Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tsy hijanona ny fitakiana

03/11/2012

Hitohy ary tsy hijanona ny fitakian’ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy any amin’ny faritany izay tafaresaka tamin’ny gazety La nation. Tsy misy afa-tsy ny fazoana ny vatsim-pianarana dimy volana izay mbola tsy azo mandrak’izao no mety hampijanona ny fitakiana sy ny fihetsiketsehana, hoy ihany ity mpianatra ity.

Nambarany ihany koa fa efa tsy atokisan’ny mpianatra intsony ny fanambaran’ny mpitondra ny tetezamita satria hatreto dia tsy vitsy ireo fampanantenana nataon’izy ireo izay tsy tanteraka akory. Arak’izany, na dia efa voalazan’ny fampahalalam-baovao aza fa efa nanome baiko ny amin’ny hamahana faran’izay haingana ny olan’ny mpianatra eny Ankatso ny filohan’ny tetezamita dia tsy hijanona ny fitokonana sy ny fihetsiketsehana ataon’izy ireo raha tsy efa manomboka ny fizarana ny vatsim-piaranana. Nambaran’ity filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ity ary fa amin’ny alatsinainy izao dia hanomboka amin’ny valo ora maraina indray ny hetsika hataon’izy ireo eny Ankatso. Nomarihany fa misy amin’ireo sampam-pianarana eny Ankatso no hamarana ny taom-pianarana ato anatin’ity volana diavintsika ity. Raha sanatria, hoy izy, ka tsy misy afa-tsy vatsim-pianarana iray volana no homen’ny fanjakana dia mety tsy ho azon’izy ireo intsony ny ampahany hafa amin’ny volany. Izay no antony ilazan’izy ireo far aha tsy feno tanteraka ny vatsim-pianarana dimy volana izay tsy nalohan’ny fanjakana hatramin’izao.
Etsy an-danin’izany dia tsy hitsahatra ny hitaky ny fanafahana ireo naman’izy ireo voaroiroy noho ilay hetsika nataon’izy ireo tamin’ny herinandro lasa teo iny ihany koa izy ireo. Tsiahivina fa miisa 13 ireo mpianatra voasambotra tamin’ny fihetsiketsehana tamin’ny talata lasa teo. Afaka ny enina tamin’izy ireo, nampidirina teny amin’ny fonjan’Antanimora kosa ny fito. Miisa efatra tamin’ireo izay voasambotra tamin’ny Alarobia lasa teo kosa no handalo fitsarana eny Anosy ny alatsinainy ho avy izao amin’ny iray ora atoandro. Hanontrona azy ireo mandritra io fotoam-pitsarana io ny mpianatra naman’izy ireo, araka ny fanamarihan’ny loharanom-baovao.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...