». Mpampianatra tsy ampy sakafo, boka trosan’ny « épicerie » sy ny mpivarotra, tsy afaka mitsabo tena, miady saina lava noho ny tsy fisiana, sns. Fampianarana inona no andrasana amina mpampianatra tahaka izany?

13/09/2014

KOF'ROC

Ho ankalazaina amin’ny alatsinainy ho avy izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Demôkrasia. Izay no sahy hanao fanamby fa tsy maintsy hiana-kendry, hilaza fa tena mandàla izany Demôkrasia izany indray izao ity fitondrana Hery Rajaonarimampianina ity. Marina tokoa izany, manana ny antsoiny hoe Demôkrasia ny mpitondra. Tsy inona izany fa ny fanehoan-kevitra an-gazety sy hainoamanjery na fanehoan-kevitra ampahibemaso amin’ny alalan’ny valan-dresaka na koa hetsika an-dalambe, ka manindraindra sy midoka ny fanjakana.

15/09/2014

KOF'ROC

Mandry an-driran’antsy noho ny tsy fandriampahalemana ny vahoaka. Somary nahavariana ny maro anefa ny zava-nitranga tato ho ato fa raha vao resaka « sôsy” dia saron’ny zandarimariam-pirenena hatrany. Ohatra amin’izany ilay 5 miliara saika nentina tany Atsimo, ireo volamena 20 kg farany teo ireny. Tsy mety tratran’ny EMMO mihitsy anefa ireo andian-jiolahy mirongo kalachnikov manafika etsy sy eroa, mazàna mihazo vonoana olona hatrany. Kisendrasendra ve?

16/09/2014

KOF'ROC

Mampahatsiahy ny fomba fijery sy ny fomba fisainana fony mbola tany amin’ny sekoly ambaratonga fototra ny fomba fijery sy ny fomba fisainan’ny mpitondra ankehitriny. Mahita fomba hiarovan-tena foana mantsy ny mpianatra tamin’izany na dia hita izao aza fa tsy mitombona. Raha misy mpianatra iray, ndeha atao hoe i Lita ny anarany, tsy nahazo afatsy 04/20 izy tamin’ny sora-tononona (dictée), ka misy miteny aminy hoe « tsy mahay na inona na inona koa ‘ty Lita ‘ty », dia sahiny avy hatrany ny mamaly hoe : « koa ny an’i Doda aza 02/20 ! ». Mbola misy vendrana noho izy no tiany tenenina, tsy ao an-tsainy mihitsy ny hiaiky izany tsy fahaizany izany.

17/09/2014

KOF'ROC

Mivoaka any amin’ny facebook any ny horonantsary mirakitra ilay vazaha lahy saika nahita loza tamin’ny olona teny Analakely. Irony « légionnaire » irony ity vazaha ity tany aloha tany, araka ny vaovao re. Mazava tsara ao anatin’ilay horonantsary fa namely “coup de tête” lehilahy iray ity “ex-légionnaire” ity ary tena nirehareha fatratra mihitsy. Tokony hisaotra an’Andriamanitra anefa ny tenany, tsy maty tamin’iny fotoana iny. Raha tany amina faritra hafa teto an-drenivohitra no nanaovany ireny fihetsiny ireny dia mety ho efa lavenona sisa sanatrian’izany.

18/09/2014

KOF'ROC

Ny madinika ihany hoy aho teto no mamely madinika fa ny voay tsy mihinana ny namany izany! Fanina mihitsy ny tena rehefa mandre ireo olona nokaramaina hiaro fitondrana mandritra ireny antso an-tariby amin’ny onjampeo ireny. Fantatra izao mihitsy hoe “madinika” ilay miantso ary zara raha mahay mamaky teny sy manoratra. Na izy tenany aza tsy resy lahatra amin’izay zavatra asaina teneniny sy nandraisany vola. Fitaovana mahomby eo am-pelatanan’ny mpitondra tokoa ny fahantrana. Manimpy 10.000 fmg isan’olona monja ry Paul Rabary dia indro fa mitabataba manameloka ny FRAM ny Ambany Tanàna.

19/09/2014

KOF'ROC

Ny mifanohitra amin’ny azo atao ihany ve no mety amintsika Malagasy sa ahoana e? Efa voatokana tsara izao, ohatra, ny faritra sy ny toerana azo anariana fako. Gaga enao ny ampitso maraina mahita fako miparitaka manodidina ilay faritra. Toraka izany koa ireo faritra tsy azo anaovana maloto. Arakaraka ny hisian’ny soratra mandràra ny fanaovana maloto eo amin’ilay tamboho na elakelan-trano no mamporisika ny sasany hanao izany.

22/09/2014

KOF'ROC

Dimampolo taona mahery izao no nahazoantsika ny Fahaleovantena. Nifandimby teto avokoa ny firehana ara-politika nentin’ny mpitondra nifandimby. Tsy nitsahatra nitontongana anefa ny rafi-piainan’ny vahoaka Malagasy, niha narefo ny orinasa Malagasy ary very fanahy mbola velona ireo mpandraharaha, maizina ny ho avin’ireo mpianatra sy manam-pahaizana Malagasy mivoaka eny amin’ny oniversite ary mety tsy hisy lanjany intsony izany diplaoma avoakan’ny oniversite izany raha mbola mitohy izao zava-misy izao, potika ny fiaraha-monina sy ny toetsaina, manjaka ny vola sy ny kolikoly ary ny tsy fandriampahalemana, ringana ny harem-pirenena, tandindonina krizy lava ny firenena, mandriaka ny rà, sns.

25/09/2014

KOF'ROC

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena noho izao tsy fahombiazan’ny politika ankapoben’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary indrindra ny governemanta Kolo Roger izao. Tokony hanaiky izany ny mpitondra mba ahafahany manitsy ny diany sy haneken’ny mpiray Tanindrazana hanome tànana azy. Io fiziriziriana amin’ny hevi-diso io hatrany no fototry ny krizy teto amin’ny firenena ary tena mahavariana mihitsy fa rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony vao mahita lesoka sy mitsikera ny ataon’ny hafa.

26/09/2014

KOF'ROC

Mitalao mafy amin’ny Lafrantsa ny filoha Hery Rajaonarimampianina manoloana ireo fepetra takian’ny SADC sy ny Vondrona Eoropeana ary Etazonia, dia ny fampiharana ara-bakinteny ny Tondrozotra. Ny fampodiana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana moa no tena goavana indrindra ao anatin’izany fepetra izany, ankoatra ny famotsorana ireo manamboninahitra maro mbola tavela anya m-ponja, mba hirosoana amin’ny dinika ambony latabatra, araka ny fanirian’ny amiraly Didier Ratsiraka.

27/09/2014

KOF'ROC

Hanao inona daholo àry ireto oniversite sy sekoly tsy miankina maniry mihoatra noho ny anana eto amintsika ireto? Hamokatra manam-pahaizana hiasa sy hanabe ivoho an’iza aloha voalohany indrindra? Ho an’ny firenena sa ho an’ny tombotsoa vahiny? Faharoa manaraka izany, ndrao dia sanatria hamokatra sômera, hampitombo isa ireny « salon de massage » sy « taxi-phone » ireny?

29/09/2014

KOF'ROC

Hay va re ka tsy i Gotlhieb na Francis Turbo na ry Fou’hehy no tena tompon’ny fampihomehezana sy ny blagy eto amin’ny tanàna fa ry Hery Rajaonarimampianina sy ny jeneraly Paza e! Telo volana monja hono mantsy dia ho foana ny delestazy raha vao tonga eo amin’ny fitondrana ny tenany fony mbola propagandy. Hay diso fihaino avokoa ny vahoaka fa “telo iaina tanteraka ao anaty delestazy” no tian’ny filoha nambara. Izany ka teny blagy manja mihitsy an! Hiady amin’ireo mpanao trafika hono ny filoha dia iny koa fa nibitabitaka sahala amin’ny zanaka akoho mahita rehoka ny jeneraly Paza nilaza fa hapoakany hono ny sambon’ireo mpanondrana “bois de rose”.

30/09/2014

KOF'ROC

Feno fahasahiana loatra ny filoha Hery Rajaonarimampanina raha nandray fitenenana teo anatrehan’ny ONU. Lainga sy famahanan-dalitra avokoa ny kabary nataony ary izay indrindra no hilazana fa feno fahasahiana loatra. Ny antony, manana masoivoho ary mahalala tsara ny zava-misy marina eto Madagasikara ange ireo vahiny nihaino ny kabariny ireo e! Tsy misy miafina amin’ny Amerikana ny resaka trafika “bois de rose”, tsy miafina amin’izy ireo ny fanitsakitsahana ny demôkrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra ary indrindra ny loza mitatao ho an’ny asa fanaovan-gazety.

01/10/2014

KOF'ROC

Matoa tsy manaiky fa mbola misisika ary miady mafy ho isan’ireo tsy maintsy hakana hevitra manoloana ny raharaham-pirenena ireo filoha teo aloha, ny amiraly Didier Ratsiraka, Zafy Albert, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina, dia satria tsy levon’ny vavonin’izy ireo ny fomba nanalàna azy ireo teo amin’ny fitondrana. Samy mbola manina ny tongolon’i Ejipta avokoa ireo filoha teo aloha ary samy mbola mieritreritra ny hiverina eo amin’ny fitondrana daholo. Lasa nofy ratsy isaka ny matory ilay hoe “tsy filoha intsony”.

02/10/2014

KOF'ROC

Manomboka « mikorintsana » araka ny fitenin’ny tanora ireo minisitra sasan-tsasany manoloana ny fepetra noraisin’ny mpanao gazety taorian’ireny fampidirana am-ponja ny namana roalahy tao amin’ny Madagascar Matin ireny. Nisafidy ny tsy hamoaka vaovam-panjakana intsony mantsy ny gazety sy radio ary fahitalavitra miray feo tamin’ny tolona ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay mitaky ny fialàn’ny minisitra, Anthelme Ramparany, Cyrile Reboza, Rivo Rakotovao ary ny talen’ny kabinetran’ny prezidansa, Henry Rabary-Njaka. Ny fialàn’ireo tomponandraikitra efatra ireo no antoky ny fiverenan’ny famoahana vaovaom-panjakana.

03/10/2014

KOF'ROC

Inona moa izany no maha samy hafa ity Repoblika faha-IV ity sy ny fitondrana Tetezamita? Iray ary tokana monja: ny iray filoha voafidim-bahoaka; ny faharoa kosa filoha napetraky ny tolom-bahoaka. Fa ny ankoatra izay dia sahala mba tsy hilazana hoe mitovy. Minisitra sy CT tamin’ny Tetezamita ihany no mambra ao amin’ny governemanta, ministry ny Vola nandritra ny Tetezamita no lasa filoham-pirenena ary CT sy CST nandritra iny HAT iny koa no mbola lasa solombavambahoaka eny Tsimbazaza.

04/10/2014

KOF'ROC

Iny niaraha-nahita sy nandre iny fa dia nirehitra ny hazo be teo anilan’ny trano tao amin’ny lapan’Ambohitsorohitra omaly hariva. Nandeha moa ny tsaho tany am-boalohany fa hoe ny lapa mihitsy no mirehitra ary efa tonga manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpamonjy haitrano. Mazava tsara anefa ny resaka fa dia ilay hazo be no may ary voafehy ara-potoana ny afo.

06/10/2014

KOF'ROC

Samy manana fomba fialokalofany sy fitadiavany seza daholo ireto mpanao politika eto amintsika ireto. Raha « extra-terrestre” no mihaino ny kabary sy lahateny ataon’izy ireny dia tena ho resy lahatra fa tia tanindrazana ary tsy mieritreritra afatsy ny tombotsoa ambonin’ny firenena mihitsy ny mpanao politika eto amintsika. Na ireo izay noheverina fa “hafa” noho ny maro aza lasa nandiso fanantenana tamin’ny ora tsy nampoizina, raha tsy hiresaka afatsy i Jean Louis Robinson.

07/10/2014

KOF'ROC

Vao ny zoma lasa teo no nirehitra ny hazo be tao Ambohitsorohitra dia indro koa fa kilan’ny afo ny tranon’ny jeneraly Fidy, tsy horesahana intsony ireo tsena lasa lavenona na teto an-tanan-dehibe izany na tany amin’ny Faritany, sns. Ny any Atsimo moa mazava ho azy fa saika isan’andro no andrenesana trano fonenana na tanàna ravan’ny afo noho ny asan-dahalo.

08/10/2014

KOF'ROC

Tsy matahotra fiarakodia intsony ve ny mpandeha an-tongotra sa iniana atao mihitsy mba hitadiavam-bola raha sendra voadona? Tsy misy mandeha amin’ny tokony ho izy mihitsy eto amin’ity firenena ity. Tsy ny asan-jiolahy mitam-piadiana fotsiny no mampitebiteby fa izay rehetra mahakasika ny fiainana amin’ny ankapobeny. Raha azo atao ny tsy mitondra fiara eto an-drenivohitra dia efa natao saingy noho ny antony maro samy hafa dia voatery na dia loza mitatao isaka izay mihetsika no miandry ny mpamily.

09/10/2014

KOF'ROC

Roa volana mahery kely sisa dia hifarana ny taona 2014. Folo volana afaka 17 andro no nandraisan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny fitantanana ny firenena. Tsy mbola misy zavatra azo tsapain-tanana vitan’ity fitondrana ity nandritra izay fe-potoana izay. Hitan’ny mpitondra hatrany anefa ny hevitra nisarihana ny saim-bahoaka tsy hifantoka amin’ny tena olana, tamin’ny alalan’ny famoronana tranga maro nanaitra ny saim-bahoaka: JIRAMA, Air Madagascar, firehetan’Ambohitsorohitra, FRAM, sns. Ny mpitondra no mamelona ny afo dia izy ireo ihany no mamono izany avy eo.

10/10/2014

KOF'ROC

Tsy azo lavina fa miezaka araka ny tratrany tokoa ny mpitandro filaminana amin’ny fisamborana sy ny fanenjehana ireny olon-dratsy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireny ary efa maro ireo voasambotra sy maty nandritra ny fifandonana. Indro kely kanefa miteraka resa-be manamaloka izany ezaka izany ka tokony hikarohan’ny pôlisy sy ny zandary paikady manokana ny momba ireo jiolahy mitam-basy. « Tafatsôka fôna » ireo jiolahy mitàna ny basy isaka ny misy fifandonana; maty daholo kosa ny sisa tavela. Ohatra amin’izany ny zava-nitranga farany teo teny Ankadindratombo-Mandroseza.

11/10/2014

KOF'ROC

Rahoviana vao mba hisy mpitondra mahay mitsara tena eto amintsika? Tolom-bahoaka sy fifidianana firy izay natao teto izay fa ny omaly tsy miova: mpitondra tsy manaiky ho diso, mpitondra tsy mahavaly ny hetahetam-bahoaka, mpitondra mankamamy fahefana sy seza, mpitondra mangoron-karena, mpitondra mampizarazara ny mpiray Tanindrazana, mpitondra tsy mihaino ny hevitry ny hafa, mpitondra manitsakitsaka lalam-panorenanana, mpitondra manao fitaovana ny mpiasam-panjakana sy ny fananam-panjakana, sns.

14/10/2014

KOF'ROC

Io ilay karatra vaovao nambara teto amin’ny gazety, tapa-bolana lasa izay. Hoy indrindra ny La Nation tamin’izany: « tsy any amin’izany fanovana governemanta na fanoloana ny praiminisitra izany intsony ny resaka. Karatra vaovao mihitsy no tadiavin’izao tontolo izao momba an’i Madagasikara”. Dia io izy niaraha-nahita omaly io.

15/10/2014

KOF'ROC

Tsy hita izay nasian’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ka manao « ombay mitady » ireo zanaky dada sy ny movansa misy azy. Voalazan’ny filoha tamin’ny kabary nataony fa noho ny fiarovana ny ain’ity filoha teo aloha ity no anton’ireny zava-nitranga tetsy Faravohitra ireny. Nanambara hatrany ny filoha fa tsy nosamborina akory izy ary tsy nogadraina. Tsy fantatra intsony moa izay tena tian’ny filoha Hery Rajaonarimampianina lazaina fa raha ny zavatra hitan’ny mason’ny olona aloha dia nosamborina ny filoha teo aloha ary notifirina mihitsy ny vavahady tao an-tranony.

16/10/2014

KOF'ROC

Nalaza be tany amin’ny taona 70 tany izany jiolahy antsoina hoe Rainivoanjo izany. Tsy nety voasambotra mihitsy hono io olon-dratsy io noho ny fahefana manokana ananany. Mety miova ho voalavo, parasy, vitsika, sns. Hany ka tsy misy mahita ny fidirany ao amin’ny trano horobainy ary tsy misy mahatsikaritra ihany koa ny fivoahany avy eo. Dia namoronan’ny tarika Mahaleo hira mihitsy moa ity Rainivoanjo ity.

17/10/2014

KOF'ROC

Tsy araka ny fanambarana sy ny kabary mipoapoaka nataon’ny mpitondra ny toerana sy ny fepetra itazonana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, araka ny nambaran’ireo fianakaviany. Nahazo aina tokoa mantsy ny fitondrana taorian’ireny fanamelohana maro samy hafa avy amin’ny SADC, Vondrona Afrikana, Vondrona Eoropeana, ny governemanta frantsay ireny.

20/10/2014

KOF'ROC

Lamandy mitentina 12.500 fmg no sazin’izay olona tratra mifoka sigara eny amin’ny toerana voatokana ho an’ny daholobe, araka ny lalàna nanan-kery nanomboka tamin’ity volana oktobra 2014 ity. Tsy azo hifohana sigara intsony any amin’ireny trano fisakafoana ireny, ny biraom-panjakana ary izay rehetra mifandraika amin’ny fivezivezen’ny maro, voafaritra ao anatin’ny antsoina hoe « lieu public ».

21/10/2014

KOF'ROC

Dia sahin’ireo firenen-dehibe ireo ve ny milaza fa tena tsy tompon’antoka amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao izy ireo? Sahin’ny SADC sy ny Vondrona Afrikana ary ny Vondrona Eoropeana ve ny milaza fa tsy nisy diam-penin’izy ireo velively tao ambadik’iny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana iny? Sarotra ny hino izany resaka izany ary sarotra ihany koa ny hilaza fa tsy nisy marina na dia kely aza ny zavatra nambaran’ny filoha teo aloha nandritra iny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety iny.

22/10/2014

KOF'ROC

Voaresaka isaka ny mihetsika ny hoe « ady amin’ny fahantrana, fampandrosoana ». Tsy misy tsy miteny izany rehefa manam-bava ary efa mankadilo sofina mihitsy aza ny mandre ireo mpanao politika mpamita-bahoaka midradradradra io « ady amin’ny fahantrana sy fampandrosoana » an’i Madagasikara io. Fa tena mila izany fampandrosoana ary mangetaheta izany tokoa ve aloha ny Malagasy? Valiny: tsia. Tsy mila izany fampandrosoana izany ny Malagasy. Tsy afa-misaraka mantsy ny fandraisana andraikitra sy ny fanajana fitsipika ary ny fampandrosoana.

24/10/2014

KOF'ROC

Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ireo senatera sy CST teo aloha mivondrona ao amin’ny ACS, nitondran’izy ireo ny fomba fijeriny manoloana ny raharaham-pirenena ary koa nitaterana ny fanadihadiana nataon’ny CST momba ireo raharaha mafana maro teto amin’ny firenena ka isan’izany ny raharaha Nadine Ramaroson, ny resaka andramena sy ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, volam-bahoaka, sns.

25/10/2014

KOF'ROC

Firy tamin’ireo artista nanao fandalinana, nanokan-tena nanao fikarohana no mba tafavoaka ka afaka nivelona teo amin’izay sehatra nisy azy izay teto Madagasikara? Voatery manorim-ponenana any ivelany satria tsy misy « avenir » intsony eto amintsika. Firy akory ireo mpitendry zava-maneno matihanina, monina sy miasa any am-pita. Ny sasany aza mitàna andraikitra ambony any amin’ireny “studio” malaza ireny mihitsy. Izany hoe manana ny fahaizamanao mira lenta amin’ireo vahiny. Saingy tsy velona eto Madagasikara.

28/10/2014

KOF'ROC

Isika irery ihany angamba no manaiky olona voarohirohy amina trafika ary fantatr’izao tontolo izao eo amin’izany asa ratsiny izany ho solombavambahoaka. Mambra ao amin’ny Al-Qaïda ve ohatra dia ho eken’ny vahoaka amerikana hofidiana senatera na dia manam-bola tahaka ny inona aza? Ilay olona tokony henjehana sy hampiharana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy fanjakana indray eto amintsika no lasa mpanao lalàna! Aretina nolovain’ny repoblika faha-IV tamin’ny fitondrana Tetezamita moa izy io. Taiza no nisy olona mbola voaheloka tsotra izao sady gadra nandositra hotendrena CT sy CST, misolo ny andraikitry ny Antenimieram-pirenena sy ny Loholona!

29/10/2014

KOF'ROC

Mpitandro ny filaminana roa be izao no nitifitra olona tato anatin’ny heinandro monja. Voalohany ilay mpiambina nitifitra nahafaty ny zanaky ny ministry ny Fanatanjahantena, nialohan’ny namonoany tena dia izao indray koa zandary avy ao amin’ny GSIS nitifitra ny vadiny ary mbola namono tena ihany koa avy eo. Mbola miady amin’ny fahafatesana ity renim-pianakaviana ity amin’izao ora anoratana izao. Izany hoe, ain’olona telo be izao no indray maty ao anatin’ny indray mipi-maso ary basy mahery vaika fitondra miady avokoa no nahafaty azy ireo.

30/10/2014

KOF'ROC

Efa nangingiana tsy nisy niresaka firy intsony ny fomba nidiran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teto an-tanindrazana kanefa dia izao nokopahan’ny mpitondra izao, tamin’ny fisamborana an’i Jean Marc Koumba ary ireo mpiasan’ny ACM Antsirabe indray ilay otrikafo. Tsy naleo ve nampirimina tany anaty vata tany iny raharaha nampitafy henatra tanteraka ny Foloalindahy sy ny ministeran’ny Fitaterana iny e?

31/10/2014

KOF'ROC

Rehefa tsy mahafehy ny andraikiny na koa tsy manana ny fahaizamanao amin’izay zavatra nankinina taminy ny olona iray dia tsy maintsy miroso amin’ny fampiasan-kery amin’ny endriny maro. Mety ho fanerana ara-batana na fikasihan-tanana na ihany koa fanerena ara-moraly, sns.

03/11/2014

KOF'ROC

Mitodika any amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena toa ny Banky Iraisam-pirenena sy ny FMI vao nigadona tsy ela eto an-tanindrazana ny mason’ny mpanara-baovao. Hamatsy vola fitondrana mpanitsakitsaka ny zon’olombelona tahaka izao ataon’ny Kolo Roger izao ve izy ireo, raha tsy hiresaka afatsy ny raharaha Jean Marc Kumba? Raha eny no valiny, moa va tsy ireo firenen-dehibe izany no hamatsy vola ny fandripahana ny vahoaka Malagasy? Raha tsia indray, inona no tsy hitenenan’izy ireo mivantana fa tsy mankasitraka izao fitondrana izao intsony?

04/11/2014

KOF'ROC

Ireo mitondra vohoka mazàna no iantefan’ny fitenenana miendrika fampitandremana manao hoe “ilay andro izay no tsy ho zaka e!”, indrindra ireo reny tia mihinan-kanina sy mitsakotsako karazan-tsakafo mandritra ny fotoana itondrany vohoka. Tsy dia mety loatra ho an’ny reny mitondra vohoka mantsy hono ny mihinan-kanina be loatra satria mampitombo ny tavy ka mety hampisy fahasarotana mandritra ny fiterahana.

05/11/2014

KOF'ROC

Tsy zakan’ny saina sy ny foto-panahy maha Malagasy tokoa ve ireny sary na sarimihetsika na koa horonantsary voalaza ho mamohafady ireny? Tena tsy mankasitraka ireny mihitsy ve ny fiaraha-monina Malagasy ka mahatonga ny fisian’ireo sazy samy hafa araka ny voalaza ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana, ankoatra ireo fepetra tsy voatanisa mifandraika amin’izany?

07/11/2014

KOF'ROC

Apetraka aminareo mpitondra indray ilay fanontaniana tsy nety nahazoam-baliny nandritra izay folo volana mahery izay : « inona marina moa izany no zava-bitanareo ary inona no fiantraikan’izany amin’ny fiainam-bahoaka? Tsy efa tokony hatsapa tena hametra-pialàna amin’izay ve ny praiminisitra Kolo Roger sy ny forongony? Ary ho an’ny filoha Hery Rajaonarimampianina indray kosa, firy isan-jaton’ireo fampanantenana nataonao tamin’ny propagandy izao no tanteraka?”.

12/11/2014

KOF'ROC

Mahalasa saina loatra ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana amin’ireto dahalo miisa 4000 voalaza fa nitolo-batana ireto. Efa nambara teto amin’ny gazety ihany moa ny ahiahin’ny mpanara-baovao ndrao dia sanatria famerenana ilay andian-jatovo mpisetrasetra, fitaovana teo am-pelatanan’ny fitondrana revolisionera tetsy amin’ny Pochard izao ataon’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina izao. «Tanora Tonga Saina» no anarana nentin’izy ireo tamin’izany na TTS ary tena nampiteny ny anarany mihitsy teo amin’ny asa fampihorohoroana teto an-drenivohitra sy ny manodidina.

13/11/2014

KOF'ROC

Tsy ny Fitsarana intsony izany izao no manameloka na manafaka olona iray avy nandika lalàna na koa nahavita heloka be vava fa ny mpitandro filaminana. Tsy mila miatrika Fitsarana mihitsy raha ny marina kokoa fa mitolo-batana fotsiny dia mifona any amin’izany manamboninahitra lefitra antsoina hoe Tsimitsitsy izany. Rehefa vita izay fifonana izay dia misalotra ny akanjo maitso ho marika fa voavela heloka ary mahazo miverina amim-pilaminana any anivon’ny fiaraha-monina.

14/11/2014

KOF'ROC

Nanaporofo ny ampihi-mamban’ny mpitondra fanjakana amin’ireo mpanao gazetim-panjakana ny fifidianana nifandimby teo anivon’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety hatramin’izay. Nisy hatrany ny toromarika avy amin’ny mpitondra fanjakana (minisitra, tale jeneraly, tale isan-tsokajiny) isaka ny misy fifidianana. Izany hoe, izay sitrapon’ireo mpitondra hatrany no tsy maintsy tanterahan’ireo mpanao gazetim-panjakana. Ohatra lehibe indrindra amin’izany ny fifidianana izay ho filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety.

18/11/2014

KOF'ROC

Mitafy henatra tanteraka ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Ilay mpitsikera indray mantsy izao no tsikerain’ny olom-pirenena sy ny fiarahamonina. Misara-bazana sy mikorontana tanteraka ny mpanao gazety ka ilay firaisan-kina noheverina efa azo teo aloha teo no indro fa potika sy rava. Ireo kandidà miisa dimy indray no hiantefan’izao karazana fanenjehana rehetra izao ary ny mpanao gazety amin’ny ankapobeny izay mpifidy no toa lasa tomponandraikitra amin’izao zava-misy izao. Fa iza no fototr’izao fampisaraham-bazana sy fanakorontanana ary fanosoram-potaka ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety izao?

19/11/2014

KOF'ROC

Mbola misy ilàna io Antenimieram-pirenena ankehitriny io ve? Mipetraka tokoa ny fanontaniana taorian’ny fihaonan’ny governemanta sy ny solombavambahoaka omaly tetsy Tsimbazaza. Andrim-panjakana natao hanara-maso ny asan’ny governemanta, izany hoe, ny fahefana mpanatanteraka ny Antenimieram-pirenena. Raha ny tena marina dia karazan’ny miakatra fitsarana mihitsy ny governemanta rehefa tonga io fotoana io. Mandritra fihaonana izany no hanadinan’ireo solombavambahoaka ny asa vita ary ireo tsy vitan’ny governemanta, hitondran’ireo depiote ny fanankianana maro samy hafa manodidina ny asan’ny Mpanatanteraka.

20/11/2014

KOF'ROC

Mangovitra mila tsy hasoratra ny tanana ary koa vahotra ny vava raha nandre fa nodimandry ny zokibe Pierre Tsiranana. Ny tenako manokana dia isan’ireo noheveriny ho toa ny zandry ary tsy maintsy nifampiantso an-tariby indray isaka ny herinandro raha kely indrindra. Ny resaka an-tariby nataon’ny zokibe Pierre farany tamiko, tapa-bolana lasa izay dia ny nilazany hoe : « sambatra leisy ity firenena ity raha misimisy ny tia tanindrazana toa an’ialahy ry zandry ». Noraisiko ho voninahitra lehibe tamim-panetren-tena tanteraka izany teny avy amina zoky ray aman-dreny izany.

21/11/2014

KOF'ROC

Rehefa dinihana ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana tsirairay amin’izao fotoana dia ny fiomanana amin’izay mety hitranga atsy ho atsy no tena laharam-pahamehan’izy ireo. Tsy misy resy lahatra ny amin’izay mety ho fahatezan’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina ireo tomponandraikitra ambony isan-tsokajiny ka samy miezaka ny mameno paosy araka izay tratra, ndrao handimby toerana ireo nitsoa-ponenana sy nialokaloka tany ivelany toa ny amiraly Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana.

22/11/2014

KOF'ROC

Maresaka tokoa amin’izao fotoana izao ny Fampihavanam-pirenena. Ao ireo milaza fa tena ilaina ary tsy afaka hanantena fitoniana sy fandrosoana mihitsy raha tsy tanteraka io Fampihavanam-pirenena io. Misy kosa ireo mitsipaka tsotra izao ity Fampihavanam-pirenena ity satria mamofompofona fizaran-tseza hono. Ny sasany indray milaza fa ilaina ny fanatanterahana azy saingy tsy tokony ho ny FFKM no hitarika izany, sns.

24/11/2014

KOF'ROC

Ny taona 1894 no nahitan’i Alexander Yersin ny bacteria antsoina hoe Yersinia pestis, fototry ny aretina pesta. Izany hoe isan’ireo aretina tranainy indrindra ny pesta ary vitsy sisa ny firenena mbola andrenesana ity karazana aretina ity. Aretina nanjaka tamin’ny fotoanan’ny “Moyen-Age” ny pesta kanefa mbola mandrava ihany eto Madagasikara. tany amin’ny taona 1945 tany no nisy tranga iray farany ho an-dry zareo Frantsay; ny antsika kosa vao avy namono olona am-polony maro. Mety misy ihany koa anefa firenena afrikana hafa voakaisiky ny aretina pesta ankoatra an’i Madagasikara (izay hatrany moa no fialàna bala eto amin’ity firenena ity).

25/11/2014

KOF'ROC

Fa inona no tanjon’ny mpitondra fanjakana amin’ny fampiakarana ireo dahalo niova fo eto an-drenivohitra e? Ny haneken’ny vahoaka ve fa tena marina tokoa io resaka dahalo niova fo io sa ahoana? Fa taiza ho aiza tamin’ny programan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izany fanovàna fo ny dahalo izany? Izay ve no tena hitan’ity fanjakana ity ho zava-dehibe, manoloana ny fahantram-bahoaka, ny tsy fisian’ny fandriampahalemana manerana ny Nosy, ny tsy fisian’asa, ny firongatry ny aretina pesta, ny delestazy, sns?

26/11/2014

KOF'ROC

Lasalasa ambiroa mihitsy ny gadran’i Tsiafahy sy Antanimora rehefa mandre amin’ny fianakaviana fa hanokanan’ny governemanta Kolo Roger vola mitentina 110 miliara fmg hono ireo dahalo niova fo, hanarenany ny fiainany sy mba hiverenan’izy ireo eny anivon’ny fiaraha-monina. Tsy vitan’izany fa mety hakarina an-drenivohitra tahaka ireny mahery fo ireny mihitsy ry zalahy, mba hinoan’ny vahoakan’Antananarivo hoe tena marina fa tsy sinema araka ny fiheveran’ny olona azy ity fiovam-po teo amin’ireo dahalo 4000 mahery ity.

27/11/2014

KOF'ROC

Tontosa omaly ny fanombohana ny atrik’asa momba ny làlana teny Ivato. Samy nilaza ny mpitondra fanjakana nifandimby nandray ny fitenenana fa dia an-jatony kilometra ny làlana hamboarina eto Madagasikara.

28/11/2014

KOF'ROC

Raha nisy angamba zavatra tsy nety salama teto amin’ity firenena ity taorian’ny taona 1972 dia ny paosin-dRamalagasy. Taizan’aretina mihitsy no azo ilazana azy, marary lava ary tsy mbola misy fanafodiny hatramin’izao. Ny antony, tsy misy mahita ny tena fototr’aretina ireo mitondra nifandimby hany ka fanafody vonjy tavan’andro hatrany no nampisesefana ny vahoaka. Izay tsy fahafantarana ny fototr’aretina izay no anton’io halatra sy fanodinkodinam-bolam-panjakana io. Marary lava ilay paosy hany ka vao mahita masom-bola dia mirangorango sahala amin’ny alika mikepoka taolana.

29/11/2014

KOF'ROC

Tsy nitsahatra nidina ny vidin’ny iray barily amin’ny solika teo anivon’ny tsena iraisam-pirenena tato anatin’ny enim-bolana. Manodidina ny 77 hatramin’ny 78 dolara ny iray amin’izao fotoana koa mampametra-panontaniana ny antony tsy maintsy hampiakarana ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Nibitabitaka tokoa mantsy ny tale jeneralin’ny JIRAMA raha nilaza fa hovoavaha tsy ho ela ny olan’ny delestazy kanefa ny vola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny FMI tsy mbola tafavoaka akory. Fa inona ity fahagagana tampoka ity?

01/12/2014

KOF'ROC

Tora-bato sy famotehan-javatra no setrin’ny famerana ny ora ahafahan’ireo mpitarika posy sy sarety miditra an-drenivohitra. Satria mantsy hono “madinika” izy ireo ka tsy manaiky izany fandaminana izany. Satria mantsy hono “madinika” izy ireo ka aiza indray no ahitany asa hamelomany ny vady aman-janany. Satria mantsy hono “madinika” izy ireo…

03/12/2014

KOF'ROC

Manomboka sorena sy leo tanteraka noho ny nataon’ny talen’ny kabinetran’ny prezidansa Henry Rabary-Bjaka sy ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao ary ny ministry ny Tontolo Iainana Anthelme Ramparany ireo minisitra maro hafa. Voasazy tsy fidiny noho ny nataon’ireto tandapan’i Hery Rajaonarimampianina ireto koa mantsy ireo ministera hafa satria dia tsy misy miresaka ny zava-bitan’izy ireo ny hainoamanjery.

03/12/2014

KOF'ROC

Marina ary tsy azo lavina fa tsy mbola manana ny toerany ny asa fanaovan-gazety eto amintsika. Mbola maro ireo lesoka eo amin’ny fanatanterahana izany asa fanaovan-gazety izany. Tsy azo hodian-tsy hita koa anefa ny andraikitra noraisin’ny mpanao gazety teto amin’ny firenena. Ity asa fanaovan-gazety ity no azo ambara ho any sisa arofanina nisakana ny firosoan’ny mpitondra nifadimby tany amin’ny jadona tsy refesi-mandidy.

04/12/2014

KOF'ROC

Namoaka ny tatitry ny fanadihadiana nataony manodidina ny ady amin’ny kolikoly ny Transparency International. Nisongadina tamin’ny tsy fahombiazana indray i Madagasikara. Isika ange mba misongadina ihany rehefa milahatra amin’ireo firenena hafa e! Saingy ny mahavoa azy fotsiny any amin’ny ratsy sy ny tsy fahombiazana no mampalaza antsika. Isan’ireo firenena anjakan’ny kolikoly mihitsy ny firenena Malagasy raha ny tatitra navoakan’ity fikambanana iraisam-pirenena ity. Tsy atao mahagaga loatra izany.

05/12/2014

KOF'ROC

Noheverin’ny mpitondra miaraka amin’ireo mpiray petsapetsa aminy ho fitia te hanakiana fotsiny angamba ny an’ny hainoamanjery raha manambara isaka ny mihetsika fa tsy misy na inona na inona mandeha eto amin’ny firenena. Nanao be fiavy tokoa mantsy ny praiminisitra Kolo Roger nandritra ny fandalovany teny amin’ny Antenimieram-pirenena. Hoy indrindra ity lehiben’ny governemanta ity tamin’izany: “lainga ny filazàna fa tsy nahavita zavatra ny governemanta”.

06/12/2014

KOF'ROC

Aiza moa no tsy hitabataba ny fianakavian’ireo teratany vahiny mpivady maty nisy namono tany Toliara. Efa nomen’ny Fitsarana fahafahana vonjy maika sahady Ratsimbazafy Roméo, voatondro ho atidoha nikotrika iny vonoana olona feno habibiana iny. Izao vao mody namoahana didy fisamborana satria tsy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana.

08/12/2014

KOF'ROC

Nitory ilay kaompania tompon’ny fiaramanidina nitondra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana indray hono ny ACM, araka ny nambaran’ny tale jeneraliny farany teo. Noho ny tsy fananan’ny ACM irony radar ireony mantsy hono no tsy nahitan’izy ireo ny fiavian’ilay fiaramanidina. Apetraka amin’ny ACM ihany anefa ny fanontaniana hoe: fa firy kilometatra ambonin’ny tany moa no takatry ny fiaramanidina kely iray? Taiza no nanampy solika ilay fiaramanidina kely (nandroso sy niverina)?

09/12/2014

KOF'ROC

Efa eo am-pototry ny tsotsori-mamba isarahana, izay no azo ilazana ny toe-draharaham-pirenena, rehefa mandre ny antso an-tariby ataon’ny olom-pirenena amin’ireny fandaharana amin’ny radio tsy miankina ireny. Nisy hatrany ny fanankianana nandritra izay herintaona latsaka kely nitondran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay. Efa lasa hatezerana kosa izany ankehitriny.

10/12/2014

KOF'ROC

Mahantra loatra ny Malagasy ka lasa mahantra hatramin’ny saina sy ny fanahy. Aiza ve ka tablety iray dia ampy nividianana depiote handany volavolan-dalana efa fantatra izao fa tsy hitondra tombotsoa ho an’ny firenena! 2,5 tapitrisa iraimbilanja ange no vidin’ny tablety iray e! Mahantra loatra e!

11/12/2014

KOF'ROC

Manaporofo ny lohateny teto amin’ny La Nation tamin’ny faha-9 desambra 2014 lasa teo ny zava-misy any Morondava omaly. Efa tsy fanankianana intsony no mivoaka ny vavan’ny vahoaka momba ity fitondrana Rajaonarimampianina ity fa hatezerana. Leo sy tofoka noho ny zava-misy iainany ny vahoaka : fahantrana, tsy fandriampahalemana, delestazy, sns. Etsy an-daniny anefa, migalabona sy mirehareha fatratra ireo mpitondra, indrindra ireo lohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko HVM.

12/12/2014

KOF'ROC

Voalaza ao amin’ny Gazetim-panjakana, laharana 3581 bis, laharana manokana ny faha-20 oktobra 2014 teo àry ny didim-panjakana 2014-1-619 izay nosoniavin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, ny praiminisitra Kolo Roger, ny minis-panjakana Rivo Rakotovao ary ny ministry ny Fitsarana Noeline Ramanantenasoa, mikasika ny fanokanana ho amin’ny toera-ponenana raikitra (résidence surveillée), ireo olona heverina hitondra any amin’ny fanakorontanana.

13/12/2014

KOF'ROC

Inona tokoa no antony ilàna ireny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana ireny e? Tsy maneho ilay tena safidy madio intsony mantsy iny fa fifanarahana miharo tambiny. Io fihodinana faharoa io rehefa dinihana no fototry ny olana eto amintsika. Raikitra ny “plisi-plisy” ho fanohanana kandidà iray hiatrika ilay fihodinana faharoa: ny nahazo 2% tamin’ny fihodinana voalohany mihevitra fa ministera roa no tambiny; ny nahazo 10% indray kosa mihevi-tena fa izy no tokony ho filoha lefitry ny Repoblika na ho lasa praiminisitra, sns.

16/12/2014

KOF'ROC

Mbola mitàna ny sain’ny mpanara-baovao ny zava-nitranga tany Morondava. Tadiavin’ny fitondrana havadika resaka politika indray mantsy ny raharaha amin’izao fotoana, hiampangana ireo mpitondra teo aloha, izany hoe, ny Tetezamita. Voatonontonona mihitsy aza moa ny anaran’ny SGP teo aloha, Haja Resampa ary eo indrindra no hitondrana izao dinika manaraka izao.

17/12/2014

KOF'ROC

Izao vao manomboka mipoitra ny marina manodidina ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy afaka ny handainga intsony ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina ka mbola hilaza fa tsy nahalala ary tsy nahafantatra velively iny fodiany teto an-tanindrazana iny. Voalohany, tsy hisy mpanamory sahy hitondra fiaramanidina hiditra amin’ny habakabaka firenena hafa izany mihitsy raha tsy nahazo alàlana. Faharoa, tsy maintsy nanampy solika ilay fiaramanidina (voalaza fa fiaramanidina kely) nialohan’ny niverenana tany Afrika Atsimo. Izay no fanazavana ara-teknika.

18/12/2014

KOF'ROC

Resabe amin’izao fotoana ny hoe “namono ny tolona, tsy nanisy vidiny ny tolona, sns”. Voatondro molotra amin’izany ny fitondrana ankehitriny, indrindra ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Fa iza tokoa no namono sy tsy nanisy vidiny izany tolona izany? Praiminisitra roa nizaka ny mafy ary nanao sorona ny ainy sy ny ho aviny roa be izao no indray tapa-doha nandritra ny fitondrana Andry Rajoelina. Voalohany, ny praiminisitra Monja Roindefo izay lasa fahavalon’ny filoha Tetezamita tanteraka mihitsy, nohenjehana sy nampizogaina izao fanaratsiana rehetra izao.

19/12/2014

KOF'ROC

Henatra ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny zava-nitranga omaly. Nomen’ny Fitsarana fahafahana vonjy maika i Jean Marc Koumba ary ireo mpiasan’ny ACM notànana am-ponja tamin’ny tsy rariny, nandritra ny 56 andro. Sanatria, tsy ny fivoahan’ireto tsy manan-tsiny ireto ny fonja akory no mampalailay fa ilay Fitsarana eto amintsika tsy mahalala menatra intsony.

20/12/2014

KOF'ROC

Nentina tamin’ny helikôptera ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, namonjy ilay fihaonan’ireo filoha dimy lahy teny Ivato. Samy manana ny fomba fahitany azy ny tsirairay avy; mba manana ny heviny eo anatrehan’izany koa ny Kof’Roc. Ny tsy azon’iza lavina aloha dia nomelohan’ny Fitsarana ny filoha teo aloha. Marina tokoa fa Fitsarana Politika tahaka misy amin’izao fotoana no nitsara azy kanefa olo-meloka eo anatrehan’izay Fitsarana izay foana aloha ny tenany.

24/12/2014

KOF'ROC

Hanamarika ny datin’ny 25 desambra fankalazan’ny mpino kristiana maneran-tany ny nahaterahan’i Jesosy Kristy isika rahampitso. Miantso fitoniana avokoa ny ankamaroan’ny sehatra sy ny hery velona rehetra mandritra izany fotoan-dehibe izany ka isan’ireny ny koa ny mpanao politika. Misy ihany anefa ireo tsy afaka ny hamaly izany fangatahana fitoniana izany ary mety hanampatra ny heriny mihitsy aza mandritra ity Krismasy sy taom-baovao ity.

26/12/2014

KOF'ROC

Niverina nitàna ny sain’ny mpanara-baovao indray ny resaka fanondranana « bois de rose », taorian’ny antso nataon’ny Voary Gasy farany teo. Nanamafy ny voalazan’ity ONG mpiaro ny tontolo iainana ity ny resaka an-tariby tetsy sy teroa nataon’ny mpanao gazety ary tena misy fanondranana « bois de rose » matevina dia matevina tokoa any amin’iny Faritra Avaratra Atsinanan’ny Nosy iny.

27/12/2014

KOF'ROC

Inona intsony izany no antenaina eto amin’ity firenena ity rehefa ny Tafika sy ny Fitsarana no voafolaky ny mpitondra tsy manana ny hazon-damosiny? Mifono ambadika ny antony namoahan’ny filoha ny jeneraly Raoelina sy ny kolonely Raymond ary ny famotsoran-keloka ho an’ny kolonely Charles. Izy telo lahy ireo mantsy no azo ambara fa fahavalon’ny mpitondra Tetezamita, izany hoe, fahavalon’ireo manamboninahitra sy miaramila niara-dia tamin’ny filohan’ny HAT, Andry Rajoelina.

05/01/2015

KOF'ROC

Tsara lahatra tahaka ny fanaony ny kabary nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina farany teo. Malaza tsy hihinanana sahala amin’ny vilian-tsahona. Ianao indray ve no atoro izany e! Mba toa ireny inona ireny ery ny filoha nampitandrina ireo ambarany ho mpanakorontana sy mikotrika fanakorontanana. Dia mipetraka ny fanontaniana: “mamely tena àry ve ity filoha ity sa tsy misy zavatra fantany mihitsy?”

07/01/2015

KOF'ROC

Tsy mbola nisy vondrona manokana mampihomehy mihoatra ity GSIS ity hatramin’izay nisian’ny vondrona manokana eo anivon’ny Foloalindahy. Vilian-tsahona tsotra izao no azo ilazana azy. Olona tanam-polo na tsy afaka mihetsika noho ny antony maro, ireny ihany no mba sahin’ny GSIS hanamparana ny heriny. Mba asaivo mandrava 13 may indray mandeha monja ange izany GSIS izany ahitany ny dôziny e! Na asaivo midina mifanandrina amin’ny dahalo any Atsimo any!

13/01/2015

KOF'ROC

« Tsy hametra-pialàna mihitsy aho ! », hoy ny praiminisitra Kolo Roger, araka ny hita tamin’ireo lahatsoratra nivoaka an-gazety maro. Ireo minisitra mambra tao amin’ny governemantany notarihan’ny filohan’ny antoko HVM ihany anefa no nanao izay nialan’ity praiminisitra ity. Nihazakazaka tao anatin’ny adim-pamataranandro ny fivoaran’ny toe-draharaha koa raha ny vaovao farany re tamin’ny 9h30mn alina dia « tsy nirezista » i Kolo Roger. Fanerena mafy miendrika fandrahonana mihitsy hono e !

14/01/2015

KOF'ROC

Andiany faharoa tamin’ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana manodidina ny fampihavanam-pirenena ny omaly. Resabe ary samy manana ny fomba fahitany ity fampihavanam-pirenena ity ny olom-pirenena. Ao ireo milaza fa tsy ilaina izany, ao kosa ny mankato ny ezaka nataon’ny FFKM ary ao ny mihevitra fa tokony hampiharina fotsiny izay voalazan’ny lalàna velona ka izay nahavita heloka dia saziana avokoa.

16/01/2015

KOF'ROC

Mampiteny ny moana ny lalana mampitohy an’Itaosy sy ny renivohitra. 100 m angamba sisa ny lalana tsara raha miala evy any amin’ny Cité Itaosy mandra-pahatonga eo amin’ny tetezan’Ampasika. Velon-taraina ny mpamily sy ny mpampiasa ny arabe. An-tapitrisany maro ny fahavoazana isan’andro eo amin’ireo fiarakodia noho izay haratsin’ny lalana izay. Tsy horesahana intsony ny fotoana lany. Be lavitra noho ny fotoana lany mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe no lany mampitohy an’Itaosy sy Analakely.

17/01/2015

KOF'ROC

Nihaiky ny fahadisoana vitany teto amin’ny firenena hono ireo filoha teo aloha, araka ny fanambarana nataon’ny FFKM, manodidina ny Fampihavanam-pirenena. Eo aloha dia efa tsy mampino ary tena sarotra mihitsy ny hino izany. An-tendro-molotra fotsiny izany fa raha ny fahafantarana azy ireo sy ny toetra nasehony teto amin’ny firenena hatramin’izay (eny na mandritra izao Fampihavanam-pirenena izao aza) dia azo antoka fa mbola hamerina izany ary amin’ny endriny ratsiratsy kokoa noho ny teo aloha raha sanatria tafaverina eo amin’ny fitondrana.

19/01/2015

KOF'ROC

Nanao tohy vakana ny aina nafoy vokatry ny fianjeran’ny trano, rindrina, tamboho, talio tato anatin’ny herinandro monja. Tsy manaiky ho tompon’antoka amin’izany ra-olombelona; ahilika any amin’ny faharatsian’ny andro (rivotra sy oram-be) ny andraikitra. Marina tokoa, tsy maintsy misy hatrany ny fahavoazana isaka ny misy rivo-doza na tondra-drano; ny fahafantarana izany indrindra no tsy maintsy handraisana fepetra amin’ny maha olom-pirenena tomponandraikitra.

20/01/2015

KOF'ROC

Noho ny fangatahan’ny mpamaky dia hiverina eto amin’ny KOF’ROC indray i Ra-Jeannot, ilay tovolahy mba olombelona ihany talohan’ny taona 2009, saingy noho ny hetraketraky ny fiainana dia nivarina tsikelikely ho isan’ireo vahoaka madinika. Madinika ara-panahy, madinika ara-tsaina, madinika hatramin’ny vola any am-paosiny.

21/01/2015

KOF'ROC

Resabe any amin’ny « facebook » any ny mikasika ny tunnel Ambanidia. Voalaza àry fa misy mitriatra ao amin’io tunnel io ary tena loza mitatao mihitsy. Nandà izany moa i Rivo Rakotovao na dia mbola nanamafy izany aza ny teo anivon’ny kaominina. Tsy hay intsony, iza no miteny ny marina e! Ny zava-misy aloha dia lasa horohoro sy tebiteby ho an’ny olona indray ity resaka trano mianjera sy rindrin-tany mihotsaka ity, taorian’iny voina nahazo an’i Félicien iny.

22/01/2015

KOF'ROC

Manaraka ny fivoaran’ny raharaha politika ny ankamaroan’ny Malagasy na dia tototry ny fahantrana aza. Niteraka resabe tokoa ny olana eo anivon’ny MAPAR, dia ny fisian’ireo solombavambahoaka voalaza fa namadika sy nitsipa-doha ny laka nitàna. Samy manana ny fomba fahitany azy anefa ny olom-pirenena, indrindra ireo miezaka mitadidy ary koa mijery amin’ny saina tsy miangatra ny zava-niseho farany ireny.

24/01/2015

KOF'ROC

« Aôna njay ty tamin’iny dépité nitakla 250 miliô am’ze te ho minisitra iny ry Ra-Jeannot a? Ny an’olona tonga de sôsy be refa misera, hafa ny an’ty sainksà (500 mg) hividianana kônsôma no iasàna saina!”, hoy i Zistà sady namarana ilay kafe teny an-tanany. « Samy manana ny nivô misy azy io ry lery e! Any amin’ny govrnemanta any mety 250 miliô vô miresaka; aty am’ tanàna 500 fmg hifampitoriana eny amin’ny pôlisy. Mitovy am deba mifampindrana 250 miliô nge ry lery ny ety ambany tanàna mifampisoloky amin’ sainksà e! Mitovy fa tsy sahala e!”, hoy Ra-Jeannot ndeha hanary ny fakon-dRatrema.

26/01/2015

KOF'ROC

Dingana lehibe no vitan’ny FFKM tamin’ny fampihavanana ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana teo aloha nandritra izay fihaonana fanintelony teny Ivato izay. Tsy tokony hifangaro anefa ny fampihavanana sy ny fampanjakana ny marina ary azo antoka fa tsy ny FFKM velively no ndeha atoro amin’izany na dia be aza ireo mpanenjika ireo filoham-piangonana. Fa mba manana ny fijeriny koa ry Ra-Jeannot satria tamin’ny fotoana mbola naha olombelona azy no nipoahan’ny raharaha 26 janoary 2009.

27/01/2015

KOF'ROC

Teraka ny alahady lasa teo ireo mambra ao amin’ny governemanta Jean Ravelonarivo, taorian’ny nanendrena azy ho praiminisitra. Niteraka resabe anefa ny firafitr’izany governemanta izany satria valo monja ireo olona vaovao, tafaverina avokoa ireo minisitra miisa 22, niova andraikitra fotsiny ny sasany.

28/01/2015

KOF'ROC

Hifarana amin’ny sabotsy ho avy izao sahady ny volana janoary 2015. Fahasambarana mihitsy izany faran’ny volana izany tany aloha tany: miantsena, mividy kojakojan-tokantrano, mandeha miala voly, misakafo any amin’ny « restaurant », sns. Isan’ireo tsy mahandry izay hatongavan’ny faran’ny volana i Ra-Jeannot, fony mbola olombelona. Tsy maintsy mividy kiraro na akanjo izy. Manara-damaody e! Nanjary ho afobe ho azy anefa izany ankehitriny…

20/02/2015

KOF'ROC

Nolavin’ny HCC ny fanomezana paspôro diplaomatika na paspaoro maitso ho an’ny solombavambahoaka. Voalazan’ity Andrim-panjakana ity fa mifanohitra amin’ny voalazan’ny lalam-panorenana io fitakian’ny depiote io. Malaza amin’ny fangatahana tombotsoa tokoa ny solombavambahoaka gasy, izay no maha mpisolo ny vavan’ny vahoaka azy ireo. Any an-kibony avokoa ny zavatra rehetra tokony ho an’ny vahoaka. Paspôro mena tahaka ny olom-pirenena tsotra ihany izany no azon’izy ireo hangatahana.

20/02/2015

KOF'ROC

Mandry an-driran’antsy noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana indray ny mpanam-bola sy ny mpanan-karena tato ho ato : fakàna an-keriny teratany vahiny, fanafihana mpanjifa amin’ny banky, vonoana olona mahatsiravina, sns. Nirongatra ny asa ratsy avo lenta tato anatin’ny tapa-bolana latsaka kely. Mitebiteby avokoa ireo mpanefoefo sy ny vady aman-janany hany ka nanamafy ny fiambenana amin’ny fomba maro. Rehefa dinihana ny fiainana eto amintsika dia ireo sahirana ara-pivelomana no milamin-tsaina kokoa eo amin’izay lafiny tsy fandriampahalemana izay.

20/02/2015

KOF'ROC

Mampametra-panontaniana mihitsy ny zava- misy eto amin’ity renivohita ity. Afaka tamin’ny alkrimôzena-dry EMLMO dia miditra amin’ny fantsika sy ny « vis » mùamaky kodiarana. Milaza miara-mahita angamba isika mpamily fa « vis » hatrany no mamaky ny kodiaran’ny fiara. Dia mipetraka ny fanontaniana : « misy mandraraka « vis » ve mba hampiroborobo ny asan’ny « vulca » sa ny Malagasy mihitsy no lasa « manky vis » noho ny zava-misy iainany ? ».

20/02/2015

KOF'ROC

Raharaha maro mahakasika ny filaminam-bahoaka no tsy mety ahitam-bahaolana eto amintsika. Fanontaniana maro manodidina izay filaminam-bahoaka izay ihany koa no tsy mety ahitam-baliny. Ny rafitra rehetra eto amin’ity firenena ity mihitsy ve no efa lo sy mpiray tsikombakomba amin’ireo mpanao ratsy sa ny jiolahy no efa lasa lavitra ka manambaka ny mpitandro filaminana? Na ho inona valin’izany ankamantatra rehetra izany ny zavatra tsy azo lavina dia ny hoe: tsy azo iainana intsony eto Antananarivo…

21/02/2015

KOF'ROC

Ny fiverenana amin’ny “foto-pisainana Malagasy sy ny kolontsaina Malagasy” no voalaza matetika fa fanafody mahomby indrindra hivoahan’i Madagasikara amin’izao fahantrana sy krizy lava izao. Maro ireo fikambanana efa nanao fanambarana momba izany ary tsy vitsy koa ireo resy lahatra fa lalan-tokana hampandroso ity Nosy malalantsika ity io fiverenana amin’ny “foto-pisainana sy kolontsaina Malagasy” io.

21/02/2015

KOF'ROC

Mampihoron-koditra tanteraka ny fiaraha-monina sy ny zava-misy eto amin’ny firenena. Vonoana olona atsy, fanafihana mitam-piadiana eroa, kidnapping, sns. Mba feno jeneraly miravaka kintana sy kolonely mihambozona bokotra an-jatony ihany ity Madagasikara ity, dia andian’olom-bitsy ve no hampihorohoro eto? Eto amintsika angamba no be jeneraly indrindra maneran-tany kanefa izao ny zava-misy iainan’ny vahoaka.

21/02/2015

KOF'ROC

Madagasikara no anisan’ny firenena be jeneraly indrindra eto amboin’ny tany. Izay rehetra tafakatra amin’ny fitondrana dia samy nihazakazaka nampiakatra grady ireo manamboninahitra mpiara-dia aminy. Tsy vitan’ny be jeneraly amin’isa ity firenena mahantra ity fa betsaka lavitra mihoatra amin’ny isan’ny miaramila ny isan’ireo manamboninahitra jeneraly sy kolonely. Ny mahagaga anefa mirongatra izay tsy izy ny fanafihana mitam-piadiana, mampiteny ny anarany ireo dahalo, manao izay tiany ireo mpaka an-keriny. Atao inona daholo àry izany ireo jeneraly sy kololely maniry mihoatra ny anana ireo?

21/02/2015

KOF'ROC

Tsy indray na in-droa fa matetika manao lozam-fifamoivoizana ny fiarabe mpaka fako an’ny SAMVA. Olana ara-mekanika mazàna no fototry ny loza, manaporofo ny tsy fisian’ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso ireo kamiao fa mety ho noho ny tsy fisian’ny vola ihany koa. Amina miliara hatrany anefa ny vola miditra ao amin’io SAMVA io saingy tsy fantatra mzava izay nandanian’ny mpitantana izany vola be izany. Ny fako anefa mihavosa sahala amin’ny tendrombohitra, manamaimbo tanàna ary mitondra aretina.

21/02/2015

KOF'ROC

Ny teny no maha izy azy ny fiaraha-monina iray na firenena iray ary koa mampiavaka azy amin’ny hafa. Maro ireo firenena ahitana fomba fiteny samy kanefa manana teny iombonana tahaka an’i Madagasikara. Samy hafa ohatra ny fomba fiteny Sakalava, Tsimihety, Bara, Tandroy, Betsileo, Merina, kanefa manana ny Malagasy ofisialy itambaran’ny rehetra. Vao miteny fotsiny ny olona iray dia azo fantarina avy hatrany ny foko niaviany ary izay fahasamihafana izay indrindra no anisan’ny mampanan-karena ny kolontsaina Malagasy. Fa mbola misy fomba fitenenana hafa ankoatra ny an’ireo foko 18 anefa eto amintsika…

21/02/2015

KOF'ROC

Mitaky 5 tapitrisa Iraimbilanja isan’andro, nandritra ny fotoana nitazonana azy tany am-ponja ireo manamboninahitra sy mpanao politika mitonona ho gadra politika. Isika eto amin’ny KOF’ROC aloha dia mametraka tsara mihitsy fa tsy nisy gadra politika izany teto fa vonoana olona, famotehana fotodrafitrasa, « chèque sans provision », vola sandoka, halatra fiarakodia, no nanenjehana sy nanamelohan’ny Fitsarana ireny olona rehetra ireny.

22/02/2015

KOF'ROC

Tsy laharam-pahamehana ho an’ireo depiote mpiara-dia amin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina ny programa’asa ankapoben’ny governemanta araka ny nambaran’izy ireo teny Tsimbazaza omaly. Tsy olan’ireo solombavambahoaka hoy hatrany izy ireo ny zava-manjo ny vahoaka amin’izao fotoana : tondra-drano, tsy fandriampahalemana, mosary, tsy fisian’asa, fahantrana, sns.

22/02/2015

KOF'ROC

Mipoaka tamin’ny fotoana tsy nampoizina ny marina manodidina ny fanafihana mitam-basy sy ny raharaha kidnapping. Tsy takona afenina intsony izao fa mpitandro filaminana, indrindra fa ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena no tompon’ny amboara amin’ity fakàna an-keriny ity. Fa nahoana àry no tsy nahafantaran’ny EMMO sy ny CIRGN Florens Rakotomahanina hoe GSIS sy zandary ange no mpanao io kidnapping io kanefa kalaza tamin’ny asa faminaniana mihitsy raha vao resaka grevy sy fitokonana.

22/02/2015

KOF'ROC

Tsy nitsahatra nitontongana ny fiainam-bahoaka taorian’ny tolom-bahoaka ny taona 1972. Miha mahanatra hatrany ny Malagasy isaka avy mandalo krizy kanefa ho fialàna amin’izay fahantrana izay ho amin’ny tsaratsara kokoa no anton’ireny tolom-bahoaka nisesy teto ireny. Tsy ara-toekarena irery ihany no potika vokatr’ireo krizy nifandimby ireo fa indrindra koa ny toe-tsaina. « Amin’ny fomba aôna lety no anamboaran-dRafanja ireto lalana be de be potika manerana an’i Madagasikara reto a? Tsy misy lalana tsara tsony mitsy nge eto am tanàna fa potika daôlo e! Ny orana ty tsisy fijanonany, ny fanampiana avy any ivelany mbola any an-kibon’ny omby.

22/02/2015

KOF'ROC

Milaza ho maika hatrany Ra-Jeannot isaka ny mifanena amin’ireo namany na ireo havany. “Mbola maika hamita iraky ny debanay aho fa mandra-pihaona !”. Iza moa no antsoiny hoe debany eo fa tsy ny masoandro milentika sy ny diabe manara-penitra miandry azy isaka ny hariva rehefa hamonjy fodiana! Niezaka nanafina izao zava-manjo azy izao Ra-Jeannot ary nitandrina tokoa teo amin’ny fitondran-tena. Mazàna hono mantsy rehefa mahantra sy ory dia toa lasa manana toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany.

23/02/2015

KOF'ROC

Indraindray mba mitsiky amin’ny malahelo ihany ra-vintana. Tsy fahasambarana feno tahaka ny an’ny mpanana fa toa mampitaintaina aza. Nividy “gauloise” iray teo amin’ilay mpivarotra amoron-dalana Ra-Jeannot. Roanjato ariary no natolony kanefa dia namerenan’ilay mpivarotra sivinjato ariary. Noheveriny ho roa arivo ariary angamba ilay ravim-bola roanjato. Hendratra tampoka teo ny endriky Ra-Jeannot, noraisiny ny famerim-bola ary dia namindra tsimoramora tahaka ireny olon-drahetra avy nahazo izay nilainy ireny ranamana.

23/02/2015

KOF'ROC

Misy trangan-javatra tsy takatry ny saina ary sarotra hazavaina eto amin’ity fiaraha-monina misy antsika ity. Mihorin-koditra mihitsy ny tena mahita ireny zazakely latsaky ny telo taona milalao eny amoron’ny arabe ireny. Mahavariana fa sahala amin’ny efa mahafantatra sahady ny fetra tsy azony handehanana izy ireny. Indraindray anefa misy ihany ireo tafavoaka tampoka eny afovoan’ny arabe kanefa tsy misy taitra. Ilay zaza indray aza no mahazo vava sy teny mahery avy amin’ny reniny na izay « mpitaiza » azy.

23/02/2015

KOF'ROC

Mitombo isan’andro ny mpangataka eny an-dalambe eny. Ao ireo mangataka tsotra izao; ao kosa ireo mody manao zavatra kely toa ny manototra tany ireny lavaka eny amin’ny arabe ireny mba handresen-dahatra ny mpamily hanome vola, tahaka ny etsy amin’ny Boulevard de l’Europe. Noho ny tsy fisian’asa no voalaza fa anton’izany rehetra izany. Tsy azo lavina fa nampitombo isa ireo tsy an’asa iny krizy 2009 iny. Izao vao migoka ny ngidin’ny nataony ny Malagasy, indrindra fa mponin’Antananarivo. Fa asa inona koa aloha no ilain’ny gasy e?

24/02/2015

KOF'ROC

Mahatratra 40.000 hono no isan’ireo mpiasam-panjakana matoatoa na « fantôma”, araka ny nambaran’ny hainoamanjery. Izany hoe, mandray karama isam-bolana ireo mpiasam-panjakana ireo kanefa tsy miasa ary tsy manana andraikitra amin’izay sehatra misy azy akory. Tsy vao androany akory no nandrenesana io mpiasam-panjakana matoatoa io ary ny tena mahavariana dia tsy mety mahita vahaolana amin’izany mihitsy ny fanjakana. Miteraka resabe eny anivon’ny fiaraha-monina ny fisian’io tranga hafahafa eo anivon’ny asam-panjakana io…

25/02/2015

KOF'ROC

Mitafy henatra tanteraka ny firenena noho ny tsy fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana manoloana ny tsy fandriampahalemana. Voatery niditra an-tsehatra amin’ny raharaha kidnapping ny vondrona manokana avy amin’ny mpitandro filaminana frantsay. Na tiana na tsia dia ilay Fiandrianam-pirenena mihitsy no voatohintohina amin’ireny fidiran’ny mpitandro filaminana frantsay ireny. Leo sy tofoka noho ny zava-manjo ny vahoakany ny governemanta frantsay ka voatery nandray an-tanana izany satria efa tsy matoky intsony ny mpitandro filaminana Malagasy. GSIS mpiambina ny filoha izao tokoa ve moa tafiditra amina fakana an-keriny.

26/02/2015

KOF'ROC

Fihetsika iray monja dia ahafahana mitsara ny mpitondra sy mamantatra ny fomba fitantanany ny raharaham-pirenena. Tadidintsika tsara angamba ny fampidirana am-ponja ireo mpanao gazety roalahy avy ao amin’ny Madagascar Matin, araka ny fitoriana naton’ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao sy ny forongony. Nasehon’ity minisitra ity tamin’izany ny maha tsy refesi-mandidy azy, ny maha tompon’ny fahefana azy, ny maha filohan’ny antoko HVM azy. Tsy nikosi-maso teo anatrehan’izany anefa ny mpanao gazety fa nijoro hatramin’ny farany. Nandray fanapahan-kevitra ihany koa ireo mpanao gazety tsy miankohoka amin’ny fanjakana ka nitaky ny fialàn’ity minisi-panjakana ity.

27/02/2015

KOF'ROC

Raha nisy angamba sehatra nahazo famatsiam-bola betsaka indrindra avy amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena toa ny Banky Iraisam-pirenena dia Tontolo Iainana io. Tsy nazava tamin’ny vahoaka hatrany am-boalohany ary hatramin’izao ny antony nanompanana vola be manodidina izay resaka Tontolo Iainana izay. Nampametra-panontaniana mihitsy aza hoe : « ny hazo sy ny biby ve no laharam-pahamehana noho ny olona ?». Trangan-javatra maro mifandraika amin’ny fahasimban’ny Tontolo Iainana anefa no hita ankehitriny: tondra-drano, haitany, valala, sns. Midika izany fa tsy nahomby ny politika nitantanana izay resaka Tontolo Iainana izay teto amintsika.

02/03/2015

KOF'ROC

Mampatahotra sy mampitaintaina ny mamily fiara eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. Toa olona miandry kendry tohina hamotehana ny fananan’ny tena sy handratra na hamono ho faty mihitsy aza no hitan’ny maso. Teny eny afovoan-dalana mihitsy ny olona no mandeha, indrindra eny amin’ireo faritra iva izay tena be mponina tokoa: 67Ha, Andohatapenaka, Ampasika, Isotry, Ankazomanga, sns. Fampanenoana anjombona (klaxon) fotsiny dia ampy handrehitra ny afo, mainka moa izany ka sendra voakasoka kely monja. Koa na hitandrina sahala amin’ny ahoana aza ireo mpamily dia mety mbola ho tratran’ny tampoka tsy maha lehilahy. Satria hono “madinika” ka afaka manao izay tiany!

03/03/2015

KOF'ROC

Mandalo fotoan-tsarotra tokoa ny firenena amin’izao fotoana. Ny olana ara-politika tsy mety mivaha, ny tsy fandriampahalemana mampiteny ny moana, ny fotodrafitrasa potika tanteraka, ny areti-mifindra tsy maintsy ho avy. Manampy ireo rehetra ireo anefa ny loza ateraky ny tondra-drano, ny fihotsahan’ny tany sy ny trano namoizana aina maro dia maro. Tsy raharahan’ny fanjakana na ny BNGRC irery anefa izany loza mitatao izany fa andraikitry ny tsirairay. Tokony handray ny andraikitra tandrify azy ny isam-batan’olona. Be loatra izay aina nafoy teto amin’ny firenena izay.

05/03/2015

KOF'ROC

Dokotera aorian’ny fahafatesana hatrany ireo teknisiana sy ny tomponandraikitra eto amintsika. Ohatra maro no azo anaporofoana izany: efa namoizana ain’olona maro be ilay fidinambe mihazo ny tsenan’Ankadindramamy iny vao nametraka takelaka mandrara ny fahazoan’ireo kamiao be mampiasa izany lalana izany ireo tomponandraikitra. Efa namoizana aina am-polony ihany koa ny fihotsahan’ny tany vao nanapa-kevitra hijery ifotony ireo faritra sy toerana tandindomin-doza ny manam-pahefana. Efa nihotsaka ny tetezana amin’iny lalam-pirenena mampitohy an’i Mahajanga iny vao nandray fepetra mametra ny lanjan’ny kamiao mandalo amin’izany. Maro be tsy hita hotanisaina eto fa dia izay dokotera aorian’ny fahafatesana izay no misy eto amintsika.

06/03/2015

KOF'ROC

Nahazo laka mihitsy nanomboka ny taona 2009 ny fanenjehana ireo teratany vahiny toa ny Frantsay, ny Karana, ny Sinoa ho mpangoron-karena ary koa fototr’izao fahantrana sy korontana lava eto Madagasikara izao. Ry zareo Frantsay moa no tena nahazo loza tamin’izany, indrindra ireo mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Fa ny fanontaniana tsy nisy nametraka mihitsy dia ny hoe : « koa nahoana àry isika Malagasy no manaiky an’izany ? ».

09/03/2015

KOF'ROC

Rivo-doza mahery iray monja sisa dia mety ho voarefy intsony ny fahavoazana hitranga eto amin’ny firenena, indrindra eto amin’ny renivohitra sy ny manodidina. Eo am-pototry ny “fahafatesana” mihitsy mantsy ny fotodrafitrasa eto Antananarivo amin’izao fotoana. Tsy mampino ny lavaka amin’ny arabe, tandindomin-doza avokoa ireo faritra iva ary mandry an-driran’antsy ireo mponina amin’ny faritra avo. Rivo-doza mitondra orambe mandritra ny telo na efatra andro dia izay…”fahafatesana”. Inona hono no “mirakl” ataon’ny fanjakana hitsaboana izao zava-misy izao?

10/03/2015

KOF'ROC

Tsy mbola nisy tsy fandriampahalemana tahaka izao teto tato anatin’ny dimy taona. Mitafy rà sy ranomason’olona loatra ity fitondrana ity. Voalaza ombieny fa matihanina ireo mpitandro filaminana ary miaro ny ain’ny olona sy ny fananany. Tsy maintsy misy aina nafoy hatrany anefa isaka ny misy fanafihan-jiolahy na an-tanan-dehibe izany na ambanivohitra. Tsy mba menatra eo anatrehan’izany trangan-javatra rehetra izany ve ireto jeneraly maniry mihoatra ny anana ireto? Ny olona tsy manana basy ihany no mba sahin’izy ireo rahonana sy hampihorohoroana lava izao; vaky mandositra kosa rehefa sendra ireo jiolahy manana fitaovam-piadiana sahy mifanandrina aminy. Io Foloalindahy io hatrany anefa no tambatambazan’izay rehetra tonga eo amin’ny fitondrana, Foloalindahy tsy mamokatra, tsy azo itokisana.

11/03/2015

KOF'ROC

Any amin’ireny horonantsary mamihomehy lalaovin-dry Pierre Richard, ry Louis de Funès ary ry Fernandel ireny no ahitàna trangan-javatra tahaka izay niseho tao anivon’ny kaompania Air Madagascar. Izany hoe ireo mpilalao sarimihetsika somary mitapy sy dondrodondrona manapa-tsinay ny mpijery. Aiza ve dia tsy hita popoka tsotra izao ny vata misy razana; avy eo indray dia hoe lasa any Afrika raha tokony ho any Toliara. Loza tsy roa aman-tany mihitsy no nafitsok’ity kaompania Air Madagascar ity ary io tranga io angamba no azo ambara amin’ny teny frantsay hoe “scandale de l’année”.

12/03/2015

KOF'ROC

Raharaha ihany ny manjo ity fitondrana Hery Rajaonarimampianina ity. Ny olana ara-politika miha mitombo, ny fahasahiranana nateraky ny rivo-doza hatreny an-tenda, ny kere any Atsimo mampiteny ny moana, ny fahapotehan’ny fotodrafitrasa mampitsangana ny maty. Izao ka lasa raharaham-pirenena hatramin’ilay vatobe eny Avaratr’Ankatso. Tena hoe difotry ny olana tanteraka mihitsy ilay fanjakana. « Ra za alo no mipetraka eny Avaratr’Ankatso tsy mba iala amin’ny tranoko zany mitsy e! Ho aiza àry le olona no hisitrika e ? Otran’ny didin’ny be sandry fotsiny ny an’le fitondrana fa tsy mieritreritra ny fahorian’le madinika mitsy.

13/03/2015

KOF'ROC

Niditra amina dingana lehibe hatrany ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina ka tsy misalasala manolo sy manendry olom-baovao. Ny praiminisitra Kolo Roger niampy minisitra vitsivitsy toa an-dry Dadafara aloha no nambran’ny mpitondra fa tsy mahomby ka tsy nahafahan’ny vahoaka nigoka ireo fampanantenana nataon’ny filoha. Mbola notazonina kosa ry Anthelme Ramparany, Rivo Rakotovao izay tena lakilen’ny fampandrosoana ity tanindrazana malala ity. Nampidirina an-tsehatra ry Ampela Manao politika, nahitàna ny minisitra Brigitte Rasamoelina.

14/03/2015

KOF'ROC

Mbola resabe hatramin’ny androany ny momba ilay vatobe eny Avaratr’Ankatso. Voalaza àry fa amin’ny alahady ho avy izao no hanapoahana azy io. Tsy manaiky handao ny trano fonenany anefa ireo mponina eny amin’ny manodidina koa asa raha ho vita ihany izay fanirian’ny fanjakana izay na tsia. Ny zavatra hita maso aloha izao dia mifanehitra amina vatobe maromaro ny fitondrana. Eo aloha ny grevin’ny Mpiraki-draharaha izay mampikatso tanteraka ny fihodinan’ny raharaham-pitsarana, eo koa ny an-dry zareo avy ao amin’ny Fananan-tany, ireo Mpiasan’ny Tahirim-bolam-panjakana, ireo Mpampianatra Mpikaroka ary efa manangasanga koa ny an-dry zareo Administratera Sivily sy ny Mpiandry fonja. Samy vatobe avokoa ireo rehetra ireo. Ka na ny fanjakana no mahavita manapoaka izany mialoha, raha tsy izany, dia izy no hitontonan’ireo vatobe ireo ary hopotsitra tanteraka ao.

17/03/2015

KOF'ROC

Mampitahotra sy mampihoron-koditra ny zava-misy hitan’ny maso amin’izao fotoana izao. Vahoaka miandriandry izany daholo no tazana eny an-dalambe eny ary pitik’afo kely monja dia mety ho ampy handrehitra zavatra betsaka. Asa, mba mahatsapa izao loza mitatao amin’ny firenena izao ve ny mpitondra fanjakana sa mbola variana mametraka ireo ekipa hifehy sy hanao ampihi-mamba ny vola sy ny harem-pirenena? Ny fitazonana ireo minisitra vitsivitsy ireo ao anaty governemanta ve no vahaolana amin’izany loza mitatao amin’ny firenena izany sa vao mainka izay no hampirongatra ny hatezeran’ny vahoaka?

18/03/2015

KOF'ROC

Teny tsy afaka am-bavan’ny mpitondra nifandimby teto ny hoe « Fiandrianam-pirenena » ary saika nampiasa izany tamin’izay nitiavany azy avokoa ny mpitondra fanjakana. Tena manan-jo hiteny io « Fiandrianam-pirenena » io tokoa ve isika Malagasy? Misy fepetra takian’izany « Fiandrianam-pirenena » izany ve? Ndeha hovaliana avy hatrany amin’ny fomba mahitsy fa tsy mbola manana izany « Fiandrianam-pirenena » izany isika hatramin’izao. Mbola fanampiana avy any ivelany, izany hoe, volan’ny vazaha no handoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Mbola volan’ny vazaha no mampandeha ny raharaham-panjakana ary mbola volan’ny vazaha no miasa sy mamorona asa betsaka eto Madagasikara.

19/03/2015

KOF'ROC

Nisy sehatra asa vaovao manomboka mahazo vahana ary tena mampidi-bola sy be karama eto amintsika amin’izao fotoana. Tsy inona akory izany fa « mpamono afo ». Tsy miasa ao amin’ny mpamonjy haitrano etsy Tsaralalàna akory izany fa « mpamono afo » mampitony ny saim-bahoaka amin’ny alalan’ny fanelezana vaovao manasoaso ny fanjakana. Tsy mifidy izay fomba hamonoana ny afo izy ireo, eny hatramin’ny famahanana lainga ny vahoaka.

21/03/2015

KOF'ROC

Mahazo vahana tokoa ny fisotroana ireny « rhum en vrac » ireny tato anatin’ny dimy taona. Na lahy na vavy, na antitra na tanora, tsy maraina tsy hariva fa dia feno hipoka hatrany ireny « bar » ireny. Vao mangiran-dratsy dia efa manendry kely ny ankamaroan’ireo mpitarika posy, mpitarika sarety, mpivarotra anana, sns. Teraka tamin’izany àry ny fitenenana hoe “mamafa vava”. Ny dikan’izy io dia izao: kônsôma roanjato atao indray mitelina avy eo mamafa vava amin’ny tanana.

23/03/2015

KOF'ROC

Milaza miara-mahita angamba isika fa tsy ampy fialamboly mihitsy eto Antananarivo. Tsy misy afatsy « boite de nuit » sy « karaoke » no hany sisa azo aleha raha mba te hivoaka amin’ny alina. Tsy mahasarika mpanjifa intsony ohatra ny sinema (na ny fotodrafitrasa tamin’izany aza efa lasa trano fivavahana, tranombarotra, sns). Toraka izany koa ny teatra izay tsy afaka nivoatra mihitsy noho ny tsy fanomezan’ny mpitondra vahana ny fotodrafitrasa natokana ho amin’izany. Toerana filanonana vitsy monja no mikarakara irony antsoina hoe « cabaret » irony ary artista vitsy ihany koa sisa no mifandimby manafana izany ka mahatofoka ny mpanjifa. Antony maro no mahatonga io tsy fahampîan’ny fialamboly eto an-drenivohitra io: tsy fisian’ny fandriampahalemana, fahantran’ny vahoaka, sns.

24/03/2015

KOF'ROC

Tena notanterahan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena ary ireo depiote mambra ao amin’ny birao maharitra ara-bakinteny ny maha solom-bavam-bahoaka azy ireo. Ny hanina tokony hiditra amin’ny vavan’ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa mihitsy izao no lasa any an-kibon’ireo depiote ao Tsimbazaza. Miraraka sahala amin’ny fasika ny vola ao amin’ity andrim-panjakana ity saingy tsy hitan’ny IGE sy ny Bianco.

25/03/2015

KOF'ROC

Misy fitenenana manao hoe “ny mpanao kiraro no ratsy kiraro”, izany hoe, tsy manam-potoana hikarakarana ny an’ny tena noho ny fanamboarana ny an’ny hafa. Matetika koa hono ny zanaka mpitondra fivavahana no tena “maditra” sartia variana amin’ireo ondriny ny mpitandrina. Fa mba sahala amin’ny ahoana tokoa moa raha ny zavatra ananao talenta sy fahaizana manokana no manjo anao? Ohatra: dokotera profesora hiatrika fandidiana na fitsaboana. Mahalala tsara ilay aretina mahazo azy ilay dokotera, fantany amin’ny antsipirihany ny lalana tsy maintsy hizorana sy ny fihafarany. Izany hoe, mety miady saina lavitra noho ny olon-tsotra izy noho izay fahalalana ananany izay.

26/03/2015

KOF'ROC

Vohizina mafy dia mafy mihitsy ny hoe « lasan’ny karana ny fitantanana ny parking eto an-drenivohitra », « namidin’ny PDS tamin’ny karana ny tanàna », sns. Dia nilanja sora-baventy tokoa ireo andian’olona nokaramaina hivohy izany fanakorontanan-tsaina izany ary dia nitaky ny fialan’ny PDS mihitsy.

27/03/2015

KOF'ROC

Miha mazava ny resaka mikasika ilay hetsika ho fanoherana ny fandrindràna sy ny fitantanana ny « parking » eto an-drenivohitra. Ireo zatra ny lalan-dririnina mibodo ireo « parking » manomboka maraina mandra-paharivan’ny andro no mahatsiaro tena ho very tombotsoa. Fa mba mampiditra vola “ôtrinona” amin’ny CUA isan’andro tokoa moa ireo fiara efa niasa mameno ny sisin-dalana sy ny “parking” etsy Analakely ireo ary tena miditra any amin’ny kitapom-bolan’ny CUA tokoa ve?

31/03/2015

KOF'ROC

Tsy ho sasatra hiteny ity resaka manaraka ity isika eto amin’ny KOF’ROC ho fampieritreretna ireo mpitandro filaminana mihevi-tena ho tsy resefi-mandidy teto amin’ity Antananarivo. Mafy be daholo ireo mpitandro filaminana sy vondrona manokana teto amin’ity firenena ity: FRS, GMP, RESEP, REGAP, GP, GSIS, sns. Toraka izany koa ireo vondrona be sandry nampiasain’ny mpitondra tahaka ny TTS. Fa nisitri-belona daholo izany rehefa tapa-kevitra io vahoaka Malagasy io.

01/04/2015

KOF'ROC

Tsy afaka am-bavan’ny CIRGN Antananarivo, ny jeneraly Rakotomahanina Florens, isaka ny misy manam-pikasana hanao hetsika an-dalambe ny hoe « misy andian’olona hanakorontana » na koa ny hoe « efa azonay ny rensegnements fa misy olona hanao samedi noir na mercredi noir », sns. Fa tsy mbola nisy fisamborana mihitsy na indray mandeha aza. Raha tokony ho izy dia samborin’ny mpitandro filaminana avy hatrany (eo am-pelatanan’izy ireo araka ny nambaran’ity jeneraly mahita volana alohan’ny biby ity ny renseignements rehetra) ireo mpanakorontana mba hizoran’ny fihetsiketsehana na ny fanehoan-kevitra am-pilaminana. Tsy izany anefa no zava-misy. Tetika sy paikady maloto entina hisamborana sy hanosoram-potaka ny mpitarika fihetsiketsehana fotsiny ary mazàna moa rava na tsy tanteraka ilay hetsika.

02/04/2015

KOF'ROC

Tsy maintsy manao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety hatrany ny EMMO tarihan’ny jeneraly Rakotomahanina Florens isaka ny misy fikasana hamory olona an-dalambe haneho hevitra. Tsy maintsy milaza izao manaraka izao ity manamboninahitra ambony ity mandritra izany valan-dresaka izany : « araka ny angom-baovao azonay teo amin’ny EMMO dia misy andian’olona hanakorontana mandritra io fidinana an-dalambe io ka tsy maintsy handray fepetra izahay ». Nanambara mihitsy aza moa ny tenany ny volana jolay 2013 hoe « mirongo kalachnikov » ireo mpanakorontana, nandritra ilay hetsika nokasain’ny minisitra teo aloha, Alain Andriamiseza teny Ambohijatovo ary mbola nampiany hoe « hisy samedi noir ».

03/04/2015

KOF'ROC

Andron’ny Zandarimaria omaly alakamisy 2 aprily 2015. Lanonana maro no nentina nankalazana izany andron’ny Zandarmaria izany. Ohatra tamin’ireny ny fampisehoana nataon’ny GSIS tetsy amin’ny Carlton Madagascar Anosy. Fanamafisana ny fampihorohoroam-bahoaka anefa ireny na inona fanazavana entin’ny Zandarmaria. Te hilaza sy te hampita amin’ny vahoaka ny Zandarmaria fa tena “danz be” amin’ny resaka fisamborana olona. Tsy misy miraharaha an’izany fahaizan’ny zandary sy ny GSIS mihanika rindrina izany raha mbola mampiteny ny moana ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana sy ny dahalo any ambanivohitra.

04/04/2015

KOF'ROC

Mankalaza ny fetin’ny Paska ny kristiana manerana an’izao tontolo izao. Maro ireo hosairina mpandray fanasan’ny Tompo, mampanao batisa ny zanany ary mazàna lanonana sy fety hiarahana amin’ny fianakaviana no mamarana izany. Fa mba rahoviana, rahoviana ihany vao hitovy lenta ny olombelona eto an-tany e? Samy mankalaza ny fetin’ny Paska izao ihany, samy kristiana ary samy mbola miady ho isan’ny hahazo ny fanjakan’ny lanitra kanefa ny sasany ao anatin’ny fahasambarana ny hafa kosa anaty fahoriana.

08/04/2015

KOF'ROC

Nanaitra sady nanohina ny fo amam-panahy mihitsy ny nandre ny resaka nifanaovan’ireto raim-pianakaviana roalahy tao amina toeram-pisakafoana iray. Tandindomin-doza isan’andro tokoa mantsy ny ankohonana Malagasy amin’izao fotoana. Iray segondra monja dia ampy hanova sy handrava fiainam-pianakaviana iray ka tena mampihorin-koditra. « Izaho letsy no andry iankinan’ny ankohonako. Miady saina hatrany aho isan’andro ary manontany tena hoe: “raha maty tampoka moa aho dia mba ho aiza ireto zanako ireto?”.

09/04/2015

KOF'ROC

Manenjika sy manome tsiny ireo vahiny hatrany no tena manavanana antsika Malagasy: Lasan’ny Karana ny tany e! Aondran’ny Sinoa ny vatosoa e! Tsy mahay afatsy izay fanenjehana vahiny izay anefa isika. Jereo fotsiny ireo tany lasan’ny Karana: fanorenana trano fonenana manara-penitra, « centre commercial » manara-penitra, sns. Firy amin’ireo teratany Malagasy manam-bola eto amintsika anefa no mba manana izany eritreritra hanangana izany? Rehefa mba manao indray dia zavatra tsy tonga lafatra sy kitoatoa kely tsy afaka ny hifaninana amin’ny vita vahiny. Fa nahoana e?

10/04/2015

KOF'ROC

Mangotraka ny raharaha politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ary tena hifamango tokoa ireo antoko politika toa ny HVM sy ny TIM ary ny TGV. Familivilian-dresaka fotsiny ihany ny fifidianana ben’ny tanàna, efa fitondrana mihitsy izao no tanjon’ny tsirairay. Raha tsorina ny resaka dia ady tsy hisy indra-fo eo amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny Tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ary ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Mpanisy saosy sy mpitaty ran-kena fotsiny ihany ireo antoko efa niakanjoan’ny nofy tahaka ny UNDD, ny AREMA, ny RPSD, ny Leader Fanilo, ny MONIMA, ny TTS, ireo antokon’ny Tanindrana angamba no mahalaza azy e!

11/04/2015

KOF'ROC

Mandà mafy tsy te hitovy amin’ny Afrikana isika Malagasy kanefa dia « gena » tsara izao mihitsy raha ny fomba amam-panaon’ireo mpanao politika eto amintsika no dinihana. Natao hanompoana fianakaviana mantsy ny antoko politika aty Afrika fa tsy hanompoana tanindrazana. Koa inona hono no tsy mampitovy amintsika amin’ireo Afrikana antsoina ombieny hoe « gena »? Marary fo sy tezitra mafy mihitsy isika Malagasy rehefa lazain’ny vahiny hoe Afrikana kanefa inona no tena mampiavaka antsika amin’izy ireo?

13/04/2015

KOF'ROC

Inona no tsombotsoan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’ny fiarahany amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana? Iza no mba mahavaly io fanontaniana io? Raha ny zava-misy hita maso aloha dia toa olana no betsaka: Miteniteny foana mandrahona vahiny ka voatery nandraisana fepetra tsy mahazo mandray anjara fitenenana. Fa tsy nanaiky izany ny filoha teo aloha ary mbola nikasa handray fitenenana indray tany Antsirabe ka voatery nobatain’ny mpitandro filaminana.

16/04/2015

KOF'ROC

Tapitra nianjera avokoa ireo rafitra noheverina ho manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena. Ny Fitsarana no voahitsakitsaka voalohany indrindra tamin’izy rehetra, rehefa natsahatry ny fifanarahana politika ny fampiharana ireo didim-pitsarana manameloka ireo nahavanon-doza teto amin’ity tanindrazana iombonana ity. Voaporofo tokoa ankehitriny fa misy ireo ambony noho ny lalàna dia ireo izay manana fahefana politika. « Tsy misy ambony noho ny politika », marina izay; fa ny hoe « tsy misy ambony noho ny lalàna » toa mampihomehy ihany ny mandre azy.

20/04/2015

KOF'ROC

Tsy ny mpitondra fanjakana na ireo mpitondra nifandimby loatra rehefa dinihana no mampahanatra vahoaka fa isika Malagasy mihitsy no tsy tia izany fandrosoana izany. Ilay foto-pisainana Malagasy ireharehantsika lava io mihitsy no tsy mampivoatra antsika. “Aleo very tsikalakalam-bola toa izay very tsikalakalam-pihavanana”, hoy ny Ntaolo. Ka izay indrindra no mahatonga izao fahantrana eto Madagasikara izao. Takontakonana ao ambadiky ny fihavanana avokoa izao ratsy vita rehetra izao. Mifanohitra tanteraka amin’izany ny foto-pisainan’ny vahiny: “les bons comptes font les bons amis”. Tsy manaiky izany zavatra vita vita ho azy izany ny vazaha ary izay no mampandroso ny fireneny.

21/04/2015

KOF'ROC

Miezaka mafy hampahomby ny Fampihavanana notarihany ny FFKM. Toa niverina tamin’ny heviny ihany ireo mpitondra telo mianaka (Andry Rajoelina, Zafy Albet, Marc Ravalomanana) izay efa niala tsy ho isan’ny mpandray anjara tao anatin’izany Fampihavanana ataon’ny FFKM izany. Maro ny adihevitra manodidina ity Fampihavanana ity ary mifantoka amin’ny lafiny ara-teknika eo amin’ny fanatanterahana azy no ifantohan’izany adihevitra izany. Ny adinon’ny olona anefa dia ny lafiny lehibe sy goavana indrindra. Tsy inona izany fa ny lafiny ara-panahy.

22/04/2015

KOF'ROC

Tamin’ny andron’ny revolisiona sosialista no nampalaza izany filaharana izany: nilaharana ny vary, ny menaka, ny sira ary ny savony. Nitohy izany filaharana izany tamin’ny fitondrana UNDD saingy ireo 4x4 nanao tohy vakana nanatanterahan’ny filoha Zafy Albert Madaraid. Niova endrika indray io filaharana io taty amin’ny repoblika faha-telo, taorian’ny niakaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy inona akory izany fa ny filaharana nakany am-ponja izay nolovan’ny fitondrana Andry Rajoelina.

23/04/2015

KOF'ROC

Nitondra takaitra hatrany isaka ny misy krizy teto amin’ny firenena ny Foloalindahy: maro ireo namoy ny ainy, nigadra, nitondra kilema, very asa ary nahetry hatramin’ny gradiny. Novakivakisan’ny mpanao politika sy ny mpitondra nifandimby ny Foloalindahy ary izy ireo hatrany raha ny marina no tena nizaka ny dingin’izany kizy nifanesy teto izany. Mora ho an’ireo mpanao politika ny namorona fifanarahana politika ho fiarovan-tena raha tsy hiresaka afatsy ny momba an-dRavalomanana Marc fotsiny ihany.

24/04/2015

KOF'ROC

Azo ambara ho mihenjan-droa ny tady eo amin’ny fifandraisan’ny Lafrantsa amin’i Indonezia noho ny raharaha Serge Atlaoui. Nomelohan’ny Fitsarana Tampony ho faty mantsy ity teratany frantsay ity noho ny fanondranana rongony mahery, rehefa avy nigadra nandritra ny folo taona. Nambaran’ny minisitra Laurent Fabius fa tsy feno ny fepetra teo amin’ny fiarovan-tenan’ny voampanga ary tsy voahaja ihany koa ny zon’ny Fiarovana. Maloka noho izany ny fifandraisan’ireto firenena roa ireto ary mety ho ratsy mihitsy aza araka ny fahitan’ireo mpandinika.

25/04/2015

KOF'ROC

Manodidina ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara indray izao aloha no maharevo ireo mpanao politika. Fivoriana atsy, fihaonana eroa, sns. Fa tena hisy ve aloha io fifidianana io? Tsy diso mihitsy ny fametrahana izany fanontaniana izany mba tsy hilazana hoe tranga mety hitranga. Samy tsy misy matoky tena hibata fandresena mantsy na ny mpanohitra na ny mpitondra. Tsy misy manana olona mahafeno ny fepetra haharesy lahatra ny mpifidy, indrindra ho an’ireo tanàn-dehibe toa an’Antananarivo.

27/04/2015

KOF'ROC

Hifarana afaka andro vitsivitsy ny volana aprily, volana faha-efatra amin’ity taona 2015 ity. In-droa sahala amin’izay sisa dia hifarana ny taona. Heverina araka izany fa fotoana tokony hametrahana fanontaniana amin’ny mpitondra fanjakana amin’izay izao. Tsy misy azo tsapain-tanana mihitsy mantsy, tsy sanatria fitiavana te hitsikera ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina fotsiny fa ny zava-misy no ambara: fahapotehan’ny fotodrafitrasana, ny tsy fandriampahalemana, ny faharavan’ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka, ny tsy fisian’ny fitoniana politika, sns.

28/04/2015

KOF'ROC

Tsy mitsahatra mitombo ny tahan’ny heloka be vava toa ny vonoana olona (mpivady, mpisakaiza, mpinamana, sns) sy ny fanafihana mitam-piadiana miharo vonoana olona eto amintsika. Maro amin’ireny raharaha ireny no tonga eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana. Sarotra ny mandainga fa miezaka araka ny fitaovana eo am-pelatanany ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ny marina manodidina ireny ady heloka be vava ireny. Mipetraka ihany anefa ny fanontaniana manao hoe: azo antoka tokoa ve ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana atolotra eny amin’ny Fitsarana?

29/04/2015

KOF'ROC

Sahala amin’ny ahoana re ny zava-misy raha Merina ohatra no CIRGN, « Commandant du Groupement, Commandant de Compagnie » any Toliara, Fianarantsoa, Toamasina, Mahajanga, Antsiranana? Tsy resaka adim-poko sanatria fa lafiny ara-teknika sy ara-piarahamonina mihitsy. Na tiana na tsia dia misy fiantrakainy hatrany izay lafiny ara-pihaviana izay ary aoka izay ity fiantsaraham-belatsihy lava ity fa mbola manana ny lanjany eto Madagasikara ny resaka foko sy fihaviana ary ny finoana. Tokony hojeren’ny COMGN sy ny SEG tsara mihitsy araka izany ny mikasika an’Antananarivo.

30/04/2015

KOF'ROC

Milaza ho tsy mankasitraka ny Fampihavanana tarihan’ny FFKM i Voninahitsy Jean Eugène araka ny resaka nataony omaly tamin’ny hainoamanjery iray. Fa misy inona hono? Efa miahiahy ny tsy fahombiazan’ity Fampihavanana ity sahady angaha ny lehibeny no dia mailaka izay tsy izy naniraka an’i Voninahitsy hiakatra teny amin’ny onjampeo? Mpamitaka iraka fotsiny mantsy no fahitan’ny mpanara-baovao ity mpanao politika iray ity. Tsy i Voninahitsy Jean Eugène izay mpanolontsainan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina mihitsy no sahy hanao fanambarana tahaka ireny raha tsy nahazo alàlana na nahazo iraka hanao izany.

05/05/2015

KOF'ROC

Fitoniana, fihavanana, fiaraha-mientana hampandroso ny firenena ary indrindra fehin-kevitra eken’ny rehetra no tena zava-dehibe nandrasan’ny maro tamin’iny Fampihavanam-pirenena notarihan’ny FFKM iny. Namaly izany ve ny fehin-kevitra nivoaka ny sabotsy lasa teo? Mazava ho azy fa samy manana fahitany azy ny tsirairay, izany hoe, mizarazara ny hevitry ny olom-pirenena izay midika ihany koa tsy faharesen-dahatra.

05/05/2015

KOF'ROC

Dia roboka amin’iny fehin-kevitra navoakan’ny Fampihavanana notarihan’ny FFKM iny daholo indray ny sain’ny mpanara-baovao sy ny olom-pirenena. Adihevitra atsy, fivoriana eroa, sns. Etsy an-danin’izany anefa, mandeha ihany ny fotoana, misosa tsy misy mahatsiaro ary dia mbola hifankahita eto isika amin’ny taom-baovao 2016. Iza no sahy milaza fa tsy hahavita mandà io fitondrana Hery Rajaonarimampianina io? Iza no sahy miteny fa tsy mahay politika lavitra mihoatra ireo mihevi-tena ho sangany ny filoham-pirenena?

06/05/2015

KOF'ROC

Isika Malagasy hono mandeha miangona fa tsy mandeha mivavaka ka izany hono no mahatonga antsika miditra am-piangonana ny alahady, mangalatra ny alatsinainy. Mpandeha any am-piangonana ary samy nitonona ho kristiana daholo tokoa ange ny mpitondra nifandimby teto fa samy namono olona sy nangalatra ary nampijaly vahoaka daholo e! Lasa fialokalofana ny maha kristiana koa tsy mahagaga raha latsaka anaty hantsana tahaka izao ny firenena.

07/05/2015

KOF'ROC

Tsy maninona fa ndeha atao hoe fahombiazana iny Fampihavanam-pirenena notarihan’ny FFKM iny. Nivoaka ny fehin-kevitra ary vita sonia. Tsy hiresaka akory izay ho fampiharana na tsia ilay fehin-kevitra isika, tsy hiditra lalina ihany koa ny amin’ny hoe nisy nanova na nisy nanampy na koa nisy nanala ny andalana sasan-tsasany lany tany amin’ny asam-baomiera sy ny kaomisiona, sns. Fanontaniana tokana monja no ilana valiny mazava tsy ilàna adihevitra dia ny hoe: nanasitrana ny fery teo amin’ireo izay nahatsiaro tena ho niharam-boina nandritra ny krizy ve iny Fampihavanana iny?

08/05/2015

KOF'ROC

Kandidà miisa 18 amin’ny kaominina miisa 1693 no nametraka ny taratasy filatsahan-kofidiany araka ny vaovao azo. Izany hoe kandidà miisa 1675 no mbola andrasana hanatitra ny azy ao anatin’ny herinandro mahery kely. Etsy an-danin’izany, mbola mila vola hatrany amin’ny 7 tapitrisa dolara hanatanterahana ireo pitsopitsony tsy maintsy atao mba hirindran’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina.

09/05/2015

KOF'ROC

Tsy leo krizy ve isika Malagasy sa ilay fiainana mikorontana anjakan’ny tsy fanarahan-dalana mihitsy no mahafinaritra antsika? Madilo mihitsy ny sofina mandre ny teny hoe « ampiadian’ny Vondrona Iraisam-pirenena isika, ry zareo Frantsay no ao ambadik’izao savorovoro eto amin’ny firenena izao, te handromba ny harena eto Madagasikara ireo vahiny dia ataon’izy ireo izay tsy hisian’ny fitoniana, sns ». Dia lany andro manome tsiny ny hafa kanefa tsy mahita ny vay an-kandrina.