Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Mamela anay !

18/03/2013

« Nahoana ianao no tsy tonga miangona intsony anaka? Nanokana fotoana mihitsy aho androany…», hoy Pasitera. Roa taona sy dimy volana latsaka kely izao no namoizan’i Andry ny vadiny. Banky rompitra noho ny fitsaboana ny ankohonana. Manodidina ny 600.000 ariary isaka ny herinandro ny vola tsy maintsy hita nandritra ny roa taona nitsaboan-tena. Lafo dia lafo tokoa ny saran’ny fanaovana « dialyse » eto amintsika.

Voatery namidy ny fiara, ny tany midadasika amoron-dalana lovan-dRatompokovavy avy tamin-dray aman-dreniny, novàna tany amin’ny sekoly tsy miankina tsotsotra ny ankizy, sns. Toa afa-pahoriana indray aza ny fahitana azy mianakavy kely na dia tsy fiteny aza izany. Efa ritra nandritra ny famarotana ireo fananana sy harena teo am-pelatanana ny ranomaso, hany ka vatana tsy misy fanahy sy vaingana atidoha no novangian’ny havana aman-tsakaiza fony mbola tao am-bohitra ny razana.
Tokantrano nanankina tanteraka ny fiainany tamin’Andriamanitra izy mianakavy kely. Diakona rahateo koa izy mivady ary isan’ireo ankizy mafana fo tao amin’ny Sampana Sekoly Alahady izy mianadahy zanany. Natokan’izy mianakavy ho andro fanompoana an’Andriamanitra sy fanatanterahana ny adidy ao amin’ny Fiangonana ny andro alahady; nandray anjara mavitrika mihitsy tamin’ny fanitarana ny Fiangonana. Maro ireo hetsika natao hitadiavam-bola tamin’izany toa ny “déjeuner dansant” sy ny « opération cake », ankoatra ny fanomezana vola, simenitra, vy, hazo ary izany dia maimaim-poana avokoa. Misy fotoana aza izy mianakavy kely no miantoka ny karaman’ireo mpanao trano sy mpandrafitra dabilio.
Nanomboka tsy tazan’ny zanaky Fiangonana firy intsony izy mianakavy taty aoriana. Mazàna hitan’ny mpiangona milalao eo antokontanim-piangonana izy mianadahy rehefa Ankatroky ny Fandraisana, miditra sy mivoaka ny fiara maka « eau vive » sy « biscuit ». Zendana mihitsy ny manodidina mandre azy mianadahy miteny frantsay vary raraka. Tao anatin’ny indray mipi-maso anefa no novadihan’izany fahasambarana tao an-tokatranon’izy ireo izany. Tsy navelan’ny fitsaboana sy ny fikarakarana maro samy hafa, ny asa fivelomana etsy an-daniny, hanohy ny fanompoana an’Andriamanitra intsony i Andry. Niha maizina ilay masoandro mibaliaka, ringana izay nihariana nandritra ny taona maro. Tsy vitan’izany, nihozongozona hatramin’ny finoany ary matetika izy no mametra-panontaniana hoe: “fa dia nahoana loatra no izao no manjo anay?”.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...