Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Hifidy an’iza ?

05/03/2013

Hatramin’izao aloha dia tsy mbola misy afaka ny hitompo teny fantatra mihitsy fa hisy ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny volana jolay 2013. Na izany aza tsara ihany ny hiresahana dieny izao sahady fa tsy kilalaon-jaza na fifidianana takalom-bary sy « tee-shirt » no hatao mandritra io fifidianana io, fa safidy goavana hianteheran’ny fanarenana ny firenena noho ny kaboraraka ataon’izao fitondrana Tetezamita izao. Fa hifidy an’izay aloha e ?

Tsara fipetraka ilay fanontaniana ; manontany tena tokoa mantsy ny olom-pirenena amin’izao fotoana hoe : « hifidy an’iza? ». Tsy mora kanefa koa tsy sarotra ny mamaly izany fanontaniana izany. Mila ray aman-dreny manana fahavononana ny firenena. Inona moa no andraikitry ny ray aman-dreny voalohany indrindra tsy ny fiahiana ny zanany (ara-pahasalamana, ny fianarana, ny sakafo, ny ara-materialy, indrindra ny ara-panahy, sns), ny fitadiavana izay metimety hatrany hananan’ny taranany ho avy mamiratra!
Izay kandidà manana programa mazava azo tanterahana fa tsy fampanantenana poak’aty tahaka ny teo aloha (4L isam-baravarana, fanovàna, sns) no tokony hiantefan’ny safidin’ny mpifidy. Tomponandraikitra feno amin’ny safidiny anefa ny olom-pirenena tsirairay avy ary aza adinoina fa hiankian’ny ho avin’ny firenena iray manontolo ilay vato iray narotsaka tanaty vata iny. Tsy misy afatsy ny fifidianana rahateo koa no vahaolana hivoahana amin’izao krizy efa mankaleo sy mampahantra izao. Ny sisa andrasana dia ny fanambarana ofisialy ny fiantsoana ny mpifidy sy ny fisokafan’ny propagandy!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...