Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Valo ihany no ara-dàlana

18/12/2012

Nibaribary nandritra ny atrik’asa notarihan’ny Ministeran’ny Atitany teny amin’ny CCI Ivato, omaly, fa isan’ireo sehatra tsy mpanara-dàlana indrindra eto Madagasikara ireo antoko. Tsy misy afa-tsy antoko valo amin’ireo 343 izay misora-tena ho antoko politika eto amintsika no mahafeno ny fepetra ara-dàlana maha-antoko politka azy, araka ny tatitra nataon’ity Ministera ity. Nomena fe-potoana hatramin’ny 9 janoary ireo lehibena Antoko mba ahafahany manatanteraka ny fampanarahan-dàlana ny antoko izay tantanany.

Mametram-panontaniana ny maha- azo antoka an’izao fitondrana misy amin’izao fotoana raha ny tatitra nataon’ny Ministeran’ny Atitany no jerena. Arak’io tatitra io dia tsy misy afa-tsy valo (08) amin’ireo antoko politika misy eto Madagasikara no mahafeno ny fepetra maha antoko azy. Raha fakafakaina tsotsotra ity fanambarana nataon’ny Ministeran’ny Atitany ity dia azo lazaina fa tsy mitombina ny fifanarahana nataon’ny mpanao politika teny Ivato izay nananganana izao Tetezamita izao satria fifanarahana nataona fikambanana tsy ara-dàlana. Azo hitarina amin’ny firafitr’ireo andrim-panjakana misy amin’izao tetezamita izao ihany koa izany tsy fisian’ny fanarahan-dàlana izany. Satria olona natolotr’ireo antoko politika misy amin ‘izao fotoana izao avokoa ny ankamaroan’ireo olona mandrafitra ny andrim-panjakan’ny Tetezamita, indrindra ny Kongresin’ny Tetezamita sy ny Filankevitra Avon’ny Tetezamita. Tsy ara-dàlana avokoa ny fanendrena azy ireo, arak’izany raha tsy ara-dàlana ny antoko nipoirany.
Marihina fa nanome fe-potoana hatramin’ny 9 janoary 2013 ho an’ireo antoko politika ny Ministeran’ny Atitany mba ahafahana mampanara-dàlana izany. Marihina ihany koa fa tsy notononina nandritra ity atrikasa natao omaly ity ny anaran’ireo Antoko politika valo mahafeno ny fepetra voalazan’ny làlana eto amintsika.
Famatsiam-bola ny antoko
Omaly, nandritra ny atrikasa natao tao amin’ny CCI Ivato no nampahafantatra an’ireo lehiben’antoko politika eto Madagasikara ny làlana laharana 2011-012 tamin’ny 09 septambra 2011 ihany koa no nanambaran’ny Ministeran’ny Atitany fa havoaka tsy ho ela ity làlana ity izay hifehy ny antoko politika tsy an-kanavaka eto amintsika. Hivoaka tsy ho ela torak’izany ihany koa ny sata momba ny fanoherana sy ny làlana mifehy ny famatsiam-bolan’ny antoko politika eto Madagasikara.
Tsy nisy afa-tsy lehibena antoko sy solon-tena miisa 190 no nandray anjara tamin’ilay atrikasa izay natao omaly, raha miisa 300 mahery no nasaina handray anjara amin’izany. Saika tazana tao kosa, na ireo avy amin’ny mpanohitra, na ireo avy amin’ny mpanohana ny fitondrana Tetezamita. Tsy vitsy tamin’ireo mpandray anjara no nangataka ny hanemorana an’io datin’ny 9 janoary io mba ahafahana manatanteraka ny fampanarahan-dàlana ny antokony.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...