Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Manodidina ny 550 ireo maty

20/11/2012

Raharaha iray tsy mbola nahitana mangirana nandritry ny krizy ny zava-nitranga ny faha-26 janoary 2009 teto an-drenivohitra. Orinasa, tranombarotra, fananan’olon-tsotra ary fitaovam-panjakana mitentina amina miliara maro no indray levon’ny afo sy voaroba tamin’izany. Manodidina ny 550 kosa no isan’ny olona maty, lasa lavenona ary tsy hita popoka, araka ny tarehimarika nomen’ny mpitandro filaminana, nandritra io “Alatsinainy Mainty” io. Tsy mbola nisy fanadihadiana nisokatra mihitsy mikasika iny zava-doza iny izay niteraka fatiantoka goavana ho an’ny sehatra tsy miankina ary ny tontolon’ny fandraharahana amin’ny ankapobeny.

« Génocide »
Misokatra tokoa ny adihevitra taorian’ny fanambarana nataon’ny Fiombonamben’ny Eveka farany ary ny valan-dresaka nataon’ny vondrona Ravalomanana Marc tao amin’ny Colbert. Azo lazaina ho “génocide” ihany koa àry ve iny zava-nitranga ny faha-26 janoary 2009 iny raha miainga avy amin’ny fanazavana nomen’ny Me hanitra Razafimanantsoa, mikasika ny raharaha any Atsimo? Nambarany nandritra ny valan-dresaka farany teo tao amin’ny Colbert fa raha vao mihoatra ny 100 ny isan’ny maty dia efa “génocide” izy izay. Faharoa manaraka izany, nahoana no tsy nanameloka ireny fihetsika feno habibiana namoizana ain’olona an-jatony ireny ny Fiombonamben’ny Eveka eto Madagasikara ary taiza ny mpitandro filaminana sy ny Foloalindahy? Marihina fa ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien no lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika (CEMGAM) tamin’izany fotoana izany ary mbola ny tenany ihany koa nefa no ministry ny Foloalindahy amin’izao Tetezamita nitrangan’ny fifamonoana any Atsimo izao. Ny komandin’ny zandarimaria teo aloha, ny jeneraly Bruno Razafindrakoto kosa no lefitry ny Hery Vonjy Taitran’ny zandarimaria (FIGN).
Zon’olombelona
Iny andron’ny « Alatsinainy Mainty » iny koa no tena nanamarika ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, tany tsy nisy fanjakana ara-bakinteny. Na ireo fikambanana iraisam-pirenena mpiahy ny zon’olombelona aza toa tsy mbola nanao tatitra mikasika iny raharaha 26 janoary 2009 iny. Efa-taona aty aoriana samy mialangalana amin’ny andraikiny avokoa na ny mpitondra fanjakana, indrindra ny Fitsarana. Firy anefa ireo tsy hita popoka, raha tsy hiresaka afatsy ny zava-nitranga tao amin’ny Trading Center, tsy nahafahana nanavaka ny namantatra ireo razana levona sy hotohoton’ny afo. Koa raha tena vonona ny hitady ny marina sy hiaro izany zon’olombelona izany tokoa isika dia tokony hosokafana ny fanadihadiana manodidina iny raharaha 26 janoary 2009 iny.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...