Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Palitao sy tee-shirt !

10/12/2012

Dia lasa andro tsy fiasana kanefa handraisan-karama ho an’ireo izay mbola manana asa ny datin’ny faha-11 desambra. Tsingerin-taonan’ny Repoblika faha-IV hono mantsy io daty io, hoy ireo mpitondra tetezamita. Efa mihevi-tena ho filohan’ny Repoblika faha-IV rahateo koa Rajoelina Andry. Porofon’izany ireo fotodrafitrasa etsy sy eroa izay ny tenany irery ihany no mahita fa laharam-pahamehana amin’izao krizy iainan’ny vahoaka izao: kianja fanaovana rugby etsy Andohatapenaka, kianjan’Antsonjombe, hôpitaly manara-penitra.

Ny filoha Andry Rajoelina sy ny ekipany irery ihany no tompon’ireo rehetra voatanisa ireo ndrao dia ho diso fihevitra eto. Ohatra amin’izany ny kianjan’ny demôkrasia etsy Ambohijatovo. Izy no nitokana io kianja io ny taona 2009 ary izy irery ihany no mahazo mampiasa izany satria izy no tompony ary izy irery no manana demôkrasia hodradradradraina eto amin’ity firenena ity. Fanakorontanana sy ny fanonganam-panjakana kosa raha vao ny hafa no manam-pikasana hiditra ao amin’izany kianjan’ny demôkrasian-dRajoelina izany.
Hiaraha-mahita eto rehefa ho avy ny fampielezan-kevitra fa ny antoko TGV sy izay manohana ny mpitondra irery ihany no hahazo alalana hamory vahoaka sy hikarakara lanonana ao amin’ireo kianja hotokanana tsy ho ela ireo. Fananan’ny filoha Rajoelina avokoa mantsy ireny fa tsy fananam-bahoaka ka noho izany ny tenany irery no masi-mandidy aminy. Eny amin’ny By-pass sisa angamba no hany toerana ahafahan’ny antoko na kandidà mpifanadrina amin’ny filoha Andry Rajoelina hanao fampielezan-kevitra. Ataovy ho toa ny tsy misy izany kianjan’i Mahamasina, Antsonjombe, Andohatapenaka, Antsahamanitra, sns. Ny antoko Vitatsika irery angamba tsy hanana olana amin’izany satria efa manana ny Maison Blanche eny Ivandry!
Ny hany tombon’ity fifidianana filoham-pirenena amin’ny volana may 2013 ity dia afaka hiatrika ny vanim-potoana ririnina tsara ny vahoaka satria ho maro ny tee-shirt hozarazaraina; 12 isan’olona aloha hatreo raha kely indrindra satria manodidina izany ny isan’ireo efa nilaza ho kandidà. Ho maro ihany koa araka izany ny kandidà ho diso hevitra. Olona hanenjika tee-shirt sy casquette ny ankamaroan’ireo tonga hijery ny propagandiny. Misy hitovizany ihany ny mantsy ny vahoaka sy ny mpanao politika: raha famadihana palitao no mampalaza ny mpanao politika gasy; fanenjehana tee-shirt kosa ny an’ny vahoaka.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...