Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Matahotra inona e ?

11/03/2013

Mahavariana ihany ny mamaky ireo lahatsoratra an-gazety milaza fa miatrana avokoa hono ireo toby miaramila noho ny tahotra fikasana haka fanjakana. Fa iza indray no mbola manana tombotsoa haka fanjakana amin’ny alalan’ny hery amin’izao efa-bolana mialohan’ny fifidianana izao. Tsy efa manana ny kandidà avokoa ve ireo antoko politika eto amintsika ka hatao inona indray fahefana azo amin’ny alalan’ny fampiasam-basy sy tafondro tahaka ny tamin’ny taona 2009 e ? Kandidà 12 no efa fantatra fa hifaninana amin’io fifidianana izay hatao amin’ny volana jolay 2013. Sa misy antoko tsy mbola manana na tsy mahita kandidà any ho any?

Ohatra ny hampihorohoroana sy iniana ampitahorina izany ny saim-bahoaka, asa angaha iza no manana tombotsoa amin’izany. Ndrao dia mba misy matahotra fifidianana kosa aloha any ambadika any e? Ny ankoatra izay mantsy tsy tokony hisy hanana tombotsoa haka fitondrana amin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana na amin’ny alalan’ny fampiasan-kery! Izay hanatontosana ny fifidianana no tokony himasoana; avela hisafidy izay heveriny fa mendrika hitondra ny tany sy ny fanjakana ny vahoaka. Ity farany rahateo koa no tompon’ny fahefana farantampony (ho an’ny mandàla ny demôkrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra no tiana hambara eto).
Etsy an-danin’izany, misy mivavaka mafy mihitsy angamba any ho any ny mba hisiana loza voajanahry hafa tahaka ny tany Toliara, hanaovana propagandy. Tsy misy hotenenina firy intsony mantsy ny zava-misy any Atsimo; ny any Mandritsara indray afo mahamay ka niala lavitra tahaka ny zanak’Ikalahafa. Dia mirefodrefotra indray ny basy, mihorohoro ny mponina noho ny fisamborana sy ny ramatahora etsy sy eroa, ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana. Mpitandro filaminana sy miaramila indray mantsy hono no lasibatry ny jiolahy tato ho ato. Tsy hay intsony izy ity, iza no matahotra inona?

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...