Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

« Afobe e! »

08/03/2013

Firy isan-jaton’ny Malagasy sisa no miaina ara-dalàna, mbola manana izany fiainam-pianakaviana sy ankohonana izany ? Miala vao mangiran-dratsy ary tsy miverina raha tsy hariva efa vizan’ny fitadiavana sy ny rotoroton’ny tsy fisiana. Avy hatrany dia mamonjy fandriana hanambatambazana ny lalan-drà sy ny hoza-pe tsy hipika; zara raha mahavita ny adidy maha mpivady. Ny tafa sy dinidinika amin-janaka moa dia efa niakanjoan’ny nofy nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona. Tahaka ny fanao amin’ny hotely sy “chambre” sisa fa tsy mba mamonjy tokantrano; ny maha samy hafa azy fotsiny angamba dia ny hoe isam-bolana rehefa mandray karama no handoavana ny saran’ny “chambre” fa tsy isaka ny « pasazy » tahaka ny maka mpivarotena.

Tsy manana ny hasina sy ny haja maha tokantrano na ankohonana azy intsony ny Malagasy vokatr’izao fahantrana tsy roa aman-tany izao. Toa mampanofy ratsy ny mandre ny fitantaran’ireo bebe sy dadabe ny fiainan’izy ireo fony Repoblika I. Tsy maintsy mandeha manao vakansy rehefa vita ny taom-pianarana, misolo hatrany am-paladia ny fitafiana rehefa Paska, Pantekôty, Krismasy ary tsy maintsy marihana amin’ny fanasana ireo havana aman-tsakaiza ny tsingerin-taona nahaterahana. Miray latabatra rehefa misakafo maraina, antoandro aryhariva. Fiainana e ! Izany ka fiainam-pianakaviana fa tsy « pasazy » tahaka ny fiainan’ny Malagasy amin’izao fotoana. Im-piry ao anatin’ny herinandro vao miara-miasakafo ao an-trano ny ankohonana iray ankehitriny ?
Lasa mankaleo ny mijery an-drafotsy mivalampatra eo am-pandriana, lozotry ny tsy fahampian-tsakafo, maimbon-drafahantrana, tsy maha te hanao “calin” tahaka ny tamin’ny faha-18 taonany. Nanjary “torture” ho an’ny madama ny safosafon-dramose amin’ity tanana feno kitro kanefa tsy ariary am-paosy, ampian’ny fofom-bava avy nitelina kônsôma, tsy nahita borosinify nandritra ny herinandro. Afobe !

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...