Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Fitokanana zava-bita !

03/12/2012

Nanomboka nitokana ireo zava-bitany nandritra ny Tetezamita ny filoha Andry Rajoelina ny sabotsy lasa teo ka tany Antsiranana no nanombohany izany. Maromaro tokoa moa ny zava-bitan’ity fitondrana ity tato anatin’izay efa-taona naha teo amin’ny fanjakana azy ireo izay, toa ny Tsena Mora, Vary Mora, Trano Mora, hôpitaly manara-penitra, kianja fanaovana rugby, kianjan’Antsonjombe. Anisan’ny zava-bita tena nampisongadina ity Tetezamita tarihin’ny filoha Rajoelina ity koa anefa ny fikatsoan’ny raharaham-pirenena, ny fahantrana, ny vonoana olona, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fisian’asa, sns.

Havesatra tokoa araka izany ny fandaharam-potoanan’ny filoha Andry Rajoelina noho ny hamaroan’ireo zava-bita voalaza etsy ambony ireo. Toa efa tsinjo sahady fa ho maro amin’ireo zava-bita ireo no mety tsy hotokanany amin’ny fomba makotrokotroka raha tsy hiresaka afatsy ny fahantrana sy ny vonoana olona fotsiny ihany. Tsy maintsy efa nanaovan’ny fitondrana propagandy be sahala amin’ny inona mihitsy iny hetsika tany Atsimo iny rahatoa ka fahombiazana. Soa ihany fa nisy ireo fikambanana iraisam-pirenena toa ny Justice et Paix ary ny Amnesty International sahy namaky bantsilana ny « heloka ».
Tokony ho ny tarika Rossy mihitsy no hanafana ny lanonana mandritra ny fitokanana ireo zava-bitan’ny fitondrana sasan-tsasany ireo satria tena goavana ary tsy mbola nisy nahavita toa azy ireo hatramin’izay mpitondra nifandimby teto izay. Tamin’ity fitondrana Tetezamita ity tokoa mantsy no nampiakatra be ny tahan’ny tsy an’asa, ny tsy fandriampahalemana, ny fahantrana isam-baravaravana ary ny faty olona tamin’ny endriny maro samy hafa. Zava-bita avokoa izany rehetra izany ka nahoana mihitsy tokoa no tsy hotokanana ?
Zava-bita tsy misy mpiresaka ihany koa ny trano be, kaonty amina miliara, fiarakodia lafo vidy ary indrindra ny fanotofanana tany etsy Andranobevava. Mba rahoviana no hitokananareo izany rehetra izany mba hiaraha-mifaly amin’ny vahoaka e? Fantatra avokoa mantsy ny tompon’ireo tranobe vao niorina etsy sy eroa, ny anaran’ny tompon’ireny 4x4 amina miliara mirioirio eto an-drenivohitra ireny. Zava-bita daholo izany saingy tsy fantatry ny valalabemandry, efa mandry hatramin’ny fisainany noho ny fampahoriana natao azy ireo nandritra ny taona 2009.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...