Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Nahemotry ny Vondrona Eoropeanina ny famatsiam-bola ?

10/11/2012

Loharanom-baovao iray no nilaza fa mety hahemotry ny Vondrona Eropeanina ny fifanaovan-tsinoa momba ny hamoahan’izy ireo ny ampahany voalohany amin’ny vola nokasainy hanampiana an’i Madagasikara amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Ny loharanom-baovao avy ao an’ivon’ny CENIT kosa dia milaza fa hatao amin’ny alatsinainy ho avy izao izany fifanaovan-tsonia izany. Vola mitentina 2 tapitrisa Euro no homen’ny Vondrona eropeanina amin’ity ampaham-bola voalohany ity, raha 17 tapitrisa Euro no fitambaran’ny vola nekeny hanampiana ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara.

Hatreto dia tsy misy ny fanambarana mazava mikasika ny fifanaovan-tsonia ny fifanarahana eo amin’ny CENIT sy ny Vondrona Eropeanina mba ahafahan’ity farany mamoaka ny ampahany voalohany amin’ireo vola nampanantenainy ary voasoratra ao amin’ilay fifanarahana ankapobeny momba ny famatsiam-bola ny fifidianana eto Madagasikara. Io loharaom-baovao iray eto andrenivohitra io ihany koa no nilaza fa hahemotra amin’ny daty mbola tsy nofaritana ny fanaovan-tsonia ny famoahana izany ampaham-bola voalohany izany. Ny alatsinainy ho avy izao, raha araka ny fandaharam-potoana, no tokony hanatanterahana izany fifanaovan-tsonia eo amin’ny Vondrona Eropeanina sy ny CENIT izany.
Tsy mbola mahafantatra ny fisian’ny fanemorana amin’ny fotoana tsy fantatra an’ity fifanaovan-tsonia ity kosa ny mpikambana iray ao amin’ny CENIT, raha nanontaniana ny momba izany ny tenany. Nambarany ihany koa fa tsy misy antony mety hanaovan’ny Vondrona Eropeanina izany fanemorana izany satria efa mazava ny fifanarahana nifanaovana taminy. Nambarany ihany koa fa araka ny fandaharam-potoana efa nomena azy ireo, ary mbola tsy nisy fanovana dia amin’io alatsinainy ho avy io ihany no hatao ity fifanaovan-tsonia ny fifanarahana hanomezan’ny Vondrona Eropeanina ny ampaham-bola voalohany ho famatsiana ny fifidianana ity.
Mitentina 2 tapitrisa Euro ny vola ampahany voalohany hanampian’ny Vondrona Eropeanina ny fokarakarana ny fifidianana eto amintsika, raha mahatratra 17 tapitrisa Euro ny vola manontolo homeny araka ilay voarakitra ao amin’ny PACEM. Mitsinjara toy izao ity vola 2 tapitrisa Euro ity raha toa ka tanteraka ny fanomezana azy amin’ny alatsinainy. Ny 1 tapitrisa sy 400.000 euro dia natokana ho an’ny CENIT. Natokana ho an’ireo Fiaraha-monim-pirenena kosa ny 600 000 euro. Marihina fa mitentina 15 tapitrisa Euro ny ampahany faharoa amin’ny vola homen’ny Vondrona Eropeanina amin’ny fikarakarana ny fifidianana.
Tsiahivina fa miankina betsaka amin’ny fazoana ireo vola avy amin’ny mpiara-miombonantoka avy any ivelany ny fatanterahana an-tsakany sy an-davany ny fifidiana eto amintsika. Mazava arak’izany fa hisy akony goavana amin’ny dingana efa natao sy ny fanohizana ny firosoana amin’ny fifidianana ny fihemoran’ny fanomezan’ireo mpamatsy vola ny vola nampanantenainy amin’izany.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...