Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tsy mifanaraka ny PDS sy ny lefiny

20/11/2012

Vaky ambatolampy amin’izao fotoana izao ny tsy fisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny filohan’ny Delegasiona manokana ao amin’ny Tananan’i Toamasina sy ny ireo lefiny. Ny zava-misy mahakasina ny fanamboarana trano eo ambony tetezana amin’ny lalana simba eny Salazamay manakaiky ny lycee Jacques Rabemananjara, mifanila amin’ny “Miramar Hotel” no isan’ny anton’izao tsy fitovian-kevitra izao. Araka ny loharanom-baovao avy any Toamasina dia ny lefitra voalohany ny PDS, Laurent Jean Maurice, no nanao sonia ny fanekena ny fanorenana an’io trano fisakafohanana eo ambony tetezana io, izay voalaza ihany koa fa nahazo fankatoavana tamin’ny lehiben’ny distrikan’i Toamasina I araka ny taratasy eny am-pelatanan’ny tompon’ilay trano fisakafohanana.

Etsy an-danin’izany anefa dia fantatra ihany koa fa tsy nahafantatra ny fisian’ity trano ambony tetezana ity ny talen’ny “urbanisme” ny kaominina, Joel Bevoavy izay nangataka taratasy ho fanandravana izany tamin’ny PDS Toalina Zafindrabary. Nahazo izany taratasy fandravana izany tokoa ity tompon’andraikitra ity. Fandravana izay mazava loatra fa tsy eken’ny PDS lefitra voalohany. Marihina fa araka ny voalaza ao amin’ny taratasy fifanarahana tamin’ny fanorenana ity trano fisakafoanana ity dia “miala mora eo ny tompon-trano raha misy ny tetikasam-panjakana hanohizana ny Bd Ratsimilaho”.
Ankoatr’ity raharaha fanorenan-trano teo ambony tetezana ity dia isan’ny raharaha mampifanolana ny filohan’ny delegasiona manokan’ny Tananan’i Toamasina sy ny lefitra voalohany ihany koa ilay tany kaominaly ao Ankirihiry izay nisy nangataka mba hananganana toeram-pizaham-pahasalamana. Mbola ny PDS lefitra voalohany, Laurent Jean Maurice, ihany koa no voalaza fa nanome ny fahazoan-dalana ary tsy nahalala ny fisian’izany ihany koa ny talen’ny “urbanisme” ao amin’ny Kaomina Toamasina, Joel Bevoavy. Marihana fa raha tokontany hanaovana “dispensaire” no nahazoana alàlana, dia ny tokontany eo akaikin’ilay tany koa no misedra olana satria te-hanitatra ny azoany ilay fikambanana nahazo izany tany izany. Izany hoe te-haka ny ampahan-tanin’ilay tokontany manan-tompo eo akaikiny. Lasa olana goavana amin’ny fitantanana ny kaomina Toamasina moa ity raharaha ity amin’izao fotoana izao.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...