Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Isaka ny mivoaka !

19/12/2012

Toa misy zava-mitranga izany foana eto amin’ny firenena isaka ny mivoaka any ivelany ny filoha Rajoelina ! Mampahatsiahy ny fomba amam-panaon’ny amiraly Didier Ratsiraka tokoa izao zava-misy izao. Tsy tahotra tsy henatra akory ny amiraly tamin’izany fotoana izany, mamaly ny fanontanian’ny mpanao gazety hoe : « tsy teto an-tanindrazana aho, tsy fantatro izany resaka izany ! ». Dia hilaza ve ny filoha Rajoelina fa tsy ny tenany no nanome hisamborana an’i Alain Ramaroson rahatoa ka tsy sinema araka ny fahitan’ny olona azy ireny zava-nitranga teny Andoharanofotsy ireny?

Vao lasa tany Seychelles ny filoha Rajoelina dia nanomboka ny hazalambo ireo mpanao politika, fianakaviana ary olona akaikin’i Lalatiana sy Fidèle ka nahatonga ireto mpanao gazety ireto voatery nialokaloka tany « anaty ala » tany, nialohan’ny nandraisan’ny ambasadin’i Afrika Atsimo azy ireo. Ohatra ny milaza hoe tsy tomponandraikitra ary tsy nanome baiko tamin’izany mihitsy ny tenany.
Maro tsy voatanisa ny tranga tahaka izany fa ny tiana hasongadina dia ny hoe ireo fomba amam-panaon’ny mpitondra teo aloha ihany no haverin’izao fitondrana Rajoelina izao. Isaka ny mivoaka ny filoha dia misy zavatra mitranga foana eto amin’ny firenena ary tsy tomponandraikitra amin’izany velively ny tenany. Hatramin’ny oviana tokoa moa no hanana andraikitra amin’izay zava-nisy teto amin’ny firenena ny filoha Rajoelina. Voalaza izao fa tompon’antoka amin’ny fahasimban-javatra ny mpitarika grevy sy fitokonana an-dalambe ; nisy mihoatra noho iny 26 janoary 2009 iny ve raha samy fahasimban-javatra sy famoizan’aina ? Manodidina ny 500 ny aina nafoy nandritra iny Alatsinainy Mainty iny ary ny filoha Andry Rajoelina no nitarika ny olona hidina an-dalambe tamin’izany fotoana izany.
Mety misy fahamarinany tokoa ny zava-boalazan’ny minisitra teo aloha Gilbert Raharizatovo manao hoe: “endriky maneho ny tahotry ny mpitondra izao fihetsika ataon’izy ireo izao ». Maninona raha amin’ny fotoana maha eto an-tanindrazana ny filoha Rajoelina no handraisana sy hampiharana fanapahan-kevitra goavana tahaka iny fisamborana ny filohan’ny antoko Masters, Alain Ramaroson iny ? Toa isaka ny mivoaka izao foana vao mirangaranga avy any ny fisamborana izay rehetra manelingelina ny mpitondra.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...