Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Ra-Jeannot

06/04/2013

Diabe manara-penitra (Tohiny) Indraindray mba mitsiky amin’ny malahelo ihany ra-vintana. Tsy fahasambarana feno tahaka ny an’ny mpanana fa toa mampitaintaina aza. Nividy “gauloise” iray teo amin’ilay mpivarotra amoron-dalana Ra-Jeannot. Roanjato ariary no natolony kanefa dia namerenan’ilay mpivarotra sivinjato ariary. Noheveriny ho roa arivo ariary angamba ilay ravim-bola roanjato. Hendratra tampoka teo ny endriky Ra-Jeannot, noraisiny ny famerim-bola ary dia namindra tsimoramora tahaka ireny olon-drahetra avy nahazo izay nilainy ireny ranamana. Nanao tongotra an-katoka tahaka ireny nenjehana omby masiaka ireny raha vao nidify ilay sampanan-dalana. Ny hitady mpivarotra lasopy no masaka tao an-tsainy, kilometatra maro tokoa izay vita nanomboka tamin’ny 6 ora maraina izay. Asa tokoa raha mba tsapan’ireto mpitondra HAT ireto ny fahorian’ireo Malagasy very asa noho izao krizy izao, indrindra ireo niharan’ny fandrobana tamin’ny faha-26 janoary 2009.

Miova avokoa ny fomba fisainana sy ny zavatra tiana rehefa latsaka an-katerena. Lasopy sinoazy iray baolina no novidian-dRajeannot. Ny ranon-dasopy no nataony fisotron’adala, tsy mbola nokiasihany mihitsy ireo “patte” sy tetika atody ary toton-kena. Natolony an’ilay mpivarotra hani-masaka ny baolina sady narahany teny miharo baiko: “mba ampio ranon-dasopy kely ity ry madana a!”. nipatrapatraka ny hatsembohan-dRajeannot teo am-piandrasana ny fanampina ranon-dasopy. Naveriny notompaza-maso kely indray ireo sivinjato ariary ka mba feno fanantenana mihitsy ny anao lahy. “Mety ho tsara lasantsy mihitsy ialahy androany ry Jeannot a! Aleo tohizana ny fitetezana tranombarotra rehefa avy eo ndrao dia tonga amin’ny tanjona niriana!”.
Tsy nandingana folo metatra akory izy dia efa tratran’ny fakampanahy sahady. Nanintony azy loatra ny lokon’ny composé” noravahana tetika “betterave” ka dia naka seza. “Anaovy composé iray dia aza asiana karaoty!”, hoy izy sady niherikerika ireo mpihinana maromaro tao amin’ilay « gargote ». Ho lany rahoviana tokoa ny fitonjato sisa ambiny nividianana lasopy e ! Tsy nijery tabilao anefa Ra-Jeannot fa dimanjato ariary ny iray lovia. Efa ndeha hamarana ny iray sotro farany izy vao nahatazana ny soratra vita sokay. “Oay leity e! Dimanjato kay ty composé ohatra ny sakafon-tsaka ity!”, hoy izy sady sorena mafy. Tsy natoky izay hitan’ny masony anefa izy ka dia nanontany ilay mpivarotra: “ohatrinona moa le composé ry madama?”. “Composé dimanjato!”, hoy ny valinteny. (hitohy)

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...