Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Miandry ao anaty Renault Kangoo ilay Sinoa

03/12/2012

Tandindomin-doza tanteraka ny tanora Malagasy, indrindra ny tovovavy manoloana ny fahantrana nateraky ny fitondrana Andry Rajoelina, nandritra izay efa-taona naha teo amin’ny fanjakana azy izay. Misy manararaotra izany tsy fisian’asa sy tsy fananam-bola izany ireo vahiny sasan-tsasany. Mameno ireny andrin-jiro (poteau) ireny ny tolotrasa (annonce) isan-karazany ary mazàna vehivavy tanora sady tsara tarehy no hiantefan’ny tolotra. Ohatra amin’izany àry ity tolotrasa iray teny amin’ny “poteau” nanaovan’ny La Nation fanadihadiana ity, manamafy izay loza mitatao ho an’ny tanora izay, araka izao manaraka izao.

Asa tsy fantatra
Tsy misy afatsy laharana an-tariby ankoatra ny filazana fa “mitady vehivavy tsara tarehy” teo amin’ilay tolotrasa naraikitra tamin’ny andrin-jiro. Lehilahy no nandray ny finday rehefa nantsoin’ny mpanao gazety teto amin’ny La Nation. Nahavariana ihany anefa ny zavatra nambaran’ity lehilahy ity tamin’izany. Hoy indrindra izy: “tena vonona hanao ilay asa mihitsy izany ianao?”. Tsy nanome fanampim-panazavana anefa izy rehefa nanontaniana mikasika ilay asa (hanao inona, aiza ny toeram-piasana, sns). Izany hoe tsy fantatra akory izany ny asa hampanaovina ireo vehivavy tsara tarehy voalaza tao anatin’ilay tolotrasa. Avy hatrany fotsiny dia nomen’ilay lehilahy fotoana teny Analakely, manoloana hotely be iray sady trano filokana ilay mpanao gazety; eny mantsy hono ny hahazoana fanampim-panazavana bebe kokoa. Tsy mba toeram-piasana na trano na birao akory anefa no hanaovana ny fotoana fa teratany sinoa anaty fiarakodia Renault Kangoo miloko maitso. Miandry ao anaty fiara ilay Sinoa, araka ny nambran’ilay lehilahy nandray ny finday, manomboka amin’ny 11 ora antoandro.
Mitazam-potsiny
Mazava ho azy fa tsy namonjy ilay fotoana nifanomezana ny La Nation fa nanatona tomponandraikitra teny anivon’ny mpitandro filaminana misahana ny zaza tsy ampy taona (PMM) nanontany ny heviny manoloana izao loza mitatao ho an’ny tanora Malagasy izao. Hita sy tsapa nandritra ny resaka nifanaovana tamin’ny mpitandro filaminana fa tsy laharam-pahamehana ho azy ireo mihitsy ny hiroso amin’ny fitsirihana na ny fitsikilovana ireny tranga mety hitera-doza ho an’ny tanora ireny. “Tsy afaka hanao investigation mihitsy hono mantsy izy ireo satria fantatr’ireny olona ireny avokoa ireo pôlisy vavy miasa ao amin’ity sampan-draharaha ity”. Izany no valinteny azon’ny mpanao gazety nandritra ny tafa nifanaovana tamin’ny pôlisin’ny PMM. Adinon’ny mpitandro filaminana mihitsy ny hevitry ny teny hoe “sécurité publique”, izay midika ho fisorohana.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...