Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tsy marina ny filazana fa maty ny lehiben’ny FIP

29/11/2012

Miely ny feo ao Toamasina izao fa maty voatifitra ny komandan’ny Force d’Intervention de la Police (FIP) , ny Officier Rafaliarivo Jules. Nisy ny fihaonana natao taminy tao amin’ny birao fiasany ao amin’ny tranoben’ny boriborin-tanin’Ankirihiry ao Valpinson, izay nilazany fa “hatramin’ny zanako dia miroiroy saina nilazan’olona izany tany am-pianarany, ny fianakaviako dia mitaintaina raha vao nahare an’izany.

Tsy hay hoe iza no nanaparitaka ity vaovao tsy marina mikasika ny fahafatesako tamin’ny tifitra nahazo ahy ity, fa tsy tongatonga izany fa ao raha sy ao ireo olona nandefa sy nanaparitaka izany”.
“Salama tsara izaho hitanareo izao, sady tsy voatifitra izany, no tsy marin-koditra ihany koa. Tsy naha-teto Toamasina ahy andro maromaro, dia noho ny fihatrehako fihofanana manokana mikasika ny ‘zon’olombelona sy ny terorista’ tany Antananarivo”, hoy hatrany ity officier polisy misahana ny FIP Toamasina ity.
Tsy ireo fianakaviany ihany anefa no miahiahy amin’izao feno miely ao Toamasina izao, fa eo koa ireo mpiara-miasa aminy ihany koa. “Manahy izahay fa sao misy mikasa hamono ity lehibenay matoa alefa mialoha ny feo toy izao, mino mantsy izahay fa tsy mahafaly ireo jiolahy hafa sy ireo naman’ny jiolahy maty voatifitray ny asa nataonay nametraka filaminana ho an’ny vahoaka. Efa iarahana mahalala ihany koa ireo feo nandeha sy nalefa milaza ny famaliana faty ny vondrona misy anay tamin’ireo asa fametrahana fandriampahalemana nataonay teto tamin’ity taona ity”, hoy ny nambaran’izy ireo. Nomarihan’ny officier Rafaliarivo Jules ihany koa, fa “mbola vonona hiaro ny vahoaka sy ny fananany ny tenany, ary hamogotra ny jiolahy na ireo mpihazona fitaovam-piadiana izany, na ireo jiolahy tsotra”, satria ny tanjon’ny FIP hatramin’izay dia ny hoe: izay sahy no mandresy.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...