Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mikatso ny raharaham-pitsarana

04/12/2012

Niveri-maina avokoa ireo nanan-draharaha tao amin’ny fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy, omaly, nohon’ny fitohizan’ny fitokonana ataon’ireo mpiraki-draharaha. Tsy nahitam-bokany arak’izany ny fihaonana teo amin’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha sy ny minisitry ny Fitsarana tamin’ny zoma lasa teo. Nambaran’ny mpitarika ireo mpitokona fa tsy nifanentana na dia tamin’ny ampahafolon’ny fitakian’izy ireo aza ny tolo-kevitra nomen’ny minisitra. Hitohy ary hiha-mafy arak’izany ny fitokonana ataon’izy ireo.

Nikatona avokoa ireo efitrano tao amin’ny Fitsarana Anosy omaly. Nanohy ny fitokonany arak’izany ireo mpiraki-draharaha izay efa nanomboka izany hatramin’ny fihandohan’ny herinandro lasa teo. Araka ny nambarab’izy ireo dia tsy nisy afa-tsy ny lehiben’ny mpiraki-draharaha irery no nanohy ny asany satria efa nilaza tamin’ny be sy ny maro ny amin’ny tsy fanarahany an’ity fitokonana ity ny tenany. Vokatr’izany fitokonana izany dia niveri-maina avokoa na ireo nana-draharaha tao amin’ity fitsarana ity, na ireo mpitandro filaminana izay nikasa ny hitondra ireo olona voasambotra na ho tsaraina tao amin’izany fitsarana izany omaly. Tsy nisy nandeha ihany koa arak’izany ny raharaham-pitsarana tokony nandeha omaly.
Midika ho fanambaniana anay sady fanambaniana ny fitakiana ataonay ary fanambaniana ny asanay ny soson-kevitra natolotry ny ministeran’ny Fitsarana. Izay no nambaran’ny filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha, Rabenandrasana Nicolasn raha nanazava ny votoatin’ny fihaonana teo amin’izy ireo sy ny minisitry ny Fitsarana sady mpitana ny Fitombokasem-panjakana ny tenany. Fihaonana izay natao ny zoma lasa teo, ary nokendrena indrindra mba hitondram-bahaolana manoloana ny fitokonana ataon’ireo mpiraki-draharaha manerana ny Nosy. « Tsy nasian’ny minisitra resaka ny mahakasika ny fitakiana manandrify ny rafitra ao anivon’ny asan’ny mpiraki-draharaha. Tsy nasiany resaka ihany koa ny momba ny gaboraraka eo amin’ny fampidirana mpiasa ao amin’ity sehatra ity. Torak’izany koa ny fitakiana manandrify ny « prime » izay tsy nasian’ny minisitra resaka akory. Zara raha misy ampahafolony amin’ny fitakiana tambi-karama nataon’ny mpiraki-draharaha no sosokevitra naroson’ny minisitra », araka ny fanazavana nataon’ny filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha. Vokatr’izany, na dia teo aza ny fahavononana hamaha ny olana dia mbola tsy tonga tamin’ny fenitra azon’izy ireo leferina, araka ny fanazavan’ity mpiraki-draharaha ity ihany ny dinika teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany.
Tapa-kevitra ny hanohy ny fitokonany arak’izany ireo mpiraki-draharaha, ary tsy hanajanona izany izy ireo raha tsy azony ny fetra fara-fahakeliny amin’ny fitakiana nataony.
Tsara ny mampatsiahy fa tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo no nanombohan’ity fitokonan’ny mpiraki-draharaha eny anivon’ny fitsarana manerana ny Nosy ity. Fitokonana izay vokatry ny fitakiana nataon’ireto farany manoloana ny heverin’izy ireo fa tsy rariny misy eo amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany. Isan’izany ny fampidiran’ireo mpitondra fanjakana an’ireo mpiasa “bénévoles” izay miteraka fanambaniana ny asan’ireo mpiraki-draharaha. Takin’ireo mpiraki-draharaha arak’izany ny hamerenena ny fanadinana “concours professionnel” amin’ny fammpidirana mpiasa amin’izany sehatra izany.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...