Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d'informations et d'actualités, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

04/06/2015
N° 895

 

Recherche Journal

« Tsy fotoana fambolena korontana izao »

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaha eto amin’ny tany sy ny firenena ny HVM Atsimondrano tamin’ny alalan’i Pianina Razafy, mpitondra teny. “Tsy fotoana fambolena korontana intsony izao. Tsy izany ihany fa efa manakaiky antsika ireo firenena mpamatsy vola ka manana fitokisana lehibe amintsika. Misy karazan’olona te hanakorontana noho ny fikatsahany ny tombotsoany manokana fotsiny mantsy, ka mamorona fa tsy mahavita ny andraikiny ny filoha ankehitriny”, hoy Pianina Razafy mpitondra teny .

Aleo ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana hoy izy no hanao ny asany ka handray ny fanapaha-keviny araka ny fahendreny. Ny olana mantsy hoy izy ireto dia manana fitiavana handika zavatra ho amin’ny tombotsoa manokana isika ka mandray an-tendrony sy mandika vilana izay voafaritra ao anatin’ny lalam-panorenana.
Tokony mba niera
“Tokony samy handini-tena ny rehetra” hoy ihany Pianina Razafy, ary tokony mba niera tamin’ny vahoaka ireo solombavambahoaka vao nanapa-kevitra nandray ireny fepetra ireny amin’ny maha-mpisolo vava ny vahoaka azy ireo. Manoloana izany rehetra izany, dia nanome soso-kevitra ny amin’ny tokony hanatanterahana ny fehin-kevitry ny mpizaika isam-paritra izy ireto mba hisian’ny fitoniana ara-politika.
Tsy misy mahamaika amin’ny fananganana andrim-panjakana hafa hoy hatrany izy ireo, satria efa misy aloha ny HCC afaka hanatanteraka ny fanarahana ny lalàna, efa eo ihany koa ny antenimieram-pirenena amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny governemanta sy amin’ny famolavolana sy fampandaniana ny lalàna. Ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana etsy ankilany efa mipetraka tsara.

Tag :