Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Hitanareo !

27/07/2013

Dia misy an’izany kapiteny sa lietna sa polisy teo aloha izany, voasambotry ny mpitandro filaminana, tafiditra amin’ny asa fanakorontanana nodradradradrain’ny EMMO indray mantsy hono raha ny tsaho re. Ialàna tsiny ry mpamaky hajaina fa lasa tsaho mantsy izao no iainana eto amin’ity firenena ity. Hitanareo ! Tsy maintsy mahita olona hosamborina hanamarinany ny zavatra nambarany ny mpitandro filaminana. Ho avy indray izao ny valan-dresaka an-gazety ary hilaza tsotra izao ireo mpitandro filaminana fa niaiky ny heloka vitany sy nokasainy hatao izany olona voasambotra any izany. Dia izay, mijanona eo, vita ny kôzy!

Fa angaha moa tsy nanaovana valan-dresaka an-gazety tahaka izany koa ireo olona voalaza fa niray tsikombakomba tamin’ny filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, tamin’ilay hoe fikasàna hifofo ny ain’ny filohan’ny HAT? Naseho tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Section de Recherche Criminelle Fiadanana mihitsy ireo vanja mitondra ny anarana hoe Superpowder. Tsy vitan’izany fa naparitaka ihany koa ny sarin’ilay metisy gasy vazaha nambara fa atidoha nikotrika ny fifofoana ny ain’ny filohan’ny HAT.
Milaza miara-mahita isika fa iny miriaria milamin-tsaina iny ary lasa filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita i Mamy Rakotoarivelo. Midika izany fa tsy mitombona avokoa ny fiampangana ary nosamborina tsotra izao ireny olona ireny hanamarinan-tena hoe: hitanareo! Ireo ny olona nikasa hamono ny filoha araka ny nambaranay. Hitanareo! Ireo ny olona nikasa hitifitra sy hanapoaka grenady tamin’iny sabotsy 27 jolay iny, araka ilay valan-dresaka nataonay. Hitanareo! Blablabla. Dia ho hitanareo tokoa fa tsy hitondra fitoniana velively izany rehetra izany.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...