Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Fidangan’ny saram-pitaterana

16/11/2012

Hihaona an-databatra boribory androany eny amin’ny mpinisteran’ny Tetim-pivoarana Anosy, ireo rehetra voakasiky ny fitaterana an-drenivohitra, ahitana ny ministeran’ny Fitaterana, ny ministeran’ny Vola, ny avy ao amin’ny sampandraharaham-panjakana miadidy ny solika (OMH), ary ireo vondrona sy sendikan’ny mpitatitra an-drenivohitra. Mazava loatra fa fikaroham-bahaolana manoloana ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny famerana ny saram-pitaterana an-drenivohitra no votoatin’izany fihaonana izany. Efa naneho ny heviny mialoha fa tsy hampidina ny saram-pitaterana kosa ry zareo ao amin’ny UCTU.

Roa herinandro aty aorian’ny fampakaran’ny UCTU ny saram-pitaterana eto Antananarivo vao tapa-kevitra ny hiantso fivoriambe iarahana amin’ireo mpitatitra ny fitondram-panjakana. Voaantso hiatrika izany fihaonana izany avokoa ireo vondron’ny mpitatitra sy ireo sendikan’ny mpitatitra, miaraka amin’ny ministeran’ny Fitaterana sy ny ministeran’ny Vola ary ny OMH. Fantatra izany omaly nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nokarakarain’ny UCTU ary nanazavan’ireto farany ny foto-kevitra ijoroan’izy ireo manoloana ity resaka famerana ny saram-pitaterana ity. Ho an’ny UCTU sy ireo mpiara-dia aminy dia tsy misy ady hevitra azo atao afa-tsy ny faneken’ny fanjakana hampidina ny vidin-tsolika ihany, na koa ny fanonerana ny fatiantoky ny mpitatitra raha toa ka tsy ampiharina ny fampakarana ny saran-dàlana. Marihana fa araka ny nambaran’ireo mpitatitra avy ao amin’ny UCTU dia mahatratra 67% amin’ny vola ampiasainaa amin’ny sehatry ny fitaterana ny vidin’ny solika amin’izao fotoana izao, raha 40% no azo ekena.
Manoloana ny fikasana hampiditra ireo zotra ivelan’ny renivohitra hiasa ato anatin’ny renivohitra amin’ny saran-dàlana 300 ariary dia nanambara ny UCTU sy ny FIMPA 103 ary ny SEMAMPAFI ny CNT (confederation nationale des transporteurs) sy ny AJT (Assosiation des jeunes transporteurs) fa tsy hanaiky izany izy ireo. Nambaran’izy ireo fa hiteraka savorovoro eo amin’ny fitaterena eto an-drenivohitra izany ary hiteraka korontana ihany koa eo amin’ny fandrindrana ny lalana amin’ny ankapobeny. Etsy an-danin’izany dia nambaran’izy ireo fa tsy mamaly ny kalitao takian’ny asa fitaterana eto an-drenivohitra ny ankamaroan’ireo fiara ampiasain’ny mpitatitra ivelan’ny renivohitra. Nilaza ny handray andraikitra arak’izany ireo mpitatitra amin’ny zotra an-drenivohitra raha toa ka misy ny fanampahan-kevitry ny fanjakana hanome alalana ny mpitatitra avy amin’ny zotra ivelan’ny renivohitra hiasa amin’ny zotra anatiny.
Etsy an-danin’izany dia nambaran’ireo mpitatitra an-drenivohitra ihany koa fa efa nisy ny soso-kevitra avy amin’ny ministeran’ny Fitaterana ny hamerenana ny hetra heritaona efa nalohan��izy ireo mba ho sandan’ny tsy fampakarana ny saran-dàlana. Tsy neken’izy ireo ihany koa io soson-kevitra io satria tsy mahasolo afa-tsy 8% amin’ny vola ampiasain’izy ireo amin’ny fitaterana izany, araka ny fanazvana. Marihana fa 400 000 ariary isaky ny fiara no noheverin’ny ministera fa averina amin’ireo mpitatitra.
Kalitaon’ny asa
Nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataon’izy ireo omaly ihany koa no nanambaran’ireo mpitatitra eto an-drenivohitra ny fahavononan’izy ireo hanatsara ny kalitaon’ny asan’izy ireo. Kalitaon’ny asa izay tsy sambany akory no nilazana izany kanefa tsy hita mandrakizao izay fampiharana azy. Voalaza moa fa ny fahadiovan’ny mpanampy ny mpamily, ny fanajana ny faran’ny zotra, ny tsy famindrana ny mpandeha amin’ny fiara hafa, ny tsy fanaovana taingimbe, ny tsy fisian’ny seza tsy mitovy endrika amin’ny sezan’ilay fiara, toy ny seza hazo izany: ieo amin’ny ankapobeny no kasain’izy ireo ho tanterahina. Marihina fa afaka manao fitarainana ireo mpandeha raha misy tsy manaja ireo fenitra ireo ny mpitatitra.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...