Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Rasazy !

15/07/2013

Nomena 15 andro handraisany fanapahan-kevitra hialan-dRajoelina Andry, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka tsy ho isan’ireo kandidà filoham-pirenena indray ny GIC-M, raha tsy izany hono hampiharin’izy ireo amin’izay ireo sazy nanaovana pub nandritra ny iray volana. Dia hoy izy telo niara-niredona hoe : misy mihaino !

Mitohy ihany ny azy ny propagandy sy ny fitokanana ireo zava-bita na dia tsy manara-penitra araka ny blablabla ataony isan’andro aza ireo hôpitaly. Mba mandeha ve aloha ireo scanner sa haingon-trano fampiesonana foza orana fotsiny? Tsy efa namoaka sazy ho an’ny mpitondra HAT miisa 109 ve moa ny Vondrona Afrikana, dia nisy dikany tamin’izy ireo ve izany sazy izany? Tsy efa voalaza koa ve fa hisy fepetra horaisiny ho an’ireo izay tsy manatanteraka ny fampiharana ny Tondrozotra; dia inona akory no teo! Aza mamp’me ry ‘reto a!
Adinon’ireto SADC sy GIC-M ireto fa miara-voasazy amin’ity telo ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa, saingy ny an’ny mpitondra vorontsiloza no atao ro matsatso; ny an’ny vahoaka kosa ranon’ivy no atao kaly antoandro. Inona anefa no misakana ny GIC-M sy ny SADC tsy hampahafantatra amin’ny Malagasy izany harem-be hogiazana any ivelany izany? Hambarao ho fanta-bahoaka aloha ny harena miafin’izy telo ireo any aminareo any fa mba te horarak’ivy amin’izany ny bandy e! Tsy misy olana mihitsy na tsy hosazianareo izy fa hain’ny vahoaka ny mandray fepetra mifanaraka amin’izany. Ny sazinareo mantsy toa blablabla ary tsy sazy intsony koa izao no ilain’ny vahoaka fa rasazy hampiteraka vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...