Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Mitàna ny teniny ?

14/02/2013

Manao ririnin-dasa tsy tsaroana ve ny filohan’ny HAT sa tena finiavana ny handainga sy hamita-bahoaka tsotra izao e ! Nambrany nandritra ny fandaharana « invité du zoma » fa mitana ny teniny hatrany hono izy hatramin’izay naha teo amin’ny fitondrana azy izay. O rey olona ! Mihevitra ny Malagasy ho babakoto araka ny nambaran’i Alain Ramaroson tokoa ve ny filoha Rajoelina sa ahoana ! Adinony angaha ny kabary nataony ny faha-4 janoary 2009, nampanantena ny famahana ireo hainoamanjery rehetra nakaton’ny fitondrana Ravalomanana Marc ? Na zazakely vao mianatra mamaky teny sy manoratra aza ve tsy hahay hanisa fa be lavitra ny radio sy fahitalavitra nakaton’izao fitondrana Tetezamita izao raha hoarina amin’ny isan’ny hainoamanjery nakaton-dRavalomanana ! Koa raha mitàna ny teniny marina tokoa ny filohan’ny HAT, inona no tsy hanomezany baiko ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, hanokatra ao anatin’ny fotoana fohy ireo hainoamanjery ireo, singaina manokana amin’izany ny Free FM, ny MBS, ny radio Fahazavana, ny radio Mada ary ireo hainoamanjery miisa 80, sns !

Ny kianjan’Ambohijatovo izay notokanan’ny filoha HAT sy nomeny anarana ho kianjan’ny demôkrasia aza nivadihany tahaka ny tsy misy. Taiza no nisy kianjan’ny demôkrasia andrasana miaramila mirongo basy aman-tafondro tsy azon’iza hidirana izany raha tsy ny kianjan’ny demôkrasian-dRajoelina ! Izany olona izany anefa no mihevitra ny tenany ho miteny amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy sy mpiantoka ny fiandrianam-pirenena. Olona tsy voafidim-bahoaka mpanjakan’ny jadona no mirehareha ho mitàna ny teniny; fahasahian’izay olona rey izany!
« N’aiza na aiza misy vahaolana ary na inona izany vahaolana izany dia vonono aho ! », hiy indrindra ny filohan’ny HAT tany amin’ny taona 2009 sy 2010 tany. Ka inona indray no mbola mampiziriziry azy amin’izao fotoana izao, efa nofaritan’ny CENI-T sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa ny fifidianana filoham-pirenena no vahaolana tsara indrindra amin’izao krizy iainan’ny vahoaka 20 tapitrisa izao. Izany hono no mitana ny teniny ; hafa ny androany, hafa ny ampitso. Tsy hiala eo amin’ny fitondrana mihitsy izany Rajoelina raha tsy afaka dimy taona, izany hoe amin’ny 2018. Amin’ity indray mitoraka ity angamba izy vao tena hitàna ny teniny amin’izay!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...