Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Hiteraka krizy vaovao hoy ny HMF

26/11/2012

Mametraka ahiahy amin’ny fizirizirizn’ny fitondrana tetezamita hanatanteraka fifidianana ao anatin’izao toe-draharaha misy eto amin’ny firenena izao ny Hetsiky ny mpitondra Fivavahana (HMF) izay nanatontosa fotoam-pivavahana tao amin’ny kianjan’Antsahamitra ny asabotsy teo. Nandritra ny lahateny izay nataon’ny pastora Roger, iray amin’ireo mpitarika ity hetsika ity, no nanambarany fa mbola tsy tomombana ireo fepetra ahafahana milaza fa azo antoka ny hirosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara, raha tsy hilaza afa-tsy ny tsy fisian’ny fitoniana politika sy ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana manerana ny Nosy isika.

Arak’izany dia tsy isalasalana ny milaza fa hiteraka krizy vaovao eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fiziriziriana hanatanteraka fifidianana, raha araka ny fanamarihana nataon’ireo mpitondra fivavahana mpikambana ao amin’ny HMF. “Mitsambiki-mikimpy, hoy izy ireo, ny fanjakana raha toa ka mampiditra ny firenena ao anatin’izany fifidianana hiteraka krizy izany”.
Nokianin’ny HMF ihany koa ireo firenena izay mihevitra ny hanohana ara-bola sy ara-pitaovana ny fanatontosana ny fifidianana eto Madagasikara, satria hiaraha-mahita fa tsy hitondra amin’ny fivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao ny fifidianana tontosaina ao anaty krizy. Tondroin’ny HMF ho mpiray tsikombakomba amin’ny tsy rariny arak’izany izay firenena manohana ny fitondrana Tetezamita amin’ny firosoana amin’ny fifidianana. Nambaran’izy ireo fa ny fametrahana ny fitoniana tanteraka eto amin’ny firenena no tokony himasoana sy hanampian’ny mpiara-miombon’antoka fa tsy ny fanamafisana izany tsy fisian’ny fitoniana politika izany.
Nitondra ny hevitr’izy ireo manoloana ny fanambaran’ny Amnesty International ihany koa ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana tamin’io fotoam-pivavahana natao ny asabotsy teo io. Nambaran’izy ireo fa tokony handray andraikitra avy hatrany amin’ny fananganana vaomiera manokana hanadihady ny zava-nitranga marina tany amin’ny faritra Atsimo nandritra ny “operation tandroka” ny vahoaka satria iaraha-mahalala fa tsy hanao izany velively izao fitondrana izao. Sady na hanao izany aza ny fitondrana tetezamta dia efa iaraha-mahalala fa tsy hifanandrify amin’ny tena zava-misy akory tatitra havoakany. Nohamafisin’ny HMF fa ilaina ny famoahana ny marina rehetra mikasika izany “operation tandroka” izany sy ny famaritana ny andraikitr’ireo mpitarika izany tany an-toerana mba ahafahana miroso amin’ny tena fametrahana fandriam-pahalemana azo antoka any amin’izany faritra izany.
Marihina fa nilaza ny hanohy ary hanamafy bebe kokoa ny hetsika izay efa nataony hatrizay ny HMF, indrindra ny fitakiana ny hametrahana ny tena fahamarinana sy ny rariny eto amin’ny firenena. Ny fahamarinana sy ny rariny izay nitsakitsahina hatramin’ny nitsanganan’ity fitondrana Tetezamita ity.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...