Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mitaky ny marina ihany koa ny CST

28/11/2012

Maro ireo mpikambana eo anivon’ny filan-kevitra ambon’ny teteza-mita no mitaky ny anaran’ireo olona sy orinasa ao ambadikin’ny fanondranana an-tsokosoko andramena any ivelany. Nanafana ny ady hevitra tetsy amin’ny lapan’Anosikely tamin’ny alatsinainy lasa teo, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpikambana amin’ny governemanta, ny raharaha fanondranana andramena. Ny mahakasika ny mangarahara moa no tena notakin’ireo mpikambana ao amin’io andrim-panjakana io tamin’ny solontenan’ny governemanta tonga tamin’ny fifanatrehana.

« Tokony havoakan’ny governemanta avokoa ny anaran’ireo olona sy orinasa voarohirohy amin’ny fanondranana an-tsokosoko andramena makany ivelany » hoy Lecacheur Henri. Ny governemanta hoy izy no tena mahalala ny marina rehetra mahakasika io raharaha io ka tsy tokony hihazona samirery ny vaovao fa tokony hilaza izany amin’ny vahoaka. Lecacheur Henri moa dia naneho ny alahelony mahakasika ny fanagadràna natao amin’ny Zakariasy Patrick mahakasika ny raharaha andramena.
Efa nisy moa ny sampan-draharaha manokana nantsangana teo anivon’ny fiadidiana ny praiministra hanadiady akaiky ny raharaha andramena saingy tsy hita maty tsy velona izy io ankehitriny. Raha ny filazan’i Vaovao Benjamin moa dia mety io sampan-draharaha io no manodina ny tena marina amin’ny raharaha andramena ka tsy hivoahan’izany amin’ny vahoaka. Mety ho tafiditra ao anatin’ny velam-pandrika hataon’io sampan-draharaha io koa mantsy ny praiministra, hoy hatrany i Vaovao Benjamin.
Ankehitriny aloha, na dia manambara toy izany aza ireto mpikambana eo anivon’ny filan-kevitra ambony ny teteza-mita dia tsy mbola fantatra avokoa ny tena marina mahakasika ny raharaha andramena. Hany ka ireo milaza ny marina fantany mahakasika ny raharaha dia fonja no hasetrin’ny fanjakana aminy toa an’I Zakariasy Patrick. Ity farany dia manohana fa i Mamy Ravatomanga no tena ati-doha mikotrika ny fanondranana an-tsokosoko andramena miaraka amin’ny sinoa.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...