Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Mbola ho ela e !

06/08/2013

Efa lasa lavitra ny demôkrasia any ivelany raha tsy hiresaka afatsy ny ao Frantsa fotsiny ihany. Iza eto ambony tany ohatra no tsy mahafantatra ny raharaha Cahuzac sy Bernard Tapie, tsy horesahana intsony ny raharaha DSK, ny famatsiam-bola avy tamin’ny filoha libiana teo aloha Kadhafi, nandritra ny fampielezan-kevitry ny filoha frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy, sns. Tsy vitan’ny hoe malalaka ny fahafahan’ny mpanao gazety mamoaka ireny raharaha rehetra ireny fa malalaka ihany koa ny fakàna vaovao eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana sy ny Fitsarana.

Fa ny tena nanaitra sy manamafy izay fahafahan’ny mpanao gazety ao Frantsa izay manao ny asany dia ny lahatsoratra mahakasika ny filoha frantsay teo aloha Jacques Chirac. « Mangalatra » mifoka sigara ity olom-panjakana frantsay teo aloha ity araka ny voalazan’ny gazety iray na dia efa tsy mety aminy intsony aza izany noho ny antony ara-pahasalamana. Afaka mitsikera ny fiaim-piainan’ireo mpitondra sy manampahefana any aminy, hatramin’izay heverina ho bitika indrindra ny hainoamanjery frantsay. Tsy misy fampihorohoroana, tsy misy fitoriana, sns.
Ny eto amintsika hainoamanjery 80 be izao no indray nakaton’ny HAT, ireo izay niezaka nitatitra vaovao ara-potoana mahakasika ny fiainam-pirenena nomelohina ho mpiray tsikombakomba amin’ny mpanongam-panjakana ary ireo izay nomena fahazoan-dalana hitadiavana irika hanakatonana azy indray. Mbola ho ela e! Tsy ny mpitondra irery ihany anefa no sakana sy olana amin’ity resaka demôkrasia eto amintsika ity fa ny vahoaka Malagasy mihitsy no tsy mbola mahazaka azy na koa amporisihina tsy hazaka izany fahalalahana izany ho fiarovana tombotsoa manokana.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...