Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Hefaina amin'ny vola natokana ho an'ny fampiasam-bola

03/11/2012

Raha araka ny tokony ho izy dia ao anatin’ny vola fampandehan-draharaha (budget fonctionnement) no handohavana ny vatsim-piaranan’ny mpianatra. Efa tsy misy intsony anefa io vola fampandehan-draharaha io, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Vokatr’izany dia ny vola natokana amin’ny lafiny fampiasam-bola (na ny programme d’ investissement public : PIP) no handohavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra sy ny karaman’ny mpampianatra mpikaroka ary ireo

mpandraharahan’ny Oniversité eto Madagasikara. Na dia voaràran’ny làlana aza ny famadihana ny lalambola toy izao kasaina hatao eny amin’ny oniversité izao dia tsy mety hatao ihany izany, hoy ity loharanom-baovao ity, nohon’ny hamehana manoloana ny fitakian’ny mpianatra sy ireo mpandraharahan’ny oniversité.
Voatery hiditra amin’ny famadihana ny vola natokana amin’ny fampiasam-bola ( na ny Programme d’investissement public: PIP) ho any amin’ny fampandehanan-draharaha (fonctionnement) ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy Fikarohana siantifika, manoloana ny fitakian’ny mpianatra momba ny handohavana ny vatsim-pianaran’izy ireo, sy ny fitakian’ireo mpandraharaha eny amin’ny oniversité. Izay no nambaran’i tompon’andraikitra iray eny an’ivon’ity ministera ity raha nanontaniana ny fanampahan-kevitra noraisin’izy ireo manoloana ny baiko avy amin’ny filohan’ny tetezamita hamahana faran’izay haingana ny olana momba ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ny tenany. Araka ny nambaran’ity loharanom-baovao ity dia tsy misy vola ahafahana mandoha io vatsim-pianaran’ny mpianatra sy ny karaman’ireo mpampianatra sy mpandraharahan’ny oniversite intsony ao amin’ny ampaham-bola natokana ho an’izany. Izay no nahatonga azy ireo tsy maintsy haka any amin’ny ampaham-bola hafa mba ahafahana manome fahafaham-po ireo mpianatra.
Arak’izany dia ny vola natokana ho an’ny fananganana fotdrafitrasa izay mitentina 2 miliara ariary no halaina ary handohavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Hajanona arak’izany ny asa efa saika natomboka tamin’ny alalan’ity vola ity. Nomarihan’ny loharanom-baovao fa efa nanaovana tolo-bidy ary efa voatondro ny orin’asa hanao ity asa ity, kanefa dia izao hajanona izao indray. Nomarihany ihany koa fa mbola misy fombafoma ara-taratasy tsy maintsy arahina ahafahana manao izany. Amin’ny tontolon’ny fitantanambolam-panjakana dia tsy fanao velively izao fanovana tsy maintsy hatao izao kanefa manoloana ny zava-misy dia tsy maitsy hatao izany, hoy ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity.
Tsiahivina fa mitentina 116 miliara ariary ny teti-bola fampandehanan-draharahan��ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ho an’ity taom-piasana ity. Ny 53 miliara ariary ihany anefa no neken’ny fanjakana ary 48 miliara no tena azo nampiasaina. Io antony io no nambaran’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny ministera fa nahatonga ny tsy fahampian’ny vola nmpiasain’izy ireo. Manoloana ny baiko avy any amin’ny fiadidiana ny tetezamita amin’ny tsy maintsy ahitana vaha-olana manoloana ny fitokonan’ny mpianatra anefa dia tsy maintsy miditra izao fomba fiasa izao izy ireo.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...