Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mamita-bahoaka indray ny mpitondra ?

19/12/2012

Rakotra mpitandro filaminana manodidina ny trano fonenan’ny filohan’ny antoko Masters, Alain Ramaroson, eny Andoharanofotsy. Voalaza àry fa hisambotra ity filohan’ny komity misahana ny fiarovana eo anivon’ny CST no anton-dian’ireto mpitandro filaminana ireto. Hariva ihany anefa ny andro; tsy hita akory izay fisamborana nataon’ny Emmo. Fampiharana ny didy navoakan’ny Fampanoavana (mandat d’amener) araka ny fitoriana napetraky ny VPM, Hajo Andrianainarivelo, no anton’ny fisamborana ny filohan’ny antoko Masters, Alain Ramaroson, noho ity farany tsy mety mamaly ny taratasy fiantsoana (convocation) avy amin’ny mpitandro filaminana. Mbola tao anatin’ny fotoam-pivoriana tokoa mantsy ny CST izay nifarana ny faha-6 desambra 2012 lasa teo.

Tokony efa nanatona ny mpitandro filaminana niatrika ny fakàna am-bavany azy, araka izany, Alain Ramaroson. Nivory maika ireo tomponandraikitra eo anivon’ny mpitandro filaminana ny alatsinainy lasa teo, nanomana iny fisamborana tsy tanteraka ny filohan’ny antoko Masters. Nihazakazaka anefa ny toe-draharaha satria namaly ny antson’i Alain Ramaroson ireo mpanao politika toa an-dry Sylvain Rabetsaroana, Henri Lecacheur, Cyril Rasambozafy, Betina Bruno, Vaovao Benjamin, sns. Nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny na tsy afaka niroso tamin’ny fisamborana raha marina kokoa ny Emmo. Niandany tamin’ny filohan’ny antoko Masters rahateo koa ny filohany CST, ny jeneraly Dolin Rasolosoa, izay nandefa taratasy tany amin’ny ambaratongam-pahefana, hampiato ny fisamborana. Voatery niverina tanam-polo ny mpitandro filaminana ; nilaza ny hiverina kosa izy ireo androany maraina.
Fitoriana mifono fitoriana
Mandeha anefa ny feo eny anivon’ireo mpanao politika fa tsy dia ilay fitoriana napetraky ny VPM, Hajo Andrianainarivelo loatra no tena tian’ny Fanjakana hiaviana amin’izao fisamborana an’i Alain Ramaroson izao fa resaka hafa mihitsy. Toa hoe misy zavatra efa nanaovan’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena fangataham-panazavana tamin’ny fitondrana, tian’ny sasany hovesarana eo ambony lamosin’i Alain Ramaroson, entina hilazana amin’ireo firenen-dehibe fa ity filohan’ny antoko Masters ity no tompon’antoka tamin’izany raharaha izany. Noho izay fitoriana mifono fitoriana izay no voalaza fa antony iray lehibe nahatonga ireo mpanao politika tonga nanome tànana ny tompon-trano teny Andoharanofotsy. Efa maro tokoa mantsy ny anarana voatonontonona tamin’izany raharaha izany; misy mihitsy aza olobe notànana am-ponja eny Antanimora taorian’ny ampamoaka izay nataony. Noho izany rehetra izany no hametraham-panontaniana manao hoe: “mamita-bahoaka indray ny mpitondra?”.
Sinema?
Mametra-panontaniana ihany koa ny mpanara-baovao ndrao dia sinema namitahana ny saim-bahoaka fotsiny ihany iny zava-niseho teny Andoharanofotsy iny. Toa mivandravandra loatra mantsy ilay mizàna mitanila amin’ny fampiharana ny lalàna eto amintsika: minitra sy segondra rehefa handrava fitokonana amin’ny alalan’ny lakrimôzena sy hisambotra mpanao poltika avy amin’ny fanoherana, manafika hainoamanjery tahaka ny nanjo ny Fréquence Plus; mitarazoka na mangingiana ho azy kosa rehefa olona akaikin’ny fitondrana na mpanao politika mpomba ny Fanjakana. Voatery natao iny endrika fisamborana iny entina hilazana amin’ny olom-pirenena fa tsy mitanila amin’ny fampiharana ny lalàna ny mpitandro filaminana. Ampahafirin’ny vahoaka maro be noravan’ny Emmo tao anatin’ny indray mipi-maso tamin’ny alalan’ny lakrimôzena vary raraka teny amin’ny kianjan’Ambohijatovo anefa ireo mpanao politika tonga teny Andoharanofotsy!

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...