Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mompera no mitsabo ireo maratra ?

24/10/2012

Tsy mbola nandray ny tambin-karamany ho an’ny volana manaraka ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny FIS, CFS, RAL, RTS, manatanteraka ny hetsika fampandriantany any Atsimo, araka ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana. Mety ho bokan-trosa ao Betroka mihitsy ireo miaramila noho izany; ny asa anefa mitohy tsy mijanona ary vao omaly izy ireo no tafaverina avy tany Miary, toerana nitranga fifandonana goavana tokoa. Mikasika izay indrindra àry dia voalaza fa vaky nandositra any anaty ala ireo malaso satria mafy dia mafy ny fanafihana nataon’ny Foloalindahy. Tsy fantatra

aloha hatreto ny isan’ny maty; voalaza kosa fa maimbo fofom-paty mihitsy ny tanànan’i Miary. Izao koa vao fantatra fa tsy ilay rafozan-dRemenabila antsoina hoe Tsirinasy akory no voasambotry ny Tafika. Mbola miriaria miaraka any izy mianaka; voalaza kosa fa maratra Remenabila voan’ny bala teo amin’ny tongony.Manodidina izay indrindra àry dia mandeha ny feo any an-toerana fa mompera izany no mitsabo ireo malason-dRemenabila. Mazava ho azy fa amin’ny maha olombelona no anton’izany fitsaboana izany raha tena mitombona tokoa io angom-baovao azon’ny mpitandr filaminana any an-toerana io. Adihevitra goavana manodidina ity hetsika any Atsimo ity tokoa mantsy ny resaka zon’olombelona sy ny maha olona. Samy manana ny filazany sy ny tombotsoa harovany avokoa, raha tsy hiresaka fotsiny afatsy ny isan’ireo maty nandritra izay roa volana latsaka kely nidinan’ny FIS, CFS, RTS ary ny RAL izay.
Fanaraha-maso iraisam-pirenena
Hatramin’izao ora izao dia tsy mbola namaritra ny lalàna manodidina ny hetsika any Atsimo ny governemanta Tetezamita. “Etat de nécessité” ve sa “Etat d’urgence” sa “Loi Martiale” no misy eto amin’ny firenena, nahafahan’Ambohitsorohitra nandefa ireo miaramila mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika toa ny avy amin’ny RAL (Régiment d’Artillerie Lourde), izany hoe any amin’ny tany miady. Inona no fepetra tokony horaisiny manoloana ny rà latsaka isan’andro isaka ny misy fifandonana ? Ilàna fanaraha-maso iraisam-pirenena araka izany ny zava-misy any Atsimo ndrao sanatria ho lasa fandripahana (génocide) tahaka izay niseho tany Rwanda.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...