Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

Recherche Journal

Archive Politique

Manararaotra ny THB, Castel, Libertalia, Skol, Gold,...

12/10/2012

Nanomboka omaly tolakandro dia efa rakotra fiarakodian’ireo orinasa mpivarotra zavapisotro mahamamo ny faritra be mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Famporisihina ny olona hisotro sy hanari-dia ao anatin’ny fifamoana tsotra izao no azo andikana ny fihetsika ataon’ireo orinasa mpamokatra ny Skol, THB, Castel, Libertalia, Gold, sns. Izay mividy iray amin’ireo zava-pisotro ireo mantsy dia mahazo iray fanampiny. Tsy hita hambara intsony tabataba ateraky ny feo mozika mafy dia mafy ary ny fanentanana amin’ny alalan’ny “micro” na dia voararan’ny lalàna izao aza ny fanaovana dokambarotra zava-pisotro mahamamo eto amintsika. Tsy miafina intsony ireo orinasa amin’ny fanaovana dokambarotra ary tsy matahotra velively koa satria fantatr’izy ireo fa tany tsy misy fanjakana eto Madagasikara nandritra izay telo taona nitondran’ny filoha Rajoelina izay. Tovovavy tena mbola tanora avokoa no miasa amin’izany asa fanentanana sy fampimamoana ny zanaka Malagasy izany.

Mba fantatry ny fanjakana ve ny loza mitatao haterak’izao fanomezana vahana ny fampimamoana vahoaka izao? Marina fa tetika iray hamiliviliana ny saim-bahoaka tsy hifantoka amin’ny raharaham-pirenena ny fanatobahana ny zava-pisotro mahamamo sy ny loka, sahala amin’ny nataon-dry zareo amerikana tamin’ireo “apache”. Tsy vitan’izany fa mampikorontan-tsaina ny mandre ny feo mozika mafy hamalifalian’ireo mpanentana ny mpisotro ary dia ny iray tanàna no indray mizaka izany. Hanolotra kamiao 20 isa ho an’ny zandarimariam-pirenena indray mantsy hono ny filoha Rajoelina; fandriampahalemana inona anefa no heverin’ny mpitondra amin’izao famporisihana ny zanaka Malagasy hiroboka amin’ny fidorohana sy ny fifamoana? Firy akory ny ady sy ny fandratràna ary ny fanendahana mitranga aorian’ny fahataperan’ny fanentanana ataon’ny Skol, THB, Castel, Libertalia ary ny Gold ireny!
Mipetraka ny fanontaniana mikasika ny lalàna izay mandràra io fanaovana dokambarotra zava-pisotro mahamamo io: mbola azo henjehina noho izao fandikan-dalana vitany izao ve ireo orinasa mpamokatra ny Skol, THB, Castel, Libertalia ary ny Gold, aorian’izao fitondrana baranahiny izao? Aiza koa ny Bianco satria ny fanomezana vahana na tombotsoa manokana mifanohitra amin’ny lalàna dia efa endrika kolikoly. Tandindomin-doza tanteraka noho izao zava-misy izao ny zanaka Malagasy tsy an-kanavaka. Mangiana tanteraka eo anatrehan’izany ireo fikambanana malaza mpanao asa soa nasionaly sy iraisam-pirenena eto amintsika, ny fiangonana ary ireo olobe heverina ho ray aman-dreny. Minia mikipy ihany koa ireo andrim-panjakana misolo ny andraikitry ny Loholona. Fanjakana mampimamo vahoaka ara-bakinteny no misy ankehitriny.

Roc