Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Mazava ny hafatra !

17/11/2012

Tsy tongatonga ho azy na nosoratsoratana fotsiny (mety tsy nahita nosoratana ihany koa) ilay lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Les Nouvelles, pejy faharoa tamin’ny zoma 16 novambra 2012, nosoniavin’i Nandrianina momba ny La Nation. Manelingelina ny fihinanan’ny sasany ny La Nation. Iza tokoa no nihevitra fa gazety kely vao nisokatra firy taona taorian’ny Les Nouvelles no efa manana ny toerany sahady eo amin’ny tontolon’ny hainoamanjery sy ny gazety mpiseho isan’andro ?

Misy lafiny hafa koa anefa fonosin’io lahatsoratra nosoratan’i Nandrianina tao amin’ny Les Nouvelles io ary tena mampalahelo mihitsy ilay toe-tsaina. Maninona raha tonga dia notsorina izay tian-kambara ; te hividy ny lohany kanefa matahotra ny masony ! Efa talen’ny famoahana ny NAMS (nation multimedia system) izay misy ny Emploi de La Nation sy ny La Nation, nialohan’ny nifidianan’ny mpanao gazety azy ho filohan’ny SJM, Rasoanaivo Rocco. Heverina raha olona mbola afaka misaina ara-dalàna tsara fa tsy ny Paramed na ny Sempama mihitsy no ndeha hangataka ny fialan’ny ministry ny Serasera Harry Laurent Rahajason fa ny sendikan’ny mpanao gazety.
Tsy mbola nitsikera na nitanisa zavatra momba an’i Naina Andriantsitohaina sy izay fomba nanorenana ny Les Nouvelles ny gazety La Nation. Heverinay eto amin’ity gazety ity fa ilay asa fanaovan-gazety no zava-dehibe, ny fiarovana ny tontolo manodidina azy no laharam-pahamehana. Koa raha izay “fifamelezana” izay no tian’ny sasany hatao, tsy misy matahotra an’izany ary samy manana hambara ihany koa. Mazava ny hafatra, voaray tsara mihitsy ary hisaorana etoana i Nandrianina nanokatra izay vavahady heveriny fa hitondra tombotsoa ho an’ny asa fanaovan-gazety izay.
Inona moa no nisakana an’ity Nandrianina ity tsy nitsotra avy hatrany hoe “hampidino ny baiko hanapotehana ny Funreco fa io orinasa io no reny nipoiran’ny La Nation!”. Maninona mihitsy raha avy dia nosoratana koa hoe “poteho ny tompon’io Funreco io amin’izay mba mihena ny mpifaninana!”.
Tsy misy zazakely eto ary tsy misy matahotra hiatrika fifaninana eo amin’ny sehatra misy azy avy. Aleo amin’ny alalan’ny asa no hanaporofoana ny fahaizana fa tsy amina zavatra mirefarefa amin’ny tany tahaka izao. Mba manana fahasahiana milaza izay tian-kambara fa tsy manao adin’ny kanosa tahaka izao e ! Tianay nefa ny milaza fa reharehana sy voninahitra ho anay ny maha ao anatin’ny Groupe Funreco ny gazety La Nation; orinasa Malagasy tantanana Malagasy ary ho an’ny Malagasy. Mazava ny hafatra !

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...