Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Basin’Ar 7 !

05/06/2013

Akory zay ! Noheverin’ireto mpanongam-panjakana ireto fa hilefitra amin’ny fampihorohoroana lava ataon’izy ireo tokoa mantsy ny olona ka hanao sonia izay paika ratsy novolavolain’izy ireo teny amin’ny CCI Ivato. Maninona mihitsy raha tonga dia nambanana basy teo amin’ny lohany ireo mpizaika, amin’izay mba nahazo doka tamin’ny filohan’ny HAT e ? Io basy io foana no harangaranga isaka ny mihetsika ; volam-bahoaka koa ange no nividianana azy ireny ary natao hiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany fa tsy fitaovam-pamoretana e!

Dia mbola tsy mety mihaiky ihany ve ry jeneraly Lucien Rakotoarimasy sy Ranto Rabarisoa fa tsy misy mankato azy ireo intsony manerana an’izao tontolo izao ? « Basin’Ar 7 » no azo hilazana azy ireo, sady halam-bahoaka no mampalailay ny Fianakaviambe iraisam-pirenena. Amin’ny sivy maraina izao ianao mbola mpanongam-panjakana dia mihevitra ny ho mpampihavana sy mpamaha olana ho an’ny firenena tampoka eo amin’ny folo ora! Fa heverin’ireo mpanongam-panjakana ireto ho bado sy dondrona tanteraka mihitsy ve ity vahoaka Malagasy ity e?
Marina loatra ny nambaran’ny kandidà Fleury Rakotomalala hoe “aza miandry ny hatezeram-bahoaka sy ny fitsaram-bahoaka”. Izay rehetra niditra mivantana tamin’ireny fandaharana amin’ny radio ireny omaly dia samy nanambara ny fahavononany hidina an-dalambe avokoa. Hirodorodo avy any indray anefa ry mpanongam-panjakana hampiasa ‘krimôzena. Lany mantsy hono ny ‘krimôzena rehefa ireo mpomba ny filohan’ny HAT no midina an-dalambe miaraka amin’ny sorabaventy manompa olona sy manohintohina fifamoivoizana; miraraka tahaka ny havandra kosa rehefa ny vahoaka reraky ny fahantrana.
Nanana basy ary samy nampiasa izany avokoa ny FRS, ny RESEP, ny REGAP ary ny GP, nampian’ny TTS sy ny forongony tamin’izany andro. Iza no tsy nihorohoro tamin’ireo voalaza rehetra ireo saingy izao: nankaiza daholo izany rehetra izany? Ka tsy izao “basin’Ar 7” rehetra izao no hampihorohoro ny vahoaka Malagasy mandavan-taona eto! Miverena any anaty lakazerna any ary aza mitsabatsabaka amin’ny raharaha politika. Ny ao anatinareo ao aloha halamina fa aza mibitabitaka tahaka ny zanaka akoho mahita rehoka. Tena “basin’Ar 7” mihitsy!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...