Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Manga, fotsy, mena

25/06/2013

Afaka 24 ora dia higadona ny datin’ny 26 jona, andro fankalazana ny fahazoana ny Fahaleovantena, rehefa niady nandritra ny 13 taona (taorian’ny tolom-bahoaka 1947) ireo tia tanindrazana tamin’izany fotoana. Lafrantsa, Lafrantsa mpanjanatany sy ny forongony no fahavalon’ny tolom-bahoaka tamin’izany. Mbola saribakolin’i Lafrantsa daholo nefa izay rehetra tonga teo amin’ny fitondrana, hatramin’ny taona 2002. Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana irery angamba no azo ambara fa filoham-pirenena sahy niatrika izany fanjakazakan’i Lafrantsa izany. Fito taona ihany anefa no fe-potoana nijanona teo amin’ny fitondrana dia nianjera.

Tsy niafina endrika intsony Lafrantsa taorian’ny taona 2009 fa niditra mivantana tamin’ny raharaham-pirenena. Niaka-dapa ry Patrick Leloup, teratany frantsay efa noroahan’ny fitondrana Malagasy. Nogiazan-dry Galib sy Sahid, teratany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay ny tontolon’ny fandraharahana ireo entana ilain’ny mponina andavanandro. Nomena orinasa frantsay ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona sy ny entana eny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato. Zanaky Frantsa sy ny saribakoliny avokoa no mifehy ny lafiny ny sehatra ara-toekarena ary koa ny asa vaventy. Mbola i Lafrantsa ihany koa no tompon’ny teny farany eo amin’ny fanapahan-kevitra politika, raha tsy hiresaka afatsy ny filatsahan-kofidian’ny filohan’ny HAT, izay mody nokianiny taty aoriana.
Toa Lafrantsa daholo izay hitan’ny maso; ny sainam-pirenena frantsay sisa no tsy tazana. Ilay sainam-pirenena maitso, fotsy ary mena moa vitsy no manangana azy hilazan’ny Malagasy ny tsy fankatoavany intsony izao fitondrana saribakolin’ny mpanjanatany izao, kanefa dia mahafaly ny mpitondra HAT mihitsy izany ho fanomezam-boninahitra an’i Lafrantsa izay nametraka azy ireo teo amin’ny fitondrana. Dingana kely monja sisa dia hiova hatramin’ny tsianjerin’ny ankizy manao hoe: manga, fotsy, mena…sainam-pirenena!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...