Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

« Mbola tsy milamina ny firenena »

26/11/2012

Isan’ireo izay miombon-kevitra momba ny tsy maha ara-drariny ny fampidirana am-ponja ny tangalamena Zakariasy Patrick sy ny fandrahonana ny mpanao gazety tamin’int raharaha fampahalalam-baovao momna ny fisian’ny fanondranana gaboraraka ny harem-pirenena iny ny Praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo. Nambarany tamin’ny famaliana ny fanontanian’ny mpanao gazety nandritra ny lanonana faha 25 taonan’ny Lycée Jean Ralaimongo Tany Fiararantsoa ny faramparan’ny herinandro teo fa midika fandrahonana sy fanamparam-pahefana ny fihazonana am-ponja an’ity Tangalamena ity izay mbola tsy nomelohin’ny fitsarana hatramin’izao. Aminy dia tsy misy hafa amin’izay vaovao samihafa mivoaka amin’ny karazam-pampalalam-baovao maro misy amin’izao fotoana izao ny navoakan’ity Tangalamena ity.

Nasongadiny manokana tamin’izany ny vaovao mivoaka any amin’ireny tranokalam-pifandraisana ireny izay tsy hitan’ny fitondrana tetezamita hatramin’izao izay hanenjehana azy.
Etsy an-danin’izany dia isan’ny nokianin’ny Praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo ihany koa ny tsy fisian’ny fitoniana marina eto amin’ny firenena amin’izao enimbolana mialoha ny fifidianana izao. Porofon’izany, hoy izy ny fisian’ireo fitokonana maro samihafa izay mahazo vahana amin’izao fotoana izao, raha tsy hilaza afa-tsy ny fitokonan’ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana manerana ny Nosy isika. Torak’izany ihany koa ny fitokonan’ny mpitatitra izay nisy akony teo amin’ny fiainam-pirenena.
Midika izany fa tsy mbola misy filaminana eto amin’ny firenena, araka ny fanamariahan’ny Praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo. Midika ihany koa izany fa tsy ampy ny fandraisan’andraikitry ny mpitondra fanjakana.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...