Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Zandary GP2 iray indray no maty ; vata feno bala iray no nanjavona

07/12/2012

Nidonam-pahoriana indray ny zandarimariam-pirenena omaly tokony ho tamin’ny ora tolakandro. Maty vokatry ny vela-pandriky ny dahalo ny zandary GP2 iray, 15 km miala ny kaominin’i Latiry ao Esira. Very nandritra izany koa ny vata feno bala (caisse à munition) iray. Manara-baovao tokoa ireo andian-dahalo any Atsimo ; fantatr’izy ireo tsara ny fanenjehana ataon’ny Amnesty International ny Foloalindahy, izay niampanga ny mpitandro filaminana nanao ny « opération » Tandroka ho namono zaza amam-behivavy sy kilemaina. Nataon’ireo dahalo fiarovan-tena (bouclier humain) teo anoloan’izy ireo mantsy ireo zaza amam-behvavy. Nisy fiantraikany tany amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa anefa izay fanenjehana sy fiampangana avy amin’ny Amnesty International izay ka tsy sahy nitifitra ireo dahalo izy ireo noho ny fisian’ireo zaza amam-behivavy nataon’ireo dahalo sorona ireo.

Nanara-dia fotsiny ihany ireo zandary avy amin’ny CFS ka tamin’izay indrindra no nisehoan’ny vela-pandriky ny dahalo ka niteraka izao famoizana aina izao. tsy mitsaha-miakatra araka izany ny isan’ny mpitandro filaminana maty tany Atsimo, raha tsy hiresaka afatsy ireo miaramilan’ny CSI Sakaraha miisa 10 lavon’ny dahalo tao Iabohazo ny faha-9 jona 2012. Nahaverezana bala ihany koa nandritra izany ary voaporofo taorian’ny fahafatesan’ireo dahalo 12 lahy tao Beharena fa ireo bala mitondra ny laharana 539-84 an’ny CSI no hita teny amin’izy ireo.
Iza no tomponandraikitra?
Nampiraviravy tanana ny mpitandro filaminana any Atsimo ny fipakan’ny fangatahana fanadihadiana iraisam-pirenena nataon’ny Amnesty International momba ny “opération” Tandroka. Tsy sahy mitifitra ireo zandary any an-toerana ndrao tokoa hahafaty zaza amam-behivavy, hanamarina ny fiampangana izay efa mahazo vahana eo anivon’izao tontolo izao. Vokany, any amin’ny mpitandro filaminana no mitontona ny fahavoazana ka niteraka izao famoizana aina vaovao omaly izao indray. Iza àry izany no tomponandraikitra amin’izao zava-nitranga tany Esira izao ? Voaporofo izao fa tsy hijanona mihitsy ny fifamonoana sy ny fandatsahan-drà any Atsimo. Tokony hotohizana ve ny « opération » Tandroka sa misy manana vahaolana tsara kokoa noho izany amin’ireo mpanao politika nanameloka ireo manamboninahitra nitarika iny hetsika tany Atsimo iny ? Ny fandrosoana vahaolana tokoa mantsy no tsy ampy na tsy misy eto amintsika.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...