Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Ra-Jeannot

17/04/2013

Diabe manara-penitra (tohiny) Tsy nahavita azy hatramin’ny firavan’ny fitokanana ny kianjan’Andohatapenaka akory ilay roa arivo anjara volan-dRajeannot. Nimenomenona fatratra ny anao lahy rehefa nody: “lany taty fotsiny ny fotoana. Inona koa no nanekeko iny vola tsy mahavita andro iny e?”. Fanenenana lava ny fiainan-dRajeannot: nanenina tsy niaraka vy hatrany tamin’i Sidonie, natosiky ny toaka vao tapa-kevitra kinanjo nandry teny an-tsisin-dalana no nihafarana. Tsy misy maminy intsony fa toa kilalaon’ny loza sy ny ankaso.

Naka aina kely teo amin’ny tetezan’Ampasika Ra-Jeannot, nitazana ny reniranon’Ikopa madiva ho ritra. Lasa ny eritreriny nanao hoe: “ny ranon’Ikopa aza ity toa mitady ho ritra ihany, mainka fa hozam-peko mikarenjy lava amin’ity diabe manara-penitra isan’andro ity! Tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra ialahy ry Lapin a! Tsy maintsy ho ritra raha tsy efa maina mihitsy aza ny fihantran’ny olona ialahy”. Fanapahan-kevitra inono hono no horaisin-dRajeannot e? Hamono tena? Izay ihany mantsy no heverin’ny mpitazana fa vahaolana ho azy rehefa tsy hanolo-tena ho an’Andriamanitra. Loha-hevitry ny fiangonana tamin’io herinandro io rahateo ny hoe “antsoy aho fa hovaliako ianao”.
Tamin’izay indrindra anefa no nahatazanan-dRajeannot ny tompon-tranony avy nividy provandin-kisoa; fotoana tokony handraisany fanapahan-kevitra: na hitsambikana eo amin’ny tetezan’Ampasika na nitolo-batana amin’i Bebe Rabako tompon-trano. Hany heriny, nanao dia maika niverina. Izay no fanapahan-kevitra hitan-dRajeannot fa tsara indrindra. Ny mandositra no lalana heverin’ny olon-dratsy ho vahaolana; izay ihany koa no fara fanantenany. Niampita ny arabe mihazo ny “digue” Ra-Jeannot, tsy handriny izay handraisan’i Bebe Rabako taxi-be. Kinanjo, tojo ramatoa iray mpampanofa trano ihany koa ity tompon-tranony ka velona teo indray ny resaka. “Tsy maintsy olana mikasika mpanofa trano izao no maha be resaka an’ireto vavy antitra ireto ary ialahy isan’izany ry Ra-Jeannot”, hoy izy niteny irery. Raha azony natao dia nilomano niampita ny reniranon’Ikopa izy. Efa mitady tsy hozakany intsony ny ranjony roa, nijoro nandritra ny tontolo andro nihoby ireo “fahavalony” teny an-kianja. Rehefa hidiran’andro izay tokoa aloha, ny ranon’ampango aza misy voay e! “O l’ty ry Jeannot, ahoana le sôsiko any amin’la? Efa ela loatra kosa leisy zay sady tsy mandray tél mitsy isaka ny antsoina”, hoy i Serge. Tafakatra dimy arivo tokoa mantsy izao ny trosa-na kônsôm an-dRajeannot. Nataony tany fady ny épi-bar an-dRaserge, tsy mampaninona azy ny mihodidina lavitra mba tsy handalovana eo. “Miandry bandy ananako vola eto aho leisy ry Serge fa hateriko any volan’ialahy rahariva a!”, hoy Ra-jeannot menatra mafy tamin’ireo mpandalo. “De miandry fa gasy e! Tongavako ao an-tranon’la ao ialahy raha tsy mandalo manatitra izay vola izay an! Haka entana mantsy rafotsy rahampitso”, hoy Serge mototra.
Raha nisy tokoa zavatra nandeha sy niroborobo nandritra ity fitondrana HAT ity dia ny fisotroana alikaola sy ny fidorohana ary ny loka. Ny olon-dresy tahaka an-dRajeannot no tena mavitrika amin’ny fananteran-drakitra any amin’ireny bar isan-karazany ireny.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...