Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tsy nahavaha olana ny fanjakana

17/11/2012

Niala maina ireo mpinistra telo izay nitondra ny soson-kevitry ny Governemanta manoloana ny disadisa ateraky ny fampakaran’ny UCTU ny saram-pitaterana an-drenivohitra izay lasa 400 ariary hatramin’ny 1 novambra lasa teo. Notsipahan’ireo mpitatitra an-drenivohitra arak’izany ireo paik’ady telo naroson’ny ministry ny Fitaterana sy ny minisitry ny Vola ary ny minisitry ny Solika izay nampiantso fihaonana omaly. Etsy an-danin’izany, hiditra hiasa amin’ireo zotra eto an-drenivohitra manomboka androany ireo mpitatitra amin’ny zotra ivelan’ny renivohitra. Fanampahan-kevitra izay tsy nakatoavin’ny mpitatitra an-drenivohitra ihany koa. Ahina arak’izany ny mety hisian’ny korontana eo amin’ity sehatra ity.

Tsy nisy ny marimaritra iraisana teo amin’ireo izay voakasiky ny famaritana ny saram-pitaterana an-drenivohitra izay nivory tao amin’ny ministeran’ny Toe-karena eny Anosy omaly. Azo lazaina fa nirava maina arak’izany ny fihaonana teo amin’izy ireo satria tsy naharesy lahatra ireo mpitatitra an-drenivohitra nahitana ny UCTU ireo minisitra telolahy niaraka tamin’ny ATT sy ny Tamba-jotran’ny mpanjifa. Miziriziry ny hihazona ny saran-dàlana ho 400 ariary arak’izany ireo vondron’ny mpitatitra an-drenivohitra. Marihana fa nandroso soson-kevitra miisa telo ny fanjakana mba hialana amin’ity fampiakarana ny saram-pitaterana ity. Fandàvana avy hatrany anefa no nataon’ny mpitatitra ary nambaran’izy ireo mazava tsara fa tsy vaovao amin’izy ireo ity soso-kevitra izao. Nambaran’izy ireo ihany koa fa efa tara loatra sady tsy ahitam-bokany ho azy ireo izao soso-kevitry ny fanjakana izao. Ho azy ireo dia tsy misy afa-tsy ny fampidinana ny vidin-tsolika irery ihany no lalan-tokana ahafahana mampidina ny saram-pitaterana. Nohon’ny tsy fahavononan’ny fitondram-panjakana hanao izany anefa dia nilaza izy ireo fa tsy hisy ihany koa ny fampidinana ny saram-pitaterana. Marihuana fa araka ny fahitan’ny UCTU dia efa manaiky an’io fampakarana ho 400 ariary ny saram-pitaterana ion y vahoaka amin’izao fotoana izao. Nandà ny famarinan’izany kosa tetsy an-daniny ny ATT izay nilaza fa ny 18% n’ny mpanjifa dia efa nisafidy ny handeha an-tongotra amin’izao fotoana izao nohon’ny tsy fankatoavan’izy ireo an’ity fampakarana ny saram-pitaterana ity. Nanambara ihany koa ny vondron’ny mpanjifa fa tsy mitombina velively ny filazana fa mankato an’izao saran-dàlana 400 ariary izao ny vahoaka.
Ankoatr’izay dia isan’ny antony lehibe indrindra nahatonga ny fandavan’ny mpitatitra ny soso-kevitry ny fitondram-panjakana ihany koa ny tsy nandraisan’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo anjara tamin’ity fivoriana omaly ity. Nambaran’izy ireo fa tsy misy antony tokony nanaovana izany fivoriana izany raha toa ka tsy nanatrika izany ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo satria izy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fifampoivoizana eto an-drenivohitra.
Hiditra an-drenivohitra ny “sub-urbains”
Tamin’izao fivoriana natao omaly izao ihany koa no nandrenesana fa efa nahazo alalana ny hiasa amin’ireo zotra eto an-drenivohita manomboka androany ireo mpitatitra avy amin’ny zotra ivelan’ny renivohitra n any “sub-urbain”. Tsy mitovyamin’ ny saran-dàlana alain’ny mpitatitra an-drenivohitra izay 400 ariary anefa ny saram-pitaterana amin’ireo zotra ireo satria araka ny nambaran’izy ireo dia 300 ariary ihany no alain’izy ireo.
Tsara ny manamarika fa efa naneho ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny fidiran’ny “sub-urbain” amin’ireo zotra eto an-drenivohitra ireo vondron’ny mpitatitra an-drenivohitra. Nambaran’izy ireo fa mety hiteraka korontana, indrindra eo amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana eto an-toerana izany. Nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy manana ny kalitao mifanandrify amin’ny fitaterana an-drenivohitra ny fiara mpitatitra amin’ny “sub-urbain”.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...