Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Tsy mba meloka ?

23/11/2012

Tsy niandry ela ny fitondram-panjakana fa avy hatrany dia namaly ny fanambarana nataon’ny Amnesty International ary nilaza fa tatitra vilana sy diso no nataon’ity fikambanana iraisam-pirenena mpiahy ny zon’olombelona ity ; tsy nisy fanadihadiana na fidinana ifotony nijery ny zava-misy fa fihainoana fotsiny ihany resaka an-jorom-bala sy eny amin’ny sisin-dalana. Dia sanatria ve tafiditra anaty vovon’ny mpanao politika indray koa ity Amnesty International ity ? Mazava ary mahitsy tokoa mantsy ny valinteny avy amin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Foloalindahy sy ny mpitondra fanjakana.

Ho sarotsarotra ny fifandraisana eo amin’ny Amnesty International sy ny mpitondra Tetezamita raha izao no dinihina. Karazan’ny tsy ho tafiditra amin’ny sisintanin’i Madagasikara intsony ity fikambanana iraisam-pirenena mpiahy ny zon’olombelona ity raha izao zava-misy izao. Tsy dia azoazon’ny mpitondra HAT hatramin’izay mihitsy mantsy ny Amnesty International, indrindra ry zareo avy ao amin’ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana ao. Loza mitatao ho an’ny vahoaka voan’ny tsindry hazolena anefa izao fifanolanana eo amin’ny mpitondra fanjakana sy ny Amnesty International izao ary mety hanome vahana ny fampiasan-kery sy ny herisetra ataon’ny mpitandro filaminana. Voakasik’izany koa ny raharaham-pitsarana.
Mitodika amin’ny Amnesty International ny mason’ny mpanara-baovao ary heverin’ny olom-pirenena fa fotoana tokony hanaporofoan’izy ireo ny zavatra voalazany tamin’ireny fanambarana ireny, ny valin-kafatra avy amin’ny ministry ny Foloalindahy, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien. Fotoana hanaporofoan’ny Amnesty International eo imason’izao tontolo izao ihany koa fa tena azo antoka izy ary afaka ny hiaro izay rehetra nanao fitarainana taminy. Ho toa ny sosoa notampohan-drano tokoa mantsy ireo izay niharan’ny tsindry hazolena rahatoa ka tsy afaka ny hanaporofo ny fahamarinan’ny fanambarana nataony ny Amnesty International ; izany hoe ny antom-pisiany sy ny maha izy azy mihitsy no ho potika ao anatin’ny indray mipi-maso.
Ankoatra izay resaka manodidina ny any Atsimo izay, ny zava-misy ary tsy azo lavina koa dia izao : tsy ity fanjakana ity mihitsy no ndeha hanaiky fa misy ny fihoaram-pefy ataon’ny miaramila sy ny mpitandro filaminana ary voahitsakitsaka ny zon’olombelona. Tsy ity fanjakana ity velively koa no ndeha hibaboka fa diso na lainga ny zavatra nambarany tamin’ny vahoaka. Ny azy ireo ihany no marina ; mpandainga sy mpanely vaovao tsy marina avokoa rehefa tsy olona mpiara-dia sy mpiara-misôsy amin’izy ireo.
Farany, natokana ho an’iza irery ihany ny lalàna sy ny fampiharana izany ? Toa ny vahoaka madinika sy izay tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra hatrany mantsy no mizaka izao rehetra izao ; tsy mba meloka na koa nahavita heloka tamin’ny mpiray tanindrazana aminy mihitsy ve izany ireo miaramila mirongo basy ireo ?

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...