Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Sefo fokontany maty nodorana asidra

22/11/2012

Mitaky ny hanokafana fanadihadiana sy hitondrana eny amin’ny Fitsarana ilay raharaha mahakasina ny nahafatesan’ny filohan’ny fokontany Ankeniheny ireo filoham-pokontany miisa 138 ao amin’ny distrikan’i Toamasina I. manahy ny fisian’ny fanodikodinana ity raharaha ity sy ny fanafenana ny marina momba izany izy ireo ary efa nandefa ny fitarainany teo anatrehan’ny distrika mpiahy azy ireo. Arak’izany dia nilaza ny hanao fametram-pialàna faobe izy ireo raha toa ka tsy misy tohiny ny fitakiana nataony.

Mampaka-peo amin’izao fotoana izao ireo sefo fokontany any amin’ny distrikan’i Toamasina Voalohany. Araka ny nambaran’izy ireo dia mampiahiahy ny fomba fitantanana ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha nahafatesan’ny filoham-pokontany tao amin’ny Cité Nouvelle Ville any an-toerana. Raha tsiahivina dia maty vokatry ny asidra nafafy taminy ity filoham-pokontany ity. Ny Alatsinainy teo izy no maty rehefa notsaboina nandritra ny herinandro teny amin’ny hôpitaly Be tany toamasina vokatr’izay asidra izay. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia dia tao amin’ny “hotel Ivondro” Canada no nandrarahan’olo-tsy fantatra asidra tamin’ity sefo fokontany ity izay nitondra azy tany amin’ny fahafatesana.
Tsara ny mampatsiahy fa nampifandraisan’ireo sefo fokontany namany tamina raharaha izay ifanolanan’ity sefo fokontany ity tamina mpandraharaha teratany Karana iray any an-toerana ity raharaha ity. Nambaran’izy ireo fa nanao izay afany hahazoana ny tany iray tao amin’ny fokontany Coté Nouvelle izay niadidian’ilay sefo fokontany voalaza tetsy aloha izany mpandraharaha Karana izany. Tsy nanaiky an’izany hatramin’ny farany anefa ilay sefo fokontany ary tsy nanaiky ihany koa ny tolotra nomen’ilay vahiny, na dia efa naka tohana avy amina tompon’andraikitra ambonimbony kokoa tany an-toerana ilay Karana. Heverin’ireo sefo fokontany ao amin’ny distrikan’i Toamasina I ho misy ifandraisana amin’izay zava-niseho izay arak’izany ity raharaha fandorana tamin’ny asidra ny naman’izy ireo ity. Ny loharanom-baovao ihany koa no nanamarika fa nisy vavolombelona izay nahita ny zava-nitranga tamin’ny nahavoazan’ilay sefo fokontany. Raha ny fandehan’ny fanadihadiana izay ataon’ny mpitandro filaminana hatramin’izao anefa dia manahy mafy ny amin’ny mety tsy handraisana izay fijoroana vavolombelona izay izy ireo.
Marihihana fa efa nanao fitarainana teny an’ivon’ny distrika momba ity raharaha ity ireo sefo fokontany miisa 138 any Toamasina I. Ny hitondrana ity raharaha ity eny an’ivon’ny fitsarana mahefa no fangatahan’izy ireo. Hatreto anefa dia mbola tsy tanteraka ihany izany. Eo anatrehan’izany rehetra izany dia nilaza ny handray fepetra izy ireo. Tsy inona ny fepetra ho raisiny fa ny fametram-pialana miaraka raha toa ka tsy mandeha amin’ny laoniny ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.
Efa tsy andraisana karama fa fanompoam-pirenena ny asanay kanefa dia mbola hamoizana ny aina toy izao noho hetraketraky ny mpanam-bola sy ny forongony ary ireo mpiray tendro aminy ihany. Aleo miala dieny mbola tsy maro izahay no ho faty eto”, hoy ny nambaran’ny iray tamin’ireo sefo fokontany ireo

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...