Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Novotsorana ireo mpiandry fonja;hikatona avokoa ny banky

05/11/2012

Hanidy varavarana daholo indray ny banky rehetra amin’ny talata ho avy izao ho mariky ny firaisan-kina noho ny fanafihana mitam-piadiana nanjo ny Acces Banque teny Ankorondrano ny alarobia 31 oktobra ka nahaverezana vola maherin’ny 220 tapitrisa ariary. In-droa amin’izao hetsika izao no nanatanterahan’ny fikambanan’ny banky (APB) izao hetsika fanairana ny tomponandraikitra manoloana ny tsy fisian’ny fandriampahalemana izao. Nambaran’ny APB fa nahatratra valo ny isan’ny banky voatafika ka ny efatra tamin’izany dia tamin’ity taona 2012 ity avokoa ; raha tsy hiresaka afatsy ny

fanafihana ny BOA Sabotsy Namehana ny faha-24 septambra 2012. Manao antso avo amin’ny manampahefana ny fikambanan’ny banky mba handray fepetra manoloana izao tsy fisian’ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny, indrindra fa ity resaka fanafihana banky ity, izay manothintohina ny asa aman-draharaha sahanin’ny banky ary koa miteraka tahotra sy horohoro ho an’ireo mpanjifa.Toa karazan’ny mivantana amin’ny rindrina tsy misy mpihaino ihany anefa izao antso ataon’ny banky izao.
Navotsotra ireo mpiandry fonja
Nomen’ny Fampanoavana fahafahana vonjy maika avokoa ireo mpiandry fonja am-polony voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin’ny famoahana ilay gadra mandra-pahafatiny, nanafika ny Acces banque. Baikon’ny ministry ny Fitsarana, Christine Razanamahasoa tany amin’ny Fampanoavana hono izany, raha ny vaovao azo avy teny anivon’ny mpitandro filaminana. Be loatra anefa ny fifandrifian-javatra teo amin’ireo mpiandry fonja ireto ary ireo jiolahy, toa ny fahatratrarana karatra mpiandry fonja tany amin’ilay jiolahy antsoina hoe Bruno ary indrindra koa ilay satroka mpiandry fonja teny amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana nahafatesana olona telo teny Ivanja. Be loatra ihany koa ireo gadra mivoaka ny fonja manafika etsy sy eroa, raha tsy hiresaka afatsy ny fakàna an-keriny teratany karana tany Toamasina, Fianarantsoa. Re koa mantsy izao fa mitovy amin’ny zava-mitranga eto an-drenivohitra ny zava-misy any Atsimo any. Amro amin’ireo gadra heverina ho gaigilahy nahavita heloka be vava no mivoaka ny fonja. Fandriampahalemana inona araka izany no andrasan’ny fikambanan’ny banky (APB) amin’izany ?
Fanjakan’ny basy
Manjakazaka tokoa ny jiolahy nandritra ity Tetezamita ity: manafika, mitifitra sy mamono izay sendra azy ireo. Voaporofo ko anefa ankehitriny fa izay manana basy irery ihany no henoin’ny mpitondra sy hatahoran’ny filoha Andry Rajoelina. Vao manetsika ny singam-bolony ny COSOFAM dia neken’ny fitondrana ny tsy handoavan’izy ireo ilay hetra 20% amin’ny karama; vao nandrahona ny mpiandry fonja dia nomena fahafahana vonjy maika avokoa ireo voarohirohy. Fanjakana miorina tamin’ny fampiasana basy tokoa ity Tetezamita tarihin’ny filoha Rajoelina ity ka tsy mahagaga rah any basy irery ihany no miteny.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...