Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Mijinja tadio !

05/02/2013

Izay mamafy rivotra mijinja tadio, hoy ny Ntaolo. Marina loatra io oha-pitenenana iray io ary noporofoin’ny tantara teto amin’ny firenena. Nampanao hazalambo ireo mpomba ny amiraly Didier Ratsiraka ny ekipan-dRavalomanana Marc ny taona 2002. Voaroba tamin’izany ny trano fonenan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha sady praiminisitra lehiben’ny governemanta, Guy Willy Razanamasy. Lasibatra ihany koa ny an’ny tale jeneralin’ny prezidansa, Andriamilemirovason Gérard, ny an’i José Kely ary Tsaranazy. Olona mihevitra ny hitondra fanjakana aoriana ve dia fanabeazana sy toetsaina mandroba tahaka izany hanabeazana vahoaka? Tsy mahagaga mihitsy raha niverina ny asa fandrobana ny taona 2009; lasibatra tamin’izany ny orinasa Tiko sy Magro ary ny trano fonenan’i Guy Rivo.

Mbola nodimbiasan’izao fitondrana Tetezamita izao anefa izany toetsaina mamohehitra izany: noviraviraina tahaka ny jiolahy ny filohan’ny FJKM, ny pasitera Lala Rasendrahasina sy ny filohan’ny antoko MFM Manandafy Rakotonirina ary ny senatera Naika Eliane. Toa hafaliana sy fandresna anefa no nandraisan’ny HAT sy ny forongony izany fihetsika izany ary tsy nisy mpitondra fanjakana na dia iray aza nanameloka ny herisetra natao tamin’ireto ray aman-dreny ireto. Tsy tokony ho gaga mihitsy araka izany ry zareo ao Ambohitsorohitra raha mba nahazo ny anjarany koa ingahy Norbert Ratsirahonana na Norbert I araka ny fiantsoan’i Big Max azy.
Toa marary mihitsy anefa ry Ambohitsorohitra ary namoaka fanambarana mikasika ny zava-nanjo an-dRatsirahonana tany Frantsa farany teo. Aoka ho fantatry ny filoha Rajoelina sy ny forongony fa marary lavitra noho izay nanjo an-dRatsirahonana ny fijalian’ny Malagasy vokatry ny fahaverezan’asa noho ireny 26 janoary ireny; indrindra ireo namoy havana aman-tsakaiza kanefa tsy misy Fitsarana hatramin’izao. Marary lavitra noho izao fihetsika nataon’ny GTT ny fahantrana mianjady amin’ny isan-tokantrano noho izao krizy lava mbola tadiavin-dRajoelina sy ny ekipany hotohizana roan a folo taona izao.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...