Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Valifaty !

20/02/2013

Mazava be ary tsy misy afaka ny hilaza ankoatra ny hoe « valifaty », izay no mahazo ny fianakaviana Lalao Ravalomanana, manoloana ny tsy fahasalaman’i Bebe Razay. Koa satria tokoa tsy afaka nody an-tanindrazana ny amiraly Didier Ratsiraka, ny praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo, ny governora teo aloha Maharante Jean de Dieu sy ny maro tsy voatanisa, tamin’ny fotoana sy ora nampanjombona ny fianakavian’izy ireo, nandritra ny fitondrana Ravalomanana Marc, dia izao no setriny : tsy mahazo mody an-tanindrazana hijery sy hikarakara ny reniny koa ny vadin’ny filoha teo aloha.

Tsy misy afatsy valifaty no nibaiko ny sain’ny mpanao politika teto hatramin’izay. Lasibatry ny “Hazalambo” nataon-dRavalomanana Marc sy ny forongony ny tranon’ireo minisitra sy tomponandraikitra nandritra ny fitondran’ny amiraly ny taona 2002, eny hatramin’ny trano fonenan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha, Guy Willy Razanamasy. Fito taona katroka, lasibatry ny asa fandrobana ny orinasa Tiko sy Magro, fananan-dRavalomanana Marc ny taona 2009. Dia ahoana ny tohiny?
Dia sanatria koa ve mbola hanjo izay mpitondra tsy eo amin’ny fitondrana (na tamin’ny fomba ahoana no nialany teo) izany fomba amam-panao mamohehitra izany? Mitonon-tena ho kristiana mivavaka isaka ny alahady, miantso ny anaran’Andriamanitra amin’izao kabary sy lahateny rehetra izao ve dia valifaty no mameno ny fo amam-panahy? Mbola sahy mandingana ny varavaram-piangonana ihany ve ireto mpanao politika sasan-tsasany eto amintsika ireto?
Anatra ho an’ny manaraka tokoa angamba, hoy ny marivo fisainana. Tsy foto-pisainana tahaka izany kosa no tokony hanabeazana ny taranaka; foto-pisainana miorina amin’ny valifaty. Izay mamafy rivotra ange ka hijinja tadio e! Nanome baiko teny amin’ny 7 febroary 2009 angaha i Lalao Ravalomanana, izy angaha no nitarika ny olona hidina an-dalambe fototry ny 26 janoary 2009, izy koa angaha no mahatonga izao fahasahiranan’ny antoko TGV, mitady izay ho kandidà filoham-pirenena izao?

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...