Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Hivory ny Tangalamena sy ny taranaka Andriana

14/11/2012

Namoaka fanambarana iombonana ireo fikambanana mpiahy ny hasin’ny tanindrazana taorian’ny fitànana ny tangalamena Zakariasy Patrick tetsy amin’ny borigadin’ny zandarimaria Betongolo, ny alin’ny alatsinainy 12 novambra 2012. Manameloka tanteraka ny « garde à vue » natao tamin’ity tangalamena ity izy ireo, izay ahitàna ny fikambanana Ny Orimbato izay hivondronan’ny Tangalamena, ny Olobe; ny fikambanana FITAM izay hivondronan’ny taranaka andriana manerana an’i Madagasikara, ny ZANAMALATA izay hivondronan’ny tangalamena avy amin’iny Faritry Fenoarivo Atsinanana iny, ny FITAMA, ny KIDIMILA ary ny fikambanan’ny foko Antanala, sns.

« Mitaky ny hampanjakana ny fahamarinana eto amin’ity Nosy Masina ity ka ny olona milaza ny marina sy ny gaboraraka eto amin’ny firenena indray no hiaran’ny tsindry hazolena. Manentana sy mamporisika ny mpanao gazety mba ho sahy hamoaka ny marina ho tombotsoan’ny firenena iombonana, manainga ny hambompom-pirenen’ny Malagasy tsy vaky volo mba hitsangana sy ho saro-piaro toa izay nataon’ny tangalamena Zakariasy Patrick. Tokony hanokafana fanadihadiana no nataon’ny tomponandraikitra manoloana ny fanairana nataon’ny tangalamena Zakariasy fa tsy izy indray no hanaovana herisetra toa izao ». ireo no fanambarana niarahan’ireto fikambanana maro ireto mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick, nialohan’ny nivoahan’ny didim-pitsarana, taorian’ny fandalovana teo anatrehan’ny « doyen des juges »omaly 13 novambra 2012.
Notànana am-ponja
Nihazakazaka anefa ny fivoaran’ny toe-draharaha ora vitsy taorian’ity fanambarana nataon’ny ZANAMALATA, Ny Orimbato, FITAM, FITAMA ary ny KIDIMILA sy ny foko Antanala ity. Notànana am-ponja vonjy maika eny Antanimora ny tangalamena Zakariasy Patrick. Azo antoka fa tsy maintsy hitàna anjara toerana govana mandritra ilay fivoriana izay hataon’ireto fikambanana ireto etsy amin’ny Résidence Tournesol Andoharanofotsy amin’ny androany amin’ny 3 ora tolakandro, izao fitànana am-ponja ny tangalamena Zakariasy Patrick izao. Nahazo fahafahana vonjy maika kosa ireo talen’ny famoahana ny gazety La Nation, Gazetiko ary Midi Madagasikara. Mbola hiatrika famotoran’ny Mpitsara mpanao famotorana kosa anefa izy ireo ny faha-21 novambra 2012 ho avy izao.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...