Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Exercice !

08/07/2013

Mihevitra ny vahoaka ho adala sy dondrona mihitsy ireto manamboninahitra eo anivon’ny Foloalindahy ireto. Aiza no hisy exercice tampoka eny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato, mifanojo amin’ny ora sy fotoana voalaza fa mety hatongavan’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana. Maninona raha notsorina fotsiny hoe manohy ny fampihorohoroana mahazatra anay izahay dia vita resaka. Izay fomba fihevitra sy fihetsika manasokajy ny vahoaka ho vendrana izay mihitsy anefa no tena zakan’ny olona amin’ity fitondran’ny Champion ity.

Samy manao exercice daholo tokoa ny tsirairay avy amin’izao fotoana. Miomana mafy amin’ny fidinana an-dalambe ihany koa mantsy ireo CST mivondrona ao amin’ny « cellule de crise » izay mitaky ny tokony handravana izao fitondrana tsy tan-dalàna izao. Miombon-kevitra amin’izany ary efa manao exercice ihany koa ny HMF izay efa ela no niantso ny vahoaka mba hifoha amin’ny torimasony. Efa manao fanazarantena rahateo koa ireo mpiasam-panjakana mivondrona ao anatin’ilay « cellule de crise », araka ny valan-dresaka nataon’izy ireo teny amin’ny Colbert farany teo. Mazava ho azy fa exercice isan’andro koa no ataon’ny mpitondra, indrindra fa i Champion, izay manohy ny propagandiny etsy sy eroa. Aza adinoina koa anefa ireo jiolahy sy olon-dratsy, manao exercice andro sy alina amin’ny fanafihana mitam-piadiana.
Manomboka manafana tena ihany koa ry zareo avy ao anivon’ny Tafika ao, porofon’izany ireny antso nataon’ny jeneraly Sylvain Razafimandimby tao amin’ny TVPlus ireny. Exercice avokoa izany rehetra izany, samy manafana tena sy miomana amin’izay tanjony tiany hotratrarina. Ny vahoaka koa mba manao exercice tahaka ny rehetra. Fanazarana ny saina sy ny vatana amin’ny tsy fihinanan-kanina no ataony raha vao miposaka io masoandron’Andriamanitra io. Aleo tokoa tonga dia zarina tsy mitelina na inona na inona ny vava sy ny vavony toa izay hanantena tsy misy eo! Mba mahavita izany exercice andavanandron’ny vahoaka izany ve ireto manamboninahitra sy miaramila mpanompon’ny Champion ireto?

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...