Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Ny omaly tsy miova !

19/11/2012

Efa-taona mahery izao no nitadiavana sy nirarian’ny HAT izany fanakatoavana iraisam-pirenena izany saingy indrisy ny omaly tsy miova. Amin’ny fomba ahoana tokoa àry no hankatoavan’izao tontolo izao, fitondrana naorina tamin’ny hery sy ny basy ary mbola manohy ny fampiasana izany, hamoretana ny mpiray tanindrazana aminy, handripahana mihitsy aza ny vahoaka. Fankatoavana iraisam-pirenena inona no azo antenaina amin’izao jadona sy tsy refesi-mandidy ataon’olom-bitsy izao ?

Ny jadona nataon’ny fitondrana teo aloha no baikom-pitolomana nanosika ny Malagasy nidina an-dalambe ny taona 2009. Noho izany jadona sy tsy refesi-mandidy izany ihany koa no nanaovan’ny vahoaka sorona ny ainy teny Ambohitsorohitra ny faha-7 febroary 2009. Nanantena fanovana ny vahoaka, nanantena fiainam-baovao hanjakan’ny fitovian-jo, ny mangaraharaha ary indrindra ny fahalalahana. Kinanjo, ny omaly tsy miova. Vao mainka aza niha mafy izany jadona sy tsy refesi-mandidy izany; niha mafy ny fahantrana ary potika vokatr’izany rehetra izany ilay fiaraha-monina efa nangozohozo.
Miha maizina andro aman’alina ny ho avin’ny vahoaka Malagasy sy ny firenena. Adilahy politika sy tombotsoa manokana no mibaiko ireo mpanao politika. Manararaotra toa ny banga mihomehy alina ireo jiolahy miafina endrika ho mpandraharaha eto amintsika. Lasa tantely afa-drakotra ny harem-pirenena toa ny vatosoa, volamena sy ny andramena ary saika isan’andro ny trafika sy ny fanondranana an-tsokosoko ataon’ireo jiolahy mitonona ho mpandraharaha voalaza etsy ambony. Ny omaly tsy miova e! Miha ratsy aza ny zava-misy, ny halatra nataon’ny sasany ao anatin’ny folo taona, vitan’ny hafa tao anatin’ny fotoana vitsy monja.
Dia nijoro teo anatrehan’izany rehetra izany ny mpanao gazety, nilaza sy mitatitra amin’ny vahoaka ny zava-misy marina iainany. Donton’ny fahantrana sy ny fitadiavana tokoa mantsy ny Malagasy ka dia manararaotra mihitsy ireo olom-bitsy tia tena. Fandrahonana, fisamboranana ary fampihorohoroana amin’ny endriny maro anefa no setriny ary misy mihitsy aza fikasan-dratsy hamotehana ny gazety sy ny orinasa mpiombona antoka aminy. Efa teo am-pelatanantsika Malagasy izany fahafahana sy fahalalahana izany nandritra ny fitondran’ny profesora Zafy Albert, aoka isika olom-pirenena samy hihaiky izany; kanefa isika ihany no nanary izany fahasoavana efa teo am-peltananantsika izany. Koa raha nahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena ny Mpanao gazety sy ny sendikan’ny mpanao gazety dia noho izay ady sarotra ho amin’ny fahalalahana sy ny demôkrasia izay.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...