Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Mpaminany sandoka !

31/07/2013

Dia nisy namaky izao hono ny birao iray ao amin’ny ministeran’ny Filaminana Anatiny tamin’iny faran’ny herinandro iny ka very nandritra izany ny solosaina mirakitra zavatra maro mahakasika ny fiainan’ny Pôlisim-pirenena. Koa rehefa ny ao anatin’ny trano heverina hiantoka ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany no efa vaky sy lasibatry ny asa ratrsy, filaminana sy fandriampahalemana inona intsony no antenaina eto ramose a ! Ianareo mpitandrofilaminana ihany koa ange no namorona sy nirary izany « sabotsy mainty » izany ka aiza moa tsy hanody anareo ilay zavatra. Variana nandany lasantsy sy gasoil nanerana ny renivohitra, hanamarinana ny tsaho naely tamin’ny vahoaka ka tsy nahita izay nitranga teo ambany maso.

Manapa-tsinay ange ramose ny mieritreritra izany zavatra izany e ! Hay ve izany ity “sabotsy mainty” nodradradradrainareo ity ka tao aminareo ihany no nitrangany; izao ilay tonga amin’ny fitenin-jatovo manao hoe: naniry varatra dia nilatsaham-potaka! Dia iza indray izao no ho ampangainareo nanao izany vaky trano tao aminareo izany: ilay kapiteny sa ilay kaomisera voalazanareo fa nosamborina noho ny raharaha “sabotsy mainty” sa ny mpitarika ny hetsika avy ao amin’ny MMFF?
Ary tena mpaminany sandoka mihitsy ange izany ianareo ireto ramose sa tonga amin’ilay fitenenana manao hoe: ny mpaminany tsy masina an-taniny? Mitovitovy mihitsy ianareo sy ny pasitera Mailhol, milaza mahita volana mialohan’ny biby afatsy izay zavatra hiseho amin’ny tenanareo sy ny manodidina anareo. Sa efa azonareo tsindrimadry ihany ilay izy saingy be loatra ny EMMOtion ka adinonareo ny niteny io faminaniana io tamin’ny mpanao gazety?

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...