Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tsy rototra amin’ny famahana ny krizy

07/12/2012

Nanainga omaly atoandro ary nihazo an’i Dar es Salaam, ireo solon-tenan’ny Filohan’ny tetezamita sy ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ary ireo izay voakasika mivantana amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Izy ireo izany no handrail anjara amin’ny fihaonana izay tarihan’ny Troika n’ny SADC ho famahana ny krizy eto Madagasikara. Tsy nandeha kosa ny Filohan’ny Tetezamita na dia voakasika mivantana amin’ity raharaha ity aza ny tenany. Nilaza ny efa nagataka fihaonana manokana tamin’ny filohan’ny Troika Kosa ny tenany.

Mampametram-panontaniana ny maro ny fihetsiky ny filohan’ny tetezamita, raha tsy hilaza afa-tsy ny tsy fanekeny hiatrika ny fihaonana izay karakarain’ny Troika n’ny SADC amin’ny fanohizana ny dingana hamaranana ny krizy eto Madagasikara isika. Araka ny vaovao farany azo talohan’ny nanoratana an’ity lahatsoratra ity dia tsy isan’ireo nandrafitra ny delegasiona nihazo an’i Dar es Salaam renivohitr’i Tanzania, omaly ny filohan’ny Tetezamita, na dia izy aza no heverina fa tokony hitarika izany delegasiona izany amin’ny maha voakasika mivantana ny krizy ny tenany. Araka ny nambarany dia atomotra loatra, ary tsy fantany mivantana fa tamin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao ny fanasan’ny Troika mikasika an’ity fihaonana ity. Nambarany aran’izany fa tsy ampy tamin’ny fikarakarana ny fahatongavany tany an-toerana ny fotoana nananany. Ankoatr’izay dia nambaran’ny filohan’ny tetezamita ihany koa fa tsy nanan-kevitra ny hihaona amin’ny filoha teo aloha intsony ny tenany, saingy efa nisy kosa ny fangatahany ny hihaona amin’ny filoha amperin’asan’ny TROIKA mba hanaovana tatitra ny fivoaran’ny toe-draharaha eto an-toerana sy ny fanomanana ny fiatrahana ny fifidianana.
Raha tsorina ny resaka dia maro ireo mahita fa miala bala amin’ity fihaonana ity ny filohan’ny tetezamita. Fihaonana izay efa naraangarangan’ireo mpomba ny filoha teo aloha fa hamaritra dingana vaovao amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara sy ny fiverenana an-tanindrazan’ny filoha teo aloha ary ny fahafahany milatsaka ho fidina. Tranga izay azo heverina fa tsy mifanaraka loatra amin’izay heverin’ny filohan’ny tetezamita fa ho amin’ny tombontsoany.
Na izany na tsy izany mipetraka ny fanontaniana manao hoe: vonona ny hamaha ny krizy eto amin’ny firenena ve ny Filohan’ny tetezamita sa sanatria mitady izay fomba rehetra mba tsy hialan’ny firenena amin’izao krizy izao? Tsar any mampatsiahy fa nilaza ny fahavononany hampihantra izay tapaka amin’ity fivoriana any Dar es Salaam ity ny Filohan’ny tetezamita raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany omaly. Nametraka fepetra ihany anefa ny tenany dia ny fifanarahan’izany amin’ny voalazan’ny tondrozotra sy ny tombontsoam-pirenena satria efa lalàna eto amin’ny firenena hoy izy ny tondrozotra.

Marihina fa delegasiona no nalefan’ny filohan’ny tetezamita ho any Dar es Salaam, omaly. Isan’izany ny mpiara-miasa akaiky aminy, Anick Rajaona, Ratsirahonana Norbert. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana kosa, Rakotoarivelo Mamy sy Razafimanantsoa Hanitra no lasa any Tanzania. Fantatra ihany koa fa isan’ireo laza any amin’ny fivorian’ny Troika ny filoha nasionalin’ny Monima Monja Roindefo. Omaly atoandro izy ireo nonanainga tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ny loharanom-baovao ihany koa no nahafantarana fa efa any an-toerana hatramin’ny alarobia teo ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Tsara ny manamarika fa ny 7 ka hatramin’ny 8 desambra no hanatanterahana ny fivorian’ny Troika ao amin’ny SADC izay hatao any Dar es Salaam renivohitr’i Tanzania. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’izao fivoriana izao ny fandinihina ny raharaha Madagasikara.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...